FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/7 p. 22
  • Ny fanangonana ny “ondry hafa” any Aostralia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanangonana ny “ondry hafa” any Aostralia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitondrantena mampahamendrika ny fanompoana kristiana ataontsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo “Zavatra Faniry”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nivaly fahombiazana ho ahy ny fahatapahan-kevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • “Henoy” Foana Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/7 p. 22

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Ny fanangonana ny “ondry hafa” any Aostralia

“Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra”, hoy ny nosoratan’i Hagay mpaminany, 2 500 taona mahery izay (Hagay 2:7). Amin’izao androntsika izao, ireo olona faniry dia tena mirohotra tokoa ho ao an-tranon’i Jehovah. Izao zava-nitranga tany Aostralia izao anefa dia mampiseho fa mety ho hita fa tsy faniry izany amin’ny voalohany:

◻ Indray alahady, ny rahalahy iray nandeha tamin’ny fiarakodia ho any amin’ny fivoriana kristiana dia nandray olona nampiato azy, zavatra tsy mbola nataony mihitsy teo aloha. Tsy fantany ny antony nijanonany. Ilay zazalahy ratsy fitafiana tokoa dia nanana volo lava nisaritaka sy volombava. Raha ny tena marina aza dia tsy tena nampijanona azy mba hiarahana aminy izy io. Nahatsapa tampoka anefa ilay rahalahy fa tokony hijanona sy handray azy izy. Rehefa niakatra tao amin’ny fiarakodia izy, dia nanontany toy izao ilay zazalahy: “Tsy ho any am-piangonana ianao?” Gaga ilay rahalahy ka namaly hoe: “Eny, ho any amin’ny Efitrano Fanjakana aho.” “Hiaraka aminao aho”, hoy ny teny nanampin’ilay niresahany.

Nanandrana nisakana azy tsy hanao izany ilay rahalahy, satria io zazalahy io nanana fisehoana ivelany tena tsy nahafinaritra. Nanantitrantitra ny ho any anefa izy io. Dia notantarainy tamin’izay ny fiainany: niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny izy teo amin’ny faha-16 taonany, ary hatramin’izay izy dia tafalentika tao amin’ny zavatra mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondrantena. Nonina teo ambany tafo plastika izy, tao ambadiky ny bongom-pasika akaikin’ny moron-dranomasina. Avy eo dia nanomboka nieritreritra mafy ny amin’ny zava-kendrena eo amin’ny fiainana izy. Koa satria tsy tiany ny nanjo azy, dia nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy. Rehefa avy nilaza taminy izy fa hipetraka eo amoron-dalana, dia nivavaka taminy mba hanao izay hisian’olona handray azy sy hitondra azy any amin’ny fiangonana ivorian’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana marina. Ora maromaro no nijanonany teo amin’io lalana nangina io; fiarakodia telo monja no hitany, ary tsy nisy nijanona mba handray azy na dia iray aza. Vonona ny hiala izy raha nandalo ilay rahalahintsika ka nandray azy.

Nanatrika ny fivoriana rehetra nandritra ny herinandro io zazalahy io ary nanomboka nandamina ny fomba fitafiny. Nesoriny aza ny lakroa niambozonany. Tapa-kevitra izy ny hody tany aminy any Tasmania, ary nijanona iray volana tany, ka nandritra izany izy dia nivavaka sy namaky ny Baiboly. Rehefa tsapany fa nila fanampiana manokana izy mba handrosoana bebe kokoa, dia nankany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Aostralia izy. Nangataka mpitory maharitra hiara-hianatra ny Baiboly taminy ny sampana, ary nandroso haingana izy. Nampisy heviny ny fiainany ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Baiboly ka nahatonga azy ho afaka hanana fanantenana ny amin’ny ho avy (Ohabolana 10:28). Rehefa afaka fito volana taty aoriana, dia natao batisa izy ary nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Manao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona any Sydney izy izao.

◻ Azontsika atao ny “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika” amin’ny fampifanarahana ny fitondrantenantsika amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly (Titosy 2:10). Manazava izany izao zava-nitranga manaraka izao: Ny rahalahy iray dia niasa tao amin’ny fikambanana iray nipoahan’ny ady ara-tsosialy momba ny fanondranana ondry sy omby. Nangatahina handray anjara tamin’io ady io ny tsirairay avy tamin’ny mpiasa tamin’ny fanomezana iray dôlara. Rehefa nandà ilay rahalahy, dia nandrahona azy ny tompon’andraikitra tao amin’ny “syndicat” tamin’ny filazana taminy fa nety hamoy ny asany izy. Nilaza mazava àry ilay rahalahy fa ny fieritreretany dia tsy namela azy handray anjara amin’ny fihetsiketsehana nalamina. Nanome azy ora iray hieritreretana ilay tompon’andraikitra tao amin’ny “syndicat”.

Tamin’izay ilay rahalahy dia nataon’ireo mpiara-miasa taminy fihomehezana. Nohazavainy tamin’izy ireo fa tsy ny vola iray dôlara akory no niteraka zava-nanahirana ho azy. Kanefa, hoy ny nanampiny, koa satria ny sasany tamin’ireo izay tafiditra tao amin’io ady io dia nitana basipoleta sy hazo be, dia hivesatra trosan-dra izy raha manohana azy ireo ka misy olona maratra na maty. Nanambara ny anankiray tamin’ireo mpiasa fa tsy mbola nandre olona nilaza fiheverana toy izany mihitsy izy teo aloha ary nangataka ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany izy. Taty aoriana io lehilahy io dia nanaiky hiara-hianatra ny Baiboly tamin’ilay mpiara-miasa taminy. Na dia tao aza ny fanoheran’ny vadiny, tsy ela taorian’izay, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana izy. Amin’izao andro izao, dia anankiray amin’ireo rahalahintsika izy. Fa raha ny amin’ilay tompon’andraikitra amin’ny “syndicat”, dia tsy niverina intsony mihitsy izy.

Azo antoka fa ireo izay tia an’Andriamanitra sy ny rariny dia hatao mifandray amin’ny fahamarinana amin’ny fomba isan-karazany ka hahay hahafantatra azy. Izao no nolazain’i Jesosy: “Manana ondry hafa (...) Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko.” (Jaona 10:16). Any Aostralia, dia maherin’ny 42 000 amin’ireny “ondry hafa” ireny no efa nihaino ny feon’ny Mpiandry tsara, ary isan’andro, dia misy olon-kafa angonina eo ankavanan’i Jesosy, izany hoe mahazo ny fankasitrahany izy ireny. — Matio 25:31-34.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Azontsika atao ny “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika”, amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika tsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara