Tokony hampangaina ve ny anjara?
“NA iza ianao na iza ary na inona na inona ataonao”, hoy ilay lehilahy, hita ho nihetsi-po, dia “tsy hahasakana voina toy io tsy hitranga ianao.” Nisy vato be nianjera avy amin’ny trano teo akaiky vao nandratra nahafaty ny anankiray tamin’ireo namany. “Izay no anjarany”, hoy ny fanatsoahan-keviny tamin’alahelo.
Moa ve isika tena vatom-panorona fotsiny, ampiasain’io hery miafina antsoina hoe “vintana” na “anjara” io? Fanontaniana mahavery hevitra ny olombelona hatramin’ny ela izany, ary tsy mahagaga mihitsy rehefa heverina izao fanamarihana nataon’i Solomona mpanjaka izao: “Tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia.” (Mpitoriteny 9:11). Ahoana no hanazavana izany fifanoheran-javatra rehetra izany?
Manao izany i Solomona amin’ny fanampiana teny hoe: “Fa ny fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy ampoizina, MN ] dia samy mahazo azy rehetra.” Olona maro anefa no mino mafy fa nametra ny anjarany Andriamanitra. Ohatra, be dia be no manaiky ny fampianarana ny amin’ny “lahatra” novelabelarin’ilay teolojiana atao hoe Jean Calvin tamin’ny taonjato faha-16. Talohany, ny mpitondra fivavahana hafa dia efa nanaporofo fa voalahatr’Andriamanitra ho amin’ny famonjena ny sasany. I Calvin kosa dia nanitatra an’io fiheverana io ho tonga hatramin’ny fiafarany araka ny fandrindran-kevitra na dia maharaiki-tahotra aza: Araka ny filazany, dia voalahatr’Andriamanitra ho amin’ny fahaverezana mandrakizay koa ny olona. Noresahiny ho decretum horribile, ho “didy maha-raiki-tahotra” avy amin’Andriamanitra izany.
Ny sasany nanohitra fa ny fampianarana toy izany dia nahatonga ny Mpamorona ho tompon’ andraikitra amin’ny fahotana. Mba hanoherana ny fanaporofoan-kevitry ny “olom-poana” iray izay nanda ny fampianarany, dia nanoratra tamim-pahatezerana toy izao i Calvin: “Tsy takatr’io tsinontsinona io fa amin’ny fitanana antony mamitaka mba hiarovana ny fahamarinan’Andriamanitra dia mandà ny heriny izy.” I Calvin tokoa dia tsy nihevitra hoe misy Andriamanitra iray tsitoha ka tsy hahalala tanteraka ny ho avy.
Ny finoana ny lahatra na ny anjara dia misy heriny lalina foana eo amin’ny fomba fiainan’ireo izay manaraka azy. Nefa, moa ve ny Baiboly mampianatra tokoa fa ny ho avintsika dia voasoritra mialoha ka tsy afa-mandositra izany isika? Mahatonga antsika ho kilalaon’ny “vintana” ve izany?