Ny Fomba Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika — Fizarana Faharoa
Niredareda niakatra ny lelafo, arakaraka ny nanipazana zavatra nataina teo amin’ilay afo an-kalamanjana nirefodrefotra. Tsy afo toy ny nahazatra anefa izy io. Baiboly no nandrehetana ilay afo nidedadeda be raha nisy pretra sy eveka nijery teo. Kanefa tamin’ny nividianan’ny evekan’i Londres ireo Baiboly mba hopotehina, dia tsy fantany akory fa nanampy an’i William Tyndale, ilay nandika an’ireo Baiboly, hahazo vola hanaovana fanontana fanampiny izy!
Inona no nitarika ho amin’ny fahatapahan-kevitra toy izany teo amin’ireo andaniny roa tamin’ilay ady? Tao amin’ny nomerao iray teo aloha, dia nodinihintsika ny tantaran’ny famoahana Baiboly hatreo amin’ny faramparan’ny Moyen Âge. Izao isika dia tonga eo amin’ny niandohan’ny vanim-potoana vaovao iray. Tamin’izay no nadiva hisy vokany lalina teo amin’ny fitambaran’olona ny hafatra sy ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra.
Nipoitra ny mpisava lalana iray
Nitory sy nanoratra tamin-kery nanohitra ireo fanao tsy ara-baiboly narahin’ny Eglizy Katolika i John Wycliffe, manam-pahaizana nohajaina avy tao Oxford, ka ny ‘lalàn’Andriamanitra’, izany hoe ny Baiboly, no nataony ho fototry ny fahefany. Naniraka ireo Lollards mpianany hitety ny faritra ambanivohitr’i Angletera izy mba hitory tamin’ny fiteny anglisy ny hafatra raketin’ny Baiboly, tamin’iza na iza nety nihaino. Talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1384, dia nanomboka nandika ny Baiboly avy tamin’ny fiteny latina ho amin’ny fiteny anglisy tamin’ny androny izy.
Nahita antony maro hanamavoana an’i Wycliffe ny eglizy. Voalohany aloha, i Wycliffe dia nanameloka ny klerjy noho ny filibany sy ny fahalotoam-pitondran-tenany. Fanampin’izany, dia maro tamin’ireo mpidera an’i Wycliffe no nampiasa tamin’ny fomba diso ny fampianarany mba hanamarinana ny fikomian’izy ireo nitanam-piadiana. Nanome tsiny an’i Wycliffe ny klerjy, na dia taorian’ny nahafatesany aza, ary na dia tsy nankasitraka mihitsy ny fikomiana tamin-kerisetra aza izy.
Tao amin’ny taratasy iray nalefany tany amin’ny Papa Jean XXIII tamin’ny 1412, ny Arseveka Arundel dia nanisy firesahana ny amin’ilay “John Wycliffe tsy mendrika sy mpanorisory iny, mahatsiravina na dia ny mieritreritra azy aza, iny zanaky ny menarana antitra iny, ilay tena mpialoha lalana sy zanaky ny antikristy”. Tonga tamin’ny fara heriny ny fiampangan’i Arundel tamin’ny nanoratany hoe: “Nanampy trotraka ny haratsiam-panahiny ny namolavolany fomba fandikana vaovao ny soratra masina ho amin’ny fitenin-drazantsika.” Eny tokoa, ny nanirian’i Wycliffe hanome ny olona ny Baiboly tamin’ny fiteniny no naharomotra indrindra ireo mpitondra fiangonana.
Na dia izany aza, dia nisy olona ambony vitsivitsy afaka namaky ny Soratra Masina tamin’ny fiteny teo an-toerana. Iray tamin’izy ireny i Anne de Bohême, izay nanambady ny Mpanjaka Richard II tany Angletera, tamin’ny 1382. Nanana ireo Filazantsara araka ny fandikan-teny anglisy nataon’i Wycliffe izy, ary nianarany tsy tapaka ireo. Rehefa tonga vadi-mpanjaka izy, ny fihetsiny tsara dia nanampy mba hampandrosoana ny fampielezana ny Baiboly — ary tsy tany Angletera ihany. Nampirisika mpianatra avy tao amin’ny Oniversiten’i Prague tany Bohême ho tonga tao Oxford i Anne. Tao ireo mpianatra ireo dia nianatra tamin-kafanam-po ireo asa soratr’i Wycliffe ary nitondra nody ny sasany tamin’izy ireny nankany Prague. Tatỳ aoriana, ny fitiavan’ny olona ireo fampianaran’i Wycliffe tao amin’ny Oniversiten’i Prague dia nanampy an’i Jan Hus, izay nianatra ary avy eo nampianatra tao. Nanao dikan-teny tchèque mora novakina avy tamin’ny fandikan-teny slavônika tranainy i Hus. Nampandroso ny fampiasan’ny besinimaro ny Baiboly tany Bohême sy ireo tany nifanila taminy ireo ezaka nataony.
Namaly faty ny eglizy
Tezitra mafy tamin’i Wycliffe sy i Hus koa ny klerjy noho ny nampianarany fa ny “soratra fotsiny”, ny Soratra Masina ara-tsindrimandry tany am-boalohany tsy nampiana na inona na inona, dia nanana fahefana lehibe kokoa noho ireo “fanazavana fohy”, izay fanazavana araka ny lovantsofina navesa-be teo an-tsisim-pejin’ny Baiboly neken’ny eglizy. Ny hafatra tsy misy fangarony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no nirin’ireo mpitory ireo hatao ho tonga teo am-pelatanan’ny olon-tsotra.
Nampanantenaina tamim-pitaka fa homena fahazoan-dalana i Hus ka tonga teo anatrehan’ny Konsily Katolika tany Constance, Alemaina, tamin’ny 1414, mba hiaro ny heviny. Pretra sy eveka ary kardinaly 2 933 no nahaforona ilay konsily. Nanaiky hitsoa-teny i Hus raha azo noporofoina tamin’ny Soratra Masina fa diso ny fampianarany. Tamin’ilay konsily, dia tsy izany anefa no raharaha niadian-kevitra. Antony ampy taminy ny fihaikan’i Hus ny fahefan’izy ireo mba handoroana azy teo amin’ny tsato-kazo tamin’ny 1415. Nivavaka tamin’ny feo avo izy teo am-pialana aina.
Io konsily io ihany koa no nanameloka sy nanevateva farany an’i John Wycliffe tamin’ny nandidiany hoe tokony hofongarina ny taolam-patin’i Wycliffe tany Angletera ary hodorana. Naharikoriko aoka izany io baiko io, hany ka tsy notanterahina raha tsy tamin’ny taona 1428, noho ny fitakian’ny papa. Toy ny nitranga foana anefa, dia tsy nampihena ny zotom-pon’ny olon-kafa tia ny fahamarinana ny fanoherana lozabe toy izany. Vao mainka aza nampitombo ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hampiely ny Tenin’Andriamanitra izany.
Ny vokatry ny fanaovam-pirinty
Tamin’ny 1450, 35 taona monja taorian’ny nahafatesan’i Hus, dia nanomboka nanao pirinty tamin’ny fampiasana lohavỳ i Johannes Gutenberg, tany Alemaina. Fanontana ny Vulgate latina, vita tokony ho tamin’ny 1455, no asa lehibe voalohany nataony. Tamin’ny 1495, dia ny Baiboly manontolo na ny ampahany taminy no efa vita pirinty tamin’ny fiteny alemà, italiana, frantsay, tchèque, holandey, hebreo, catalan, grika, espaniola, slavônika, portogey, sy serba — araka izany filaharana izany.
Namoaka ny fanontana feno vita pirinty voalohan’ny soratra grika i Didier Érasme, manam-pahaizana holandey, tamin’ny 1516. Nirin’i Érasme ny “handikana [ny Soratra Masina] ho amin’ny fiteny rehetra ampiasain’ny olona rehetra”. Kanefa, niahotra izy sao tsy ho mamy hoditra intsony raha ny tenany mihitsy no hanao ilay fandikan-teny. Na dia izany aza, dia nisy olon-kafa be herim-po kokoa taoriany. Niavaka tamin’izy ireny i William Tyndale.
William Tyndale sy ny Baiboly anglisy
Nianatra tao Oxford i Tyndale ary tokony ho tamin’ny 1521, dia noraisina tao an-tranon’i Sir John Walsh izy mba hampianatra ny zanany. Matetika no nahitana an’i Tyndale tanora niady hevitra tamin’ny klerjy teo an-toerana ireo fotoam-pisakafoana nanodidina ny latabatra feno hanim-pito loha tao amin-dry Walsh. Nihaika tamin’ny fomba tsy niolakolaka ny hevitr’ireo pretra i Tyndale tamin’ny nanokafany ny Baiboly mba hampisehoana andinin-teny tamin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nampiaiky an-dry Walsh izay nolazain’i Tyndale, ary nanjary nahalana kokoa ny fanasana an’ireo anisan’ny klerjy ary nangatsiaka kokoa ny fandraisana azy ireo. Mazava ho azy fa nampahatezitra kokoa an’ireo anisan’ny klerjy tamin’i Tyndale sy ny zavatra ninoany, izany.
Indray mandeha, nandritra ny ady hevitra iray, dia nanantitrantitra toy izao ny iray tamin’ireo mpifanandrina ara-pivavahana tamin’i Tyndale: ‘Aleo tsy manana ny lalàn’Andriamanitra toy izay ny an’ny Papa.’ Alao sary an-tsaina ny fiekena mafin’i Tyndale teo am-pamaliana hoe: ‘Mihaika ny Papa sy ny lalàny rehetra aho. Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra, tsy hisy taona maro akory dia hataoko izay hahatonga ny ankizilahy mitarika angadin’omby hahafantatra bebe kokoa noho ianao ny Soratra Masina.’ Nanjary voafaritra tsara ny fahatapahan-kevitr’i Tyndale. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Takatro avy tamin’ny zavatra hitako fa sarotra dia sarotra ny hampiorina ny lahika ao amin’ny fahamarinana, na inona izany na inona, raha tsy hoe velarina an-karihary eo anoloan’ny masony angaha ny andinin-teny, amin’ny fitenin-drazany, mba hahafahany hahita ny votoatin’ilay soratra sy ny filaharany ary ny heviny.”
Tamin’izay fotoana izay, dia mbola tsy nisy Baiboly natao pirinty tamin’ny fiteny anglisy. Koa tamin’ny 1523 àry, dia nankany Londres i Tyndale mba hangataka ny hanohanan’ny Eveka Tunstall ny tetik’asa iray fandikan-teny. Nahazo fandavana mafy izy ka nandao an’i Angletera mba hanatanterahana ilay fikasany, ary tsy niverina tany intsony. Tany Cologne, Alemaina, dia nanaovana bemidina ny toeram-panontany voalohany, ary zara raha afa-nandositra niaraka tamin’ny pejy sarobidy sasany mbola tsy voatambatra izy. Tany Worms, Alemaina, anefa, dia “Testamenta Vaovao” anglisy niisa 3 000, fara fahakeliny, no vita. Nalefa tany Angletera izy ireny ary natomboka nozaraina tany teo am-piandohan’ny taona 1526. Ny sasany tamin’izy ireny no ireo novidin’ny Eveka Tunstall sy nodorany, ka tsy fantany akory fa nanampy an’i Tyndale hanohy ny asany izy tamin’izany!
Nanatsara ny fahazoan-kevitra ny fikarohana
Niharihary fa tia ny asany i Tyndale. Toy izao no ilazan’ny The Cambridge History of the Bible izany: “Nahasambatra azy ny Soratra Masina, ary hita hoe mailamailaka sy falifaly ny ngadona nampiasainy, naneho ny hasambarany.” Ny tanjon’i Tyndale dia ny hamela ny Soratra Masina hiteny tamin’ny olon-tsotra tamin’ny teny marina sady tsotra araka izay azo natao. Nampiseho taminy ny hevitr’ireo teny ao amin’ny Baiboly, izay voasaron’ny foto-pinoan’ny eglizy nandritra ny taonjato maro, ny fianarana nataony. Tsy nampahatahotra an’i Tyndale na ny fandrahonana ho faty na ny teny feno haratsiam-panahy nosoratan’i Sir Thomas More, ilay fahavalony nahery, fa nampidiriny tao amin’ny fandikan-teniny kosa ireo zavatra hitany.
Avy tamin’ny soratra nataon’i Érasme tamin’ny fiteny grika tany am-boalohany no niasan’i Tyndale, fa tsy avy tamin’ny fiteny latina. Koa nifidy ny hoe “fitiavana” àry izy fa tsy ny hoe “fiantrana” mba hanehoana tamin’ny fomba feno kokoa ny hevitr’ilay teny grika hoe a·gaʹpe. Nampiasa koa ny hoe “kongregasiona” izy ho solon’ny hoe “fiangonana”, “mibebaka” ho solon’ny hoe “manao asa fivalozana”, sy hoe “loholona” fa tsy hoe “pretra”. (1 Korintiana 13:1-3; Kolosiana 4:15, 16, Tyndale; Lioka 13:3, 5; 1 Timoty 5:17). Nandrodana ny fahefan’ny eglizy sy ireo fanao ara-pivavahana araka ny lovantsofina, toy ny konfesy tamin’ny pretra, ireo fanitsiana ireo.
Toy izany koa fa nitana ilay teny hoe “fitsanganana amin’ny maty” i Tyndale, ka nitsipaka ny afo fandiovana sy ny fahatsiarovan-tena aorian’ny fahafatesana ho tsy araka ny Baiboly. Mikasika ny maty, dia izao no nosoratany tamin’i More: “Amin’ny filazanao fa any an-danitra sy any amin’ny afobe ary any amin’ny afo fandiovana izy ireny, dia mandrava ireo hevitra anaporofoan’i Kristy sy i Paoly ny fitsanganana amin’ny maty [ianao].” Amin’io lafiny io, dia nanisy firesahana ny amin’ny Matio 22:30-32 sy ny 1 Korintiana 15:12-19, i Tyndale. Nanjary nino araka ny marina izy fa tsy mahatsiaro tena ny maty, mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny hoavy. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11, 24, 25). Nidika izany fa tsy nisy heviny ny fandaharana rehetra ny amin’ny fivavahana tamin’i Maria sy ireo “olo-masina”, satria tsy nahatsiaro tena izy ireo ka sady tsy afaka nandre no tsy afaka nanelanelana.
Nandika ny Soratra Hebreo i Tyndale
Tamin’ny 1530, dia namoaka fanontana ny Pentateuque, ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Soratra Hebreo, i Tyndale. Koa izy àry no voalohany nandika ny Baiboly nivantana avy tamin’ny fiteny hebreo ho amin’ny fiteny anglisy. I Tyndale koa no mpandika teny anglisy voalohany nampiasa ilay anarana hoe Jehovah. Izao no nosoratan’i David Daniell, manam-pahaizana any Londres: “Azo antoka fa nanaitra mafy ny sain’ireo mpamaky ny asa soratr’i Tyndale ny hoe naharihary indray ny anaran’Andriamanitra.”
Tamin’ny fiezahany hamoaka hevitra mazava, dia nampiasa teny anglisy maro samihafa i Tyndale mba handikana teny hebreo iray ihany. Kanefa, nanaraka akaiky ny rafitry ny fiteny hebreo izy. Ho vokany dia voatsimbina ny herin’ny fiteny hebreo, izay mampiasa teny fohy nefa mafonja. Ny tenany mihitsy no nilaza hoe: “Mifanitsy avo arivo heny amin’ny fiteny anglisy noho ny amin’ny fiteny latina, ireo endriny mampiavaka ny fiteny hebreo. Iray ihany ny fomba fitenin’izy roa tonta; koa ao amin’ny toerana maro be, ny hany zavatra ilain’ny tena hatao dia ny mandika azy io ara-bakiteny ho amin’ny fiteny anglisy.”
Nandravaka ny fandikan-tenin’i Tyndale tamin’ny fitenenana hebreo maro io fomba fandikan-teny ara-bakiteny io. Tsy maintsy ho toa tena hafahafa ny sasany tamin’izy ireny tamin’ny namakiana azy voalohany. Kanefa, nanjary fantatra tsara aoka izany ilay Baiboly tatỳ aoriana, hany ka maro amin’ireny fitenenana ireny no anisan’ny fiteny anglisy ankehitriny. Ohatra amin’izany ny hoe “lehilahy araka ny fony” (toy ny ao amin’ny 1 Samoela 13:14), “paska”, sy ny hoe “izay ifatraran’ny rihitra”. Ankoatra izany, dia nanjary nahafantatra tsara ny fomba fisainan’ny Hebreo ny mpamaky ny Baiboly anglisy, ka nahatakatra tsara kokoa ny hevitry ny Soratra Masina ara-tsindrimandry.
Voarara ny Baiboly sy ny asan’i Tyndale
Nampientam-po ny hoe afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fitenin’ny tena. Nanjary nividy ny Baiboly rehetra azo nampidirina an-tsokosoko tany Angletera, mody natao hoe gonin-damba na entam-barotra hafa, ny sarambaben’olona anglisy. Tetsy an-danin’izany, ny klerjy dia nieritreritra fa ho azo antoka ny hamoizany ny heriny raha nanjary noheverina ho ny fahefana tampony ny Baiboly. Noho izany, dia vao mainka nanjary raharaha niankinan’ny aina ho an’ilay mpandika teny sy ireo nanohana azy ilay tarehin-javatra.
Noho i Tyndale nataon’ny Eglizy sy ny Fanjakana haza lambo, dia nanohy niasa tamim-piafenana tany Anvers, Belzika, izy. Na dia izany aza, dia nanokana roa andro isan-kerinandro izy mba hanaovana ilay nantsoiny hoe fandaniany andro — fanampiana ny mpialokaloka anglisy hafa, ny mahantra, sy ny marary. Nandany ny ankabetsahan’ny volany tamin’izany izy. Talohan’ny nahafahany nandika ny tapany farany tamin’ny Soratra Hebreo, dia nisy lehilahy anglisy iray nisandoka ho namany, ka namadika azy noho ny vola. Novonoina tany Vilvorde, Belzika, tamin’ny 1536, i Tyndale, ary izao no teny farany nataony tamin-kafanam-po: “Tompo ô, ampahirato ny mason’ny Mpanjakan’i Angletera!”
Tamin’ny 1538, noho ny antony manokana, ny Mpanjaka Henri VIII dia nandidy ny hametrahana Baiboly tao amin’ny fiangonana tsirairay tany Angletera. Na dia tsy nolazaina aza hoe asan’i Tyndale ilay fandikan-teny nofidina, dia ny azy ilay izy. Tamin’izany fomba izany no nahatongavan’ny asa soratr’i Tyndale ho fanta-daza sy be mpitia aoka izany, hany ka izy io “no namaritra ny ho endrika fototry ny ankamaroan’ny dikan-teny tatỳ aoriana”, tamin’ny fiteny anglisy. (The Cambridge History of the Bible). Hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fandikan-tenin’i Tyndale no nampidirina nivantana tao amin’ny King James Version, tamin’ny 1611.
Nidika ho fiovana lehibe ho an’i Angletera ny fahafahana namaky tamin-kalalahana ny Baiboly. Nanjary nafana aoka izany ireo ady hevitra nanodidina ny Baiboly napetraka tao amin’ireo fiangonana, hany ka nanelingelina ny fotoam-pivavahan’ny eglizy izy ireny indraindray! “Nianatra namaky teny ny be taona mba hahafahany hamaky nivantana ny Tenin’Andriamanitra, ary niaraka tamin’ny zokiolona ny ankizy mba hihaino.” (A Concise History of the English Bible). Nahitana fitomboana be koa teo amin’ny fizarana ny Baiboly tany amin’ny tany hafa sy tamin’ny fiteny hafa tany Eoropa, io fe-potoana io. Hampihatra fitaomana haneran-tany anefa ilay fihetsiketsehana momba ny Baiboly tany Angletera. Ahoana no nitrangan’izany? Ary inona no vokatry ny zavatra hita sy ny fikarohana fanampiny teo amin’ny Baiboly ampiasaintsika amin’izao andro izao? Hofarananay amin’ny lahatsoratra manaraka amin’itỳ fitohitohizan-dahatsoratra itỳ ny fitantaranay.
[Tabilao, pejy 26, 27]
DATY LEHIBE EO AMIN’NY FAMPITANA NY BAIBOLY
1400
Natomboka ny Baibolin’i Wycliffe (al. 1384)
Novonoina i Hus, 1415
Gutenberg — Baiboly natao pirinty voalohany, 1455 tany ho any
Baiboly Tamin’ny Fitenim-pirenena Natao Pirinty Voalohany
1500
AMIN’NY FANISAN-TAONA IRAISANA
Soratra grika nataon’i Érasme, 1516
“Testamenta Vaovao” nataon’i Tyndale, 1526
Novonoina i Tyndale, 1536
Nandidy ny hametrahana Baiboly tao am-piangonana i Henri VIII, 1538
1600
King James Version, 1611
[Sary, pejy 26]
“Testamenta Vaovao” nataon’i Tyndale tamin’ny 1526 — ilay hany kopia feno fantatra izay tsy voadoro
[Sary nahazoan-dalana]
© The British Library Board
[Sary, pejy 26]
WYCLIFFE
HUS
[Sary, pejy 27]
TYNDALE
HENRI VIII