Manao fijinjana maneran-tany ny mpitory ny vaovao tsara
“Raha mbola mampanatona antsika ny Hara-magedona ny fipaikan’ny famantaranandro, dia miasa tsy misy toy izany ho amin’ny famonjena olona faran’izay betsaka amintsika tsy ho azon’io fandringanana mahatsiravina io ny Vavolombelon’i Jehovah.” — Hevitra navoakan’i Ian Boyne ao amin’ny “The Sunday Gleaner”, 15 martsa 1987, Kingston, Jamaïque.
TSY DISO hevitra ny mpanoratra voalaza etsy ambony. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miaiky fa akaiky ny fotoana handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy ao Hara-magedona, sady miaina amin’ny fotoam-pitsaran’Andriamanitra ny olombelona (Apokalypsy 14:6, 7). Ilaina àry ny mpitory mba hitondra ny hafatra ny amin’ny vaovao tsara. Jesosy Kristy, ilay olombelona lehibe indrindra mpitory ny vaovao tsara iray nisy teto ambonin’ny tany, dia nanangana fandaminana iray izay, tamin’ny taonjato voalohany, dia mitondra ny filazantsara “hatrany amin’ny faran’ny tany”. (Asan’ny apostoly 1:8, Pierre de Beaumont; Kolosiana 1:23.) Nanambara mialoha ny amin’ny fitoriana ny filazantsara toy izany ho an’izao androntsika izao izy (Matio 24:14). Ny fandaminana manatanteraka izany ankehitriny dia ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mitory amim-pahazotoana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany sy faritany 208.
Kanefa dia tsy voalamina mba hitory fotsiny akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Voalamina mba hampianatra koa izy ireo. Jesosy dia nanankina tamin’ireo izay hanaraka azy ny mba ‘hanaovany mpianatra ny firenena rehetra sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany azy’. (Matio 28:19, 20.) Ho tianay ny hampahafantatra anareo olona sasany izay nahita soa noho ny fitoriana sy ny fampianaran’ny mpianatr’i Kristy.
Meksika
Indro Virginia. 110 taona izy ary maniry hilaza aminao fa “tsy misy maha-diso aoriana loatra ny hianarana hahalala sy hanompo an’i Jehovah”. Tia fivavahana aoka izany izy tamin’ny naha-tovovavy azy, ka nandritra ny efa-taona dia tsy nanao afa-tsy akanjo ara-pivavahana izy. “Nefa nisy zavatra tsy ampy tamiko”, hoy ny nambarany. Na taiza na taiza nalehany dia tsy nahita valiny mahafa-po tamin’ireo fanontaniany momba ny Baiboly izy. Ohatra, rehefa nanontany ny mpampianatra tao amin’ny Fiangonany izy hoe iza no anaran’Andriamanitra, dia namaly ireo hoe: “Ny anaran’Andriamanitra, dia Andriamanitra.”
Niova anefa ny zavatra rehetra tamin’ny 1983, rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zafikeliny vavy. Ho valin’ny fanontaniany dia nasehon’io fa ny anaran’Andriamanitra dia Jehovah (Salamo 83:18). Nanosika an’i Virginia hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelona izany valin-teny izany. Roa taona tatỳ aoriana, ny 2 jona 1985, dia natao batisa izy. Tamin’izay dia 108 taona izy.
“Tsaroako amim-pihetseham-po io daty io, hoy izy, satria io no andro izay nanombohako ho velona. Amin’izao taonako izao dia mitory adiny dimy na enina isam-bolana aho ary mampiasa tehina. Aleoko mandeha tongotra toy izay mitaingina fiara. Amin’izay dia salama tsara ara-batana aho.”
India
“Izaho no jiolahim-boto teo an-toerana, olona tsinontsinona”, izany no fitantaran’ny lehilahy iray izay taloha dia nandevozin’ny fahazaran-dratsy maro. “Mpivarotra zavatra mahadomelina aho, nilalao tamin’ny mutka (filokana vola) ary nifoka sigara, izay nahamaika an’ireo nifampiraharaha tamiko an-tsokosoko erỳ ny nanome izany ahy. Mpisotro be koa aho. Nefa izany dia tsy nanakana ahy ho marisika tokoa tao amin’ny Fiangonako.” Rehefa nifanena tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anankiray anefa ity lehilahy ity ka nanomboka nianatra ny Baiboly sady nanaraka ny torohevitra tao anatiny, dia niova ny fiainany (Ohabolana 2:1-22; 2 Timoty 3:16). Ankehitriny izy sy ny vadiny, ary koa ny zanany vavy roa dia manampy ny hafa mba hanafa-tena amin’ny fahazaran-dratsy toy izany.
Belzika
Ny tovolahy iray sy ny vadiny dia nankahala an’Andriamanitra. Nahoana? Ny zanany voalohany (zazavavy kely) dia maty folo andro taorian’ny nahaterahany. Ny faharoa indray dia teraka malemy. Ny fahatelo kosa, izay toa navitrika sy salama, dia maty tamin’ny fomba tsy azo hazavaina rehefa dimy volana. Ilay reny dia tsy afaka nino fa ny Andriamanitra fitiavana iray dia hamela ireo loza ireo hianjady taminy, kanefa olona maro manaram-po amin’ny ratsy no manana zanaka salama.
Fotoana fohy taty aoriana dia nampaneno ny “sonnerie” tao amin’ity vehivavy ity ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nitory isan-trano tao amin’ilay faritra. Nasehony taminy ny ho avy sambatra nampanantenain’Andriamanitra ny olombelona, nefa notoheriny mafy mihitsy ny maha-Andriamanitra be fitiavana an’ilay Ray any an-danitra (Salamo 37:10, 11). Kanefa dia nandray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izy. Arakaraka ny fitsidihana miverimberina nataon’ilay Vavolombelona, ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ny vaovao tsara, dia nampitony ny fony ary nahatonga azy hatoky an’Andriamanitra. Ankehitriny, izy sy ny vadiny dia manana fanantenana mafy fa tsy vitan’ny hoe hositranin’i Jehovah ny zanany malemy, fa mbola hatsangany koa ireo zanany roa hafa rehefa ho tonga Paradisa ny tany. — Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:1-4.
Portiogaly
Indray alahady maraina, ny vehivavy iray nitondra harona feno sakafo dia nijanona mba hiresaka amin’ny lehilahy sy vehivavy iray. Voalohany no nahitany ireto mpivady ireto, nefa tsy ho ny farany koa izany. Teo am-pitoriana ny vaovao tsara mantsy ireto Vavolombelon’i Jehovah ireto. Rehefa avy nidera ity mpikarakara tokantrano noho ny fikarakarana ara-nofo omeny ny fianakaviany izy ireo, dia nametraka taminy izao fanontaniana izao: Iza no afaka hanome izay ilain’ny olombelona? Avy eo dia novalian’izy ireo ihany izany tamin’ny fampisehoana fa Andriamanitra izany (Salamo 107:8, 9; Isaia 33:24). “Moa ve izy manana fanafodiny amin’ny zava-manahirana mahazo ahy?” hoy ny fanontanian’ity vehivavy. Eny, hoy ny navalin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nasain’ilay vehivavy ho any an-tranony izy ireo ary nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka taminy izy. Nahamarika ny fihatsarana teo amin’ny fihetsiny ny vadiny, ka nanaraka ny fianarana Baiboly koa, ary fotoana fohy tatỳ aoriana dia nanova ny fomba fiainany koa izy.
Taty aoriana dia nampahafantarin’ilay vehivavy an’izy mivady Vavolombelon’i Jehovah fa indroa izy no nanandrana namono tena talohan’io alahady maraina mendrika hotsaroana izay niresahan’izy ireo taminy io. Izy sy ny vadiny tokoa dia nanapa-kevitra ny hisaraka, ka izany dia nanahirana azy fatratra. Ankehitriny, izy sy ny vadiny ary ny zanany dia mahaforona fianakaviana iray tafaray izay mandroso ao amin’ny fahalalana ny vaovao tsara.
Thaïlande
Tany avaratr’io firenena io dia nisy vehivavy iray notafihin’ny demonia matetika nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fiainany. Rehefa tojo Vavolombelon’i Jehovah anankiray izay nitory ny vaovao tsara izy dia nandray zavatra vita an-tsoratra sy nanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantranony. Rehefa afaka roa volana nianarana, dia takany ny antony araka ny Baiboly tokony hanalany ao an-tranony ireo zavatra rehetra misy ifandraisana amin’ny fanompoam-pivavahan-diso, toy ny sampy ary handravana ny alitarany sarobidy ho an’ireo fanahy, izay nataony hiarovany ny fianakaviany amin’ireo fanahy manisy ratsy (Asan’ny apostoly 19:19; 1 Korintiana 10:21; 1 Jaona 5:21). Ankehitriny dia afaka amin’ny famelezan’ny demonia izy; afaka mampahafantatra amin’ny hafa ilay Andriamanitra tokana sady marina, dia Jehovah, izy.
Kenya
Rehefa nolazaina taminy fa noheverina ho mampidi-doza loatra izy, ka nahazo baiko hitifitra azy ny polisy raha vao mahatazana azy fotsiny, ny filohan’ny andian-jiolahy iray dia nanainga soroka sady nihomehy. Tsy ela taorian’izay anefa, ny fanafihana iray nomaniny dia tsy nizotra araka ny niheverany azy: io lehilahy io dia nifanehitra irery tamin’ny vahoaka tezitra vonona hamaly faty. Tamin’izay fotoana izay dia tonga ny polisy ka nisambotra ilay jiolahy ary nanao azy tao an-tranomaizina eo am-piandrasana ny fitsarana.
Ny mpisolovava an’ity lehilahy ity dia nanome azy tetika samihafa mba handavana ny fanamelohana azy. Raha mbola tao am-ponja anefa izy, dia tsaroan’ilay lehilahy ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nitsidika azy taona maro talohan’izay. Nanomboka nanenina noho ny nandikany lalàna izy ary nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy azy. Raha ny marina dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny anarany izy (jereo Asan’ny apostoly 10:1, 2). Gaga ny mpitsara fa neken’ity mpanao heloka bevava ity ny fanamelohana natao taminy teo anatrehan’ny fitsarana. Nomen’ny mpitsara sazy azo atao hoe malefaka àry izy; notakiny ny hanaovana azy an-tranomaizina azo antoka mandritra ny folo taona ho solon’ny fanamelohana ho faty.
Tany an-tranomaizina dia nahery namaky ireo boky manazava ny Baiboly ilay lehilahy ary nivavaka tsy tapaka tamin’Andriamanitra mba hampihena ny saziny raha azo atao, mba hahafahany manompo azy. Indray andro dia nampahafantarina azy, raha tsy nanampy izany mihitsy izy, fa nahena ho antsasany ny saziny. Rehefa dimy taona izy no tao an-tranomaizina dia nafahana; avy hatrany dia nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary tsy ela dia natao batisa, ka izao dia mikendry ny mba ho tonga mpitory ny vaovao tsara manontolo andro izy.
Ireo fitantarana ireo dia ohatra sasantsasany fotsiny ny amin’ny fomba anatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa sy andraikitra nankinina taminy, dia ny hitory ny vaovao tsara “hatrany amin’ny faran’ny tany’. Azo atao ny hitantara ohatra an’arivony maro hafa. Mbola misalasala ihany ve ianao fa ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa no evanjelistra marina amin’izao androntsika izao?