Andriamanitra no nekeny mihoatra noho ny olona
“Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”
EFA ho 2 000 taona izao, ireo teny mahery ireo dia nanakoako tao amin’ny efitrano fitsaran’ny Synedriona tany Jerosalema rehefa nadinin’ny mpisoronabe jiosy ny antokon’olona kristiana iray. Nosamborina izy ireo raha mbola nampianatra ny vahoaka tao amin’ny tempoly. Ny anjelin’i Jehovah dia nandidy azy ireo mba ho any amin’io toerana io sy hitory ny Tenin’Andriamanitra tany, kanefa nilaza taminy mba tsy hanao izany ireo mpisorona. Iza no ho nekenao tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Ireo kristiana resahina dia tsy nisalasala na dia kely akory aza. Andriamanitra no nekeny mihoatra noho ny olombelona. — Asan’ny apostoly 5:17-32.
Tao anatin’ireo taonjato lasa nanomboka tamin’izany fisehoan-javatra izany, dia nisy olon-kafa nanahaka ny fahasahian’ireny kristiana ireny rehefa nisy filoha ara-pivavahana, sahala amin’ireo mpisorona jiosy tamin’ny taonjato voalohany, tsy nety nihaino ny fahamarinana sy nanandrana nisakana ny mpiara-belona taminy tsy hanao toy izany (Matio 23:13). Teo am-piandohan’ny taonjato faha-15, Jan Husa (1371-1415) dia nandray ny teny voatonona eo ambony rehefa norarana izy tsy hitory tany Bohême niaviany (tapany amin’i Tsekoslovakia ankehitriny). Nekeny ny fahefan’Andriamanitra tampony sy ny Teniny tamin’ny fotoana tsy nisian’ny olona na saika tsy nisian’ny olona nanohitra ny fahambonian’ny papa sy ny Eglizy. Inona no nitarika azy hanaraka fihetsika toy izany?
Ny fiandohan’ny fampianaran’i Hus araka ny Baiboly
Jan Hus dia notezain’ny reniny, vehivavy tantsaha mpitondratena iray. Tsy maintsy niady àry izy mba hahazoana fianarana tsara. Matetika izy no tsy maintsy nihira tany am-piangonana mba hameloman-tena. Na dia tsy mpianatra nahay aza izy, dia afaka nanaraka fianarana tany amin’ny oniversiten’i Prague izay izy tamin’ny farany no toniany.
Tamin’izany fotoana izany, io oniversite io dia norotidrotehin’ny fisaratsarahana nampifanohitra ny Alemana sy ny “Tchèques”. Nitsangana ho mpiaro ny “Tchèques” i Hus, ary nitombo ny heriny arakaraka ny nahatongavany ho mpitory teny nalaza kokoa. Hatramin’ny elaela, ireo fahadisoan-kevitra maro tao amin’ny Eglizy katolika romana dia niteraka fikorontanana sy fiadian-kevitra, ary niharatsy ny tarehin-javatra noho ny fampielezana ny zavatra nosoratan’i John Wycliffe mpanao fanavaozana anglisy. Tsy nifandray tamin’ny fisehoan-javatra nitranga tany Angletera akory ny fihetsiketsehana bohemiana, fa nitombo nifanitsy tamin’izany. Nanintona an’i Jan Hus ny teny nosoratan’i Wycliffe, indrindra fa ilay boky hoe Ny amin’ny fahamarinan’ny Soratra Masina (anglisy) izay nahazoany anankiray tamin’ny 1407.
Nitsangana ho fahavalony anefa ny tenan’i Zbynek, arsevekan’i Prague, izay tsy nankasitraka ny fitoriany teny ka nandoro ampahibemaso, soratra maro nataon’i Wycliffe tamin’ny 1410. Noraran’i Zbynek nanaraka izany ny fitoriana tany ivelan’ireo fiangonana nekena, ka tsy anisan’izany ny trano fiangonana kely Betlehema niasan’i Jan Hus. Nolavin’i Hus ny fanarahana ny fandrarana navoakan’ilay arseveka tamin’ny fanambarana fa “Andriamanitra no tokony hekeny mihoatra noho ny olombelona raha ny amin’ny zavatra ilaina amin’ny famonjena”. Nanontany ny papa izy, ka noho izany dia naongan’ilay arseveka. Tsy niala anefa i Hus na dia izany aza, satria nino mafy fa nandranitra ny fieritreretany ny fitomboan’ny fahalalany ny Baiboly ka nahatonga azy ho mora handray kokoa ireo fampianaran’io boky io. Nivaofy ny teny nataon’ny apostoly Paoly ho an’ny Romana izy, ka nanambara mazava hoe: “Ny olona no mety handainga, fa tsy Andriamanitra.” (Romana 3:4). Niaro ny fihetsiketsehana fanavaozana nataon’i Hus ny mpanjaka Veneceslas, ka tamin’ny farany dia nandositra niala tao amin’ilay tany i Zbynek ary maty taoriana kelin’izay.
Mbola tojo fanoherana koa Hus rehefa nanameloka kroazady iray nalamina ho fanoherana ny mpanjakan’i Naples ka nampiseho ny faharatsian’ny fivarotana indolzansy natao hahazoam-bola ho amin’izany fanafihana ara-tafika izany. Nanaisotra tamin’ireo pretra ny tapany tamin’ny vola niditra taminy ny fihetsiny. Ny fandaharana momba ny indolzansy dia nahatonga ho afaka hahazo famelana noho ny sazy ara-nofo ho takalon’ny fandrotsaham-bola. Mba tsy hiteraka zava-manahirana ho an’ilay tanàna, dia nandao an’i Prague i Hus mba hihataka vetivety ho any ambanivohitra. Tany izy, tamin’ny 1413, dia nanoratra ilay bokiny hoe Ny amin’ny fivarotana fahasoavana ao amin’ny fiangonana mba hanalana sarona ny fitiavam-bola nampiavaka ny klerjy sy ny nandraisany fanohanana avy amin’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana. Teo indray koa, dia niankina tamin’ny Tenin’Andriamanitra i Hus tamin’ny fanambarana hoe: “Ny kristiana mahatoky rehetra dia tokony hitandrina mba tsy hanohana na inona na inona izay mifanohitra amin’ny Soratra Masina.”
Nosoratan’i Hus koa ny boky iray nitondra ny lohateny hoe De Ecclesia (Ny amin’ny Fiangonana) namelabelarany hevitra sasany. Izao ny anankiray taminy: “Tsy mbola filohan’ny Fiangonana mihitsy, ary tsy toy izany, i Petera.” Araka ny filazany, ireo andininy fototra ao amin’ny Matio 16:15-18 dia nanaporofo mazava fa Jesosy Kristy no fanorenana sy filohan’ny Fiangonana izay voaforon’ny fitambarana mpino voafidy. Noho izany, dia ny lalàn’i Kristy araka ny ahitana azy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no nahaforona ny fahefana tampony, fa tsy ny an’ny papa. Ny fahefan’ny papa kosa dia avy amin’ny fahefan’i Roma ao amin’ny empira.
Ny fanambarana nataony teo anoloan’ny kaonsilin’i Constance
Tsy afaka nizaka ela kokoa ny famotsipotsiran’i Hus azy ny Eglizy katolika. Nantsoiny àry izy ho tonga hamaly ny amin’ireo heviny teo anoloan’ny kaonsilin’i Constance izay natao tamin’ny 1414 ka hatramin’ny 1418 tany akaikin’ny farihy mitovy anarana amin’izanyb. Natosika tamim-pitaka ho any Hus, tamin’ny alalan’ny rahalahin’ny mpanjaka, ny emperora Sigismond, izay nanome azy pasipaoro niharihary vetivety fa sandoka. Taoriana kelin’ny nahatongavany tany Constance, dia nosamborina Hus, kanefa izany tsy nahasakana azy tsy hanohy hanohitra ny fahefan’ny papa sy ny an’ny kaonsily.
Rehefa nandidy an’i Hus ny kaonsily mba hiala amin’ny heviny sy ny fampianarany, dia namaly izy fa ho faly hanao izany raha porofoina aminy amin’ny alalan’ny Soratra Masina fa diso hevitra izy, mifanaraka amin’ny II Timoty 3:14-16. Fantatr’i Hus fa hampijaly azy foana ny fieritreretany raha nanoratra fiovana hevitra tamin’ny teny tsy mazava izy. Izao no nambarany: “Tiako foana ny hampisehoana amiko amin’ny alalan’ny Soratra Masina hoe inona no fampianarana tsara indrindra; ho vonona ny hiova finoana miaraka amin’izay aho raha izany.” Na dia nangataka tamin’ny kaonsily aza izy mba hanasa ny tsotra indrindra amin’ireo mpikambana ao aminy hanaporofo aminy fa diso hevitra izy, amin’ny alalan’ny Soratra Masina mihitsy, dia nomelohina ho mpanohitra ny finoana mafy hatoka izy ka nalefa tany an-tranomaizina, kanefa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo heviny nodinihina araka ny fanazavan’ny Baiboly.
Ny 6 jolay 1415, dia nomelohina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny katedralin’i Constance i Hus. Tsy navela hamaly izy rehefa novakina ny fiampangana azy. Avy eo dia nesorina taminy ampahibemaso ny raharahany tamin’ny naha-pretra, fa ny zavatra nosoratany kosa dia nolevonina tamin’ny afo tao amin’ny toeram-pandevenan’ny katedraly. Rehefa avy eo izy dia nentina teo amin’ny tany iray teo akaiky ka nodorana teo amin’ny antontan-kitay. Nangonina ny lavenony ka natsipy tao amin’ny ranon’i Rhin, mba tsy hisy mihitsy olona ho afaka hitahiry ny sisam-patin’io maritiora io. Noho ny fifamatorana akaiky nisy tamin’ny hevitr’i Hus sy ny an’i Wycliffe, dia nomelohin’ny kaonsily taorian’ny nahafatesany io mpanao fanavaozana io. Nandidy ny hamongarana ny taolany sy ny handorana izany izy, ary ny hanipazana ny lavenony ao Swift, renirano iray tany Angletera. Taty aoriana, jérôme avy any Prague, ny nalaza indrindra tamin’ny mpianatr’i Hus, dia nodorana teo amin’ny antontan-kitay koa.
Ny asan’i Hus
Hus dia anankiray tamin’ireo voalohany sahy nanohitra ny fahefan’ny papa sy ny an’ny kaonsily iray, kanefa kosa nanaiky ny fahefana tampony ananan’ny Soratra Masina. Napoakany tamin’izany mihitsy ny fihetsiketsehana ho fanohanana ny zon’ny isam-batan’olona, ny fahafahana ara-pivavahana sy ny fahafahana amin’ny filazana hevitra.
Taonjato iray mahery taty aoriana, tany Alemaina, Martin Luther dia nampangaina ho nanao fahadisoana tahaka ny an’i Wycliffe sy Hus. Marina tokoa fa tamin’ny fotopotony dia nitovy fiheverana tamin’i Hus izy rehefa nanambara hoe: “Raha tsy ny Soratra Masina na ny porofo miharihary no manambara ahy fa meloka — dia tsy manaiky ny fahefan’ny papa sy ireo kaonsily aho, satria mifanipaka izany — babon’ny Tenin’Andriamanitra ny fieritreretako.” Angamba noho izany no nanantitranterany hoe: “Mpanaraka an’i Hus daholo isika, nefa tsy mahalala izany.”
Raha ny marina, Hus, Wycliffe sy Luther dia namelona maro be tamin’ny fampianaran’ireo kristiana voalohany. Mazava ho azy fa tsy tamin’ny fomba feno no nanaovany izany, satria tamin’ny andron’izy ireo dia tsy mora ny nampisava ny haizina nihanikitroka tao anatin’ireo taonjato. Izy rehetra anefa dia nitovy hevitra ny amin’ny raharaha lehibe iray: ny Tenin’Andriamanitra no tokony homena toerana voalohany, na manao ahoana na manao ahoana hevitry ny olombelona. Nanana izany fiheverana voazava izany ireo kristiana voalohany satria izy ireo nampianarin’ny Tompony mihitsy, dia Jesosy Kristy. — Jaona 17:17; 18:37.
Amin’izao androntsika izao, ny kristiana dia tokony hanaraka fihetsika sahala amin’izany. Manana tombontsoa lavitra isika noho ny olona tamin’ireo taonjato lasa. Etsy andaniny koa, dia afaka mampiasa malalaka ny Baiboly isika saika amin’ny fiteny rehetra. Etsy ankilany, amin’izao andro farany izao ny fanahy masina dia mitari-dalana ireo izay maniry izany mba hahazoany fahalalana tsara kokoa ny Baiboly. Anisan’izy ireny ve ianao? Raha izany no izy, dia hanaja tsy misy fisalasalana ny fotopoto-pitsipika nampahatsiarovin’i Jan Hus mafy tokoa isika. Amin’izao andro izao, dia vahoaka mihamaro tsy misy toy izany no mandray ho azy izao fanambaran’ny apostoly izao: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny apostoly 5:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Soratana indraindray hoe Huss.
b Ny kaonsily dia fivoriamben’ny eveka mbamin’ny filohan’ny Eglizy katolika hafa atao mba handinihana sy hanapahana raharaha momba ny fampianarana sy ny fifehezana ary ny zava-manahirana hafa. Ny Eglizy katolika dia mahafantatra kaonsily sasany natao teo amin’ny Tantara.
[Sary, pejy 29]
Jan Hus
[Sary, pejy 31]
Amin’izao androntsika izao, ny Baiboly “tchèques”, sahala amin’io fanontana tamin’ny 1579 io dia heverin’ireo mpanangona karazam-baiboly ho sarobidy. Nodorana teo amin’ny antontan-kitay Jan Hus satria nihevitra ny fanambarana ao amin’ny Baiboly ho sarobidy noho ny an’ny olombelona.