Afaka ny Hahomby ny Fianakaviana Misy Raikely na Renikely
AZO ATAO VE NY MANANA FIANAKAVIANA VANONA MISY RAIKELY NA RENIKELY? ENY, INDRINDRA RAHA tsaroan’ny mpianakavy rehetra fa ny “soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. (2 Timoty 3:16). Saiky azo antoka tanteraka ny fahombiazana, rehefa mampihatra foto-pitsipika ara-baiboly ny tsirairay.
Ilay toetra fototra
Raha ny tena lalàna izay natao hifehy ny fifandraisan’olombelona, dia vitsivitsy monja no raketin’ny Baiboly. Amin’ny ankamaroany izy io dia mampirisika ny fambolena toetra sy fihetsika tsara izay mitarika antsika hanao zavatra amim-pahendrena. Ny fihetsika sy toetra tsara toy izany no fototry ny fiainam-pianakaviana sambatra.
Ny fitiavana no toetra fototra ilain’ny fianakaviana rehetra mba hahombiazana. Mety ho toa mazava ho azy izany, saingy tsara holazaina ihany na izany aza. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy (...). Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy”. (Romana 12:9, 10). Ampiharina amin’ny fomba diso loatra ny teny hoe “fitiavana”, nefa miavaka ilay toetra nasian’i Paoly firesahana eto. Ny fitiavana araka an’Andriamanitra izy io, ary “tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Milazalaza azy io ho tsy tia tena sy vonona ny hanompo ny hafa, ny Baiboly. Manasoa ny hafa izy io. Maharitra sy mora fanahy, tsy mialona, tsy mieboebo, na mihevi-tena ho zavatra izy io. Tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany izy io. Vonona foana hitondra ny hafa amim-pahamoram-panahy noho ny tarehin-javatra misy azy ireny, izy io. Vonona foana ny hatoky, hanantena, hiaritra izay rehetra mitranga, izy io. — 1 Korintiana 13:4-7.
Ny tena fitiavana dia manampy mba handravonana ny tsy fifanarahana sy hampiraisana ny olona izay manana fanabeazana sy toetra tena samy hafa be. Ary manampy mba hanoherana ireo vokatra manimban’ny fisaraham-panambadiana, na ny fahafatesan’ny ray (na reny) niteraka izy io. Nilazalaza ny tena zava-nanahirana azy toy izao ny lehilahy iray izay tonga raikely: “Niahy be loatra ny amin’ny fihetseham-poko manokana aho matetika, ka tsy namakafaka ny fihetseham-pon’ny zana-badiko na ny an’ny vadiko mihitsy aza. Tsy maintsy nianatra ny tsy ho mora tohina loatra aho. Ny tena zava-dehibe indrindra, dia ny hoe tsy maintsy nianatra ny hanetry tena aho.” Nanampy azy hanao ny fiovana ilaina ny fitiavana.
Ny ray (na reny) niteraka
Ny fitiavana dia afaka manampy mba hiatrehana ny fifandraisana misy eo amin’ireo ankizy sy ilay rainy (na reniny) niteraka azy, izay tsy eo intsony izao. Nitsotra toy izao ny raikely iray: “Tiako hitana ny toerana voalohany ao am-pon’ny zana-badiko ny tenako. Rehefa nitsidika ny tena rainy izy ireo, dia hitako fa sarotra tamiko ny nanohitra ilay fakam-panahy hanakiana ny rainy. Lotika ny foko rehefa tonga avy any amin-drainy izy ireo, ka nilaza ho finaritra erỳ niaraka taminy. Faly aho rehefa tsy nahafinaritra ny fiarahan’izy ireo tany. Natahotra ny tsy ho tian’ny zana-badiko aho, raha ny tena izy. Iray amin’ireo zavatra sarotra indrindra ny hahatakarana sy hanekena ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny tena ray eo amin’ny fiainan’ny zana-badiko.”
Ny tena fitiavana dia nanampy an’io raikely io hiatrika ny hoe tsy araka ny zava-misy ny hanantenana fitiavana “hitsiry eo no ho eo”. Tsy tokony ho nahatsapa ho natao an-kilabao izy rehefa tsy nanaiky azy avy hatrany ireo ankizy. Nanjary takany fa tsy afaka na oviana na oviana hisolo tanteraka ilay tena ray ao am-pon’ny zanany izy. Efa nahafantatra ny tena rainy hatrany am-piandohana ireo ankizy, fa ilay raikely kosa dia olona vao tonga izay voatery hiezaka mafy mba hahazo ny fitiavan’ireo ankizy. Ahitana taratry ny zavatra niainan’ny maro ny tenin’i Elizabeth Einstein, mpanao fikarohana iray, manao hoe: “Tsy azo soloana na oviana na oviana ny ray (na reny) niteraka. Na dia ny ray (na reny) maty na nahafoy ireo zanany aza dia mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ireo zanany foana.”
Fifehezana — Raharaha iray manahirana
Milaza ny Baiboly fa tena ilain’ny ankizy ny fifehezana amim-pitiavana, ary voafaoka amin’izany ny zana-bady. (Ohabolana 8:33). Manam-pahaizana manokana maro no manomboka manaiky ny hevitry ny Baiboly momba azy io. Nilaza toy izao ny profesora Ceres Alves de Araújo: “Efa toetra maha olona ny olona ny hoe tsy ta hametrahana fetra tsy azony ihoarana. Ilaina anefa ireny fetra ireny. Mitondra fiarovana ny hoe ‘Tsia’.”
Eo amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely anefa, dia mety hiteraka fisarahana lehibe ny fomba fijery mahakasika ny fifehezana. Tamin’ny ampahany, dia efa novolavolain’ny olon-dehibe iray izay tsy eo intsony izao ny zana-bady. Azo inoana fa manana fahazarana na fanao izay mety hampahatezitra ilay raikely (na renikely) izy ireo. Ary azo inoana fa tsy takany ny antony mahatonga ilay raikely (na renikely) ho hentitra amin’ny raharaha sasany. Ahoana no hiatrehana amim-pahombiazana ilay toe-javatra? Nampirisika ny Kristianina toy izao i Paoly: “Miezaha mitady (...) fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.” (1 Timoty 6:11). Ny fitiavana kristianina dia manampy ny raikely (na renikely) sy ny zana-bady mba halemy fanahy sy haharitra rehefa mianatra ny hifampahatakatra fihevitra izy ireo. Raha tsy manam-paharetana ilay raikely (na renikely), dia mety hanimba haingana izay fifandraisana rehetra efa nisy ny ‘fahavinirana sy ny fahatezerana ary ny fitenenan-dratsy’. — Efesiana 4:31.
Nomen’i Mika mpaminany ny fahatakarana mazava tsara ny amin’izay hanampy eo amin’io lafiny io. Hoy izy: “Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho setriny afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hihevi-tena araka ny antonony eo amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitrao?” (Mika 6:8, NW ). Zava-dehibe ny fitiavana ny rariny rehefa mampihatra fifehezana. Ahoana anefa ny amin’ny hatsaram-panahy? Mitantara ny loholona kristianina iray fa matetika no sarotra ny mamoha ny zana-badiny amin’ny torimasony ny alahady maraina, rehefa hamonjy fanompoam-pivavahana any amin’ny kôngregasiôna izy ireo. Tsy nandevilevy azy ireo izy, fa niezaka nampiseho hatsaram-panahy kosa. Nifoha aloha kokoa izy, ary nikarakara sakafo maraina, avy eo dia nitondrany zavatra mafana hosotroina ny tsirairay tamin’izy ireo. Vokatr’izany, dia mirona kokoa hanaraka ny fiangaviany mba hifoha ireo ankizy.
Nanao izao fanazavana mahaliana manaraka izao ny Profesora Ana Luisa Vieira de Mattos: “Tsy ny hoe karazana fianakaviana manao ahoana izy io no zava-dehibe fa ny hoe manao ahoana ny hatsaran’ny fifandraisana ao. Tamin’ny fandinihana nataoko dia izao no voamariko: Mandrakariva dia saika avy amin’ny fianakaviana izay tsy ampy fanaraha-mason’ny ray aman-dreny sy tsy misy fitsipika sy fifampiresahana, ireo tanora manan-java-manahirana ara-pitondran-tena.” Nilaza toy izao koa izy: “Tokony hoantitranterina fatratra fa midika ny ilana hilazana hoe tsia, ny fitaizana zanaka.” Fanampin’izany, dia nilaza toy izao i Emily sy i John Visher, izay samy dokotera: “Raha ny marina, dia tsy mandaitra ny fifehezana raha tsy mihevitra ny fihetseham-pon’ilay mifehy sy ny fifandraisana aminy, ilay fehezina.”
Ireo fanamarihana ireo dia mahakasika ilay raharaha ny amin’ny hoe iza ao amin’ny fianakaviana misy raikely (na renikely) no tokony hampihatra fifehezana. Iza ilay tokony hilaza hoe tsia? Rehefa avy niara-nidinika ny amin’izany ny ray aman-dreny sasany, dia nanapa-kevitra fa eo am-boalohany, dia tokony ho ilay ray (na reny) niteraka, no ho mpifehy lehibe indrindra, mba hanomezana an’ilay raikely (na renikely) fotoana hanorenana fifandraisana akaiky kokoa amin’ireo zana-bady. Avelao aloha hianatra hatoky ny fitiavan’ilay raikely (na renikely) azy, ireo ankizy, vao feheziny.
Ahoana raha raikely no ao amin’ilay fianakaviana? Moa ve tsy milaza ny Baiboly fa ny ray no loham-pianakaviana? Eny. (Efesiana 5:22, 23; 6:1, 2). Kanefa, ny raikely iray dia mety haniry hanankina ny fifehezana amin’ilay reny niteraka, mandritra ny fotoana kelikely, indrindra raha mahafaoka sazy izany. Mety hamela ireo ankizy hankato ny ‘lalàn-dreniny’ izy, no sady hametraka fototra mba ‘hihainoan’izy ireo ny anatr’ilay rainy [vaovao]’. (Ohabolana 1:8; 6:20; 31:1). Asehon’ny porofo fa tsy manohitra ny fahefan’izay lohany izany, amin’ny farany. Fanampin’izany, dia hoy ny raikely iray: “Tsaroako fa voafaoka ao amin’ny fifehezana ny fanomezana torohevitra sy ny fanitsiana ary ny fananarana. Mazàna no mandaitra ny fifehezana rehefa atao ara-drariny sy amim-pitiavana ary amim-pangoraham-po, ary tohanan’ny ohatr’ireo ray aman-dreny.”
Mila mifampiresaka ny ray aman-dreny
Hoy ny Ohabolana 15:22: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”. Tena zava-dehibe ny resaka tsiambaratelo ifanaovan’ny ray aman-dreny amim-pahatoniana sy amim-pahatsorana, ao amin’ny fianakaviana iray misy raikely na renikely. Nanamarika toy izao ny mpanoratra iray ao amin’ny gazety O Estado de S. Paulo: “Mirona foana ny hitsapa ny fetra farany azony ihoarana ny ankizy, manoloana ireo fetra apetraky ny ray aman-dreny.” Mety ho avo roa heny ny fahamarinan’izany ao amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Noho izany, dia ilain’ny ray aman-dreny ny mahay mifanaraka eo amin’ny raharaha samihafa mba ho hitan’ireo ankizy fa miray saina izy ireo. Ahoana anefa, raha tsapan’ilay ray (na reny) niteraka fa tsy rariny ny zavatra ataon’ny raikely na renikely iray? Amin’izay izy mivady dia tokony handamina mitokana ilay raharaha, fa tsy eo imason’ny ankizy.
Mitantara toy izao ny reny iray izay nanambady indray: “Ny zavatra sarotra indrindra ho an’ny reny iray dia ny mahita ilay raikely manafay ny zanaky ny tena, indrindra rehefa tsapan’ny tena fa maika loatra ny hanao zavatra ilay raikely na tsy dia ara-drariny loatra ny ataony. Mandratra ny fony izany, ary maniry ny hiaro ny zanany izy. Sarotra ny hanaiky hatrany ny vadin’ny tena sy hanohana azy, amin’ny fotoana toy izany.
“Indray mandeha, dia nangata-dalana tamin’ny raikeliny mba hanao zavatra iray ny zanako roa lahy, 12 sy 14 taona. Nanda avy hatrany izy, ary avy eo dia nandao ny efitrano ka tsy nanome azy mirahalahy fahafahana hanazava ny antony maha zava-dehibe amin’izy ireo ilay fangatahana. Nifendrofendro izy mirahalahy, ary tsy nahateny aho. Nijery ahy ilay zokiny ary nilaza hoe: ‘Neny a! mba hitanao ve ny nataony teo?’ Namaly aho hoe: ‘Hitako ka! Saingy mbola filoham-pianakaviana izy, ary milaza amintsika mba hanaja ny fahefan’izay lohany ny Baiboly.’ Zazalahy hendry izy ireo ka nanaiky izany, ary dia nitony kely. Iny hariva iny ihany, dia nanazava ny toe-javatra tamin’ny vadiko aho, ary takany fa nanao didy jadona loatra izy. Nandeha avy hatrany tany amin’ny efitr’izy mirahalahy izy ary niala tsiny.
“Niana-javatra maro avy tamin’izany fitrangan-javatra izany izahay. Nianatra nihaino ny vadiko, alohan’ny hanaovany fanapahan-kevitra. Nianatra nanohana ny foto-pitsipika momba ny fahefan’izay lohany aho, na dia rehefa mampahory aza izany. Nianatra ny maha zava-dehibe ny fanekena izy mirahalahy. (Kolosiana 3:18, 19). Ary nampianatra anay rehetra lesona lehibe momba ny fanetren-tena ny fialan-tsinin’ny vadiko tamim-pahatsorana. (Ohabolana 29:23). Samy loholona kristianina izy mirahalahy, ankehitriny.”
Hisy fahadisoana ho vita. Hiteny na hanao zavatra manafintohina ny ankizy. Hitarika ny raikely na renikely hanao zavatra tsy amim-piheverana ny fanerena mitranga. Kanefa, afaka manao zavatra maro mba hanasitranana ratram-po ny teny tsotra toy ny hoe: “Miala tsiny aho, mamelà ny fahadisoako.”
Fanatanjahana ny firaisan-tsain’ny fianakaviana
Mitaky fotoana ny fanorenana fifandraisana mafana ao amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Raha raikely na renikely ianao, dia ilainao ny mampiseho fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa. Aoka ianao hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ho vonona hiara-mandany fotoana amin’ny ankizy. Miaraha milalao amin’ireo mbola kely. Aoka ianao ho vonona hiresaka amin’ireo lehibe kokoa. Mitadiava fahafahana hiaraha-mandany fotoana — ohatra, asao ireo ankizy hanampy amin’ny raharaha ao an-trano, toy ny fikarakarana sakafo na fanasana fiara. Asao hiaraka aminao sy hanampy anao izy ireo rehefa mandeha any an-tsena ianao. Fanampin’izany, dia mety hampiseho ilay fitiavana anananao ny fihetsika kely mampiseho firaiketam-po. (Mazava ho azy, fa tokony hitandrina ny raikely ka hanisy fetra araka ny tokony ho izy amin’ny fifankazarany amin’ireo zana-badiny vavy, no sady tsy hanao izay hahasaikatra azy ireo. Tokony hotsaroan’ny renikely koa fa tokony hisy fetra ny fifankazaran’ireo zana-badiny lahy aminy.)
Afaka mahomby ny fianakaviana misy raikely na renikely. Maro no mahita fahombiazana. Ny mpianakavy rehetra, indrindra fa ny ray aman-dreny, izay mamboly fihetsika tsara sy tsy manantena zavatra tsy ho tratra, no mahomby indrindra. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana”. (1 Jaona 4:7). Eny, ny fitiavana amim-pahatsorana no tena fanalahidin’ny fahasambaran’ny fianakaviana misy raikely na renikely.
[Sary, pejy 7]
FIANAKAVIANA SAMBATRA MISY RAIKELY NA RENIKELY
miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra...
miara-mandany fotoana...
miara-miresaka...
miara-miasa...