FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/7 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifampiresahan’ny katolika sy ny marksista
  • Tena fanafahana ve?
  • Batisan’ankizy nolavina
  • “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento”: nahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny batisan-jaza: nahoana ny pretra sasany no manohitra izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny fahafahana irina aoka izany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Batisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/7 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fifampiresahan’ny katolika sy ny marksista

Tamin’ny oktobra 1986, tao Budapest, no nihaonan’ny teolojiana sy ny filozofa katolika dimy ambin’ny folo tamin’ny manam-pahaizana marksista dimy ambin’ny folo, noho ny fampisehoan-kevitra voalohan’ny “Secrétariat” romana momba ny tsy mpino sy ny Akademia hongroan’ny siansa, mba hiadiana hevitra ny amin’ny fiovan’ny fahatsaram-pitondrantena.

Anisan’ireo katolika nanatrika io fivoriana io, dia tao ny kardinaly Poupard, filohan’ny “Secrétariat” romana momba ny tsy mpino, ary ny kardinaly Koenig, manam-pahaizana manokana aotrisiana amin’ny fifandraisan’ny Eglizy katolika amin’ny firenena kaominista. Tao amin’ny laharan’ireo marksista dia nahitana ny talen’ny Fikambanana hongroan’ny filozofia sy ny talen’ny Fikambanana sovietikan’ny tsy finoana an’Andriamanitra ara-tsiansa.

Izao no azo novakina momba izany tao amin’ny Le Monde: “Misetra fahasahiranana momba ny ara-pitondrantena izay tsy laviny ny hamafiny ary tombanany amin’ny isan’ny famonoan-tena, ny fidorohana amin’ny zavatra mahadomelina sy ny alikaola, ny manam-pahaizana marksista ka mizaha ny fomba hivoahana amin’izany: noho izany, araka ny solontena katolika, dia antenain’izy ireo ny fiaraha-miasan’ireo Fiangonana kristiana. Tamin’ny lafiny romana, dia roa sosona ny zava-kendrena: manombana tsara kokoa ny toeran’ny olona sy ny fitondrantena ao amin’ny fitambaran’olona marksista; avy eo dia mandinika ny fototra ara-pitondrantenan’ny fiaraha-monina azo tsapain-tanan’ny kristiana any amin’ny firenena any Atsinanana amin’ny marksista’.”

Ny tena fanafodin’ny zava-manahirana ara-pitondrantena amin’izao androntsika izao dia tsy eo amin’ny ady hevitra ara-poto-kevitra. Ho hita izany rehefa handrava tanteraka ny fandehan-javatra ankehitriny ny Fanjakan’i Jehovah nankininy tamin’ny Zanany, Jesosy, ka hanorina ho solony, izao tontolo izao vaovao iray manaiky ny fahefan’io Fanjakana any an-danitra io. — Daniela 2:44; Apokalypsy 21:4, 5.

Tena fanafahana ve?

Ny teolojian’ny fanafahana, izay — indrindra any amin’ny tany mahantra — manala tsiny ny herisetra ho fomba “hanafahana ny mahantra sy ny ampahorina, dia tonga fihetsiketsehana tiam-bahoaka kokoa ihany. Izany no foto-kevitry ny Fivoriambe iraisam-pirenena Faharoan’ny Fikambanana eokomenikan’ny teolojiana ao amin’ny tany mahantra, izay natao ny 8 ka hatramin’ny 13 desambra 1986 tao Oaxtepec, any Mexique. Nahoana moa ireo teolojiana ireo no vao mainka tapa-kevitra tsy misy toy izany mba hanohy ny asan’izy ireo ho fikendrena fiovana ara-tsosialy?

Na dia navoakan’ny Vatican tamin’ny 1985 aza ny fampianarana iray manameloka ny teolojian’ny fanafahana, ny Fampianarana momba ny fahafahana kristiana sy ny fanafahana tamin’ny 1986 dia manaiky fa “tena ara-dalàna tokoa ny hihetsehan’ireo olona ampahorin’ireo mpitana ny fahefana ara-politika na ara-bola.” Ny “tolona ara-tafika” dia ekena ankehitriny ho ny “fialana nenina”.

Nefa, nandray anjara tamin’ireo fihetsiketsehana ara-tsosialin’izao tontolo izao ve Jesosy Kristy fony izy tetỳ an-tany? Tsia, mifanohitra amin’izany, rehefa nampiasa “ny sabatra” ny apostoly Petera mba hiarovana ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy dia niteny mafy azy hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no ho vonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52) Mampanantena ny Baiboly fa ny tena fanafahana dia ho azo amin’ny fanelanelanan’Andriamanitra, izay hampanjavona amin’izao tontolo izao, tsy ny fahantrana, ny fifanolanana iraisam-pirenena, ny fanavakavahana ara-pirazanana sy ny fampahoriana ihany, fa ny ranomaso, ny fanaintainana ary ny fahafatesana koa (Apokalypsy 21:4). Izany ka tena ho fanafahana!

Batisan’ankizy nolavina

Ny pastora iray ao Francfort dia nampandre vao haingana ireo fahefana ara-pivavahana ny tsy fanekeny intsony “ny hanao batisa ankizy tsy manan-tsiny ao amin’ny fiangonany”. Nanazava hoe nahoana no tsy noheveriny ho mendrika izany anarana izany ny batisa azony tamin’ny fahazazany, i Klaus Hoffmann, 58 taona, ka nanambara hoe: “Tsy nahafeno ny fepetra takina mialoha ny batisa, izany hoe ny finoana, izany, ary tsy mitafy intsony ny endriny marina, dia ny fandrobohana.” Mba hanohanana ny tsangan-keviny, dia nanapa-kevitra ny hatao batisa indray izy ary, araka ny Frankfurter Allgemeine Zeitung, dia tamin’izany izy no “nandray ny batisa ara-baiboly tamin’ny fandrobohana”.

Tamin’ny voalohany, dia nesorina tamin’i Hoffmann ny andraikiny rehetra; nefa nohalefahina ho “fialana mandritra ny telo volana mba hanaovana fikarohana misimisy kokoa” ny fitsarana azy. Inona no vokatr’izany? Araka ilay gazety mpiseho isan’andro voalaza etsy ambony, ny fikarohana lalina kokoa hatrany nataon’i Hoffmann momba ilay raharaha dia nanamafy fotsiny “ny zava-misy hoe tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly manohana ny batisan’ankizy. Ambonin’izany, ny soratr’ireo kristiana voalohany dia tsy miresaka ny fampidirana io fanao io raha tsy nanomboka tamin’ny taonjato faha-III”.

Tsy mahagaga àry raha ny lovantsofina no anorenan’ireo fahefana ara-pivavahana ny maha-ara-dalàna ny batisan’ny zaza vao teraka. Na dia ao aza anefa ny tsy fahampian’ny fanorenany, dia mbola tena miroborobo hatrany io fanao io ao amin’ny tapany lehibe indrindra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Maha-marina azy ve ny fanohanan’ireo Fiangonana? Raha ny marina, Jesosy dia nandidy ny mpianany mba hanao batisa, tsy zazakely, fa olona izay manana finoana sy efa nampianarina mba hitandrina ny didiny rehetra. Ny tenany mihitsy dia tsy zazakely, fa “tokony ho efa telo-polo taona”, rehefa natao batisa tao amin’ny ranon’i Jordana izy. — Lioka 3:21-23; Matio 28:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara