FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/11 p. 3-4
  • Ny fikatsahana fitoviana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fikatsahana fitoviana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy ve ny fitoviana amin’izao andro izao?
  • Ny fanabeazana sy ny fahaizana manokana
  • Zo tena lehibe
  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Mitovy daholo ny olona rehetra: amin’ny heviny ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/11 p. 3-4

Ny fikatsahana fitoviana

TSY misy mihitsy olona tia ny hahatsiaro ho ambany. “Misy vidiny sahala amin’ny hafa aho”, hoy ny teny re matetika. Toy izany koa, moa ve tsy heverina fa mahasosotra ny fisehoana ho ambony? Rehefa dinihina, dia manome toky ny fahatsapana fa mitovy amin’ny hafa ny tena. Kanefa, araka ny nety ho tsapan’ny maro, dia mora kokoa ny mieritreritra ny amin’ny fitoviana noho ny manao azy ho zavatra tena izy. Aoka hoheverintsika izao ohatra manaraka izao:

Tamin’ny 1776, ireo zanatany britanika any Amerika Avaratra dia nitaky ny fahaleovantenany. Ny Fanambarana fahaleovantena malaza nataon’izy ireo dia nanambara ho anisan’ireo “fahamarinana heverina fa miharihary” ny hoe “noforonina hitovy daholo ny olona rehetra”. Nanambara koa izany fa ny olom-pirenena rehetra dia nanana zo hifaly amin’ny “fiainana, ny fahafahana sy ny fikatsahana fitoviana”.

Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zanatany 13 tsy hiankina tamin’i Grande-Bretagne, ny fitambaran’ny isan’ny mponina tao aminy dia tafakatra ho telo tapitrisa teo ho eo, izay andevo ny antsasa-tapitrisa mahery. Taonjato iray teo ho eo anefa no nilaina mba hanafoanana ny fanandevozana tany Etazonia. Thomas Jefferson, anankiray amin’ireo mpanoratra ny Fanambarana lehibe indrindra, dia nanana andevo foana tamin’ny andro niainany rehetra. Mendri-kaja ireo zava-nokendrena tamin’ilay Fanambarana, kanefa taona maro no lasa vao tanteraka izany nofinofim-pitoviana izany, na dia tamin’ny sasany amin’ireo lafiny tena lehibe ihany aza.

Mbola maro ihany maneran-tany ireo izay tsy manana fahafahana na mijaly noho ny fanavakavahana. Mahatsapa izany ny olona sasany ka manokana ny fiainany hanandramana manafoana ny karazan-tsy rariny sy tsy fitoviana rehetra. Tao amin’ny boky iray navoakan’ny O.N.U. vao haingana, mamelabelatra ny amin’ny fahafahana, dia hita maherin’ny indroa ambin’ny folo ny fitenenana ny amin’ny fitoviana sy ny ilàna fitoviana, Miharihary fa mbola zava-kendrena tsy azo tratrarina ihany ny fitoviana. Fa nahoana?

Ny zava-manahirana dia ny fisian’ny lafiny kely maro amin’ny fitoviana ary tsy mora akory ny milazalaza ny heviny. Mikatsaka fitoviana amin’ny fomba samihafa ny olona, arakaraka ny toerany. Amin’ny ahoana àry no azo ilazana fa mitovy ny olona? Inona no azo antenaina ara-drariny raha ny amin’ny fitoviana amin’ny namantsika, na ankehitriny izany na amin’ny ho avy?

Misy ve ny fitoviana amin’izao andro izao?

Mety ho teraka indray andro ao amin’ny tanàna iray ihany ny zanak’andriana iray sy ny mahantra iray; kanefa, toy ny ahazoana antoka fa harena sy ho avy mamirapiratra no miandry iry voalohany, no iandrasan’ny fahantrana an’ity faharoa. Izany dia iray monja amin’ireo lafiny mampiseho hoe nahoana no tsy misy mihitsy afaka milaza fa amin’izao andro izao dia teraka mitovy ny olona.

Ny zavatra rehetra dia miankina indrindra amin’ny fitambaran’olona misy antsika sy ny fandrosoana vita mba hiantoka ny fitovian’ireo olom-pirenena. Mamintina tsara tokoa ny tarehin-javatra amin’izao teny izao ny Encyclopédie britannique:

“Ny fitambaran’olona rehetra dia tsy maintsy manao fandaharana mba hizara ireo harena sy ny fahefana ary zava-tsarobidy hafa. Eo amin’ny olona sy eo anivon’ny antokon’olona, izany fandaharana izany dia mampisongadina izao karazan-tsy fitoviana rehetra izao.”

Ao anatin’ny fitambaran’olona rehetra, ny olona tsirairay avy dia mitondra zavatra mampiavaka azy. Noho izany antony izany, ny sasany dia niezaka namporisika ny olona hampiasa ny fahaizany sy ny talentany manokana, ary nataony izay hizarana araka ny marina ireo harena sy ireo fomba famokarana. Izany no nahatonga ity foto-kevitry ny kaominista raisina ho fitsipika ity: “Izay azon’ny tsirairay atao no hangatahina aminy, ary homena araka izay ilainy izy”, na koa: “Izay azon’ny tsirairay atao no hangatahina aminy, ary homena araka ny asany izy.” Kanefa na dia toa manintona tokoa aza ny filozofia toy izany, dia mbola misy ihany ny tsy fitoviana ao anatin’ny fandaharam-pitondram-panjakan’olombelona rehetra.

Hita tokoa fa ny fandaharana ara-politika sasany dia tsy mampandroso velively ny fanohanana ny fitoviana, fa nitady kosa izay hampiasana ny lazaina fa tsy fitoviam-pirazanana. Tadidio ny fomba nanindrahindran’ny nazia ny “firazanana ambony”. Nolavina hatramin’ny ela be anefa ny tsangan-kevitra ny amin’ny firazanana ambony. Raha miharihary fa misy toetra ara-batana tsy mitovy, dia “sarotra ny mampiseho ny mety hisian’ny tsy fitovian’ny fihetsika sy ny saina”. (Encyclopédie britannique.) Foto-javatra iray tena lehibe ny fitovian’ireo firazanana.

Ny fanabeazana sy ny fahaizana manokana

Mety handray anjara fampitoviana lehibe ny fanabeazana rehefa manana fahafahana handray soa mora foana avy amin’izany ny tsirairay avy, nefa tsy izany foana akory no hita. Any amin’ny tany maro, dia mbola tsy maintsy misy fandaniana vola azo tamin’ny fomba nanahirana ihany raha tiana ny handray soa amin’ny fampianarana ambany indrindra.

Ohatra, any amin’ny tany iray any amin’ny ila bolan-tany Atsimo, dia 20 isan-jaton’ny mponina monja ny olona mahay taratasy. Tsy mahalana no ahitana any fianakaviana izay ny roa voalohany amin’ny zanaka ihany no mba nahitahita fianarana, fa ny hafa kosa tsy mba nandray fanabeazana mihitsy, ary izany dia satria fotsiny tsy mamela hanao izany ny tetibolan’ny fianakaviana. Mamely any amin’ny tany hafa eo an-dalam-pandrosoana koa ny zava-manahirana toy izany.

Mila hitana ny tsy fitoviana izany tarehin-javatra izany, satria ao anatin’ny fitambaran’olona ankehitriny, ny toe-karena dia mahatonga ny fisondrotana tsy hisy hahazo afa-tsy ireo izay nanaraka fianarana ihany. Ambonin’izany, dia misy fironana hitaky diplaoma nomanina tao amin’ny oniversite sasany fa tsy tao amin’ny hafa tsy malaza kokoa. Tsy ny fanabeazana àry no fanafody faran’ny zava-manahirana ankehitriny momba ny tsy fitoviana.

Zo tena lehibe

Marina fa noho ny anton-javatra momba ny fandovan-toetra, dia mety tsy hitovy tanteraka ny olombelona; kanefa, moa ve tsy heverinao fa amin’ny lafiny sasany tena lehibe, dia tokony ho zavatra tena izy ny fitoviana? Moa ve tsy hihatsara kokoa ny olombelona raha nisy fandrosoana vita tamin’ireto hevitra manaraka ireto:

NY FITOVIAM-PIRAZANANA: Ahoana no hanafoanana ny fanambaniana izay matetika tokoa no atambesatry ny firazanana iray na ny kilasy ara-tsosialy iray amin’ny hafa iray? Miraikitra ny lolompo ka miteraka zava-manahirana be dia be. Inona no azo atao mba hahazoana antoka fa ny olona rehetra dia hoheverina fa mitovy ka hoentina amim-panajana tandrifina azy?

NY SAKAFO: Manao ahoana ny fihetsikao rehefa mahita sarin’ankizy maty noana ka mamaky fa isan-taona dia an-tapitrisany maro no maty noho ny tsy fahampian-tsakafo na ny aretina avy amin’izany? Noporofoina fa mety hisy sakafo ampy hamelomana ny mponina maneran-tany. Nahoana raha izany no tsy hatao ny fizarana araka ny rariny kokoa mba hanamaivanana fahoriana toy izany?

NY ASA: Matetika ny tsy fananana asa no miteraka fahadisoam-panantenana, fahatsiarovana fatiantoka, sy famonoan-tena mihitsy aza. Moa ve isika rehetra tsy ho afaka ny hanana asa tsara karama daholo? Nahoana no tsy mandray tombontsoa daholo amin’ny fahafahana miasa mitovy?

NY FANABEAZANA: Moa ve ny tsirairay tsy tokony handray fianarana fototra, fara faharatsiny, ka izany dia hahatonga ho afaka hisakana ny tsy fahaiza-mamaky teny? Tsy tokony hirona ho amin’ny fanasoritana ny tsy fitovian’ireo kilasy ara-tsosialy (‘ny manan-karena tonga manan-karena kokoa, ary ny mahantra tonga mahantra kokoa’) ny fanabeazana fa tsy tokony ho afaka kosa ve izany handray anjara amin’ny fanatsarana ny toeran’ny rehetra? Izany indrindra no ho hita raha toa, ankoatra ny fampianarana ara-teknika, ka ampidirina ao an-tsain’ny tsirairay ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena izay hanatsara ny fifandraisan’olombelona.

Taorian’ireo fiheverana vitsivitsy ireo, dia azo antoka fa tsy holavinao ny hoe mbola haharitra ny fikatsahana fitoviana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara