Ny finoana an’Andriamanitra: ampy ve izany?
GEORGE GALLUP, malaza amin’ny fanaovany fitsapan-kevitra, dia nametraka izao fanontaniana izao indray andro: “Mino an’Andriamanitra ve ianao, mino hery iray eo amin’izao rehetra izao?” Ho gaga angamba ny sasany fa dimy amby sivifolo isan-jato amin’ny olon-dehibe (mihoatra ny telopolo taona) sy ny zatovo nanontaniana no namaly hoe eny. Manao ahoana anefa ny fisehoan’ny zavatra inoany amin’ny ataony? Toa tsy dia manao ahoana. Nitantara tokoa Atoa Gallup fa rehefa napetraka ny fanontaniana hoe “Manao ahoana ny herin’ny zavatra inoanao eo amin’ny hevitrao sy ny ataonao isan’andro”, dia enina amby roapolo isan-jato monja tamin’ny tanora efa lehibe nanontaniana no namaly hoe: “Be dia bea.” — Eo am-pikarohana ny finoana amerikana (anglisy), George Gallup Jr. sy David Poling.
Mazava àry fa tsy ampy ny finoana an’Andriamanitra fotsiny. Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, — ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. (...) tsy vanona ny finoana tsy misy asa.” (Jakoba 2:19, 20). Ny Baiboly kosa anefa dia miresaka amintsika ny amin’ny olona tsy nianina tamin’ny finoana. Enoka, ohatra, dia “niara-nandeha tamin’Andriamanitra”. (Genesisy 5:24.) Nisy fifamatorana mafy dia mafy niforona teo amin’Andriamanitra sy Enoka, hany ka azo natao ny nilaza fa niara-nandeha izy ireo! Fa nahoana Enoka no nanana fifandraisana tsy nanam-paharoa toy izany tamin’Andriamanitra? Voalohany indrindra, na dia niaina tao anatin’ny rivo-piainana ara-pivavahana nietry nahitana be dia be ny “asan’ny haratsiam-panahy” aza Enoka, dia nanana fiainana nahitsy. Tamin-kerim-po sy fahatsorana no nampiharihariany ny faharatsian’ny niara-belona taminy tamin’ny faminaniana toy izao: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.” — Joda 14, 15.
Noho izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra, dia tao anatin’ny tarehin-javatra nampidi-doza tokoa Enoka. Ireo fahavalony tokoa dia tsy maintsy ho niray tetika ny hamono azy mba hanapahana ny faminaniany nahasosotra azy ireo. Nandray anjara anefa ilay Andriamanitra niarahany nandeha. Izao no lazain’ny Baiboly: “Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra.” Eny, “nentin’Andriamanitra” tao amin’ny fahafatesana izy, tsy isalasalana fa mba tsy hahatonga azy hiharan’ny fahafatesana mahery vaika teo an-tanan’ireo fahavalony. — Hebreo 11:5, 13; Genesisy 5:24; jereo Jaona 3:13.
“Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” koa Noa. Sahala amin’i Enoka, “Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy”. (Genesisy 6:9.) Velona tamin’ny fotoana nielezan’ny fitondrantena ratsy aoka izany sy nanjakan’ny herisetra anefa izy. Naneho ‘tahotra’ mampiseho fitiavam-pivavahana anefa izy ary “mpitory ny fahamarinana”, ka niavaka tamin’izany tamin’ireo niara-belona taminy. Narovan’Andriamanitra àry izy, toy izany koa ny ankohonany, rehefa nahatonga safodrano teo amin’izao tontolo izao taloha izy. — II Petera 2:5; Hebreo 11:7; Genesisy 6:5, 11.
Moa ve Andriamanitra manasa foana ny olombelona hiara-mandeha aminy? Izany dia izany tokoa! Nilaza ny apostoly Paoly fa Andriamanitra dia “tsy mba lavitra antsika rehetra” raha ‘mitsapatsapa mitady azy ka mahita azy’ ihany anefa isika. (Asan’ny apostoly 17:27.) Fa ahoana no hetezan’izany? Ary mahafaoka inona marina moa ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Sivy amby telopolo isan-jato no namaly hoe “misy heriny kely”, efatra ambin’ny folo isan-jato no namaly hoe “mila tsy hisy” ary roa ambin’ny folo isan-jato “tsy misy mihitsy”.