Ny Baibolin’i William Tyndale ho an’ny vahoaka
INDRAY andron’ny volana may 1530 tamin’izaya. Nihahohaho ny vahoaka tao amin’ny kianja Saint-Paul, any Londres. Tsy nifanositosika nanodidina ireo trano kelin’ny mpivaro-boky na nifampitantara vaovao sy nitabataba toy ny fanao ny vahoaka fa hita ho nisamboaravoara. Nirefodrefotra teo afovoan’ilay kianja ny afo. Tsy afo toy ny fahita anefa izany. Nisy lehilahy vitsivitsy namelona izany tamin’ny boky nameno harona maro. Fandevonan-javatra tamin’ny afo no natao!
Tsy nahazatra koa anefa ireo boky nodorana. Izany dia Baiboly, ny “Testamenta Vaovao” sy ny Pentateuque nataon’i William Tyndale, ireo voalohany natonta pirinty tamin’ny teny anglisy. Hafahafa fa ireo Baiboly ireo dia nodorana araka ny baikon’ny eveka katolika tany Londres, Cuthbert Tunstall. Raha ny marina, dia nandany vola tsy toko tsy forohana izy mba hividianana ny boky rehetra nety ho hitany. Inona no nolazainy fa tsinin’ireny Baiboly ireny? Nahoana i Tyndale no nanonta pirinty izany? Ary nahoana ireo manam-pahefana no nanao fandaharana toy izany mba hanesorana azy ireny?
Ny Baiboly: boky iray saro-pantarina
Ao amin’ny ankamaroan’ireo faritra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia azo lazaina hoe mora ny mividy Baiboly. Tsy toy izany foana anefa no izy. Tamin’ny taonjato faha-15 sy tamin’ny fiandohan’ny faha-16, tany Angletera, dia mbola noheverina ho fananan’ny Eglizy ihany ny Baiboly, ho toy ny boky tsy hovakina afa-tsy amin’ny fotoam-pivavahana ka ny pretra ihany no tokony hanazava azy. Ireo tapany novakina anefa dia mandrakariva nalaina avy ao amin’ny Baiboly amin’ny teny latina izay tsy nety ho azon’ny sarambabem-bahoaka ny heviny na ho azony vidina. Noho izany antony izany, ny fahalalan’izy ireny ny Baiboly dia voafetra ho amin’ireo tantara sy anatra ara-pitondrantena nalain’ny klerjy avy ao.
Tsy ny sarambabem-bahoaka ihany anefa no tsy nahalala ny Baiboly. Tantaraina fa tamin’ny andro nanjakan’i Edouard faha-6 (1547-1553), dia nahatsikaritra ny eveka iray tany Gloucester fa tamin’ny mpitondra fivavahana 311, dia 168 no tsy nahay nanonona ny Didy Folo ary 31 no tsy nahita izany tao amin’ny Baiboly. Efapolo no tsy nahay nanao tsianjery ny Rainay Izay any an-danitra ary eo amin’ny efapolo no tsy nahafantatra hoe iza no nanonona an’io vavaka io. Marina fa namoaka Baiboly tamin’ny teny anglisy i John Wyclif tamin’ny 1384 ary tapany maro amin’ny Soratra Masina misy fanazavan-teny no vita tamin’io fiteny io, toy ny Filazantsara sy ny Salamo. Na dia izany aza, raha ny marina dia nijanona ho boky saro-pantarina ny Baiboly.
Izany toe-javatra izany dia nitarika an’i Tyndale hanao izay hahatonga ny Baiboly ho azon’ireo niteny anglisy. Hoy ny nosoratany: “Tsapako fa tsy azo atao ny hametraka ireo lahika ao amin’ny fahamarinana iray na inona izany na inona raha tsy sokafana tanteraka aminy amin’ny fitenin-drazany ny Soratra Masina.”
Rehefa nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy anefa i Tyndale dia niharan’ny fahatezeran’ireo manam-pahefana. Inona no antony? Satria tamin’ny 1408 dia tafavory tany Oxford, any Angletera, ny konsily iray mba hanapa-kevitra raha ho azon’ny sarambabem-bahoaka atao ny hanana ny Baiboly amin’ny fitenin’izy ireo mba hampiasainy manokana. Nilaza mazava toy izao ny fanapahan-kevitr’io konsily io ankoatra ny zavatra hafa: “Noho izany, dia mamoaka didy izahay ary mibaiko fa hatramin’izao dia tsy misy mihitsy olona tsy nomen-dalana tokony handika na tapany inona na tapany inona amin’ny Soratra Masina amin’ny teny anglisy na fiteny hafa rehetra (...) raha tsy izany dia haongana, mandra-panaikin’ny evekan’ny diosezy na ny konsily provansialy iray izany fandikan-teny izany, arakaraka ny toe-javatra.”
Taonjato iray mahery tatỳ aoriana, dia nampihatra an’io didy io ny eveka Tunstall tamin’ny fandoroana ny Baibolin’i Tyndale, na dia nangataka ny fanekeny aza aloha iob. Araka ny hevitr’i Tunstall, dia nirakitra fahadisoana teo amin’ny 2 000 ny fandikan-tenin’i Tyndale ka noho izany dia “nanimba, nahatafintohina sy namitaka ireo saina tsotra”. Kanefa moa ve izany tsy fialan-tsiny nomen’ilay eveka noho ny fikendrena ny hanamarina ny fandevonany boky tamin’ny afo? Moa ve i Tyndale tena mpandika teny tsy nahay tokoa ka nisy banga tamin’ny fahaizany ny teny hebreo sy grika ary anglisy? Sa kosa mpandika teny tsara izy?
Tyndale: mpandika teny tsy nahay ve?
Na dia tsy mbola tonga tamin’ny ambaratonga toy ny ankehitriny aza tamin’izany fotoana izany ny fahaizana ny teny hebreo sy grika, dia tsy latsaka velively noho ny an’ny ankamaroan’ireo mpandinika Baiboly tamin’ny androny ny fahaizan’i Tyndale ireo fiteny ireo. Ny asan’i Tyndale dia niavaka tamin’ny tsy nianinany tamin’ny fijerena ny Vulgate latina sy ny fandikan-tenin’i Luther tamin’ny teny alemana. Niverina tany amin’ny soratra grika tany am-piandohana izay navoakan’i Erasme voalohany tamin’ny 1516 izy. Tsy nohadinoin’i Tyndale koa ny zava-nokendreny, dia ny handika ny Soratra Masina amin’ny fiteny ampy fahatsorana mba hovakin’izay rehetra mety ho lahika, hatramin’ny “zazalahy manosika angadin’omby”. Noho izany antony izany, dia tsotra sy mazava ny fomba fanorany sy ny fitenenany, sady mahery. Ary ny fipaika velombelon’ny soratr’i Tyndale dia tsy isalasalana fa manome taratry ny fifaliana tsapany tamin’ny fanaovana an’io asa io.
Ara-drariny àry ny ilazana fa i “Tyndale dia mpandika teny nahay nitsara tamin’ny fomba niavaka. Raha niasa tao anatin’ny toe-javatra nahagaga fa ratsy izy, teo an-tsisin’ny fahalalana ny fiteny araka ny Baiboly nananana tamin’ny androny, dia vitany ny fandikan-teny nampiasaina ho ohatra halain’ny mpandika teny anglisy nandimby azy rehetra tahaka”. — The Making of the English Bible, nataon’i Gerald Hammond, pejy faha-42, 43.
Fandikan-teny marina
Nanome ohatra tsara koa i Tyndale tamin’ny lafin’ny fahamarinana. Ohatra, rehefa nandika avy amin’ny teny hebreo izy, dia niezaka mba handika ara-bakiteny araka izay azo atao sady mitana ny teny anglisy ho amin’ny fomba firesaka mora azo sy mazava. Nitandrina aza izy mba hamerina indray ny fahabetsahan-kevitra ao amin’ireo filazalazana amin’ny teny hebreo tamin’ny famerimberenana matetika ny teny hoe “ary”, mba hampitohizana ireo antokon-teny samy hafa ho tonga fehezanteny iray (Jereo Genesisy toko faha-33 ao amin’ny King James Version, izay nitahiry saika isaky ny teny ny fomba fanoratr’i Tyndale.) Noheveriny aoka izany ny teny manodidina ary nohalaviriny ny fanampiana na ny fanesorana tamin’ny teny tany am-boalohany, na dia mora tamin’ireo mpandika teny tamin’izany fotoana izany aza ny nampiasa fanazavan-teny.
Nifidy ny teny tamim-pitandremana sy araka ny marina koa i Tyndale. Ohatra, tao amin’izay naha-tsara izany, dia nampiasainy ny teny hoe “fitiavana” fa tsy “fiantrana”, “kongregasiona” fa tsy “eglizy” ary “loholona” fa tsy “pretra”. Izany fifidianan-teny izany dia nampisafoaka mpanao fanakianana tahaka an’i Sir Thomas More, satria nanova teny voatokan’ny lovantsofina. Teo amin’ny toerana nitakian’ny soratra tany am-boalohany famerimberenana teny iray, dia nitandrina i Tyndale mba hanao toy izany. Araka izany, ao amin’ny Genesisy 3:15, ny fandikan-teniny dia milaza indroa hoe ‘manorotoro’, ny anankiray amin’ny firesahana ny amin’ny taranaky ny vehivavy, ary ny faharoa, ny an’ny menaranac.
Noho Tyndale koa no nahafahana nampiditra ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jéhovah, tao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy. Araka ny nasain’ilay mpanoratra atao hoe J. Mozley nomarihina, dia nanonona izany i Tyndale “indroapolo mahery ao amin’ny [fandikany ny] Testamenta Taloha”.
Raha heverina ireo vokatry ny asan’i Tyndale sy ireo toetrany maharitra, dia milaza amin’ny ambangovangony tsara ny asany izao famoaboasan-kevitra amin’ny andro ankehitriny izao: “Ny fanaovan’i Tyndale ny marina, ny fahatsorany sy ny tsy fivadihany mampiseho fitandremana fatratra, ny herim-pony, ny fahatsorana mahagagan’ny fehezanteniny sy ny firindrany tsy misy fihamboana dia nampahavesa-danja ny fahaizany nahery noho ny fandikan-teny rehetra tatỳ aoriana. (...) Mbola avy amin’i Tyndale koa ny sivy ampahafolon’ny Testamenta Vaovao nanomezan-dalana [King James Version], ary mbola ny azy ihany no fandikan-teny tsara indrindra.” — The Bible in Its Ancient and English Versions, pejy faha-160.
Tsy very maina foana akory ny asan’i Tyndale
Mba handosirana ny fanenjehan’ireo manam-pahefana sy hanohizana ny asany, dia nandositra nankany Eoropa afovoany i Tyndale. Tamin’ny farany anefa dia azo izy. Naseho fa meloka ho nanohitra ny finoana izy ka nokendaina sy nodorana teo amin’ny antontan-kitay tamin’ny oktobra 1536. Ny vavaka farany nataony dia hoe: “Tompo ô, ampahirato ny mason’ny mpanjakan’i Angletera!” Tsy nampoiziny ho haingana toy izany ny fiovan’ny tarehin-javatra. Tamin’ny aogositra 1537, herintaona latsaka taorian’ny nahafatesan’i Tyndale, dia nanomezan’ny mpanjaka Henry VIII lalana ny famoahana ny Baiboly fantatra amin’ny anarana hoe Matthew’s Bible. Namoaka didy izy fa ho azo atao ny hivarotra sy hamaky malalaka izany tao amin’ny fanjakany.
Karazam-boky nanao ahoana moa ny Matthew’s Bible? Manazava toy izao ny profesora F. Bruce: “Miharihary amin’ny fandinihana azy fa raisiny indray amin’ny fotopotony ny Pentateuque nataon’i Tyndale, ny fandikany ireo boky ara-tantara ao amin’ny Testamenta Taloha hatreo amin’ny II Tantara (...), ny fandikan’i Coverdale ireo boky hafa ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo boky tsy ara-tsindrimandry, ary ny Testamenta Vaovao navoakan’i Tyndale tamin’ny 1535.” Koa nanohy ny teniny toy izao io mpanoratra io: “Fanaovan-javatra ara-drariny miavaka raha ny an’i Tyndale no Baiboly amin’ny teny anglisy voalohany nanomezan’ny mpanjaka lalana (rehefa heverina amin’ny elanelan’ny nandikany azy), na dia tsy mbola fahendrena aza ny hampiarahana ampahibemaso ny anaran’i Tyndale amin’izany.”
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia ho tonga eo amin’ny zavatra faran’izay tsy nampoizina ny raharaha. Tamin’ny 1541, rehefa natonta ny fanontana ny Baiboly fantatra amin’ny anarana hoe Great Bible (fanitsiana ny Matthew’s Bible), fanontana nandidiana mba hapetraka tao amin’ny eglizy rehetra tany Angletera, dia hita teo amin’ny pejy misy ny lohateny izao fanambarana izao: “Araka ny baikon’ny Mpanjaka andriana, voadinika sy voavakin’ny “très Révérends Pères en Dieu” Cuthbert, evekan’i Durham, sy Nicholas, evekan’i Rochester.” Eny, io “evekan’i Durham” io dia tsy iza fa i Cuthbert Tunstall, evekan’i Londres taloha. Izy izay nanohitra mafy aoka izany ny asan’i Tyndale, dia nankasitrahany izao ny fivoahan’ny Great Bible, izay nandray ny tapany lehibe tamin’ny fandikan-tenin’i Tyndale.
Ny fanekena tamin’ny farany
Mahagaga angamba amin’izao andro izao ny mandre fa natao ny fiadian-kevitra toy izany ny amin’ny Baiboly ka be dia be ny fankahalana naseho tamin’ireo mpandika azy. Mbola mahagaga kokoa ihany anefa ny mahafantatra fa na dia tao aza ny fiezahan’ireo fahavalon’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy azon’izy ireny natao ny nisakana izany tsy hahatratra ny sarambabem-bahoaka. “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay” hoy ny nosoratan’Isaia mpaminany. — Isaia 40:8.
Niasa teo ambanin’ny aloky ny fahafatesana i Tyndale sy ny hafa koa. Kanefa tamin’ny fanaovana izay hahatonga ny Baiboly ho azon’ny olona maro ao amin’ny fitenin-drazany, dia nomeny azy ireny ny fahatsinjovana, tsy ny ho faty, fa ny ho velona mandrakizay. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Enga anie àry isika ho tia ny Tenin’Andriamanitra sy hianatra izany amim-paharisihana!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nisy fisehoan-javatra sahala amin’ny voalazalaza eto nitranga tamin’ny 1526 sy tamin’ny fotoana hafa.
b Mba hahitana andinindininy kokoa momba ny fiainana sy ny asan’i Tyndale, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jolay 1982, pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-14.
c Mpandika teny maro be amin’ny andro ankehitriny no tsy mamerina ny matoanteny hebreo ao amin’io andininy io, amin’ny heviny milaza zavatra mifamaly. Ho solon’ny hoe ‘mandratra (...) mandratra’ (Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao; Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly), dia ampiasainy ny hoe ‘manorotoro (...) mandratra’ (Ostervald; Segond), ‘manorotoro (...) manaikitra’ (La Bible en français courant), ‘manapatapaka (...) manaikitra’ (Le Maistre de Saci) na ‘manorotoro (...) mahatratra’ (Jérusalem).
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Sary tranainy, Fitehirizam-bokim-pirenena