Ny fiadanana sy ny filaminana: fanantenana ve?
“Tamim-piraisan-kevitra no nanambaran’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana fa ho taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena ny 1986. Hambara ampahibemaso io Taona io ny 24 oktobra 1985, fahefapolo taonan’ny Firenena mikambana.”
AHOANA no fiheveranao an’io fanambarana nataon’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana tamin’ny fomba ofisialy io? Manome anao fitokisana ny ho avy indray ve izany? Be dia be no hilaza fa mendrika ny handramana daholo izay rehetra manolotra fanampoizana na dia kely monja aza hanorina fiadanana. Koa nahoana no tsy hasiana “Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena”?
Marina fa ny fandaharana toy izany dia hifanitsy tanteraka amin’ny zava-kendren’ireo mpanorina ny firenena mikambana. Tamin’ny 1944, dia nanambara toy izao ny prezidàn’i Etazonia: “Nanao fanapahan-kevitra izahay (...) mba handamina toy izany ireo firenena izay tia ny fiadanana, mba hahafahan’izy ireo manalavitra ny fipoiran’ny mpila ady na ny mety ho mpanafika amin’ny fampiraisana ny zavatra irin’izy ireo fatratra, ny finiavany sy ny heriny. Noho izany, raha vao teo am-piandohan’ny ady ary mifanitsy amin’ireo volavolan-kevitray ara-tafika, dia nanomboka nametraka ireo fanorenan’ny fandaminana iraisam-pirenena iray ho fitandroana ny fiadanana sy filaminana izahay.”
Be dia be no nitovy foto-pisainana tamin’izany. Tao amin’ny bokiny hoe Tsy fahombiazan’ny foto-pisainana iray (anglisy), Shirley Hazzard, izay niasa nandritra ny folo taona tao amin’ny fitanan-tsoratry ny Firenena mikambana, dia nanoratra izao: “Raha afaka ny ho tonga tamin’ny fahavelomana ny firenena mikambana, dia satria olona be dia be no nino fa afaka nanao ny tsara ny olombelona ary nieritreritra fa nety hahazoana fahafahampo ny fanantenan’izy ireo.”
Nilaza toy izao ny fanantenan’ireo mpanorina azy ny fitsipika itondrana an’io fandaminana tena vaovao io: “Izao avy no zava-kendren’ny Firenena mikambana: 1. Fitandroana ny fiadanana sy filaminana iraisam-pirenena (...) 2. Fanohanana ny fifandraisam-pisakaizana eo amin’ireo firenena noho ny fanajana ny fotopoto-pitsipika momba ny fitovian-jo sy ny fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra (...). 3. Ny fahatongavana amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mba handaminana ireo zava-manahirana maneran-tany (...).” Nety hisy zavatra ratsy ve amin’ny zava-kendrena toy izany?
Marina fa nanam-piandohana nanaitra ny O.N.U. Nisy zava-nanahirana iraisam-pirenena lehibe nodinihina. Tamin’ny 1948, dia nolanina ny Fanambarana hatraiza hatraiza ny zon’olombelona. Nanao asa fanasoavam-bahoaka mendri-piderana ny O.N.U. mba hiadiana amin’ny fahantrana, ny hanoanana, ny aretina sy handaminana ireo zava-manahirana momba ny mpialokaloka. Nanorina fitsipika iraisam-pirenena momba ny filaminana izy teo amin’ny lafin’ny fitaterana an-dranomasina sy ana habakabaka; namorona fanamarinam-pahasalamana iraisam-pirenena izy, filazam-bidin-javatra mitovy amin’ny paositra, ary nilaza ny fizarazarana ny toerana fandefasam-peo.
Nandray anjara lehibe ny Firenena mikambana tamin’ny fandaminana ny ady indo-pakistane tamin’ny 1947-1949. Nisy aza hery ara-tafika teo ambany fanevan’ny O.N.U. nampiasaina tany Korea tamin’ny 1950 sy tany Congo (Zaïre amin’izao andro izao) tamin’ny 1960. Amin’izao andro izao dia mbola misy miaramilan’ny O.N.U. mitandro ny fandriampahalemana any Chypre sy any Moyen-Orient. Tao anatin’ireo efapolo taona farany, dia tena nisehoseho teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tokoa ny O.N.U. Tamin’ny fandefasana solontena tany amin’ny foiben’ny O.N.U., eo amoron’ny East River any New York, dia tany maherin’ny 150 no nampiseho fa nanaiky ny toerany izy ireo.
Nanao ahoana ny nanatanterahan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ny asa nanirahana azy voalohany, dia “ny fitandroana ny fiadanana sy ny filaminana iraisam-pirenena”? Etsy andaniny koa, hitondra inona amin’io lafiny io ny “Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena”?