Tenin’olombelona fotsiny ve ny Baiboly?
NAMOY ny ainy i William Tyndale tamin’ny fiezahana hanao izay hahatonga azy ho azon’ny olona rehetra. Nanao fiezahana mafy i Martin Luther mba handika azy amin’ny fiteny alemana. Ireo mpianatr’i Jean Calvin dia nihevitra azy ho “ny fitsipika sy ny didy amin’ny fahamarinana rehetra”. Eny, nisy fotoana naha-vitsy ny olona nisalasala ny amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Fampianaran’ny Eglizy katolika koa io.
Niova anefa ny zavatra amin’izao andro izao. Vitsy ny olona mamaky ny Baiboly, ilay boky voatonta betsaka indrindra teo amin’ny Tantara manontolo, ary indrindra ka hoe hanaraka izany. James Barr, mpanoratra iray, dia niray fihetseham-po tamin’ny maro rehefa nilaza hoe: “Heveriko fa ny famoronana ny lovantsofina ao amin’ny Baiboly dia vokatry ny asan’olombelona. Filazana ireo zavatra inoan’ny olombelona izany (...). Ny teny mety hanondroana ny Baiboly dia ho ny Tenin’ny Isiraely, ny Tenin’ny olo-mahay iray teo amin’ireo kristiana voalohany.” — Ny Baiboly eo amin’izao tontolo izao ankehitriny (anglisy), nataon’i James Barr.
Inona no nahatonga izany fiovana izany? Moa ve ny Baiboly tenin’Andriamanitra sa an’olona vitsivitsy? Zava-dehibe fotsiny ve ny hahalalana izany amin’izao taonjato faha-20 tsy mihevitra fivavahana izao?
Zava-dehibe ve izany?
Mba hamaliana ny fanontaniana voalohany aloha, dia azontsika atao ny manizingizina fa zava-dehibe ny hahafantarana izany. Nahoana? Satria ny Tenin’Andriamanitra dia lazalazaina ho ‘fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika’. (Salamo 119:105.) Amin’izao androntsika izao isika, dia tena mila fahazavana toy izany. Simbana ny planetantsika kanto. Olona an-tapitrisany maromaro no matin’ny hanoanana. Vitsy no manantena ny ho avy, ary rahonana na dia ny fahaveloman’ny olombelona aza. Manolotra fitarihan-dalana ho antsika anefa ny Baiboly ao anatin’izao vanim-potoana mampidi-doza izao ho amin’ny ho avy azo antoka sy sambatra. Raha Tenin’Andriamanitra tokoa izy io, dia tena izay ilaintsika indrindra.
Nahoana àry ny sasany no manjary misalasala ny amin’izy io? Ny valin’io fanontaniana io dia hanampy antsika hamantatra na tena Tenin’Andriamanitra tokoa na tsia io boky io.
Inona no niafaran’ny finoana ny Baiboly?
Tao anatin’ny taonjato faha-17 sy faha-18, ny finoana ny Baiboly saika hita hatraiza hatraiza dia niharan’ny vokatry ny fiovana teo amin’ny fandehan’ny hevitra. Nameno an’i Eoropa ny fiheverana fa tsy mety ho fantatra ny marina sy ny tsy fikasihana fivavahana. Ny fandaharana ara-pitondram-panjakana, ny toe-karena, ny natiora, ny fivavahana, izany rehetra izany dia niadian-kevitra daholo indray. Ary tsy afaka tamin’izany lamaody izany ny Baiboly.
Tamin’ny taonjato faha-17 i Pierre Bayle, katolika tranainy iray, dia nilaza fisalasalana ankarihary ny amin’ny Baiboly tamin’ny fanoherana ny maha-ara-tantara azy sy ny fandaharan-taona ao aminy. Ny hafa koa dia nanaraka ny fomba fiheviny, avy eo, tamin’ny taonjato faha-19, dia tonga tamin’ny fara heriny ny fiheverana fa tsy mety ho fantatra ny marina tamin’ny sekolin’ny Fanakianana ambony (na fanakianana ny loharanon-kevitra). Manamafy ireo mpanohana ny Fanakianana ambony fa tsy ny Boky araka ny toa maha-izy azy akory ny Baiboly. Araka ny filazan’izy ireo dia tsy nosoratan’i Mosesy akory ny Pentateuque, fa nakambana taty aoriandriana tao amin’ny tantara jiosy, nanomboka tamin’ny loharanon-kevitra sasany tany amin’ny an-jatony taona maro taorian’ny nahafatesan’i Mosesy. Araka ny filazany, ny faminaniana rehetra tanteraka dia tsy maintsy ho nosoratana taorian’ny nahatanterahany. Nanatsoaka hevitra avy amin’izany izy fa olona maromaro no nanoratra ny bokin’Isaia tao anatin’ny an-jatony taona maro. Ary ny bokin’i Daniela dia nosoratana tany amin’ny 165 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
Izay hita tamin’ny mpandinika Baiboly alemana iray atao hoe David Friedrich Strauss, dia manazava tsara ny vokatry ny Fanakianana ambony: “Mbola kristiana ihany ve isika? Tsia, hoy ny navalin’i Strauss, na fara faharatsiny ireo anisantsika izay nanaiky ny Fanakianana ambony, satria tsy azontsika atao intsony ny mihevitra ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra.” — Ny fivavahana sy ny fiakaran’ny fiheverana fa tsy mety ho fantatra ny marina (anglisy), nataon’i Franklin Baumer.
Tao anatin’izao fotoana vaovao fisarahana amin’ny fivavahana izao, dia nisy fahitan-javatra ara-tsiansa natao. Ny sasany nanamarina ny voalazan’ny Baiboly, fa ny hafa kosa toa nanohitra izany. Izany dia nitarika olona be dia be hino fa lany andro ny Baiboly. Nohamafisina izany fiheverana izany teo afovoan’ny taonjato faha-19 rehefa niely ny tsangan-kevitra izay mifanohitra amin’ny fomba hentitra amin’ny fitantarana ny famoronana voalaza ao amin’ny Genesisy. Avy hatrany io tsangan-kevitra io dia nahazo ny fankasitrahan’ny ankamaroan’olona tao amin’ny fikambanana ara-tsiansa sy ireo mpanohana ny Fanakianana ambony. Amin’izao andro izao izy io dia eken’ny anisan’ny klerjy maro ary ampianarina ho toy ny zava-misy any amin’ireo sekoly.
Moa ve izany rehetra izany milaza fa nisy fomba isan-karazany nandavan’ny siansa ny Baiboly? Sa nampiseho ny Fanakianana ambony fa tsy Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?