FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/11 p. 31
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 1 oktobra 1988

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriambe fanao isan-taona — 1 oktobra 1988
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 1 oktobra 1988
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fivoriana isan-taona — 6 Oktobra 1990
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 7 oktobra 1989
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 7 Oktobra 1989
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/11 p. 31

Fivoriambe fanao isan-taona — 1 oktobra 1988

NY FIVORIAMBE fanaon’ny mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible isan-taona dia hatao ny 1 octobra 1988, ao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe, 2932 boulevard Kennedy any Jersey City, any amin’ny Fanjakan’i New Jersey. Ny fivoriana mialoha iray hataon’ireo anisan’ny Fikambanana ihany dia hatao amin’ny 9 ora sy sasany, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny folo ora.

Hankasitrahanay raha toa ireo anisan’ny Fikambanana izay niova adiresy tao anatin’ny taona lasa ka mampahafantatra izany dieny izao ao amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra, mba ho voarain’izy ireo aoriana kelin’ny 15 aogositra ireo fiantsoana sy fanomezam-pahefana.

Ireo fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo anisan’ny Fikambanana, miaraka amin’ny fiantsoana azy, dia tokony haverina any amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra ny 1 septambra raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay avy dia tokony hameno fanomezam-pahefana sy hamerina izany haingana amin’ny filazana mazava raha hanatrika ny fivoriambe izy na tsia. Ho raikitra ireo fanazavana homena, satria hampiasaina mba hamantarana ny isan’ny mpikambana ho tonga.

Kendrena ny ho vita amin’ny 1 ora antoandro na aoriana kely ny fandaharana feno, ao anatin’izany ny fivoriana mialoha sy ireo tatitra hatao. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy voaomana ny hampitana an-tariby ny fandaharana amin’io fivoriana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara