FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/9 p. 24-26
  • Ahoana no fomba nandrenesan’ny vahoaka an’i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no fomba nandrenesan’ny vahoaka an’i Jesosy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Andeha Isika Hizaha ny Ranomasin’i Galilia!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Genesareta — ‘Mahatalanjona sady kanto’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • A7-E Ny Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany—Fanompoana Nataon’i Jesosy Tany Galilia (Fizarana 2)
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/9 p. 24-26

Ahoana no fomba nandrenesan’ny vahoaka an’i Jesosy?

TANTARAIN’NY Filazantsaran’i Matio fa indray mandeha i Jesosy Kristy, dia “niditra teo an-tsambokely (...) ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina. Ary nilaza zavatra maro taminy tamin’ny fanoharana Izy”. (Matio 13:1-55; Marka 4:1-9.) Robert Bull sy Cobbey Crisler dia nametraka fanontaniana mahaliana ny amin’izany tao amin’ny bokiny hoe Toerana iray tokony hozahana: ny Tany Masina nohitsahin’i Jesosy (anglisy). “Ahoana no nety ho nanaovana izay handrenesan’ny ‘vahoaka maro be’ ny tenin’ny tena tsy nisy fanamafisam-peo? Etsy an-daniny koa, azo atao ve ny mahita moron-dranomasina misytoe-pandrenesana miantoka izany fanamafisana izany?” Efa nametraka fanontaniana toy izany koa angamba ianao.

Toy izao ny valin-tenin’ireo lehilahy roa: “Eo akaikin’i Kapernaomy dia misy helodrano madinika maromaro izay, araka ny tsapa vao haingana, dia ahitana indrindra ny toe-pandrenesana ao amin’ny fijerena fampisehoana voa-janahary. Ny fanandramana nihaino natao tao amin’io toerana io dia nahatonga ho afaka hanaporofo fa ny ‘vahoaka maro be’ dimy ka hatramin’ny fito arivo eo ho eo tafavory eo amin’io toerana io dia tena mety hahita sy handre mazava olona izay hiteny avy eny amin’ny sambo mijanona eo amin’ny faritra akaikin’ny afovoan’ny helodrano kely.” Ahoana izany fanandramana nihaino izany? Toy izao ny fanazavana nataon’i Virginia Bortin, mpanao lahatsoratra momba ny arkeolojia tao amin’ny gazety portorikana atao hoe The San Juan Star.

Araka ny filazan-dRamatoa Bortin, ilay arkeology atao hoe Cobbey Crisler, mpiara-nanao an’io boky noresahina io, sy Mark Mules, injeniera amin’ny siansa momba ny toetry ny feo, dia nanao fanandramana “teo akaikin’ny Tell Hum, toerana nisy an’i Kapernaomy taloha”. Tamin’io toerana io, “ny tany dia somary nisolampy avy eo amin’ny ranomasina Galilia ka hatramin’ny lalana iray amin’ny andro ankehitriny, teo amin’ny velaran-toerana lehibe noho ny an’ny toerana filalaovam-baolina”. Nitsabatsabaka tao amin’ny helodrano Atoa Crisler mandrapahatonga teo amin’ny vatolampy lehibe nandondona izay niakarany. Avy eo dia nanabontsika balaonina mitovy habe mba hamoaka feo mitovy izy, ary noloahiny tamin’ny elanelam-potoana hentitra izany. Tamin’ny alalan’ny fandrefesana herim-peo elektronika, dia nanamarika ny haavon’ny feo Atoa Myles sady niakatra nanatona ny lalana. Rehefa avy eo dia niverina nankeny amin’ny fasika amoron-dranomasina Atoa Crisler ary nandoaka balaonina teny indray. Ny fanatsoahan-kevitra, dia hoe tsapan’izy ireo fa mafy kokoa ny feo avy eny amin’ny vatolampy teo afovoan’ny helodrano noho ny avy eo amoron-dranomasina. Andinindininy hafa koa: rehefa teo afovoan’ny helodrano Atoa Crisler, dia hitany terỳ ambony kokoa ny mpizaha tany nampijanona ny fiarakodiany teo amoron’ny arabe ary reny mazava nisy olona nanontany hoe: “Fa inona no ataon’iry ambany iry?” ary dia namaly ny anankiray hafa hoe: “Tsy fantatro. Mijanona eo izy ary mitana balaonina mena.”

Azo antoka fa ny feo avoaka dia atelin’ny zavatra maro (tena, volo, fitafiana, zavamaniry sy elanelana) rehefa mitovy tantana ny toerana misy ny mpihaino, mitsangana na mipetraka. Nefa kosa, raha eo amin’ny havoana izy ireny na eo amin’ny toerana misolampy, toy ny any akaikin’i Kapernaomy, ka mipetraka ambanimbany sy lavidavitra ny mpandahateny, dia afaka mandre azy izy ireo, satria mihamafy aoka izany ny feony. Mazava ho azy fa tokony hoheverina ny hoe tamin’ny andron’i Jesosy dia nangina sy nihaino tsara ireo mpanatrika, ary tsy nisy feo hafa avy amin’ny fiaramanidina, fiarakodia, kamiao sy tabataba hafa toy ny amin’izao andro izao.

Inona koa no holazaina ny amin’ny toe-javatra hafa voatonona ao amin’ny Baiboly izay niresahan’i Jesosy tamin’ny vahoaka be? Araka ny filazan’Atoa isany Crisler sy Myles, Jesosy sy ireo olona voalazan’ny Baiboly izay naniry hiresaka tamin’ny mpihaino maro dia nifidy tamim-pitandremana “toerana an-kalamanjana izay nanamafy avy hatrany ny feo, ka izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hiresaka tamin’ny vahoaka maro”.

Nanao fanisana koa Atoa isany Crisler sy Myles “mba hamantarana hoe olona firy no afaka nandre mazava an’i Jesosy tamin’ny andro niresahany tamin’io toerana io. Tamin’ny fanombantombanana fa nazava sy tsy nisy rahona ny lanitra, dia nety ho “5 000 ka hatramin’ny 7 000 no nandre sy nahita an’i Jesosy niteny teny ambony rano”. Nanatsoaka hevitra avy amin’izany ilay mpanoratra gazety atao hoe Virginia Bortin fa “izany fanazavana izany dia manamafy ny fitantarana nataon’ny Filazantsara hoe be diabe ny olona nifamoivoy tao Galilia avy hatraiza hatraiza tao Palestina mba hanatona an’io lehilahy io izay nanasitrana sy mba hihaino azy nilaza fanoharana. Ny fifidianana an’i Kapernaomy, ny toerana fivoriana mivelatra ambony vita Nanahary tao aminy, dia azo antoka fa tsara indrindra mba hahitan’ny rehetra mazava an’i Jesosy”.

Marina fa tsy azo atao ny manantitrantitra hoe tena hitan’Atoa isany Crisler sy Myles tokoa ilay toerana nanaovan’i Jesosy ny lahateniny mihitsy. Voamarika amim-pahalianana anefa fa feno kirihitr’ala be silo sy feno vatolampy ilay toerana notondroina, ka naniry teny an-tsefatsefany ny teny voatsinapy mamony mavo. Tamin’ny fampiasana ireo zavatra ireo tamin’ny fanoharany, dia toa nanatsara ny fampianarany i Jesosy. Teo amin’ny toerana nandrenesana tsara toy izany, dia tena mety koa ny nanomezan’i Jesosy baiko mba ‘hihaino’. (Marka 4:3.) Toy izany koa, ny mpanatrika rehetra dia nety ho nahatakatra mora foana ny fampiasana ny teny hoe “sofina sy ireo endriny maro amin’ny matoanteny hoe “mandre”. Tao amin’io toerana fivoriana mivelatra ambony vita Nanahary io tokoa, ny tsirairay avy dia tsy vitan’ny hoe afaka nandre sy nahita tena mazava an’i Jesosy, fa afaka nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanohanana nataony koa, tamin’ny fijerena ny manodidina fotsiny.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

1. Kapernaomy

2. Tany lemak’i Genesareta

3. Tiberiasy

4. Fivoahan’i Jordana mianatsimo

5. Tendrombohitra Tabora

Ranomasin’i Galilia

Galilia

[Sary nahazoan-dalana]

Araka ny sarintany iray. copyrighted by Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana sy Akaiky) sy Fandinihana an’i Isiraely.

[Sary, pejy 24]

Mianavaratra atsinanana, manaraka ny ranomasin’i Galilia, mankany Kapernaomy; sary nalaina avy eny an-tsisin’ny tany lemak’i Genesareta.

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)

[Sary, pejy 26]

Zorony avaratra andrefana amin’ny ranomasin’i Galilia. Azo inoana fa teo akaikin’i Kapernaomy i Jesosy no niteny tamin’ny vahoaka avy eny an-tsambokely.

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara