FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/9 p. 4-7
  • Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no tokony homen-tsiny?
  • “Ny fotoana sy ny sampona”
  • Ny fanimbana nentin’ny tsy fahatanterahana
  • Ny finoana ny anjara — Ireo vokany manimba
  • Sakana iray eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ve?
  • Afaka amin’ny fampahorian’ny anjara
  • Anjara ve, sa Kisendrasendra?
    Mifohaza!—1999
  • Fehezin’ny Anjara ve ny Fiainanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ireo Loza — Lahatra sa Zavatra Mpitranga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/9 p. 4-7

Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?

FANASOKETANA! FANENDRIKENDREHANA! Rehefa misy olo-manan-kaja eo amin’ny fiaraha-monina mino fa simban’ny tatitra diso ny lazany, dia mahatsiaro ho voatosika handamina ilay raharaha ny tenany. Mety hitory an’ireo tompon’andraikitra tamin’ilay fanasoketana mihitsy aza izy.

Ny finoana ny anjara dia tsy inona akory fa fanendrikendrehana an’ilay Andriamanitra Tsitoha. Milaza io foto-pisainana io fa Andriamanitra mihitsy no tompon’andraikitra amin’ireo loza sy voina rehetra mampahory ny olombelona. Raha mino ny anjara ianao, dia mety haka sary an-tsaina hoe ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao dia nanao lisitra iray izay amakiana zavatra mitovy amin’izao manaraka izao: ‘Anio dia haratran’ny lozam-piarakodia i Jaona, ho voan’ny tazo i Fatou, ho ravan’ny oram-baratra miharo tafiotra ny tranon’i Mamadou’! Tena ho voatosika hanompo Andriamanitra iray toy izany ve ianao?

‘Kanefa, raha tsy tompon’andraikitra amin’ny fahavoazantsika Andriamanitra, dia iza indray àry?’, hoy ny fanontanian’ireo mpino ny anjara. Nanontany tena ny amin’izany i Ousmane, ilay tovolahy resahina ao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Tsy voatery nanombantombana na naminavina anefa izy mba hahitana ny fahamarinana. Fantany fa nanadio ny tenany ho afaka amin’io fanendrikendrehana io Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireo fampianarana hita ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly. (2 Timoty 3:16). Andeha àry hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly ny amin’io foto-kevitra io.

Iza no tokony homen-tsiny?

Ny tondra-drano, ny oram-baratra miharo tafiotra, ny horohoron-tany — ny loza toy izany dia antsoina matetika hoe asan’Andriamanitra. Tsy manondro anefa ny Baiboly fa Andriamanitra no mahatonga ny loza toy izany. Diniho ny loza iray nitranga tany Moyen-Orient, taonjato maro lasa izay. Milaza amintsika ny Baiboly fa nanao tatitra toy izao ilay hany tafita velona tamin’ilay loza: “Nisy afon’Andriamanitra [fitenenana hebreo izay midika matetika hoe varatra] latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman-osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy”. — Joba 1:16.

Na dia mety ho nieritreritra aza io lehilahy nihorohoro io fa Andriamanitra no tompon’antoka tamin’ilay afo, ny Baiboly kosa dia mampiseho fa tsy Izy no tokony homen-tsiny. Aoka ny tenanao mihitsy no hamaky ny Joba 1:7-12, dia ho fantatrao fa tsy Andriamanitra no nahatonga ilay varatra, fa ilay fahavalony — Satana Devoly! Tsy hoe asan’i Satana mivantana avokoa akory ny voina rehetra. Mazava anefa fa tsy misy antony tokony hanomezan-tsiny an’Andriamanitra.

Raha ny tena izy, dia ny olona matetika no tokony homen-tsiny rehefa misy zavatra tsy mety. Ny tsy fahombiazana any an-tsekoly, any am-piasana, na eo amin’ny fifandraisan’ny samy olona, dia mety ho vokatry ny tsy fisian’ny fiezahana sy ny fampiofanana tsara na angamba vokatry ny tsy fahampiam-piheverana ny hafa. Toy izany koa, ny aretina, ny loza, sy ny fahafatesana dia mety ho vokatry ny fanaovana tsirambina. Ny fametahana tsotra fotsiny ny fehikibo fiarovana dia mampihena be ny mety hahafaty ny olona iray amin’ny lozam-piarakodia rehefa mitondra fiara. Tsy misy maha-zava-dehibe ny fehikibo fiarovana raha ny “anjara” tsy azo ovana no mitondra ny raharaha. Ny fikarakarana ara-pitsaboana sy ny fitandroana ny fahadiovana araka ny tokony ho izy koa dia mampihena be ny isan’ny olona maty aloha loatra. Na dia ny loza sasany lazaina matetika fa “asan’Andriamanitra” aza dia asan’olombelona raha ny marina — ny lova mahonena navelan’ny tsy fahaizan’ny olombelona mitantana ny tany. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 11:18.

“Ny fotoana sy ny sampona”

Marina aloha fa misy fisehoan-javatra maro mampalahelo izay tsy miharihary mazava ny antony. Mariho anefa izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 9:11: “Ary hitako atỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Izahay no manao sora-mandry.) Noho izany, dia tsy misy antony hinoana fa ny Mpamorona no ao an-damosin’ny loza, na hoe voasazy izay iharan-doza.

Nanohitra ny fanjohian-kevitra ahitana taratry ny finoana ny anjara ny tenan’i Jesosy Kristy. Nanisy firesahana ny amin’ny loza iray izay fantatr’ireo mpihaino azy tsara i Jesosy ka nanontany hoe: “Ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? Tsia, hoy Izaho aminareo”. (Lioka 13:4, 5). Niharihary fa tsy hoe ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra akory no notondroin’i Jesosy ho anton’ilay loza, fa “ny fotoana sy ny sampona” kosa.

Ny fanimbana nentin’ny tsy fahatanterahana

Ahoana anefa ny amin’ny fahafatesana sy ny aretina tsy hay hazavaina? Manome izao filazalazana mivantana izao ny Baiboly raha ny amin’ny toe-piainan’olombelona: ‘Ao amin’i Adama no ahafatesan’ny olona rehetra.’ (1 Korintiana 15:22). Nampahory ny olombelona ny fahafatesana, hatramin’ny nandiavan’i Adama, razambentsika, ny lalan’ny tsy fankatoavana. Tsy misy hafa amin’ny nampitandreman’Andriamanitra, dia namela lova ho an’ny taranany i Adama, dia ny fahafatesana. (Genesisy 2:17; Romana 5:12). Amin’ny farany àry, dia azo atao ny mahita fa i Adama, razambe iombonantsika, no rangory fototry ny afo nahatonga ny aretina rehetra. Ny fahalementsika nolovana koa dia misy ifandraisana be amin’ireo fahadisoam-panantenana sy tsy fahombiazana mahazo antsika eo amin’ny fiainana. — Salamo 51:5.

Diniho ange ny olana momba ny fahantrana e! Ny finoana ny anjara dia matetika no mampirisika ny ory hanaiky tsy satry ny fiainan-tsarotra diavin’izy ireo. ‘Izao no anjaranay’, hoy ny finoan’izy ireo. Ny Baiboly anefa dia mampiseho fa ny tsy fahatanterahan’olombelona no tokony homen-tsiny, fa tsy ny anjara. Lasa nahantra ny sasany rehefa ‘mijinja izay nafafiny’, noho ny hakamoana na noho ny tsy fahaiza-mitantana ny loharanon-karena. (Galatiana 6:7; Ohabolana 6:10, 11). Misy olona an-tapitrisany maro miaina ao anatin’ny fahantrana satria iharam-pahavoazana noho ny ataon’ny olona mierina manam-pahefana. (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:6.) ‘Nanapaka ny namany ny olona ka nampidi-doza taminy’, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 8:9). Tsy misy porofo milaza fa Andriamanitra na ny anjara no rangory fototry ny afo mahatonga ny fahantrana rehetra.

Ny finoana ny anjara — Ireo vokany manimba

Ny mbola fanaporofoan-kevitra mampiaiky hafa koa, izay manohitra ny finoana ny anjara, dia ny vokatr’izy io eo amin’ireo mpino azy. Hoy i Jesosy Kristy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.” (Matio 7:17). Andeha hodinihintsika ny “voa” iray ateraky ny finoana ny anjara — ny fomba ananan’izy io hery eo amin’ny fahatsapan’ny olona andraikitra.

Zava-dehibe ny fahatsapana araka ny tokony ho izy ny andraikitry ny tena. Izy io no iray amin’ireo zavatra manosika ny ray aman-dreny hamelona ny fianakaviany, manosika ny mpiasa hanatanteraka ny asany amim-pahamalinana, manosika ny mpanao taozavatra hanome vokatra tsara dia tsara. Mety hanadonto izany fahatsapana izany ny finoana ny anjara. Alao sary an-tsaina, ohatra, hoe misy tsy mety ny milina familiana ny fiaran’ny lehilahy iray. Raha manana fahatsapana tsara ny andraikiny izy, dia hampanamboatra azy io noho ny fiahiany ny ain’ny tenany sy ny ain’ny mpandeha. Etsy an-danin’izany, dia mety tsy hiraharaha ny mety hisian’ny loza ny olona iray mino ny anjara, amin’ny fanjohiana hevitra fa tsy hisy fikatsoana hitranga raha tsy izany no ‘sitrapon’Andriamanitra’!

Eny, ny finoana ny anjara dia mety hampandroso mora foana ny tsy fitandremana, ny hakamoana, ny tsy fanekena andraikitra amin’izay zavatra ataon’ny tena, sy lafin-toetra maro hafa tsy manorina.

Sakana iray eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ve?

Ny manimba indrindra amin’ny rehetra dia ny hoe afaka manakantsakana ny fahatsapan’ny tena andraikitra, na adidy, amin’Andriamanitra, ny finoana ny anjara. (Mpitoriteny 12:13, NW ). Mampirisika mafy ny olombelona rehetra ny mpanao salamo mba ‘hanandrana ka hizaha fa tsara i Jehovah’. (Salamo 34:8). Manambara fepetra sasany Andriamanitra ho an’ireo maniry handray soa amin’ny hatsaram-pony. — Salamo 15:1-5.

Ny fibebahana no fepetra iray amin’izany. (Asan’ny Apostoly 3:19; 17:30). Tafiditra amin’izany ny fiekena ny fahadisoantsika sy ny fanaovana ny fiovana ilaina. Amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka antsika rehetra, dia manan-javatra be dia be ilana ny hibebahana isika. Raha mino anefa ny olona iray fa tsy afa-manoatra izy noho ny tenany iharam-pahavoazana amin’ny anjara, dia sarotra ny hahatsapany ny ilana ny hibebahana na handraisany andraikitra noho ny fahadisoany.

Hoy ny mpanao salamo momba an’Andriamanitra: ‘Tsara noho ny aina ny famindram-ponao’. (Salamo 63:3). Kanefa ny finoana ny anjara dia nampiaiky olona an-tapitrisany maro hoe Andriamanitra no loharanon’ny fahorian’izy ireo. Mazava ho azy fa nahatonga olona maro hankahala azy izany ka nanakatona ny varavarana mankamin’ny fananan’izy ireo tena fifandraisana akaiky tamin’ny Mpamorona. Rehefa dinihina tokoa mantsy, ahoana no hahafahanao hahatsapa fitiavana olona iray izay heverinao ho mahatonga ny olana sy ny fisedrana rehetra mahazo anao? Noho izany, ny finoana ny anjara dia manangana sakana iray mampisaraka an’Andriamanitra sy ny olona.

Afaka amin’ny fampahorian’ny anjara

Taloha dia nandevozin’ny finoana ny anjara i Ousmane tanora, noresahina teo am-piandohana. Kanefa, rehefa nanampy azy hanombana ny fiheviny avy amin’ny fomba fijerin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, dia voatosika hitsahatra tsy hino ny anjara i Ousmane. Ny vokany dia ny fahatsapany lalina ho maivamaivana sy fomba fijery vaovao sy manorina momba ny fiainana. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia nanjary nahafantatra an’i Jehovah ho Andriamanitra “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”, izy. — Eksodosy 34:6.

Nanjary nahatakatra koa i Ousmane fa na dia tsy mandahatra mialoha ny tsipiriany rehetra eo amin’ny fiainantsika aza Andriamanitra, dia manana fikasana ho an’ny hoavy.a Hoy ny 2 Petera 3:13: ‘Araka ny teny fikasany dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana, isika.’ Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy olona an-tapitrisany maro hamboly ny fanantenana hiaina mandrakizay ka ho anisan’io “tany vaovao” nampanantenaina io. Ho tian’izy ireo ny hanampy anao koa.

Arakaraka ny itomboanao eo amin’ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly no hahatonga anao hahatakatra fa ny hoavinao dia tsy miankina amin’ny anjara voatendry mialoha izay tsy azonao fehezina. Mihatra tsara ireo tenin’i Mosesy tamin’ny Isiraelita fahiny, manao hoe: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy”. (Deoteronomia 30:19, 20). Eny, manan-tsafidy ny amin’ny hoavinao ianao. Tsy eo am-pelatanan’ny anjara akory izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana famoaboasana feno momba ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1985, pejy faha-3-7.

[Sary, pejy 6, 7]

Tsy ‘asan’Andriamanitra’ ireo loza ireo

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Coast Guard photo

WHO

UN PHOTO 186208/M. Grafman

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara