FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/1 p. 21
  • Nahita ny antony hiovana izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita ny antony hiovana izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ny Nataoko Ihany no Saika Nahafaty Ahy!”
    Manova Olona ny Baiboly
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra Ireo Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/1 p. 21

Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana

Nahita ny antony hiovana izy ireo

AFAKA miova fitondrantena ve ny mpanao ratsy, eny, na dia ny filohan-jiolahy aza? Inona no afaka hanampy azy, hanao izany? Azo atao ny miova tanteraka, toy ny hita teo amin’i Saoly avy any Tarsisy, izay nanenjika ireo kristiana, kanefa dia tonga kristiana koa. Fantatra tamin’ny anarana hoe ny apostoly Paoly izy tat? aoriana (Galatiana 1:13, 14; 1 Timoty 1:13). Mitantara tarehin-javatra misy fiovana mahatalanjona toy izany i Kenya sy Arzantina.

◻ Anisan’ny andian-jiolahy iray tao amin’ny faritanin’i Nairobi ny zatovolahy iray, ary nirahina mialoha handinika ny toerana tany andrefan’i Kenya mba hahitana raha nisy fahafahana hanafika banky tany. Nahita toerana ipetrahana tao amin’ny lehilahy efa be taona iray izy, ary nahita gazety Réveillez-vous! tranainy nifanongoa tao aminy. Variana namaky azy ireo izy, hany ka hadinony tanteraka ny anton-diany tany. Rehefa avy namaky azy rehetra izy, dia nangataka nomerao hafa tamin’ilay rangahy efa be taona izay nilaza taminy fa maharay nomerao iray isan-tapa-bolana amin’ny alalan’ny paositra izy. Nanomboka tamin’izay fotoana izay io tovolahy io dia niangavy ny tompon-tranony isan’andro mba handeha any amin’ny paositra hijery raha tonga ny gazetiny. Nandritra izany fotoana izany izy, dia nanapa-kevitra ny hiala amin’ny fitondrantenany ratsy, hampihatra izay nianarany tao amin’ireo gazety ary ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Efa nanomboka niteny tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina taminy mihitsy aza izy fa iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tenany. Tatỳ aoriana, raha nitory tamin’io faritanàna io ny mpitory maharitra manokana iray dia nitolagaga nahita io tovolahy izay nilaza tena ho Vavolombelon’i Jehovah io. Nanomboka nianatra ny Baiboly àry io lehilahy io, nihamatotra ary amin’izao fotoana izao izy dia mpitory maharitra mandavantaona. Nanome azy antony hanovana ny fiainany ny fahalalana marina ny Baiboly.

◻ Tany Arzantina, dia nisy lehilahy iray koa izay nahita antony hamelana ny fomba fiainany feno hery setra. Nandritra ny roapolo taona izy dia nampijaly ny vadiny izay Vavolombelon’i Jehovah. Toa nandoaka lavaka tao an-jaridainany mihitsy aza, hono, izy ka nanisy lakroa teo an-dohan’izany satria nanam-pikasana ny hamono ilay lehilahy nangalatra ny akohony ary avy eo handevina azy ao amin’io lavaka io. Nandositra azy avokoa ny mpifanolo-bodirindrina taminy noho ny toetra ratsiny.

Nitsidika azy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ary nanolotra fampianarana ny Baiboly azy. Gaga be mihitsy izy raha namaly ilay lehilahy fa hahafaly azy tokoa izany. Niara-nianatra ilay bokikely hoe Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay! taminy ilay rahalahy. Nandroso teo amin’ny fahalalana ny Baiboly sy teo amin’ny fahatakarana zavatra ara-panahy ilay lehilahy. Manatrika tsy tapaka ireo fivoriana rehetra izy ankehitriny. Mankafỳ azy ireo ary koa ny fiarahana amin’ireo rahalahy aoka izany izy hany ka nilaza toy izao: “Eto no iriko iainana.”

Lehibe aoka izany ny fiovana hita teo amin’io lehilahy io hany ka nanontany ny vadiny ireo mpifanolo-bodirindrina taminy hoe iza ny dokotera nitsabo azy. Rehefa nanazava izy fa ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiova ny vadiny toy izao, dia voatohina mafy ny vehivavy nifanolo-bodirindrina taminy ka nangataka Baiboly iray. Ny iray hafa kosa dia nanao famandrihana tamin’ny iray amin’ireo gazetintsika.

Nanome ireo lehilahy ireo antony hanovana ny fomba fiainany ny fahalalana marina ny Baiboly. Izany dia mety hanampy na iza na iza maniry hanana fiainana misy vidiny kokoa ankehitriny sy fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — Jaona 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara