FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/8 p. 3-4
  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fikatsahana fitoviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/8 p. 3-4

Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo

“Mazava avy hatrany fa noforonina hitovy zo ny olombelona rehetra, fa nomen’ny Mpamorona azy Zo tsy azo alana izy, anisan’izany ny Fiainana sy ny Fahafahana ary ny fikatsahana Fahasambarana.” — Fanambarana Fahaleovan-tena, noraisin’i Etazonia tamin’ny 1776.

“Teraka ho olona afaka sy mitovy zo ny olombelona rehetra.” — Fanambarana ny Zon’olombelona sy ny Zon’ny Olom-pirenena, noraisin’ny Antenimieram-pirenen’i Frantsa tamin’ny 1789.

“Ny olombelona rehetra dia teraka ho olona afaka sady mitovy fahamendrehana sy zo.” — Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1948.

TSY misy isalasalana ny amin’izany. Iombonan’ny olona rehetra ny faniriana fitoviana. Mampalahelo fa ny tsy maintsy namerenana matetika aoka izany ilay hevitra ny amin’ny fitovian’ny olombelona, dia manaporofo fa mandraka ankehitriny dia tsy nety tratran’ny olombelona ny fitoviana.

Misy afaka milaza amim-pahatsorana ve fa niova ho tsaratsara kokoa ny toe-javatra, amin’izao fifaranan’ny taonjato faha-20 izao? Tena mitovy zo, araka izay nolazaina fa ananan’izy ireo fony izy teraka, ve ny olom-pirenena rehetra any Etazonia sy any Frantsa, na ireo firenena mpikambana 185 ao amin’ny Firenena Mikambana?

Na dia mety ho “mazava avy hatrany” aza ilay hevitra ny amin’ny fitoviana eo amin’ny olombelona rehetra, dia tsy mitovy velively ny zo hanana ‘Fiainana sy Fahafahana ary fikatsahana Fahasambarana’, ho an’ny olona rehetra. Ohatra, aiza izay fitovian’ny zo hanana fiainana, rehefa tsy maintsy miray dokotera amin’olona 2 569 hafa ny ankizy iray atsy Afrika, nefa olona 289 monja no miray dokotera amin’ny ankizy iray any Eoropa? Na aiza izay fitovian’ny zo hanana fahafahana sy hikatsaka fahasambarana, rehefa tokony ho ny ampahatelon’ny ankizilahy sy ny androatokon’ny ankizivavy any Inde no hihalehibe tsy hahay taratasy, nefa saiky ny ankizy rehetra any amin’ny toerana toa an’i Japon sy i Alemaina ary i Grande-Bretagne, no omena antoka ny amin’ny fampianarana?

Moa ve ny olona any amin’ireo tany any Amerika Afovoany izay omena karama 1 380 dolara avy isan-taona, mitovy “fahamendrehana sy zo” eo amin’ny fiainana, amin’ny mponina any Frantsa, izay 24 990 dolara avy isan-taona ny karamany? Aiza izay fitovian’ny zo ananan’ny zazavavy kely afrikanina vao teraka, manana fanantenam-pahavelomana 56 taona, raha ampitahaina amin’ny zazavavy kely any Amerika Avaratra, izay manana fanantenam-pahavelomana 79 taona?

Miseho amin’ny endriny maro ny tsy fitoviana, ary ratsy avokoa izy rehetra. Ny tsy fitoviana eo amin’ny fari-piainana sy ny fahafahana hahazo fitsaboana sy fampianarana dia sasantsasany amin’izy ireny fotsiny. Indraindray ny tsy fitoviana ara-politika, ara-pirazanana na ara-pivavahana dia manesotra amin’ny olona ny fahamendrehany sy ny fahafahany. Na dia eo aza ny resaka rehetra momba ny fitoviana, dia miaina eo amin’ny tontolo iray anjakan’ny tsy fitoviana isika. Tahaka ny loza mihanaka iray — “miteraka fahoriana miely hatraiza hatraiza na lehibe”, araka ny amaritana ilay teny dia mihanaka eran’ny saranga rehetra eo amin’ny fitambaran’olona ny tsy fitoviana. Ny fahantrana, ny aretina, ny tsy fahalalana, ny tsy fananana asa, ary ny fanavakavahana no endrika mampahory aterany ary tena mandratra.

“Noforonina hitovy ny olona rehetra.” Hevitra mahafinaritra re izany! Mampalahelo fa tena mifanohitra amin’izany ny zava-misy!

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

UN PHOTO 152113/SHELLEY ROTNER

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara