Manatona ny fiafarany ireo herim-panjakana voalazan’ny tantara araka ny Baiboly!
AFAKA maka sary an-tsaina izany hoe tantara voasoratra mialoha ve ianao? ‘Tsy mety hisy izany’, hoy angamba ny havalinao. Misy anefa boky iray milaza mialoha tokoa fisehoan-javatra sasany, an-jatony, eny an’arivony taona maro mialoha mihitsy aza, talohan’ny hitrangany. Ny Baiboly izany.
Tsy nianina tamin’ny fitantarana tamin’ny fomba hentitra, fisehoan-javatra tamin’ny lasa ny Baiboly; mbola mahatalanjona kokoa ihany fa nomeny mialoha ny ambangovangon’ny tantaran’izao tontolo izao misy ifandraisana amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny andron’i Babylona fahiny, 2 500 taona mahery lasa izay, ka hatramin’izao androntsika izao sy mihoatra koa aza.
Daniela mpaminany izay velona tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nahazo fanambarana efatra ny amin’ny ho avin’izao tontolo izao. Taiza no nanovozany izany fanazavana izany? Ny tenany mihitsy no mamaly hoe: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina.” (Daniela 2:28). Tamin’ny fandinihana tsara sisan-javatra tavela avy amin’ireo herim-panjakana fahizay, dia nisy arkeology nahita porofo mahagaga ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara sy ara-paminaniana.
Egypta sy Asyria, anankiroa amin’ireo herim-panjakana voatanisa ao amin’ny Baiboly, dia nanapaka taloha elan’ny andron’i Daniela. Tamin’ny andro nahaveloman’ilay mpaminany, dia ny Herim-panjakana babyloniana no nanjaka teo amin’izao tontolo izao. Nahariharin’Andriamanitra tamin’i Daniela ny anaran’ny herim-panjakana roa handimby an’i Babylona (Daniela 2:47, 48; 8:20, 21). Taorian’ireo, dia mbola hipoitra koa ny fanjakana roa, ka izany dia mitarika antsika ho amin’izao androntsika izao.
Firy?
Araka ny filazan’ny Baiboly, ho firy ny isan’ny herim-panjakana? Nomena ny apostoly Jaona tao anatin’ny fahanterany ny valiny; izany dia mahatonga antsika ho afaka hanondro hoe aiza ho aiza isika eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Nanambara toy izao tamin’i Jaona ny anjely iray: “Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga.” — Apokalypsy 17:10.
Iza moa ireo fanjakana dimy efa lavo tamin’ny andron’i Jaona? Egypta, Asyria, Babylona, ny Herim-panjakana mediana sy persiana ary Grisia. Ary ilay mbola teo? Roma. Ary ilay “mbola tsy tonga”? Ny Herim-panjakana anglisy amerikana izay manapaka ankehitriny. Ireo herim-panjakana izay nahakasika akaiky ireo mpanompon’Andriamanitra ny asany, taloha sy amin’izao andro izao.
Ny zavatra lehibe indrindra dia hoe herim-panjakana fito monja no tokony hifandimby. Ambaran’ny faminaniana ny amin’ny Herim-panjakana Fahavalo, mahafaoka ny sisa avy amin’ireo fito hafa, izay hiara-hanapaka fotoana fohy dia fohy amin’ny Herim-panjakana Fahafito (Apokalypsy 17:10, 11). Milaza izany fa miaina amin’ny andron’ny herim-panjakana farany tarihin’ny olombelona isika. Tsy hisy hafa!
Tsy ho ela izao dia ho tapitra andro ireo herim-panjakana. Naminany Daniela fa ho torotoro ireny fandaharan-javatr’olombelona ireny ary ‘hopaohin’ny rivotra’. (Daniela 2:35.) Hisy fandehan-javatra tsara lavitra ho solon’izy ireo. Manazava toy izao i Daniela: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. (...) Ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay” (Daniela 2:44). Araka izany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa no hisolo toerana ireny fanjakan’olombelona rehetra ireny. Hihatsara tokoa ny fanapahana maneran-tany!
Mahafanta-javatra sasany momba ireny herim-panjakana ireny angamba ianao. Nefa moa ve tsy ho takatrao tsara kokoa ny tantaran’ny olombelona hazavain’ny Soratra Masina raha fantatrao kokoa ny fanao sy ny fivavahan’ireny fanjakana ireny mbamin’ny fifandraisany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra sy ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly?
Tsy isalasalana mihitsy fa izany no izy. Noho izany antony izany, manomboka amin’ity nomerao ity dia hamoaka lahatsoratra valo mifampitohy hamelabelatra ny amin’ireo herim-panjakana izahay. Ireo lahatsoratra ireo dia hanome anao porofo mampiseho fa mendrika inoana tanteraka ny fitantarana araka ny Baiboly. Hanatanjaka koa ny fitokisanao ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izay mahatoky sy marina izany.