Ny fitsaboana afrikana nentin-drazana: mifanaraka amin’ireo fitsipika kristiana ve izy io?
Ho an’ny Afrikana an-tapitrisany maro, dia ireo mpanasitrana no hany fifandraisana amin’ny karazam-pitsaboana iray na inona izany na inona. Marina indrindra izany any amin’ireo faritany ambanivohitra izay mahalana no ahitana toeram-pitsaboana sy mpitsabo. Amin’ny ankapobeny anefa, ny fitsaboana nentin-drazana dia miorim-paka lalina amin’ny finoanoam-poana sy ny spiritisma. Fihetsika inona no tokony harahin’ny kristiana raha ny amin’io tarehin-javatra io?
“ ‘AZO inoana mihitsy fa hahafaty azy ity “agbo” ity, ary hifarana amin’izany ny fahoriany rehetra sy ny antsika.’ Tamin’ireo teny ireo, noho ny fiaikeny fa hanafaka azy ireo amiko ilay fanafody vaovao, no nanatsofohany tao an-tendako io fanafody mifangaro io.”
Nosoratan’ny mpitsabo iray avy any Lagos, any Nigéria, ireo andalan-tsoratra ireo, tao amin’ny lahatsoratra iray amin’ny gazety nizeriana Sunday Times, mitondra ny lohateny hoe “Aza manamavo ny mpanasitrana araka ny nentin-drazana”. Nolazalazainy tao ny fomba namoizan’ireo ray aman-dreniny izay rehetra nety ho fanantenana azy ho sitrana tamin’ny aretina mafy, fony izy herintaona. Nihevitra ilay fanafody resahina, izay nalefan’ny mpanasitrana iray ho azy ho nanan-kery hanavotra ny ainy izy ireo.
Afrikana maro be izay mifidy ny fitsaboana nentin-drazana no mitantara ny fisehoan’ny fanasitranana mahagaga maro nitranga tamin’olona tsy sitran’ny fitsaboana iray tany amin’ny hôpitaly. Ny hafa indray manameloka azy amin’ny filazana fa tsy inona izy io fa fitsaboana hosokosoka mifanohitra amin’ny fitsipi-pahasalamana sy voaloton’ny finoanoam-poana. Eo anelanelan’izy roa ireo no misy ireo izay mitaky ny handinihan’ny siansa tsara ny momba ireo fanafody nalaina avy tamin’ny zavamaniry ao amin’ny faritany anankiray sy ny hahafantarana kokoa sy hanekena tsara kokoa ireo mpanasitrana. Maro be ireo ho tia ny hahita ny fikambanan’ny fitsaboana nentin-drazana sy ny fitsaboana araka ny toetr’andro ankehitriny, amin’ny fampahatsiahivana ny fiaraha-miasan’ireo mpitsabo ao amin’ireo fianarana roa ireo any Shina sy India.
Na dia tsy monina any Afrika aza ianao, dia miahy angamba na dia izany aza, ny hahafantatra raha toa ny fitsaboana fanta-bahoaka afrikana ka tena mandaitra sy mahasoa tokoa. Inona no holazaina ny amin’ny fombafomba, mahazatra aoka izany eo amin’ireo Afrikana? Moa ve ny mihoatra noho ny herin’olombelona anisan’ny zavatra iray mahaforona fifangaroan-javatra tena ilaina, sa kosa zavatra mampiavaka iray mampidi-doza izay tokony hailika? Fihetsika inona no tokony harahin’ny kristiana manoloana ny fitsaboana araka ny nentin-drazana afrikana?
Ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry
Mazava ho azy fa ny zavamaniry dia mahaforona ny fototry ny sakafontsika ary tena ilaina amin’ny fisiantsika. Misy zavamaniry hafa ahitana zavatra mahadomelina (na poizina) izay, rehefa nampiasaina tsy tamim-pahalalana tsara, dia nahafaty ho an’ny olona maro. Nefa fantatrao ve fa ny sasantsasany amin’ireny zavatra mahadomelina ireny dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fangaron’ireo fanafody amin’ny andro ankehitriny? Nahita maro be tamin’izy ireny ireo manam-pahaizana tamin’ny fandinihana zavamaniry maro noraisin’ny fitsaboana fanta-bahoaka na tafiditra ao amin’ireo zavatra amboarin’ny mpanao ody ratsy. Namory santionany maro tamin’ireny zavamaniry ireny izy ireo, nanao fandinihana ara-tsimika taminy ary nanandrana ny heriny tamin’ny olombelona sy tamin’ireo zavamananaina bitika mpitondra aretina. Hatreo no teraka ny fanamboarana fanafody tena lehibe toy ny “quinine”, ny “réserpine”, ny “digitaline” ary ny “codéine”.
Nahita tamin’ny kisendrasendra fanafody maro be avy tamin’ny zavamaniry ny ntaolo, araka ny kitoatoa na tamin’ny fandinihana izay nitranga tamin’ny biby maro rehefa nihinana zavamaniry sasantsasany izy ireny. Matetika ireo niandohan’ireny fikarohana ireny, izay tonga mpanasitrana, no nitahiry ny fahaizany tao amin’ny faritra voafefin’ny fianakaviany. Nanjary nampita tamin’izany ny fahalalany ny zavamaniry avy amin’ny ray mankamin’ny zanaka ireny olona ireny, na koa avy amin’ny mpampianatra mankamin’ny mpianatra. Mbola manana fironana foana hihazona amim-pahasarotam-piaro ny tsiambaratelony ny ankamaroan’ny mpanasitrana, amin’ny tsy fitiavana matetika hanambara hoe avy amin’ny zavamaniry inona avy no anamboarany ny ranom-panafodiny. Ao anatin’ireo fitsaboana araka ny fanaon-drazana afrikana anefa dia misy mihoatra noho ny fanafody mifototra amin’ny zavamaniry fotsiny.
Ny fitaomana maherin’ny spiritisma
Any Afrika, ny ankamaroan’ny fahalalana ny asan’ny fanafody eo amin’ny aretina, araka ny nentin-drazana, dia tafakambana akaiky amin’ny hery mihoatra noho ny herin’olombelona. Maro be no mino fa manana fihetseham-po ny zavamaniry, fahefana hampita hafatra ary fitsapana zavatra amin’ny fomba ivelan’ny fomba voajanahary (perception extra-sensorielle). Ny mpanasitrana sasany mihambo ho mahafantatra ny fitenin’ny zavamaniry ary afaka miresaka amin’izy ireny. Ny hafa indray tsy mihevitra ny hiresaka amin’ny zavamaniry fa milaza marina kosa fa misy fanahy tsy hita maso mitari-dalana azy ho amin’ny zavamaniry mahasitrana.
Mitana toerana lehibe indrindra àry ny spiritisma eo amin’ny fitsaboana afrikana nentin-drazana. Ohatra, Nizeriana maro be no mihevitra fa ny aretina sy ny fahafatesana dia azo heverina na ho avy amin’ireo andriamanitra (na fanahin-drazana) tafintohina, na ho avy amin’ireo fahavalo manao ody ratsy. Manao sorona àry izy ireny mba hampitonena azy ireo, sady mampiasa fombafomba sy fanao maro mifamatotra amin’ny spiritisma.
Asuquo, mpitsabo nizeriana iray araka ny nentin-drazana dia anisan’ireo izay nino mafy an’izany rehetra izany. Hoy izy: “Ny raiko no nampita tamiko ny fahalalana ireo zavamaniry fanao fanafody, ary nanana fahazarana aho nanao sorona ho an’ireo andriamanitra sy ho an’ny fanahin’ny razanay, rehefa nanamboatra ireo ranom-panafodiko. Nihevitra aho fa izy ireo no nitondra ny fanasitranana ary, raha tsy anolorana fanatitra izy ireo, dia miantso aretina sy fahafatesana ny tena.”
Raha ny marina, dia matetika ny tena mifanohitra amin’izany no hita. Namatotra olona an-tapitrisany maro tao anatin’ny tahotra noho ny finoanoam-poana sy tamin’ireo hery ara-panahy tsy hita maso ny finoana toy izany. Betsaka no mijaly sy asian’ny fisehoan-javatra hafa dia hafa matetika. Izany ihany dia efa antony mafy orina tokony handavana izay rehetra mety ho fitsaboana mahafaoka sorona na fombafomba hafa misy spiritisma. Etsy an-daniny koa, ireo fanahy mamely matetika ny olona na mamitaka azy ireny amin’ny fanaovana izay hinoany fa mbola velona foana ireo razambeny na hoe afaka mifandray amin’izy ireny ny zavamaniry, ireny fanahy ireny dia miharihary fa mamitaka sy ratsy fanahy. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo.” — I Korintiana 10:20.
Ireo demonia, anjely tsy nankatò nomelohin’Andriamanitra ho amin’ny fandringanana, dia milofo misakana izao tontolo izao tsy hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay Andriamanitra marina, Jehovah (II Petera 2:4; Joda 6). Ao anatin’ny toe-javatra sasany, izy ireny dia miseho ho andriamanitra be fahamoram-panahy (II Korintiana 11:14). Lasa lavitra kokoa amin’ny famitahany izy ireny ka maka ny endriky ny maty ary mitarika ny olona hieritreritra fa mbola velona ihany any amin’ny faritra ara-panahy ireo razany. Milaza mazava toy izao anefa ny Baiboly: “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 10.
Noho izany, dia tsy hety ny haneken’ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina fitsaboana iray ataon’ny mpivarotra zavamaniry raha ampifangaroina fanao misy spiritisma izany. Toy izany koa, ireo mpivarotra zavamaniry atao fanafody izay maniry hanolotra ho an’Andriamanitra fanompoam-pivavahana azo ekena dia tokony hiala amin’izay rehetra mety ho karazam-panao misy spiritisma. Raha ny marina, ireo izay mampiasa spiritisma dia mamoy ny fankasitrahana sy ny fiarovan’i Jehovah ary tsy manana toerana mihitsy ao anatin’ny kongregasiona kristiana (Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8). Maro ireo niala tamin’ny spiritisma ka nahatsapa fa ny fitsaboana sasany amin’ny alalan’ny zavamaniry dia mety handaitra tanteraka tsy mila ampiarahina amin’ny fombafomban’ny spiritisma.
Fiovana mba hahatongavana ho kristiana
Raha nitantara ny amin’ny tenany i Erhabor, mpitsabo fanta-daza izay nitondra hôpitaly voatokana ho amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry, dia manazava toy izao: “Teo aloha, dia nino aho fa tokony hampiana sorona ny fanafody mba hiadiana amin’ny fanahy miafina ao ambadiky ny aretina. Hatramin’ny nianarako Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ka nahatongavako ho kristiana, dia navelako ireny fanao ireny ary ankehitriny aho dia manaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Tsapako fa efa tsy misaraka aminy ny fahafahan’ny zavamaniry hahasitrana.”
Toy izany koa, dia nilaza toy izao i Asuquo: “Izay hitako ny amin’i Jehovah dia nanome heviny vaovao ho an’ny fiainako. Nanjavona ny tahotro ny razana, ary nianatra ny hahalala ilay Andriamanitra marina aho. Afaka nahatsapa koa aho fa tsy nilaina ny sorona ary ny ranon-javatra avy amin’ny hodi-kazo sy ny ravin-kazo no manasitrana ny marary. Be dia be izao ny olona manatona ahy mba homeko fitsaboana satria tsy manararaotra ny finoanoam-poanany aho amin’ny fitakiana sorona. Kely kokoa ny laniny amin’ny fanafody atoroko noho ny fanatonana mpanasitrana ‘juju’.”
Koa satria Okon, izay manao fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry koa, tsy mampiasa famohazana angatra na sorona, ireo mpivarotra zavamaniry atao fanafody hafa dia miampanga azy ho “manimba ny raharahan’izy ireo”. “Ny sasany amin’ireo marariko, hoy izy, dia tonga mba hitsikilo hanaporofoana fa mampiasa sorona amim-piafenana foana aho. Rehefa nahazo fitsaboana nandaitra nandritra ny tapa-bolana izy ireo, dia nanaiky fa tsy nampiasa karazana “juju” mihitsy aho. Nandray soa koa tamin’ireo fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly niarahanay nanao izy ireny. Gaga aho nahita efatra tamin’ireo marariko taloha tao amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ‘Ny fitiavan’Andriamanitra’ tamin’ny desambra 1980. Niarahaba ahy izy ireo ka nilaza hoe: ‘Tonga nanatona anao izahay ho amin’ny fanasitranana ara-batana. Nitondra fanasitranana ara-panahy ho anay koa ianao.’ ”
Nisy kristiana toa an’i Erhabor, Asuquo sy Okon, tsy maintsy nanohitra ireo izay nanery azy mba hiverina amin’ny fanaony misy spiritisma. Fantatr’izy ireny fa raha ampiany karazana spiritisma iray ny fomba fitsaboan’izy ireo, dia tsy hahafeno intsony ireo fepetra mba hijanonana eo anivon’ny kongregasiona kristiana izy ireny. Noho izany antony izany no tsy anolorany sorona ary tsy ampiasany famohazana angatra. Tsy mihambo amin-dainga ho mahay manasitrana ny aretina rehetra izy, ary tsy mitady ny hiheverana azy ho manana hery manokana. Halaviriny aza izay rehetra mety hitovy amin’ny spiritisma.
Ny tena fanasitranana avy amin’Andriamanitra
Any amin’ny tany maro eo an-dalam-pandrosoana, ny ankamaroan’ny mponina dia miankina amin’ny fitsaboana omen’ny mpanasitrana azy ireo, ka matoky tokoa izany ny ankamaroany. Eo anilan’izany, ireo hôpitaly sy mpitsabo dia vitsy loatra ka tsy afaka manome fahafahampo ireo izay mitady ny hositranina. Noho izany, ny ankamaroan’olona dia hanohy hanatona mpitsabo araka ny nentin-drazana izay ny ankabetsahany dia mampiasa fomba misy spiritisma. Fa ianao, inona no hataonao?
“Ny marina hahafaka anareo”, hoy Jesosy (Jaona 8:32). Noho ny fahafantarana fa manameloka ireny fanao ireny ny Baiboly, ny kristiana dia handa ny fivadihana amin’Andriamanitra amin’ny fanatonana sampy anontaniana na amin’ny fitadiavana any amin’ny mpivarotra zavamaniry, fitsaboana misy fampiasana fankatovana (Deoteronomia 18:10-13; jereo Nomery 23:21, 23). Ary rehefa misy aretina, dia tsy ho fahendrena ho an’ny kristiana iray ny hanatsoahana hevitra fa namosavy azy ny mpanao ody ratsy iray. Tsy mila ny hatahotra ny harary noho ny fanaovan’olona ody ratsy isika rehefa mifikitra mafy hatrany eo anilan’Andriamanitra amin’ny fanariana izay rehetra misy fifandraisana amin’ny spiritisma. Raha toa, noho ny tsy fahatanterahana, mahazo antsika rehetra, ka marary isika, dia anjarantsika manokana ny manapa-kevitra ny amin’ny karazam-pitsaboana hofidintsikaa.
Ny sorom-panavotana natolotr’i Jesosy no hany fomba hahafaka amin’ny fahotana sy ireo vokany, dia ny aretina sy ny fahafatesana (Jaona 3:16; Asan’ny apostoly 4:12). Izany ihany no manome ho an’ny olona mahatoky, fahatsinjovana ny hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa ka “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” — Isaia 33:24.
Eo am-piandrasana izany andro hahasambatra izany, dia manome toky antsika ilay Andriamanitra Tsitoha fa hiaro ireo izay matoky azy izy. Noho izany, isika rehetra, kristiana, dia tokony hiantehitra amin’i Jehovah, amin’ny fijanonana ho akaiky dia akaiky azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana. Hahazo fiainana salama kokoa isika amin’izao andro izao, ary izany dia hiantoka ho antsika ny fandraisana ny fiainana tonga lafatra ao amin’ny Paradisa an-tany nampanantenaina. — II Petera 3:10-14; I Jaona 2:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 desambra 1982, pejy faha-20-24.