FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/7 p. 7
  • Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ahoana no Havalinao?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Ho An’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mampiasa Tsara Azy Ireny ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Zava-baovao Hoentintsika Mitory
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/7 p. 7

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Hatramin’izao dia hisy fizarana vaovao havoaka araka an’io lohateny io ao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.

NANDRITRA ny 5 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny jona 1980 raha ny marimarina kokoa, dia nisy fizarana roa pejy misy sary nitondra ny lohateny hoe “Velona ny Tenin’Andriamanitra”, niverimberina tsy tapaka tao amin’ny fotopotony amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Noho ireo sary tao aminy sy ny fomba fiteniny tsotra, izy io dia nahay nampiseho fampianarana sy filazana ara-tantara avy ao amin’ny Baiboly tamin’ny fomba mazava sy mahafinaritra. Hatramin’izao, ny fizarana vaovao natokana ho amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy Kristy dia hisolo toerana ny hoe “Velona ny Tenin’Andriamanitra”.

Ao amin’ireo pejy roa hanaraka, dia ho hitanao ny tantara kely voalohany amin’io karazana io. Ao anatin’ireo volana manaraka, dia manantena izahay fa hamoaka anankiray amin’izany isaky ny nomerao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Hisy sary betsaka tahaka ny tao amin’ny “Velona ny Tenin’Andriamanitra” io fizarana vaovao io.

Mety ny hanomezan’ny Ny Tilikambo Fiambenana toerana lehibe ho an’i Jesosy Kristy. Voalohany indrindra dia satria izy io nanan-kery lehibe kokoa noho ny olon-kafa rehetra teo amin’ny tantarantsika. Nefa koa, ny mbola zava-dehibe lavitra, dia satria olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra no niova tanteraka rehefa tonga tamin’ny fahafantarana ny amin’ny fiainany sy ny fampianarany.

Tsy isalasalana fa efa mahafantatra zavatra be dia be ny amin’i Jesosy sy ny fanompoany ianao. Kanefa, mbola tadidinao foana ve hoe oviana sy taiza no nitrangan’ireo zava-niseho teo amin’ny fiainany, mba hahafahana manondro ny toerany oharina amin’ny hafa ka hitadidiana azy tsara kokoa? Ohatra, oviana i Jesosy no nanendry ireo apostoliny? Teo am-piandohan’ny fanompoany sa taty aoriana ela? Taloha sa taorian’ny nampahafantaran’ilay vehivavy samaritana azy ho Kristy? Taiza izy fony nifidy ireo roa ambin’ny folo lahy, fony namahana lehilahy 5 000 tamin’ny fomba mahagaga na rehefa nanonona ny Toriteny teo an-tendrombohitra? Koa satria io fizarana vaovao io hitantara ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy araka ny filaharan’ny fotoana, ka hametraka ny zava-niseho indray ao anatin’ny teny manodidina azy, na amin’ireo sary ao aminy na amin’ny fanazavana, izany dia hanampy anao hanoritra io tantara tsy manam-paharoa io ao amin’ny fitadidianao.

Io fizarana io dia tsy natao fotsiny ho an’ireo izay efa mampihatra ny Baiboly hatramin’ny ela be. Hahasoa ny ankizy sy ireo mianatra ny Soratra masina vao haingana koa izany. Noho ireo fanontaniana ao anatiny, dia ho mora kokoa aminao ny hanampy ireo hahafantatra kokoa an’ilay mpanorina ny kristianisma sy ny fampianarany. Angamba efa hitanao sahady ny fomba ho azonao ampiasana ireo lahatsoratra ireo ao anatin’ny fianakavianao na miaraka amin’ny olon-kafa. Farany, dia tadidio fa saika ny olona rehetra dia tia tantara, ary be dia be no mahatsapa fahafinaretana rehefa mahita izany miandalana, mitapatapaka.

Noho izany, raha vao eo am-piandohan’io fitohitohizan-tantara io, dia amporisiho ny manodidina anao tsy ho diso ny hamaky azy. Ho voamarikao fa hazavaina ireo teny nalaina avy ao amin’ny Baiboly mba hahamora ny fahazoan’ny mpamaky azy ary omena isaky ny faran’ny tantara kely ny toko sy andininy. Resaho amin’ny manodidina anao ny amin’io fizarana vaovao io ary aza manadino ny mampiasa izany amin’ny asa fanaovana mpianatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara