William Tyndale — Lehilahy Niavaka Noho ny Fahaiza-mitsinjo Zavatra Mialoha
I William Tyndale dia teraka tany Angletera “teo amin’ny sisin-tanin’i Pays de Galles”, azo inoana fa tany Gloucestershire, na dia tsy azo faritana aza ny tena toerana sy daty nahaterahany. Tamin’ny Oktobra 1994, i Angletera dia nankalaza ny faha-500 taona nitsingerenan’ny andro nahaterahan’ilay lehilahy “nanome antsika ny Baiboly anglisintsika”. Noho io asa soratra io, dia novonoina ho maritiora i Tyndale. Nahoana?
FARAN’IZAY nahay i William Tyndale teo amin’ny fianarana ny teny grika sy latina. Tamin’ny Jolay 1515, fony izy mbola vao 21 taona, dia nahazo ny diplaoma Maîtrise ès arts tao amin’ny Oniversiten’i Oxford izy. Tamin’ny 1521 izy dia efa voatokana ho pretra katolika. Tamin’izay fotoana izay ny Katolisisma tany Alemaina dia tao anatin’ny fikorontanam-be noho ny zavatra nataon’i Martin Luther. Nitoetra ho tany katolika anefa i Angletera mandra-panapaky ny Mpanjaka Henry VIII tamin’ny farany ny fifandraisana tamin’i Roma tamin’ny 1534.
Na dia ny teny anglisy aza no teny fampiasa tamin’ny andron’i Tyndale, ny fampianarana rehetra dia tamin’ny teny latina. Izy io koa no tenin’ny eglizy sy ny an’ny Baiboly. Tamin’ny 1546, ny Konsilin’i Trente dia namerina indray fa ny Vulgate Latina nataon’i Jérôme tamin’ny taonjato fahadimy irery ihany no tokony hampiasaina. Kanefa dia ireo nahita fianarana ihany no afaka namaky azy io. Nahoana ny vahoakan’i Angletera no tsy navela hanana ny Baiboly tamin’ny teny anglisy sy hanana ny fahalalahana hamaky azy? “I Jerôme dia nandika ny baiboly tamin’ny fitenin-drazany koa: nahoana isika no tsy mahazo manao izany koa?”, hoy i Tyndale niady hevitra.
Dingana nampiseho finoana
Taorian’ny fianarany tany Oxford ary angamba ny fianarana fanampiny tany Cambridge, dia nampianatra manokana ireo zanakalahy kelin’i John Walsh nandritra ny roa taona tany Gloucestershire i Tyndale. Nandritra io fe-potoana io izy dia nanolokolo ny faniriana handika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy, ary tsy isalasalana fa nanana fahafahana hampitombo ny fahaizany nandika teny tamin’ny alalan’ilay soratry ny Baiboly vaovao nataon’i Érasme nampiseho ny teny grika sy latina teo amin’ny tsanganana nifanakaiky. Tamin’ny 1523 i Tyndale dia nandao ny fianakaviana Walsh ka nankany Londres. Ny zava-kendreny dia ny hangataka fahazoan-dalana avy tamin’i Cuthbert Tunstall, evekan’i Londres, hanao ny fandikan-teniny.
Nilaina ny fahazoan-dalan’i Tunstall, satria anisan’ireo fepetran-dalàn’ny synodan’i Oxford tamin’ny 1408, fantatra amin’ny hoe Lalàm-panorenan’i Oxford, dia nisy fandrarana ny fandikana na ny famakiana ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana, raha tsy nisy fahazoan-dalana avy tamin’ny eveka iray. Noho izy ireo sahy nandika io fandrarana io, ny mpitory teny mpitety tany fantatra amin’ny anarana hoe Lollards dia nodorana ho toy ny heretika. Ireny Lollards ireny dia namaky sy nizara ny Baibolin’i John Wycliffe, fandikan-teny anglisy avy tamin’ny Vulgate. Nahatsapa i Tyndale fa efa tonga ny fotoana handikana ireo soratra kristiana avy tamin’ny teny grika ho amin’ny dikan-teny vaovao sy marina ho an’ny egliziny sy ho an’ny vahoakan’i Angletera.
Ny Eveka Tunstall dia lehilahy nahita fianarana izay nanao zavatra be dia be mba hampirisihana an’i Érasme. Ho porofon’ny fahaizan’ny tenany manokana, i Tyndale dia nandika ny iray tamin’ireo lahatenin’i Isocrates, soratra grika sarotra iray, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Tunstall. Nanantena be ny hanomezan’i Tunstall azy ny fisakaizany sy ny fanohanany i Tyndale ary koa ny hanekeny ny fanolorany handika ireo Soratra Masina. Inona no hataon’ilay eveka?
Fandavana — Nahoana?
Na dia nanana taratasim-panamarinana momba ny tenany aza i Tyndale, dia tsy nety nihaona taminy i Tunstall. Noho izany dia tsy maintsy nanoratra mba hangataka ny hiresaka taminy i Tyndale. Ny hoe nanaiky ny hihaona tamin’i Tyndale i Tunstall tamin’ny farany na tsia dia tsy mazava, nefa ny valin-teniny dia hoe: ‘Efa feno ny tranoko.’ Nahoana i Tunstall no nanamavo an’i Tyndale an-kitsirano toy izany?
Ny asa nitondra fanovana nataon’i Luther teny amin’ny kontinentan’i Eoropa dia niteraka fanahiana lehibe ho an’ny Eglizy Katolika, ary nisy akony tany Angletera. Tamin’ny 1521, ny Mpanjaka Henry VIII dia namoaka lahatsoratra namaivay nanohana ny papa ho fanoherana an’i Luther. Velom-pankasitrahana ny papa, ka nanome an’i Henry ny anaram-boninahitra hoe “Mpanohana ny Finoana”.a I Wolsey, Kardinalin’i Henry, dia sahirana be koa, nandringana ireo bokin’i Luther tafiditra tsy ara-dalàna. Tamin’ny naha-eveka katolika tsy nivadika tamin’ny papa sy ny mpanjaka ary ny kardinaliny azy, i Tunstall dia nahatsapa ho nanana adidy hampangina izay rehetra nilaza hevitra nety ho nanaraka ny hevitr’i Luther mpikomy. I Tyndale no nahiahina voalohany. Nahoana?
Nandritra ny fivahiniany tao amin’ny fianakaviana Walsh, i Tyndale dia tsy natahotra ny niteny hanohitra ny tsy fahalalana sy ny tsy fahaiza-milefitry ny klerjy teo an-toerana. Anisan’ireo i John Stokesley, izay nahafantatra an’i Tyndale tany Oxford. Tamin’ny farany izy io dia nisolo toerana an’i Cuthbert Tunstall mba ho evekan’i Londres.
Ny fanoherana an’i Tyndale dia niharihary koa tamin’ny fifandonany tamin’ny mpitondra fivavahana ambony toerana iray, izay nilaza hoe: “Ho tsara kokoa ho antsika ny tsy hanana ny lalàn’Andriamanitra toy izay ny an’ny papa.” Tamin’ny teny mbola tadidy hatramin’izao, dia hoy ny navalin’i Tyndale: ‘Mihaika ny Papa sy ny lalàny rehetra aho. Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra, tsy hisy taona maro akory dia hahatonga ny ankizilahy iray mitarika angadin’omby hahafantatra bebe kokoa momba ny Soratra Masina noho ianao aho.’
Tsy maintsy niseho teo anatrehan’ny mpitantan-draharahan’ny diosezin’i Worcester noho ny fiampangana diso azy ho heretika i Tyndale. “Nandrahona mafy ahy sy niteny ratsy ahy izy”, hoy ny tsaroan’i Tyndale tatỳ aoriana, ary nanampy teny izy fa nentina toy ny “alika” izy. Tsy nisy porofo mba hanamelohana an’i Tyndale ho heretika anefa. Mino ny mpahay tantara fa ireny raharaha rehetra ireny dia nampitaina an-kinafina tamin’i Tunstall mba hanan-kery teo amin’ny fanapahan-keviny.
Rehefa avy nijanona herintaona tao Londres i Tyndale, dia nanatsoaka hevitra hoe: “Tsy nisy toerana tao amin’ny lapan’ny tompoko tao Londres, mba handikana ny Testamenta vaovao, no sady (...) tsy nisy toerana nanaovana izany koa nanerana an’i Angletera.” Marina ny azy. Tao anatin’ny rivo-piainana feno fanakantsakanana nateraky ny asan’i Luther, mpanao pirinty tao Angletera iza moa no ho sahy hamoaka Baiboly tamin’ny teny anglisy? Koa tamin’ny 1524 àry dia nita an’i La Manche i Tyndale, ka tsy niverina intsony.
Tonga tany Eoropa sy tamin’ny zava-nanahirana hafa koa
Nitondra ireo bokiny sarobidy i William Tyndale, ka nahita fialokalofana tany Alemaina. Vola £10 no teny aminy, izay nomen’i Humphrey Monmouth, namany sady mpivarotra nanam-pahefana tao Londres, tamin-katsaram-panahy azy. Kely foana dia ampy io fanomezana io tamin’izany andro izany mba hahafahan’i Tyndale hanao pirinty ireo Soratra Grika nokasaina hadika. Taorian’izay i Monmouth dia nosamborina noho izy nanampy an’i Tyndale sy noho izy nolazaina fa nanaraka ny hevitr’i Luther. Nanaovana fanadinadinana i Monmouth ary natsipy tao amin’ny Tour de Londres, ka tsy nafahana raha tsy rehefa avy niangavy ny Kardinaly Wolsey mba hamela ny helony.
Ny hoe taiza marina no nalehan’i Tyndale tany Alemaina dia tsy mazava. Misy porofo manondro an’i Hambourg, izay nety ho nijanonany herintaona. Nihaona tamin’i Luther ve izy? Tsy azo antoka izany, na dia milaza izany aza ny fiampangana an’i Monmouth. Zavatra iray no azo antoka: Sahirana be nandika ny Soratra Grika i Tyndale. Taiza no hahafahany hanao pirinty ny sora-tanany? Nankininy tamin’i Peter Quentell tany Cologne ilay asa.
Nandeha tsara avokoa ny zava-drehetra mandra-pahafantatr’ilay mpanohitra atao hoe John Dobneck, fantatra koa amin’ny anarana hoe Cochlaeus, izay nitranga. Avy hatrany i Cochlaeus dia nitatitra ny amin’izay hitany tamin’ny namana akaikin’i Henry VIII iray, izay nahazo lalana haingana handrara ny fanaovan’i Quentell pirinty ny fandikan-tenin’i Tyndale.
Nandositra mba hamonjena ny ainy i Tyndale sy i William Roye mpanampy azy, nitondra ireo pejin’ny Filazantsaran’i Matio izay efa vita pirinty. Nitaingin-tsambo teny amin’ny ony Rhin hatrany Worms izy ireo, ka nanapitra ny asany tany. Tamin’ny farany, dia 6 000 tamin’ilay fanontana voalohany tamin’ny Testamenta Vaovao nataon’i Tyndale no navoaka.b
Fahombiazana — Na dia nisy fanoherana aza
Zavatra iray ny fandikan-teny sy ny fanaovana pirinty. Zavatra hafa ny fampidirana ireo Baiboly tany Angletera. Ireo masoivohon’ny eglizy sy ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana dia tapa-kevitra ny hisakana entana tsy hita an’i La Manche, nefa nisy mpandranto tsara fanahy nanome ny vahaolana. Nafenina tao anaty gonin’akanjo sy entana hafa ireo boky, ka nampidirina an-tsokosoko teny amin’ny moron-tsirak’i Angletera sy hatrany Écosse. Nahazo fampaherezana i Tyndale, nefa vao nanomboka fotsiny ny adiny.
Tamin’ny 11 Febroary 1526, ny Kardinaly Wolsey, niaraka tamin’ny eveka sy olo-nanan-kaja hafan’ny eglizy 36, dia niara-nivory teo akaikin’ny Katedralin’i St. Paul tao Londres “mba hijery ireo harona be feno boky hatsipy ao anaty afo”. Anisan’izany ny sasany tamin’ny fandikan-teny sarobidin’i Tyndale. Tamin’io fanontana voalohany io, dia tsy misy afa-tsy roa sisa tavela ankehitriny. Ilay hany feno indrindra (ny pejy misy ny lohateny ihany no tsy eo) dia ao amin’ny Tranomboky Britanika. Mahatsikaiky fa ilay iray hafa, izay pejy 71 aminy no tsy eo, dia hita tao amin’ny Famakiam-bokin’ny Katedralin’i St. Paul. Ny hoe ahoana no nahatongavany tao dia tsy misy mahalala.
Tsy kivy i Tyndale fa nanohy namoaka fanontana vaovao tamin’ny fandikan-teniny, izay notanana sy nodoran’ny mpitondra fivavahana anglisy hatrany hatrany. Avy eo i Tunstall dia nanova ny paikadiny. Nanao fanekena tamin’ny mpandranto iray natao hoe Augustine Packington izy mba hividy izay boky rehetra nosoratan’i Tyndale, anisan’izany ny Testamenta Vaovao, mba handoroana azy ireny. I Tyndale no nandamina izany, satria nanao fanekena tamin’i Packington izy. Hoy ny Chronicle nataon’i Halle: “Ilay eveka nahazo ireo boky, i Packington nahazo ny fisaorana ary i Tyndale nahazo ny vola. Taorian’izay, rehefa nisy Testamenta Vaovao hafa koa vita pirinty, dia be dia be taminy no tafiditra tany Angletera.”
Nahoana ny klerjy no nanohitra mafy aoka izany ny fandikan-tenin’i Tyndale? Raha nirona hanamaizina ilay soratra masina ny Vulgate Latina, dia ny fandikan-teny nataon’i Tyndale avy tamin’ny teny grika tany am-boalohany kosa no nampita voalohany ny hafatry ny Baiboly tamin’ny fiteny mazava ho an’ny vahoaka anglisy. Ohatra, i Tyndale dia nifidy ny handika ilay teny grika hoe a·gaʹpe tamin’ny hoe “fitiavana” fa tsy hoe “fiantrana” ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-13. Nanizingizina ny amin’ny hoe “kongregasiona”, fa tsy hoe “fiangonana”, izy mba hanantitranterana ny hoe mpivavaka fa tsy ny hoe trano fiangonana. Kanefa, ny lafin-javatra farany tsy zakan’ny klerjy dia rehefa nanolo ny hoe “pretra” tamin’ny hoe “loholona” sy nampiasa ny hoe “mibebaka” fa tsy ny hoe “manao asa fivalozana”, i Tyndale, ka nanaisotra tamin’ny klerjy ireo fahefana nolazaina fa nananan’ny pretra. Hoy i David Daniell momba izany: “Tsy ao ny afo fandiovana; tsy misy fanaovana konfesy sy asa fivalozana. Nirodana ireo andry roa nanohana ny harena sy ny fahefan’ny Eglizy.” (William Tyndale — A Biography). Izany no zava-tsarotra nasehon’ny fandikan-tenin’i Tyndale, ary manohana amin’ny fomba feno ny maha-araka ny marina ireo teny nofidiny ireo manam-pahaizana maoderina.
Anvers sy ny namadihana azy ary ny nahafatesany
Teo anelanelan’ny 1526 sy 1528, dia nifindra nankany Anvers i Tyndale, ka tany izy dia afaka nahatsiaro ho voaro teo anivon’ireo mpandranto anglisy. Tany izy dia nanoratra ny The Parable of the Wicked Mammon, sy ny The Obedience of a Christian Man ary ny The Practice of Prelates. Nanohy ny asa fandikan-teniny i Tyndale ary izy no voalohany nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, tao amin’ny fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo tamin’ny teny anglisy. Miseho maherin’ny in-20 ilay anarana.
Raha mbola nijanona tao amin’i Thomas Poyntz, izay sady namany no mpanasoa azy, tao Anvers, koa i Tyndale, dia voaro tamin’ireo fiokoan’i Wolsey sy ireo mpitsikilony. Nanjary fanta-daza noho ny fikarakarany ny marary sy ny mahantra izy. Tamin’ny farany, ilay Anglisy atao hoe Henry Phillips dia nitady tamin-kafetsena ny ho sakaiza akaikin’i Tyndale. Ho vokany, tamin’ny 1535, dia nisy namadika i Tyndale ka nentina tany amin’ny Lapan’i Vilvorde, folo kilaometatra tany avaratr’i Bruxelles. Tany izy dia notanana an-tranomaizina nandritra ny 16 volana.
Ny hoe iza no nampiasa an’i Phillips dia tsy azo faritana amin’ny fomba azo antoka, nefa ny nahiahina dia ny Eveka Stokesley, izay sahirana nandoro “heretika” tany Londres tamin’izay. Teo am-pandriana nahafatesany tamin’ny 1539, i Stokesley dia “nifaly satria nandritra ny androm-piainany izy dia nandoro heretika dimampolo”, hoy i W. J. Heaton ao amin’ny The Bible of the Reformation. Anisan’io isa io i William Tyndale, izay nokendaina talohan’ny nandorana ny fatiny ampahibemaso tamin’ny Oktobra 1536.
Teolojiana nalaza telo tao amin’ny Oniversite katolikan’i Louvain, izay nisy an’i Phillips, no tao amin’ilay vaomiera nasaina nitsara an’i Tyndale. Nisy mpitondra fivavahana telo avy tao Louvain sy eveka telo ary olo-nanan-kaja hafa koa tao mba hahita an’i Tyndale voaheloka ho heretika sy nesorina tsy ho pretra intsony. Nifaly avokoa izy rehetra noho ny fietreny, angamba teo amin’ny faha-42 taonany.
“I Tyndale”, hoy i Robert Demaus, mpanoratra tantaram-piainana, zato taona mahery lasa izay, “dia niavaka mandrakariva noho ny fanaovany ny marina tsy tamin-tahotra.” Ho an’i John Frith, niara-niasa taminy izay nodoran’i Stokesley tany Londres, dia nanoratra toy izao i Tyndale: “Tsy nanova na oviana na oviana vaninteny iray tao amin’ny tenin’Andriamanitra ho fandikana ny feon’ny fieritreretako aho, no sady tsy hanao izany ankehitriny, na dia homena ahy aza ny zava-drehetra eto ambonin’ny tany, na fahafinaretana izany, na voninahitra, na harena.”
Toy izany no nanomezan’i William Tyndale ny ainy noho ny tombontsoa hanome ho an’ny vahoakan’i Angletera Baiboly iray izay ho takatr’izy ireo mora foana. Vidiny toy inona moa no naloany — nefa fanomezana tsy vidim-bola aman-karena toy inona moa ilay izy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ela dia notombohina hoe Fidei Defensor ireo vola vin’ilay fanjakana, ary nangataka ny hanomezana io anaram-boninahitra io an’ireo mpandimby azy i Henry. Amin’izao andro izao izy io dia miseho manodidina ny lohan’ny mpanjaka eo amin’ireo vola vy anglisy, amin’ny endriny hoe Fid. Def., na hoe F.D. fotsiny. Mahaliana fa ny hoe “Mpanohana ny Finoana”, taorian’izay, dia natao pirinty tao amin’ny teny fanolorana ho an’ny Mpanjaka Jacques hita ao amin’ny King James Version tamin’ny 1611.
b Tsy azo antoka io isa io; ny fahefana sasany dia milaza hoe 3 000.
[Efajoro, pejy 29]
FANDIKAN-TENY VOALOHANY
NY FIANGAVIAN’I Tyndale mba hisian’ny fandikan-tenin’ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka dia tsy hoe tsy araka ny antonona na tsy nisy modely akory. Nisy fandikan-teny tamin’ny teny anglo-saxon natao tamin’ny taonjato fahafolo. Baiboly vita pirinty nadika avy tamin’ny teny latina no efa niely malalaka tany Eoropa tamin’ny faran’ny taonjato faha-15: alemanina (1466), italiana (1471), frantsay (1474), tchèque (1475), holandey (1477) ary catalan (1478). Tamin’ny 1522, i Martin Luther dia namoaka ny Testamenta Vaovao nataony tamin’ny teny alemanina. Ny hany nangatahin’i Tyndale dia hoe nahoana i Angletera no tsy havela hanao toy izany koa.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Baiboly eo an-damosina: © The British Library Board; William Tyndale: By kind permission of the Principal, Fellows and Scholars of Hertford College, Oxford