FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/11 p. 5-7
  • Mitovy daholo ny olona rehetra: amin’ny heviny ahoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitovy daholo ny olona rehetra: amin’ny heviny ahoana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rantsam-batana mitovy eo amin’ny tena tafaray tsara
  • Ny fitoviana miasa amin’izao andro izao
  • Ny fikatsahana fitoviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ho Foana Tokoa ve ny Fanavakavahan-tsaranga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/11 p. 5-7

Mitovy daholo ny olona rehetra: amin’ny heviny ahoana?

METY ve ny hiheveran’ireo lehilahy sy vehivavy avy amin’ny firenena rehetra ny tenan’izy ireo ho mitovy ka hanaovany zavatra mifanaraka amin’izany. Azo antoka fa tsy izany raha araka ny fandehan-javatra ankehitriny. Kanefa afaka manizingizina amim-pitokisana isika fa tena azo atao tokoa izany. Nahoana? Satria kristiana an-tapitrisany maro no porofo velona ny amin’izany.

Iaraha-mahalala fa nampiarahina foana tamin’ny fitoviana ny kristianisma marina. Ohatra, izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tsy Jiosy intsony isika, na Grika, na andevo, na olona afaka, na lehilahy na vehivavy fotsiny aza, fa mitovy daholo isika rehetra, kristiana isika.” (Galatiana 3:28, Le Livre). Teny tsy azo ampiharina fotsiny ve izany? Ahoana no azon’ireo kristiana voalohany nampiharana izany, dia izy ireo izay niaina teo amin’izao tontolo izao feno tsy fitoviana?

Zavatra voasoratra maro no niresaka ny amin’ny fitaomana lehibe nampiharin’ireo kristiana voalohany teo amin’izao tontolo izao tamin’ny androny, satria ireo namboly ny firahalahiana nampianarin’i Jesosy Kristy. Tao amin’ilay bokiny hoe Ny kristiana voalohany taorian’ny nahafatesan’ny apostoly (anglisy), dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao i Eberhard Arnold:

“Ireo kristiana dia nahatsapa ho an’ireo namany fiheverana mitovy ka nihevitra azy ireny ho mpirahalahy nanana anjara tamin’ny fitsarana mitovy sy ny antso sahala amin’ny azy. Noho izany, dia niorina ny fitiavana fahitsiana sy firahalahiana. Izany rivo-piainana feno fiheverana tsy nisy fizahan-tavan’olona izany dia nanamora ny fitoviana raha ny amin’ny laharana, ny adidy hiasa sy ny fanampoizana eo amin’ny fiainana (...). Ny fifanajana nifanehoan’ireo kristiana tamin’izany fotoana izany dia niteraka firaisan-kina izay ny fitiavana no vato fehizorony, ka ny fotony dia fitoviana tanteraka raha vao eo am-pahaterahana.”

Porofo mahafinaritra tokoa izany fa mety hisy ny firaisan-tsaina noho Andriamanitra.

Rantsam-batana mitovy eo amin’ny tena tafaray tsara

Tao anatin’ny kongregasiona kristiana voalohany, ny tsirairay avy dia nanana fahaizana samihafa sy fahafahana manao zavatra raikitra. Mpahay zavamaneno kinga angamba ny sasany, fa ny hafa kosa nahay nitadidy zavatra tsara kokoa na nofosana kokoa. Ankoatra izany tsy fitoviana izany, ny fanahy masina dia nanome ho an’ny kristiana, talenta sy fahaizana izay, na dia tsy mitovy aza, dia nifameno. Noho izany antony izany no nahafahan’i Paoly nanoratra hoe: “Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo.” (I Korintiana 12:11-13). Maro karazana aoka izany ny “fanomezana olona” araka ny fitenenana ara-paminaniana nanondro ireo mpiandry tao amin’ny kongregasiona. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia mpitory ny rehetra. — Efesiana 4:8, MN; Salamo 68:18.

Ireo mpiandraikitra dia olona matotra ara-panahy. Ny teny hoe “mpiandraikitra” dia nifanitsy tamin’ny teny grika hoe épiskopos. Ny amin’ny matoanteny iray fototeny aminy, épiskopéô (miandraikitra), dia izao no nosoratan’i W. Vine: “Io matoanteny io dia tsy milaza fahazoana andraikitra iray, fa fiantsorohana azy. Ny resahina dia tsy ny fitanana toerana iray, fa ny fiantsorohana ny adidin’ny tena.” Niara-niasa tamin’ireny mpiandraikitra voatendry ireny ny diakonoï, teny grika nadika hoe “minisitra”, “mpikarakara momba ny asa” na “diakona”. Nohazavain’i Vine fa io anarana io dia “manondro indrindra mpanompo notendrena hanatontosa asa ambany, na koa mpiasa an-trano iray manao asa an-tsitrapo, na toy inona na toy inona karazana asa asaina atao”. Ny zava-dehibe tamin’ireo toe-javatra ireo, dia ny tombontsoa hanompo. Tsy nosoritana ny toerana tanana, satria tamin’ny naha-mpivavaka tamin’Andriamanitra azy, ny kristiana rehetra dia mpanompony daholo ary nitovy daholo.

Na dia nifidy lehilahy roa ambin’ny folo aza i Jesosy mba ho tonga apostoliny, dia nisy vehivavy koa nanana tombontsoa niaraka taminy. Be zotom-po tokoa izy ireny, indrindra fa Maria Magdalena, Johana sy Sosana izay, araka ny filazan’ny Baiboly, dia nanompo an’i Jesosy. Tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nisy koa vehivavy nahazo fanomezana avy amin’ny fanahy masina. Tamin’izany izy ireny dia afaka niteny ampahibemaso tamin’ny fiteny hafa sy nanao fanambarana ny amin’ireo fahamarinana momba ny finoany. Tsy azon’ireo vehivavy kristiana natao anefa ny nitarika fampianarana tao amin’ireo kongregasiona; miaraka amin’ireo rahalahy kosa anefa izy ireny amin’ny fitoriana ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra. — Lioka 8:1-3; Asan’ny apostoly 1:14; 2:17, 18; 18:26.

Etsy andaniny koa, raha ny amin’izay ilaina manokana, dia nanome ohatra ny kristiana tamin’ny fifanampiana. Araka izany, tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nisy mpandeha tonga tany Jerosalema nahalala ny asa mahagaga notanterahin’ireo apostoly. Nanalava ny fivahiniany tao amin’io tanàna io àry izy ireo, nefa tsy ela izy ireo dia lany vatsy sy vola. Mitantara anefa ny Baiboly fa “tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo” mba hizarana maimaimpoana ny zavatra rehetra teo ambany fitarihan’ireo apostoly. Toe-tsaina tsara izany, nampiharihary fa ireo kristiana voalohany dia nanao ny fahitsiana sy ny fitiavana ho zavatra tena nisy. Tena azo natao tokoa ny nilaza fa “niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany”. — Asan’ny apostoly 4:32, 34, 35.

Ny fitoviana miasa amin’izao andro izao

Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, voazarazara ho kilasy ara-tsosialy, dia tsy mora akory ny manahaka an’ireny kristiana voalohany ireny. Naniry ny ho tonga tamin’izany foana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny zavatra rehetra dia manaporofo fa nahitana fahombiazana ny fiezahan’izy ireo. Manao izao fanamarihana izao ny Encyclopédie canadienne:

“Ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia famelomana sy fanorenana indray ny kristianisma tany am-boalohany araka ny nanarahan’i Jesosy sy ireo mpianany azy nandritra ireo taonjato roa voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana (...). Mpirahalahy ny rehetra.”

Sahala amin’ny tamin’ny taonjato 19 talohan’izay, izany firahalahiana kristiana izany dia miseho amin’izao androntsika izao amin’ny fanampiana hita maso ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Tamin’ny novambra 1980, rehefa nohozongozonin’ny horohorontany lehibe ny faritra sasany tany Italia, dia tonga tao amin’ilay faritra tra-boina tamin’io hariva io ihany ny kamiao feno sakafo voalohany nomanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nolazain’ny fitantarana iray:

“Talanjona ireo rahalahy noho ny hafainganan’ny fahatongavan’ny fanampiana nilaina. Avy hatrany izahay dia nanao ny lakozianay manokana, ary ny sakafo nomanin’ireo anabavy dia nozaraina tamin’ireo rahalahy isan’andro. Mbola tokony hahazo fanampiana koa ireo mponina hafa tao amin’ilay tanàna ka nanao araka izay farany azony natao. Miharihary fa tsy tia tena akory ireo rahalahy ka nizara ny sakafo tamin’olona maro be tsy Vavolombelona.”

Tany Swaziland, taorian’ny nahafatesan’ny mpanjaka Sobhuza II tamin’ny aogositra 1982, dia niharam-panenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nety nandray anjara tamin’ireo fombafomba fisaonana mahazatra. Tany Grande-Bretagne, ny Vavolombelona roa, fotsy hoditra iray sy Mainty hoditra iray, dia niara-nitady lalana tao amin’io tany io tany amin’ny Fandinihan-draharaha ambony “swazie” mba hanandrana hanatsara ny tarehin-javatra. Nihaino azy kelikely aloha ilay mpanao raharaham-panjakana, avy eo dia niteny tamin’ilay Vavolombelona mainty hoditra, tamin’izay dia tale nahita fianarana tokoa, ka nanontany azy hoe: “Fa nahoana no eto ianao?” Hoy ny navalin’io azy: “Satria miahy ny amin’ny hahasoa an’ireo rahalahiko kristiana atỳ amin’ny taninareo aho.” Sarotra tamin’ilay mpanao raharaham-panjakana tokoa ny nahatakatra hoe nahoana ny lehilahy nanana tokoa toy izany no afaka nampitaha ny tenany tamin’ireo Afrikana nonina tao amin’ny tany iray mbola tsy nodiaviny mihitsy.

Nahoana no tsy manatrika fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana ao amin’ny toerana misy anao na amin’ny fihaonambe kokoa, mba ho ny tenanao mihitsy no hitsara izany? Ho hitanao ao ny olona izay handray tsara anao ka tsy manavakavaka na tanora ianao na be taona, na mahantra na manan-karena, na nahita fianarana na tsy nianatra mihitsy. Mifampihevitra ho mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy ny rehetra, ary tsy arakaraka ny firazanany, ny toerana niaviany na ny toerana tsy ara-pivavahana no ifanehoany fanajana. Ankamamina noho ny maha-izy azy sy ny toetrany kristiana ny tsirairay avy.

Ny fampianarana dia omen’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa araka ny ohatra navelan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Ireo fivoriana atao maneran-tany dia ahitana taratry ny fitoviana sy ny fifandrindrana. Ny amin’izany, dia nanao izao fanazavana izao ny mpitondra fivavahana anglikana iray:

“Ny fivoriana tsirairay avy dia nokendrena mba hanomezana fampianarana be dia be. Ny mpanatrika rehetra dia heverina ho efa nanomana ny fivoriany ny alahady amin’ny famakiana lahatsoratra iray manontolo amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Hamarininy ireo andinin-teny nalaina avy ao amin’ny Baiboly ka omaniny ny valin’ireo fanontaniana fantany mialoha. Amin’ireo fivoriana, dia mandray anjara an-tsitrapo ny kongregasiona. Mahazo famporisihana ny rehetra rehefa mieritreritra hoe miara-manao izany fampianarana izany ny maneran-tany.”

Raha mankany amin’io fivoriana io ianao, mitondra Ny Tilikambo Fiambenana dia ho afaka hanaraka ny fandinihana ny foto-kevitra miaraka amin’ny mpanatrika hafa.

Matetika tokoa ny fifanakalozan-kevitra toy izany dia mahakasika ny fanantenana velomin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona, dia ny fiainana eo amin’ny tany paradisa tsy hisy ady intsony ka hahafahan’ny rehetra mampiasa ny talentany amin’ny asa manorina sy handraisan-tsoa tokoa amin’ny “asan’ny tànany”. Ny olona mankatò rehetra dia hiaina eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho nanjavona ny mosary, fa hanome sakafo tondraka ho an’ny tsirairay avy kosa ny tany halala-tanana. Ho anisan’ny zavatra efa lasa ny aretina izay loza, satria havitrika noho ny fahasalamana tonga lafatra ny mponina amin’ny tany. — Isaia 2:4; 33:24; 65:22, 23; Zakaria 8:11, 12.

Tsy azo lavina fa marim-pototra izany fanantenana kristiana izany, tahaka ny fahazoana antoka fa haharitra hatrao amin’ny Paradisa an-tany ny fandaminan’ny kongregasiona kristiana ankehitriny. Misy fototra mafy efa alatsaka mba hanafoanana mandrakizay ny fefy ara-tsosialy sy ara-pirenena rehetra, ary hitatra maneran-tany izany fandaharana izany. Nahoana no afaka manantitrantitra ny amin’izany isika? Satria ambaran’ny Baiboly fa hisy kristiana ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ hanohy hanolotra fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah, hitovy daholo eo anatrehany. Afaka ny ho anisan’izany ianao sy ny ankohonanao. — Apokalypsy 7:9, 10.

[Sary, pejy 7]

Amin’ireo fihaonamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ho tsapanao fa zavatra tena misy ny fitoviana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara