FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/6 p. 31
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijalianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijalianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?
    Mifohaza!—2009
  • Ahoana no Ahafahana Miatrika Olana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Izao tontolo izao anjakan’ny fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Tsy Mora Kivy ve Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/6 p. 31

Manontany ny Mpamaky

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijalianao?

‘Te hampijaly ahy mihitsy angamba Andriamanitra.’ Efa mba nieritreritra toy izany ve ianao rehefa tra-pahoriana? Mety hihevitra isika hoe nosazin’Andriamanitra, rehefa marary tampoka, na nahazo takaitra noho ny loza, na nisy havantsika maty.

Tsy marina anefa izany. Tokony hampahery anao kosa ny mahalala fa tian’Andriamanitra ho sambatra sy hieren-doza isika. Izany no antony nametrahany ny mpivady voalohany tao amin’ny “zaridainan’i Edena”, izay tsy nahitana fijaliana mihitsy.—Genesisy 2:15.

Nampalahelo anefa fa tsy nankasitraka an’ilay fiainana feno fiadanana izy mivady, ka ninia tsy nankatò an’Andriamanitra. Loza ny vokany, tsy ho azy ireo ihany fa ho an’ny taranany koa, anisan’izany isika. Nahoana? Tsy misy hafa amin’ny zava-mitranga ao amin’ny tokantrano iray izany. Rehefa tsy mety mandoa hofan-trano ny loham-pianakaviana, dia ny ankohonany manontolo no tsy maintsy miala ao amin’ilay trano ary mibaby ny vokany. Niaritra fahoriana koa ny olombelona hatramin’ilay fikomiana voalohany. (Romanina 5:12) Nitaraina i Joba, taona maro tatỳ aoriana, fa raha azo ‘natao teo amin’ny mizana’ ny fahoriany, dia ho ‘navesatra noho ny fasika any an-dranomasina.’—Joba 6:2, 3.

Iharan-doza koa isika satria tsy mahay mitsinjo lavitra. Indro misy ohatra: Nanorina trano maromaro teo amin’ny toerana ahitana hain-trano matetika ny olona iray, ary nivarotra izany. Tsy nahafantatra an’ilay toe-javatra ianao, ka nividy trano iray ary nipetraka tao. Hitondra loza ho anao sy ny fianakavianao anefa izany. Raha tonga tokoa ny loza, hety ve ny hilazana fa sazy avy amin’Andriamanitra izany? Tsia. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Mora iharan-doza tokoa ny olona. Mampahery anefa ny mahalala fa tsy ho ela dia hanafaka antsika amin’izany Andriamanitra. Tsy hiharan-doza intsony ianao amin’izay, sady tsy hahita na handre loza koa. Efa navalon’ny lasa ny ranomasom-pahoriana, fanaintainana, fahafatesana, ary ny alahelo. (Apokalypsy 21:4) Mampanantena koa Andriamanitra fa tsy ho simban’ny ady na loza intsony ny trano aorin’ny olona na ny zavatra amboleny. “Hanaram-po” amin’ny asan’ny tanany kosa izy ireo.—Isaia 65:21-25.

Mandra-pahatongan’izany anefa, inona no azonao atao mba hampihenana ny olana mianjady aminao? Hoy ny Baiboly: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” (Ohabolana 3:5) Mangataha tari-dalana sy fampaherezana avy aminy. Diniho ireo tenim-pahendrena avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Hanampy anao handray fanapahan-kevitra feno fahendrena izany, ary hiaro anao amin’ireo loza azo sorohina.—Ohabolana 22:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara