FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/12 p. 3-4
  • Izao tontolo izao anjakan’ny fahoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Izao tontolo izao anjakan’ny fahoriana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo fahoriana mpahazo ny kristiana
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?
    Mifohaza!—2009
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijalianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ny fomba hisetrana ny fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Aoka isika hanovo fampaherezana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/12 p. 3-4

Izao tontolo izao anjakan’ny fahoriana

TSY mbola nitambesaran’ny loza sy ny fampahoriana ary ny fanaintainana toy izao mihitsy ny olombelona. Manjary tsy manaitra tahaka ny rivotra iainantsika ny loza aman’antambo. Ny gazety iray dia nilazalaza ny fotoana nanomboka tamin’ny 1914 ho “vanim-potoana feno fikorontanana sy herisetra tsy mbola nisy toy izany mihitsy, na teo amin’ireo firenena na tao anatin’ireo tany mihitsy”.

Ny mampitebiteby indrindra dia ny fironana ho amin’ny herisetra tsy voafehy izay mampiavaka ireo ady amin’ny andro ankehitriny. Tao amin’ny tany kely iray atsy Afrika, ny ady iray naharitra fito taona dia namoizana ain’olona maherin’ny 20 000. Natrehina ny fangalarana olona, ny fisavihana sy fanaovan-javatra hafa sahala amin’izany. Nisy olona be taona sy ankizy kely maty tany amin’ny toerana nolevenam-banja na noho ny fitifirana tamin’ny bala afomanga rehefa tsy niharam-pahavoazana nivantana noho ny halozan’ny olona izy ireny.

Araka ny fiheveran’ny isam-batan’olona, ny loza amin’ny tarehin-javatra dia miseho amin’ny faharatsiany rehetra. Manandrama, ohatra, mipetraka amin’ny toeran’ity vehivavy izay, rehefa norahonana tamin’ny fiadiana sy teo anatrehan’ireo zanany, dia tsy maintsy nihira sy nitehaka raha mbola nikapakapa ny vadiny ho faty niadana niniana natao ny antokon’olona hafa. Hanao ahoana ny fihetsikao ao anatin’ny toe-javatra toy izany? Tsy isalasalana fa zavatra tena misy ny ‘fahaverezan-kevitr’ireo firenena’ ary mahakasika ny olona tsirairay avy ny fahoriana. — Lioka 21:25.

Mitsimbina ny tenany amin’ny zava-manahirana maro ny kristiana amin’ny fitanana fialanalanana tanteraka sy amin’ny fanalavirana ireo toerana mampidi-doza indrindra (Jaona 17:16). Tsy azony atao anefa ny handositra ny fahoriana rehetra, hany ka indraindray izy ireny dia mijaly sahala amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny herisetra sy ny famitahana, Satana Devoly dia afaka mampamono olona aloha be. Koa satria ny hafatra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia natao, ankoatra ny zavatra hafa, hanalana sarona ny asan’ny Devoly, moa ve isika tsy tokony hanampo ny hanandraman’io “manana ny herin’ny fahafatesana” io hanaisotra ireo izay manambara izany hafatra izany? Tena izany tokoa no asehon’ny Soratra masina. — Hebreo 2:14, 15; Apokalypsy 2:10; 12:12, 17.

Ireo fahoriana mpahazo ny kristiana

Ankoatra ny loza mitambesatra amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny, ireo mpianatra mahatokin’i Jesosy Kristy dia tsy maintsy iharan’ny fanenjehana noho ny fijoroany mafy ho an’i Jehovah Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, sy ny Fanjakany. Rehefa avy nilazalaza ny amin’ireo fisehoan-javatra mampitebiteby izay hanamarika ny fifaranan’ny fandehan-javatra tapahin’ny olona eo ambany fahefan’i Satana i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Ary dia hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” Tantarain’i Marka fa nanampy teny toy izao i Jesosy: ‘Hokapohina hianareo’. — Matio 24:3, 7-9; Marka 13:9.

Noho ny fahavononany hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” amin’ny tany rehetra tokoa na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra miseho, ny olon’i Jehovah dia tsy maintsy niharan’ny fitsapana koa tamin’ny fanenjehana tamin’ny endriky ny kapoka, ny fandrarana, ny fampidirana an-tranomaizina sy ny fitondrana ratsy hafa (Matio 24:14, MN ). Raha ny marina, ireo mpanenjika dia tonga hatramin’ny famonoana ho faty kristiana izay ny hany ‘helony’ dia ny fampianarana fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona.

Izao anefa no nambaran’i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Marka 13:13). Raha ny amin’izay mahakasika antsika, ahoana no azontsika iaretana ka tsy ho resy? Afaka mahita fampaherezana ve isika na dia ao anatin’ny fahoriana lehibe indrindra aza? Moa ve isika manana ohatra ny amin’ny olona niaritra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara