FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/6 p. 18
  • Manohana ireo mpanompony mahatoky Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manohana ireo mpanompony mahatoky Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Omen’i Jehovah Valisoa Izay Mitandrina ny Lalany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • ‘Tsy hahaleo anao ireny’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nanohana Ahy Tany Amin’ny Fonja Tany An’efitra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/6 p. 18

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Manohana ireo mpanompony mahatoky Jehovah

HOY Jesosy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20). Ireo izay manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah anefa dia manana antoka fa handray soa amin’ny fanohanany (Salamo 18:2; Nahoma 1:7). Tany amin’ny tany iray atsy Afrika anasiana fameperana mafy ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amim-pilaminana, dia nanohana ireo mpanompony teo anoloan’ny kapoka sy ny fisamborana Jehovah. Izany no asehon’izao fitantarana manaraka izao:

“Nosamborina tamin’ny fomba jadona ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray sy Vavolombelona efatra tao amin’ilay faritra ary nampidirina tao amin’ny efitrano tery kely fanidiana ny alika mpirenireny mandrakariva, hoy ny tatitra. Tao no namelana azy ireo nandritra ny 123 andro tsy nanao afa-tsy akanjo anatiny, ka tsy nomen-dalana hivoaka akory izy ireo.” Rehefa nandre ilay raharaha ny anisan’ny Parlemanta iray dia nanohitra ny toe-piainana tsy nifaditrovana niaretan’ireo rahalahintsika. Tamin’ny farany, rehefa avy notanana 123 andro ireo dia nalefa. Nanohana ireo Vavolombelony nahatoky ireo tamin’ny fanahiny Jehovah.

Avy amin’io tany io ihany koa no naharaisanay izao fitantarana zava-nitranga izao, izay mampisongadina ny vokatra tsara ateraky ny asa fitoriana ataontsika. Izao no voalazan’ny tatitra: “Nalaza ho nahery setra sy mpikomy ny mponina tao amin’ny vohitra iray. Rehefa avy nitory tao anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia maro tamin’ireny olona ireny no nanjary nanaja ny fahefana teo an-toerana ary nanomboka nandray anjara tamin’ny fanamboaran-dalana nataon’ny fokonolona isan-kerinandro.” Naniry hahafantatra ny anton’izany fiovam-pihetsika izany ny anankiray tamin’ireo filoham-bohitra, ka nandre filazana hoe: “noho ny fampianaran’ny ‘pastoran’ny’ Vavolombelon’i Jehovah.” “Indray andro, hoy ilay Vavolombelona resahina, dia nanasa ahy tany an-tranony io filoha io ary nampirisika ahy hanohy izany asa tsara izany. Nomeny akoho be aho hohaniko miaraka amin’ny fianakaviako.” Indray andro, dia nitsidika ilay rahalahintsika ny lehiben’ny vohitra. Nanasa azy hiditra io, ary nanao fanambarana taminy. “Nangataka gazety vitsivitsy ilay lehiben’ny vohitra ary nilaza hoe: ‘Araka ny hevitray, dia tsy manao ratsy na inona na inona ny Vavolombelon’i Jehovah. Manohiza manao antso. Tsy nahazo baiko fisamborana anareo mihitsy izahay. Heveriko fa hokarakarain’ny fanjakana tsy ho ela ny zava-manahirana anareo.’ ”

Nanoratra toy izao ny mpitory maharitra manokana iray: “Noho ny fiampangan’ny mpitantsoratry ny antoko, dia namoaka didy ny filoha teo an-toerana mba hisamborana ahy ka hampidirana ahy tao anaty fonja ratsy iray, feno malotom-biby. Navela nandritra ny dimy andro tao anatin’ny haizina tanteraka aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho tamin’izany fotoana izany ary tsaroako ny teny ao amin’ny Salamo 50:15. Koa satria nangoraka ahy ireo mpiambina ahy, dia tsy nohidiany tanteraka ny varavarana mba hahafahako mifoka rivotra madio kely. Rehefa avy nandany dimy andro tao amin’io tranomaizina io aho, dia notsapaina aho tamin’ny fangatahana ahy hitondra osivavy iray ho any amin’ny filoha teo an-toerana, tsy nisy mpiaraka. Koa satria tsy nandositra aho, dia nomena fahafahana isan’andro, nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro ka hatramin’ny 7 ora hariva. Tamin’izany no nahafahako niara-nivory tamin’ireo rahalahy sy niara-nitory taminy. Na dia narary aza aho tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany ka naniry ny hahita ahy ho faty ireo fahavaloko, dia tsy nahafoy ahy mihitsy Jehovah. Nampanakaiky ahy azy io fitsapana io ary niaiky aho fa tsy hahasaraka ahy na oviana na oviana amin’ny olon’i Jehovah ny fanenjehana.” — Jereo Romana 8:35-39.

Velom-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fanohanan’Andriamanitra azy ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Toy izany koa izy ireo amin’ireo izay maneho hatsaram-po aminy rehefa mandray anjara amin’ny asa famonjena lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny vaovao tsara, izy ireo. Tsy hanadino ny fanehoan’ireny olona ireny hatsaram-po Jehovah. — Matio 25:40.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara