Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Mahasambatra ve?
“Asa mafy roa taona, fiainana feno fahasambarana.” Milaza ny gazety japone Yomiuri Shimbun fa malaza io fitenenana io amin’izao fotoana izao eo amin’ireo mpianatra sinoa izay, noho ny fikendreny hanan-karena, dia mitrosa mba handehanana any Japon izay heveriny fa ahitana vola milatsaka avy any an-danitra. Manantena izy ireo fa amin’ny fiasana tapa-potoana any mandritra ny roa taona sady manohy ny fianarany, dia ho afaka hanana tahiry yen roa tapitrisa izy (eo amin’ny 5 000 000 ariary), ary avy eo dia hody any aminy ka hiaina amim-piadanana.
Manerana an’izao tontolo izao dia maro no mihevitra fa mahasambatra ny vola. Araka ny Asahi Evening News, ny fitsapana natao vao haingana tany amin’ny tany 11 dia nahitana fa ao amin’ny 9 taminy dia “ny ‘vola’ no loha laharana” eo amin’ny fiahian’ny tanora.
Ahitana fahasambarana tokoa ve ny fametrahana ny fitokiana amin’ny harena? Nampitandrina antsika i Solomona mpanjaka hendry fa “izay tia vola tsy hety ho voky vola”. (Mpitoriteny 5:9; 7:12.) Tsy amin’ny fametrahana ny vola eo amin’ny toerana voalohany akory no ahitana ny tena fahafaham-po sy iantohana ny tsy fananana ahiahy amin’ny ho avy. Izao ohatra no vakina ao amin’ny Baiboly: “Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 1:8). Mifanohitra amin’izany kosa fa nanoratra toy izao i Davida mpanao salamo: “Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny.” Ny fatokiana an’i Jehovah fa tsy ny vola no mahatonga hahita fahasambarana tsy hanam-pahataperana. — Salamo 40:4; Isaia 30:18.
Ny batisa: raharaha nanahirana
Tsy ela izay, ny Fiangonana anglikana dia nahita fahasahiranana roa mikasika ny fanaovana batisa zazakely. Ny voalohany dia mifandray amin’ny fanaovana batisa “ny rehetra”, izay antsoin’ny mpitondra fivavahana iray hoe “fanaovana vaksiny ara-panahy”. Ny faharoa dia ny fandavan’ny mpitondra fivavahana mitombo isa hatrany ny fanaovana batisa ireo zazakely izay manana ray aman-dreny tsy mpanohana marisika ny Fiangonana anglikana.
Mpikambana maro amin’ireo mpitondra fivavahana no mahatsapa fa matetika tokoa ireo ray aman-dreny no tsy maniry hanatrika ny fotoam-pivavahana ary tsy iriny hanao izany koa ny zanany. Nahoana àry no mampanao batisa ny zanany kely izy ireny? Manome izao fanazavana izao ny Times: “Tiany hatao batisa ny zanany vao menavava toy ny aniriany hanome na handray fanomezana amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, toy ny itiavany handravahana ny tranony amin’ny Noely (...). Anisan’ny kolontsainy izany fanao izany: tsy voatery hisy antony izany.”
Nandao ny laharany ny mpitondra fivavahana iray noho izy tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa tsy tokony hatao batisa ny zazakely. Izao no nambarany: “Ny hany afaka manao izany fanekena izany amin’i Kristy dia ilay olona mihitsy.” Tokony ho afaka nanampy izy fa 30 taona i Jesosy rehefa natao batisa, ary ny teny hoe batisa dia avy amin’ny matoanteny grika baptizô izay midika hoe mandroboka na manitrika. Rehefa avy natao batisa tao Jordana i Jesosy dia “niakatra avy teo amin’ny rano”. (Marka 1:10; Matio 3:13, 16.) Tsy ahitana fanaovana batisa zazakely amin’ny famafazan-drano na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly. Koa satria ny batisa dia mariky ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra ataon’olona tapa-kevitra ny hanara-dia an’i Kristy, izany dia fanapahan-kevitra tsy azon’ny zazakely raisina.
Ny katolika sy ny fanafody tsy mampiteraka
Nanamafy ny fanoheran’ny Eglizy katolika ny fomba tsy mampiteraka i Jean-Paul II tamin’ny Fihaonana iraisam-pirenena momba ny teolojia ara-pitondran-tena faha-11 natao tany Roma tamin’ny novambra lasa teo. Araka ny L’Osservatore Romano, gazetin’ny Tanànan’ny Vatican, dia hoy ny papa: “Tsy fampianarana noforonin’ny olona fotsiny tokoa izany: izy io dia nosoratan’ny tanana mpamoron’Andriamanitra ao anatin’ny maha-izy ny tenan’ny olombelona mihitsy. Ny fisalasalana ny amin’izany dia midika ho fandavan’ny saintsika tsy hankatò an’Andriamanitra mihitsy.” Noho izany, hoy ny nanampiny, “dia tsy azon’ny teôlôjiana katolika toherina” izany.
Ny gazety italiana La Stampa anefa, dia nanamarika fa ny taratasin’ny papa Humanae Vitae notononin’i Jean-Paul II izay nosoratan’i Paul VI efa ho roapolo taona izao, dia “notoherin’ny teôlôjiana maro be avy hatrany” ary nailiky ny “ankamaroan’ny katolika”.
Miharihary fa ny tsy fileferan’ny Eglizy amin’ny raharaha mikasika ny fomba tsy mampiteraka dia mampisaraka ny teôlôjiana ary maha-be ahiahy lalina ny katolika tso-po. Ny fisaratsarahana mitarazoka hatrany mikasika ny fampiasana fomba tsy mampiteraka na inona izany na inona dia nitarika mihitsy an’i Jean-Paul II hamporisika ny teôlôjiana mba hanao “toriteny mitovy” daholo. Mifanohitra amin’izay nambaran’ny papa hoe ny toeran’ny Eglizy mikasika ny fomba tsy mampiteraka dia “nosoratan’ny tanana mpamoron’Andriamanitra”, dia nasehon’ny gazety italiana La Repubblica fa “tsy misy andininy ao amin’ny Evanjely na ao amin’ny Testamenta Taloha notononina mba hanamafisana io fampianarana io”.
Tsy milaza na inona na inona mikasika ny fampiasana fanafody tsy mampiteraka na ny famerana ny isan’ny zaza ateraka ao amin’ny faritry ny fanambadiana ny Baiboly. Tsy milaza koa izy fa tokony hanan-janaka ny kristiana. Avelan’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny feon’ny fieritreretan’ny mpivady tsirairay ny raharaha mikasika ny fomba famerana ny fiterahana. Tamin’ny fanerena ny hisian’ny fitsipika mikasika ny famerana ny fiterahana, ny Eglizy katolika dia ‘nihoatra noho ny voasoratra’. — 1 Korintiana 4:6.