FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/7 p. 24-28
  • Ireny ankizy tsy naterakao ireny: ahoana no fomba fitaiza azy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireny ankizy tsy naterakao ireny: ahoana no fomba fitaiza azy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tarehin-javatra tena manokana
  • Fanorenana tsara mba handaminana ireo zava-manahirana
  • Ny fahaiza-manavaka: toetra tsara ilaina
  • Ny fifehezana
  • Manàna faharetana — ilaina ny fotoana
  • Valisoa: ny fahombiazana
  • Hafa Mihitsy ny Olana Atrehin’Ilay Fianakaviana
    Mifohaza!—2012
  • Ireo Olana Mampiavaka ny Fianakaviana Misy Raikely na Renikely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Afaka ny Hahomby ny Fianakaviana Misy Raikely na Renikely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Renikely ve Ianao sa Nanambady Indray ny Vadinao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/7 p. 24-28

Ireny ankizy tsy naterakao ireny: ahoana no fomba fitaiza azy?

TAMIN’NY andro nampakarany vady, dia tonga raim-pianakaviana avy hatrany i Félix. Efa nanana zanakavavy fito taona hafa ray ny vadiny. Rehefa niara-nitsangantsangana irery tamin’ilay zana-badiny izy taoriana kelin’izay, tamin’io andro io ihany, dia taitra sady tsy faly izy nandre azy niteny ratsy ka noteneniny tamim-pahalemem-panahy izy io. Tsy ela dia namaly ilay ankizivavy kely: “Inona koa, hoy ny fanoherany, tsy raiko akory ianao!” Ankona i Félix. Noho izy kristiana, dia naniry hanorina tokantrano izay hanome voninahitra an’Ilay “ahazoan’ny fianakaviana rehetra anarana’ izy. Indro anefa fa nanomboka nahatsinjo ireo fihenjanana hosetrain’ilay tokantranony vaovao izy. — Efesiana 3:15.

Taloha, ny ankamaroan’ny fianakaviana maro karazana dia avy amin’ny fanambadian’ny lehilahy na vehivavy maty vady fanindroany, nefa amin’izao “andro farany” izao, ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana haingana dia nitarika fitomboana mahagaga teo amin’ny isan’izy ireny (II Timoty 3:1-5). Nahoana? Satria eo amin’ny 80 isan-jaton’ny misara-panambadiana, izay manana zanaka iandraiketana ny maro aminy, dia manambady indray. Manampy izany ny fanambadian’ny mpitovo manana zanaka. Raha inoana ny voalazan’ny fandaminana iray noforonina mba hanampiana ireo fianakaviana avy amin’ny fanambadiana maromaro, amin’ny 1990, ireo Amerikana izay ho nanambady fanindroany dia ho maro kokoa noho ireo mbola ho eo amin’ny fanambadiany voalohany, hany ka ny ‘fianakaviana mifangaro’ dia ho tonga ny anankiray amin’ireo karazan-tokantrano miely indrindra. Io karazam-pianakaviana io anefa io karazam-pianakaviana io dia tojo zava-manahirana manokana tanteraka.

Tarehin-javatra tena manokana

Ao amin’ny fanambadiana voalohany, raha ny tsy fahamatoran’ireo mpivady mandrakariva no antony lehibe indrindra miteraka zava-manahirana, amin’ny fanambadiana fanindroany, dia amin’ny fanabeazana ny ankizy indrindra no misy ny antony miafina miteraka alahelo. Tena zava-tsarotra tsy maintsy setrain’ny raikely na ny renikely iray tokoa ny fanaovana izay hahazoana ny fitiavana sy ny fanajan’ny zanaka tsy misy fifamatorana araka ny natiora aminy mihitsy ka mihevitra azy ho toy ny olona mitsofotsofoka foana indraindray. Fa raha ny amin’ilay ray na ilay reny niteraka, dia tokony hianatra haneho fitiavana ny vadiny vaovao izy sady tsy hahafoy ireo zanany. Ambonin’izany, rehefa manangona zazalahy sy zazavavy ny fanambadiana fanindroany na manangana zana-bady vavy ny lehilahy iray, dia tokony hoheverina ny antony hafa iray miteraka fihenjanana: ny mety hisian’ny fahalotoam-pitondrantena. Araka ny filazalazana isan-javatra sasany, dia 25 isan-jaton’ny fianakaviana avy amin’ny fanambadiana maromaro no toa isehoan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna. — I Korintiana 6:9, 10.

Ireo zanaka kosa dia matetika mifanandrina amin’ny fihetseham-po izay manomboka amin’ny fandavana ka mankamin’ny fialonana, amin’ny fandalovana amin’ny lolompo sy ny ady anaty ny amin’ny tsy fivadihana amin’ny ray aman-dreniny. Ny fandonana ara-pihetseham-po vokatry ny fisaraham-panambadiana na ny fahafatesan’ny ray na ny reny iray dia manasarotra kokoa ihany ny adidin’izy ireo. Mampalahelo fa asehon’ny zava-mitranga fa efatra mahery amin’ny fanambadiana fanindroany folo no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana ao anatin’ireo dimy taona voalohany. Azo atao anefa ny mahita fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakavian’ny tena ao anatin’izany toe-javatra izany. Amin’ny fomba ahoana?

Fanorenana tsara mba handaminana ireo zava-manahirana

“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Mba ‘hanaovan’i’ Jehovah fianakaviana iray avy amin’ny fanambadiana maromaro, ny mpianakavy rehetra dia tokony hanome ny toerana voalohany ho an’ny didiny sy ny fotopoto-pitsipiny ary ny toroheviny mba hahazoana ny fitahiany. “Ny hany zavatra tena nanampy anay, hoy i Félix, namboraka ny tao am-pony, dia ny fametrahana ny Tenin’i Jehovah alohan’ny fihetseham-pontsika manokana. Nohalaviriko foana ny niresaka tamin’ilay zana-badiko ny amin’ny fomba fijeriko ny zavatra, ary nampiasa ny Baiboly aho mba hamoronana hevitra hifanarahana mety hanakambana anay.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nampiasa ny Soratra masina i Félix mba “ho fanitsiana izay diso”, ary nataony fahefana tampony tao an-tokantranony izany (II Timoty 3:16). Rehefa hitan’ny zanaka fa ny ray aman-dreny koa aza manaiky ny ‘torohevitr’i Jehovah’, dia tsapan’izy ireo fa ny tokantranony dia fehezin’ny fotopoto-pitsipiny tsy miovaova, fa tsy amin’ny haitraitran’ny raikeliny na ny renikeliny. — Ohabolana 19:21; 20:7.

Ny lehilahy kristiana iray sy ny vehivavy kristiana iray izay samy nanana zanaka telo avy ka nikambana mba hanorina fianakaviana vaovao iray dia nahita fahombiazan’ny fanambadiany satria “ireo zanaka niezaka tokoa hampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Rehefa tonga olon-dehibe ny anankiray tamin’ireny tanora ireny dia nanoratra toy izao: “Amin’ny fifangaroan’ny fianakaviana roa, ny zavatra mitana ny saina araka ny olombelona dia mety hialoha foana ireo raharaha ara-panahy. Maika loatra ny tena miahy bebe kokoa ny amin’ny hifanarahana tsara toy izay hiara-manompo an’i Jehovah.” Noho izany, dia tokantrano kristiana maro karazan’izany no manaiky fa mba hahombiazana, dia tena ilaina ny hitanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra sy ny hanaovana fiezahana mafy mba hampiharana ny Teniny.

Ny fahaiza-manavaka: toetra tsara ilaina

Fotoana fohy taorian’ny nanambadian’ny reniny fanindroany, Marla izay 12 taona tamin’izay, dia nanjary nikomy aoka izany ka nandositra imbetsaka. Nitaky fankatoavana ara-drariny taminy imbetsaka ny reniny sy ny raikeliny, nefa nirona hanao tsirambina ny anton-javatra ara-pihetseham-po izy ireo. “Nifanakaiky tokoa izahay sy i Neny, hoy ny fanazavan’i Marla, somary sahala amin’ny mpirahavavy. Niara-natory tamin’ny fandriana iray izahay. Rehefa tonga ny raikeliko, dia nafoiko izany fifankazarana izany, ka tsy ela dia nieritreritra aho fa tsy tao an-tranoko intsony.” Mahalana ny vady iray no mieritreritra fa ireo zana-badiny dia mihevitra azy ho manaisotra azy ireny tsy ho ao am-pon’ny rainy na ny reniny. Koa mety tsy hihevitra loatra ny maha-zava-dehibe ny fikorontanana ara-pihetseham-po aterak’izany izy. Fa inona no hatao amin’izany?

Araka ny Ohabolana 24:3 (MN ), dia “amin’ny fahaiza-manavaka” no “hampiharihary fa mafy orina” ny tokantrano iray. Izay manana fahaiza-manavaka dia tsy mijanona amin’ny atao sy ny teny; tadiaviny ny antony lalina mahatonga izany. Ohatra, angamba zana-badinao lahy na vavy ho hitanao fa mihatakataka. Fa nahoana no manao toy izany izy? Moa ve satria mizarazara ny fihetseham-pony, satria izy matahotra ny hivadika amin’ilay rainy na reniny tsy eo intsony? Elizabeth Einstein, izay nitaiza ireo zanaky ny vadiny, dia nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny bokiny hoe Ny fianakaviana tafakambana indray (anglisy): “Tsy azo soloana na oviana na oviana ny ray na ny renin’ny ankizy iray. Na dia ilay maty na nanary an’ireo zanany aza dia mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ireo zanaka ireo foana. Ny tsiambaratelo mahatonga hahomby amin’ny fiainan’ny tena amin’ny maha-raikely na renikely dia voalaza amin’izao teny vitsivitsy izao: Aza manandrana mividy ny ankizy amin’ny fanambatambazana, ary aza mitaky izay eritreretinao fa zonao ny hananana azy. Tsy nahatakatra izany koa ny tenako raha tsy vao haingana.” Nanohy ny teniny toy izao izy: “Araka ny tena azo inoana, dia izany koa no fomba tsara indrindra hahazoana ny fon’ny zana-badinao lahy na vavy.” Ireo ray aman-dreny kristiana izay ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ka maneho fahaiza-manavaka dia tsy manantena ny ‘hotiavina avy hatrany’. Tsy miahiahy izy rehefa tsy miseho avy hatrany izany fitiavana izany. Tsy mora velively anefa izany.

“Vita fanefitra amin’ny fankahalan’ny hafa aho, hoy ny fitarainan’ny renikely iray, afa-tsy rehefa avy amin’ny zana-badiko izany. Ampy ny fanosehan’i Amy ahy mba hahatonga ny andro mahafinaritra iray hihamanjombona ka handaozan’izay rehetra mety ho fifaliana ahy.” Hoy ny teny nanampiny: “Mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainako i Amy. Iriko ny hitana tsara ny anjara toerako amin’ny maha-renikely.” Mazava ho azy fa takatra ny maha-mafy ny fahatsiarovana fa lavina toy izany. Manome izao torohevitra izao anefa ny Baiboly: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9). Izay mora tezitra loatra dia mety hanjary hamelona lolompo ‘ao an-tratrany’, ka tsy isalasalana fa izany dia hiseho amin’ny teny sy ny fanaovan-javatra tsy voahevitra.

Fa inona no vokatra ateraky ny fahaiza-manavaka eo amin’ny fampiharana? Tamin’ny andro fampakaram-badiny, dia tsaroan’i Félix rehefa namalivaly azy ilay zana-badiny fa akaiky dia akaiky an-drainy izy io talohan’ny nahafatesany. Koa nomeny izao valinteny feno fahaiza-manavaka izao ilay zazavavy: “Marina fa tsy rainao aho, nefa ho tiako ny ho namanao sy ho anadahinao ara-panahy.” Ianao koa, dia aoka ianao ho “hendry am-po”, ary mianara koa tsy ho mora tohina loatra. — Ohabolana 16:21; 14:1.

Ny tsy fisian’ny fifankazarana voa-janahary mampiavaka ireo fianakaviana avy amin’ny fanambadiana maromaro dia matetika no mitarika ho amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe ny “fiavonavonana”. Araka ny filazan’ny diksionera hebreo iray, izany dia karazana “kiry” izay manosika olona ‘hitaky izay tsy ananany zo tanteraka, amin’ny fandavana izay rehetra mety ho famoizana’. Miteraka ady anefa izany karazana tsy fiheverana afa-tsy ny tena izany (Ohabolana 13:10). “Na dia tsy mora aza izany, dia niezaka aho mba tsy hoe tsy hieritreritra afa-tsy ny fihetseham-poko, hoy ny fanazavana nataon’ny zana-bady iray. Azoko natao ny nahatakatra ny an’ilay hafa sy ny nipetraka teo amin’ny toerany. Na dia izany aza dia tsy niala tamin’ny fihetseham-pon’ny tenako aho, fa nanitatra izany mba hahatonga azy hahafaoka olona iray amboniny.”

Kanefa, mba hianarana hiahy ny amin’ny hafa, ny mpianakavy avy amin’ny fanambadiana maromaro dia tokony hifampiresaka. Izao koa no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 13:10: “Ao amin’ny mino anatra [miara-mandinika vao manapa-kevitra, MN ] no misy fahendrena.” Ny ‘fiaraha-mandinika vao manapa-kevitra’ na ny fiaraha-midinika tsy tapaka dia mety hampiravona ny zava-manahirana sy hitondra fampiraisana ny fianakaviana. Amin’izany, dia ilaina anefa ny hiraisan’ny ray aman-dreny hevitra amin’ireny resaka ireny. Amin’io lafiny io, dia matetika ny faharetana no manome vokatra tsara. Hahita fanipazan-kevitra mahasoa hafa ianao ao amin’ny pejy faha-28. — I Petera 3:8.

Noho ny ‘fiaraha-mandinika vao manapa-kevitra’ toy izany, na dia ny mety hisian’ny fahadisoana momba ny lahy sy ny vavy aza dia azo sakanana. Talohan’ny hanambadiana fanindroany, dia nisy ray sy reny niresaka tamim-pahatsorana tamin’ireo zanany ny amin’ny fomba tokony hitafiana na hitondran’ny zazavavy tena hatramin’izao eo anoloan’ny raikeliny na ireo zanakalahin’ny raikeliny raha misy izany. Arakaraka ny hitomboan’ny zanaka, dia ilaina matetika ny hitarihan’ny ray aman-dreny fifanakalozan-kevitra hafa karazan’izany, satria amin’ny ankapobeny, noho ny henatra, dia misalasala ny zanaka hiresaka karazam-poto-kevitra toy izany.

Ny fifehezana

Tsy azo lavina fa ny fifehezana dia mahaforona foto-kevitra sarotra indrindra ao amin’ireo tokantrano avy amin’ny fanambadiana maromaro. Koa satria “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”, anisan’izany ireo ao anatin’ny karazam-pianakaviana toy izany, ireo zanaka ireo dia tena mila ny handray fifehezana mitohy (Ohabolana 22:15; 13:1). Fotoana fohy taorian’ny fampakaram-badiny, ny vehivavy kristiana iray natao hoe Pat dia nahatsikaritra fa hatreo ny zanakavavin’ny vadiny dia mafy loha. ‘Nataoko tamim-pitandremana izay hanajana ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefana”, hoy ny fanazavany. Tsara ny milaza kely aloha fa rehefa nandeha ny fotoana, ny zanakavavin’ny vadin’i Pat dia nanjary ny anankiray tamin’ireo namany tsara indrindra. “Vonona foana aho ny hanazava taminy ny anton’ny fanapahan-kevitra iray, ny hifanakalo hevitra taminy sy ny hamerina izay efa nolazaiko taminy, hoy ny teny nanampiny, nefa tsy nanaraka ambokony mihitsy aho satria hoe nisy zavatra tsy nahafinaritra azy. Niseho ho tsy azo nohozongozonina aho raha ny amin’ny fandaharana naorin’i Jehovah.”

“Raha ny marina”, hoy ny nambaran’i Emily sy John Visher, mpivady mpanolo-tsaina ara-panambadiana nanao fandinihana manokana ny amin’ireo zava-manahirana ny fianakaviana avy amin’ny fanambadiana maromaro, “ny fifehezana dia tsy tena mandaitra raha tsy heverin’ilay mandray azy ny maha-zava-dehibe ireo fihetsik’ilay olona mampihatra azy sy ny fifandraisany aminy”. Raha mbola tsy misy koa izany fifamatorana izany, ny sasany dia nihevitra fa tsara ny hamelana ho an’ilay ray na ilay renin’ny ankizy, ny andraikitra hifehy azy voalohany indrindra. Mazava ho azy fa na dia amin’izany toe-javatra izany aza, dia mbola ny lehilahy ihany no loham-pianakaviana. Kanefa, raha ampianariny mazava ny vadiny ireo antony mety hilana fanitsiana, dia tena azony atao ny manome andraikitra azy rehefa avy eo hampihatra izany. Araka ny filazan’ny Baiboly, ny ray toy ny reny dia manana zo hamoaka ‘lalàna’ raha ny amin’ny fifehezana (Ohabolana 1:8; 6:20; 31:1). Koa satria ny fianakaviana rehetra avy amin’ny fanambadiana maromaro tsy mitovy, dia tsy misy fitsipika tsy miova raha ny amin’ny fomba fifehezana. Kanefa ny raikely na ny renikely dia tokony hiahy indrindra ny hanitsy araka “izay mety hataony”, ka tsy ho latsaka amin’ny zavatra tafahoatra amin’ny fitakiana avy hatrany, fiovana lehibe loatra avy amin’ilay zanaka, satria mety hiteraka fahasosorana ho azy izany (Isaia 28:26-29; Kolosiana 3:21). Mifamadika amin’izany, ireo zanaka dia tokony hanaiky ny fifehezan’ny raikeliny na ny renikeliny. Tamin’ny andron’ny Baiboly, Esther dia niseho ho nankatò sy velom-pankasitrahana an’i Mordekay, mpiaro azy na ray nanangana azy, izay nitaiza azy taorian’ny nahafatesan’ireo ray aman-dreniny. Nahatonga azy ho vehivavy tsara dia tsara ny fifehezany azy. — Estera 2:7, 15, 20.

Indraindray ny fifehezana nolazalazain’ny anankiray tamin’ireo ray aman-dreny dia simba satria tsy mampihatra izany amin’ny zanany ilay anankiray. Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray niteraka telo: “Mahatsiaro ho voarirodrirotry ny olona roa tiana aoka izany ny tena.” Aza hadinoina anefa fa amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia ny fifandraisanao amin’ny vadinao no voalohany. Na dia sarotra aminao aza izany indraindray, dia aza avela mihitsy ny firaiketam-ponao araka ny natiora hamorona fefy eo anelanelanareo roa. Naneho fahendrena i Abrahama tamin’ny tsy famelana na dia iray aza tamin’ny olona tao an-tokantranony hanimba ny fifandraisany tamin’i Saraha vadiny, na hanakantsakana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. — Genesisy 16:1-6; 21:8-14.

Na dia tsy azo atao foana aza ny hanana fihetseham-po mitovy amin’ny zana-badin’ny tena sy ny an’ny tena, dia samy tokony hoentina araka ny rariny izy ireo. Ny anankiray amin’ireo fotopoto-pitsipika tokony hitarika ny fitsarana tsara rehetra dia izao manaraka izao: “Tokony hitovy ny fomba fitondra ny rehetra.” (I Timoty 5:21, Le Livre). Mora ny manala tsiny ny kileman-toetran’ny zanaky ny tena sy ny mampitombo ny an’ny hafa. Tsaratsara kokoa àry ny hiarahan’ny mpivady midinika aloha ny amin’ny mety ho tsy fitovian’ny heviny momba ny fifehezana sy ny hahatongavan’izy ireo amin’ny fifanarahana mba hahafahana miray hina mafy eo anatrehan’ny zanaka. Rehefa nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana iray avy amin’ny fanambadiana roa i Alesia, izay 19 taona izao, dia mahatsiaro hoe: “Misy zavatra iray hitako fa tena lehibe: Tsy nivadika tamin’ny teniny ireo ray aman-dreniko raha ny amin’ny fifehezana. Na iza izahay na iza, dia fantatray fa hanitsy anay izy noho ny fahadisoanay. Tsy niova ny fotopoto-pitsipiny sy ny zavatra notakiny.”

Manàna faharetana — ilaina ny fotoana

“Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavom-panahy.” (Mpitoriteny 7:8). Raha maro no miala ao anatin’ireo fotoana voalohany izay sarotra indrindra, izay maharitra dia mandrakariva no mahatsapa fa manomboka mandresy ny zava-manahirana azy ny fianakaviany. “Araka ny filazalazana isan-javatra, dia efa-taona ka hatramin’ny fito taona no ilaina mba hahatonga ny fianakaviana iray nakambana hiorina mafy ka hitombo ao ny fahatsapana fiankinana”, hoy ny fanazavan’i Elizabeth Einstein. Ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia mety hanafaingana ny dingana fifankazarana. Mbola ilaina tanteraka anefa ny hisehoana ‘hahari-po’.

“Ny lehilahy iray [na ny vehivavy iray] mihevi-tena ho zavatra loatra”, izay mieritreritra fa mitana ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana ka mitaky fiovana avy hatrany amin’ny hafa dia “miteraka fifandirana”. Tsy mora ny miala amin’ny zavatra ninoana sy ny fiheverana ny amin’ny fiainam-pianakaviana nananana hatramin’ny taona maro. Koa fahendrena ny tsy “hitokisana amin’ny fanosehan’ny fo”, fa hianteherana amim-panetren-tena amin’ny fitarihana sy ny fanampian’i Jehovah. — Ohabolana 28:25, 26, Bible en français courant.

Valisoa: ny fahombiazana

Ny fahalalana, ny fahaizana sy ny fanandraman-javatra hitan’ny mpianakavy isan-karazany tsirairay avy dia mety hitombo noho izany fitambaran’olona samy hafa fiaviana izany. Nanao izao fanamarihana izao ny amin’ny zana-badiny ny reny kristiana iray: “Nanome refiny vaovao ho an’ny tokantranonay i Valérie. Tsy indray mandeha ny fomba fijeriny zavatra no nanitatra ny faritry ny nataonay.” Afa-tsy izany koa, raha sarobidy ny fatorana mampiray anao amin’ireo zanaka naterakao, ny fifankazarana ho hainao foronina na dia ao aza ny tsy fisian’ny firaiketam-po araka ny natiora, amin’ny ankizy iray angamba nanosika anao teo am-boalohany, dia ho antom-pifaliana miavaka tanteraka, toy ny tsapan’ny ray aman-dreny maro be tamim-pahasambarana.

Marina fa tsy maintsy misetra zava-manahirana lehibe amin’ny toe-javatra toy izany, nefa ahitana fahafahampo koa ny fahatongavana amin’ny fandaminana izany. Ao anatin’ny afon’izany fitsapana izany no hiforona ny toetra ara-panahy sarobidy, toy ny faharetana, ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa, ny fangoraham-po sy ny fahafoizan-tena. “Nianatra nanao izay rehetra azoko natao aho mba handaminana ireo fahasahiranana sy hamelana izay mbola tsy afaka eo an-tanan’i Jehovah”, hoy ny nambaran’i Louise, rehefa avy nitaiza ankizy telo tsy naterany. “Nandray fianarana sarobidy tokoa avy amin’izany aho. Izany dia nanampy aho ho tonga vehivavy tsaratsara kokoa sy araka ny fanahy kokoa, sy tena hahatsapa tokoa fa rehefa manompo an’i Jehovah ny tena dia tsy irery na oviana na oviana amin’ny fitondrana ny entan’ny tena.”

Ny valisoa amin’ny fahitana ny fianakavianao manome voninahitra an’Andriamanitra dia tena rariny raha isahirananao. Rehefa nampiseho ny fomba fanorenana tempoly hiderana an’i Jehovah tamin’ny zanany i Davida mpanjaka, dia notononiny koa ny tsiambaratelo mahatonga ho afaka hanorina amim-pahombiazana, fianakaviana iray avy amin’ny fanambadiana maromaro. Izao no teniny: “Ho aminao anie Jehovah (...) ary homen’i Jehovah saina sy fahendrena anie hianao (...) mba hitandremanao ny lalàn’i Jehovah Andriamanitrao. Ary amin’izany dia hambinina hianao.” — I Tantara 22:11-13.

[Efajoro, pejy 27]

TOROMARIKA MBA HAHATSARA NY FIFANDRAISAM-PIANAKAVIANA:

1) Mitadiava fotoana sy toerana mety mba hanehoana tsy tapaka ny fihetseham-ponareo.

2) Miezaha daholo mamboraka ny ao am-ponareo, ary resaho malalaka ny amin’ny alahelom-ponareo sy ny fahorianareo. Asehoy fa heverinareo ho zava-dehibe ny fihetseham-pon’ny tsirairay avy. — Joba 33:3.

3) Manandrama mampiseho izay ao am-ponao ho fisehoan’ny fihetseham-po fa tsy ho toy ny fiampangana. Ohatra, lazao hoe: “Rehefa hitako fa tsy nisy nanasa lovia, dia nanorisory ahy mafy izany”, fa tsy hoe: “Tena mba tsy nisy niraharaha mihitsy. Tia tena sy miala andraikitra daholo ianareo rehetra.” — Kolosiana 4:6.

4) Mifanehoa hatsaram-po ary ataovy izay hahatakarana ny fihetseham-pon’ny hafa. — Efesiana 4:31, 32.

5) Miezaha mitady fanafodiny azo ampiharina sy mety amin’ireo zava-manahirana amin’ny fiheverana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly tafiditra.

6) Farano foana ny fifanakalozan-kevitra amin’ny teny manorina sy mampahery izay hanampy amin’ny fitondrana rivo-piainana feno hafanana eo anivon’ny fianakaviana ka hanome ho an’ny tsirairay amin’ny mpianakavy fahatsapana fahamendrehana. — Efesiana 4:29.

[Sary, pejy 26]

Ny ray aman-dreny maka fotoana ‘hiaraha-mandinika vao manapa-kevitra’ dia hisakana zava-manahirana maro izay mety hitranga eo amin’ny fanabeazana ireo zanany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara