FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/7 p. 4-7
  • Tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly sy ny fanakianana ambony
  • Ny Baiboly sy ny siansa
  • Boky mahery iray
  • Tenin’olombelona fotsiny ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Voaporofony ve fa diso ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Azo Inoana ve ny “Testamenta Taloha”?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/7 p. 4-7

Tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly

MARINA ve fa ny siansa sy ny Fanakianana ambony dia samy nanaisotra tamin’ny Baiboly ny anarana hoe Tenin’Andriamanitra nentiny taloha? Mety hihevitra izany mora foana ny tena. Misy aza filoha ara-pivavahana tsy misalasala manoratra fa tsy ara-tsiansa ny Baiboly, ary ankamamina aoka izany ny Fanakianana ambony ka ampianarina any amin’ireo seminera. Inona anefa no asehon’ny zava-misy?

Ny Baiboly sy ny fanakianana ambony

Raha ny amin’ny Fanakianana ambony, dia azo atao ny manantitrantitra fa hatramin’izao ny heviny dia tsy nohamafisin’ny porofo mafy orina mihitsy. Tsy hita mihitsy izay tahirin-kevitra toa hoe niavian’ny fanoratana ny Pentateuque na ny bokin’Isaia. Hita kosa anefa ny tapany tranainy tamin’ny bokin’i Daniela izay mahatonga hahafantatra fa efa nalaza tokoa izy io taona vitsivitsy monja taorian’ny fotoana lazain’ireo mpanohana ny fanakianana ambony fa nanoratana azy.

Nanambara toy izao ny mpampianatra teolojia iray: “Tsy misy ohatra hentitra azo tononina mihitsy mba hanaporofoana fa naseho tamim-pitaka ireo boky ao amin’ny Baiboly toy ny nitantaran’ny sekoly fanakianana azy. Zavatra hafa ny hanohanan’io sekoly io an’io fampianarana io ary zavatra hafa ny hanaporofoany izany.” (Wick Broomall ao amin’ny Fanakianana ny Baiboly [anglisy]). Nanampy teny toy izao ny arkeology iray: “Tsy ho be loatra ny hanantitranterana ny hoe tany Atsinanana Akaiky fahiny dia saika tsy nisy mihitsy porofon’ny nanamboarana tahirin-kevitra na haisoratra.” (W. Albright tao amin’ny Avy eo amin’ny taonan’ny vato mankeo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana). Marina fa mandroso foana ny fanakianana ambony. Ny antony dia satria izy io mifanaraka tanteraka amin’ny fomba fihevitra mitoky amin’ny sain’ny tena ankehitriny fa tsy hoe satria voaporofo.

Ny Baiboly sy ny siansa

Ary ny siansa koa ve mba namoaka fanoherana ny Baiboly? Raha ny marina dia mety hisy hino izany indraindray. Ohatra, tamin’ny taonjato faha-18, rehefa fantatra lavitra ny nahaforona ny tany, dia nanjary nazava fa efa ela dia ela tokoa ny planetantsika. Tamin’izany fotoana izany, dia mpino be dia be no nanamafy fa araka ny Baiboly dia vao 6 000 taona monja ny tany. Toa nampangaina mazava àry ny fampianarana iray ao amin’ny Soratra Masina. Ny marina anefa dia hoe tsy manonona na aiza na aiza ny taonan’ny tany ny Baiboly. Araka izany, dia tsy nisy ilay zava-manahirana raha tsy noharina tamin’ny fiheveran-dison’ireny mpino ireny.

Izao no teny voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Izany hevitra ny amin’ny fanombohana izany dia mifanaraka amin’ireo fandinihana ara-tsiansa ekena. Araka ny filazan’ny Baiboly, rehefa avy eo ny tany dia nahita vanim-potoana naha-“tsy nisy endrika sady foana” azy, tsy nonenana sady tsy azo nonenana (Genesisy 1:2). Ireo jeology izay manandrana mandahatra indray ny tantaran’ny planeta tany am-boalohany dia mihevitra fa tena nahita fotoana toy izany tokoa izy. Aorian’izany, dia tantarain’ny Baiboly ny fiforonan’ny ranomasina sy ny kontinanta. Nitranga ny fiainan’ny zavamaniry, avy eo dia ny zavaboary tany an-dranomasina, ny vorona ary farany dia ireo biby an-tanety. Farany, dia tonga ny olombelona mihitsy. Amin’ny ankapobeny, izany filazalazana izany dia mifanitsy tsara amin’ny zavatra hitan’ireo mpahay siansa tamin’ny fandavahana tao amin’ireo sosony tranainy amin’ny tany, ary araka ny filaharan’ny fisehoan’ny fiainana amin’ny ankapobeny aza. — Genesisy 1:1-28.

Tsy milaza akory izany fa hoe ny Baiboly dia mifandrindra tanteraka amin’ny voalazan’ireo boky fianarana siansa. Be dia be aoka izany anefa ny hevitra ifanarahany aminy ka tokony hanontany tena isika hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ireny mpanoratra ny Baiboly taloha ireny nahalala zavatra betsaka toy izany?’ Rehefa heverina fa tsy nahatratra afa-tsy faritra tsotsotra ny fahalalana ara-tsiansa tamin’izany fotoana taloha izany, dia voatery ny tena manatsoaka hevitra fa nisy nampianatra azy ireny: izany dia manamarina mafy ny hevitra fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Rehefa misy fifanoherana eo amin’ny tsangan-kevitra ara-tsiansa sy ny Baiboly, moa ve tokony hoheverintsika avy hatrany fa diso ny Baiboly ary manana ny marina foana ireo mpahay siansa? Ohatra maro no mampiseho fa indraindray ny siansa dia mety hiditra eo amin’ny lalan-diso.

Mazava ho azy fa misy hevitra mifanohitra lehibe amin’ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona sy ny Baiboly. Ny mahagaga amin’io tsangan-kevitra io dia ny fahafainganan’ny fielezany teo amin’ireo mpahay siansa taorian’ny namoahana ny bokin’i Darwin mitondra ny lohateny hoe Ny fiandohan’ny karazana. Nekena io boky io, taloha elan’ny nahafahana nanamarina ireo petra-kevitra narosony na nikaroka porofo tamin’ny alalan’ny taolam-biby tranainy be voatahiry. Ahoana no anazavana ny fahataitairana toy izany? Niaiky tamim-pahatsorana toy izao ilay evaolisionista atao hoe Hoimar Ditfurth: “Amin’ny filazana hevi-teny, ny siansa dia manandrana mitady hoe hatraiza no azo anazavana ny olombelona sy ny natiora tsy misy fampiasana fahagagana.” (Ny fiandohan’ny fiainana [anglisy], nataon’i H. Ditfurth). Tsy mahagaga loatra àry raha toa ireo mpahay siansa ka nanaiky tamim-pahadodonana ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona tamin’ny fanokanana fotoana sy fiezahana be lavitra mba hanandramana manaporofo izany noho ny fanandramana mijery raha azo toherina izany. Ny hany hevitra hafa amin’ny roa isafidianana, ny famoronana, dia hitovy amin’ny fahagagana, zavatra tsy azo eritreretina amin’izy ireo.

Na dia izany aza, ho an’izay rehetra tsy manana fitompoan-teny fantatra ny amin’ny fahagagana, ny famoronana dia tena manome fanazavana mifandrindra tokoa ny amin’izay tsy hain’ireo mpahay siansa nohazavaina, toy ny fiandohan’ny fiainana, ny fieritreretana, ny fahiratan-tsaina sy toe-pitondrantenan’ny olombelona.

Boky mahery iray

Ny Baiboly mihitsy no milaza fa hisy fifanoherana eo amin’ny fampianarany sy ny fahendrena ekena eo amin’izao tontolo izao (I Korintiana 1:22, 23; 3:19). Tsy azo antoka firy ny fahalalana mifototra amin’ireo fikarohan’ny olombelona sy amin’ny filozofia ka tsy tokony hahagaga antsika izany tsy fifanarahana izany. Ary tsy tokony ho velom-panahiana isika raha manohitra ny Baiboly ny tsangan-kevitra be mpanaraka sasany. Ny Baiboly mihitsy no manasa antsika mba hitady any an-toeran-kafa ireo porofo manamarina fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa izy io, araka ny antitranteriny.

Ohatra, miharihary ho bokim-paminaniana ny Baiboly (II Petera 1:19-21). Ireo mpanohana ny Fanakianana ambony dia milaza fa nosoratana taorian’ny nitrangany ireny faminaniana ireny, amin’ny toe-javatra maro anefa dia miharihary fa tsy mety ho toy izany no izy. Nisy faminaniana momba an’i Jesosy, nosoratana taonjato maro talohan’ny nahaterahany, tanteraka ara-bakiteny (jereo, ohatra, Isaia 53:1-12; Daniela 9:24-27). Tanteraka ara-bakiteny ireo faminanian’ny tenan’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema. Ary ireo faminaniana nomen’izy sy ny apostoly Paoly momba ny andro farany dia manambara marina izay azo vakina isan’andro ao amin’ireo gazety (Matio 24; Marka 13; Lioka 21; II Timoty 3:1-5). Koa satria iaraha-mahalala fa tsy hentitra ny olombelona rehefa manandrana manambara ny ho avy, ireo faminanian’ny Baiboly dia fanaporofoan-kevitra mafy orina mba hanamarinana fa avy amin’ny Loharano iray ambony lavitra izy io.

Ny porofo mahery hafa iray koa dia voafintina amin’izao fanambarana ao amin’ny Baiboly izao: “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12). Niharihary izany heriny izany tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny Tantara, satria olona maro be no nijaly na maty mba hiarovana ny zony hamaky ny Baiboly na hampahafantatra izany ny namany. Ny Baiboly no hany boky izay, rehefa vakina amim-panetren-tena sy fahendrena, dia nisy heriny nanatsara ny olombelona. Ny Baiboly dia mahatonga ho tia filaminana ny olona tia ady ary afaka manova tanteraka ny toetry ny olona iray (Mika 4:3, 4; Efesiana 4:24). Hevero, ohatra, izay nentiny ho an’i Luiz.

Tao amin’ny tranomaizina breziliana nitanana azy, Luiz dia nanan-daza ho faran’izay nampidi-doza. Indray andro, ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nitory tamin’ireo niara-notanana tamin’i Luiz dia nanana fahafahana niresaka taminy. Nisy vokany aoka izany teo aminy ny tenin’ny Baiboly, hany ka tao anatin’ny fotoana fohy izy dia tonga olona hafa dia hafa (Kolosiana 3:9, 10). Teo aloha, dia tsy nisy ho sahy hamaly azy, kanefa izao dia nitondra ny olona rehetra tamin-katsaram-po izy ary nanome mihitsy aza ho an’ireo manam-pahefana momba ny fonja ny fanajana tandrifina azy ireo. Dimy taona taorian’ny nanombohan’ny Baiboly namolavola ny toetrany, dia nanomboka nampianatra izay nianarany tamin’ireo mpigadra hafa izy ary navela hivoaka ny tranomaizina aza izy mba hitory.

Hevero izao ny tantaran’i Wayne. Io tanora Amerikana io dia nanana fiainana feno fanaranam-po nifototra tamin’ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fampiasana tsy ara-dalàna ny zavatra mahadomelina. Rehefa nanambady izy, ny fitondrantenany ratsy tamin’ny farany dia nitarika koa ny vadiny hanao fitondrantena maloto. Nahatsiravina ny fiainam-pianakavian’izy ireo. Rehefa nadiva hisara-panambadiana izy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia afaka namelabelatra tamin’i Wayne ny fiheveran’ny Baiboly momba ny andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny fitiavana tokony hanjaka ao anatin’ny faritry ny fianakaviana (Efesiana 4:22-24; 5:22-28). Nazava tamin’i Wayne tamin’izany ny hoe avy taiza ny sasany tamin’ireo zava-nanahirana azy (jereo I Korintiana 15:33). Tamin’ny farany izy dia afaka nanova ny toe-tsainy, ka izany dia nanampy ny vadiny hiova koa. Miaina ao anatin’ny fahasambarana ankehitriny izany mpivady tanora izany, noho ny Baiboly.

Farany, dia raiso ny ohatra ny amin’i Elena. Mora voan’ny fahaketrahana io zazavavy Argentine io. Rehefa nanatona mpitsabo aretin-tsaina izy mba hitsaboana tena, dia nilaza taminy io fa tokony hanana fiainana malalaka tanteraka momba ny lahy sy ny vavy izy raha tiany ny handamina ny zava-manahirana azy. Nilentika tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny spiritisma sy ny fifohana sigara nihoapampana izy. Indroa izy no nanala zaza. Nihevitra an’i Elena anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ary afaka nanampy azy hampihatra ny Baiboly teo amin’ny fiainany. Ny tenin’ny Baiboly dia nahatonga azy ho afaka hiala tsikelikely amin’ireo fahazarany manimba sy ho tonga amin’ny fahalalana ny Mpamorona, Jehovah Andriamanitra, sy ny Zanany, Jesosy Kristy. Rehefa mieritreritra Azy ireo i Elena izao, dia izao no ambarany: “Tsy mendrika mihitsy ny zavatra tsara raisiko avy amin’izy ireo aho; noho izany antony izany dia tiako ny mbola miresaka foana ny amin’ny famindrampo sy ny fitiavana asehony amintsika.”

Araka ny asehon’ireo ohatra vitsivitsy ireo, ny Baiboly dia mety hisy heriny faran’izay mahasoa eo amin’ny fiainantsika. Nahazo fanampiana i Luiz, Wayne sy Elena rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah nampahafantatra azy ireo ny Baiboly sy nanazava taminy ny fomba hampiharana izany. Amin’izao andro izao, dia miisa ho telo tapitrisa mahery ireny Vavolombelona ireny miely patrana maneran-tany; maro amin’izy ireny no nahita fanandraman-javatra tahaka izany taloha ary izy rehetra dia namela ny Baiboly hanova tanteraka ny fiainany. Nitondra inona ho azy ireo izany?

Ireo kristiana telo tapitrisa ireo dia mahaforona fitambaran’olona izay efa ahitana fanafodiny sahady amin’ireo zava-manahirana lehibe mandrahona amin’izao andro izao ny ho avin’ny olombelona. Tsy voazarazaran’ny fanindrahindram-pirenena na fanindrahindram-poko izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa, noho ny fanampian’ny Baiboly, dia tena manao fiezahana izy ireny mba handresena ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana sy ny tsy rariny ara-toe-karena. Afa-tsy izany koa, dia nianatra niaina tamim-pihavanana teo amin’izy samy izy izy ireo, ka izany dia fahatanterahana voalohan’ny anankiray amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly miavaka indrindra. — Isaia 11:6-9.

Ny fisian’ny antokon’olona toy izany dia manaporofo mafy fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Manasa anareo izahay mba hifankahalala amin’ireny kristiana ireny ka ny tenanao mihitsy no hanamarina izany toe-javatra izany. Horaisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fifaliana lehibe ny hanampy anao amin’izany.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ny Fanakianana ambony dia tena tsy afaka manome mihitsy porofo mafy orina ho fanamarinana ny lazainy.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Tsy mila ny siansa amin’ny andro ankehitriny na filozofia ny Baiboly mba hanaporofoana fa tenin’Andriamanitra izy.

[Sary, pejy 7]

Manova ny olombelona ny Baiboly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara