FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 15-20
  • Manàna fiheverana manokana ny hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna fiheverana manokana ny hafa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fananana fiheverana ara-panahy sy ireo tsy fitovian-toetra
  • Hevero ho ambony noho ianao ny hafa
  • Mianara hanana fiheverana manokana ny hafa
  • Mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa
  • Ataovy izay hahazoana ny rahalahinao
  • Ataovy izay hahazoana ireo tsy mino
  • Aoka isika haneho fiheverana manokana ny hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fiheverana ny Hafa
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • ‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mahaiza Miombom-pihetseham-po Amin’ny Hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 15-20

Manàna fiheverana manokana ny hafa

“Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” — FILIPIANA 2:4.

1, 2. Inona avy ny sasantsasany amin’ireo antony tokony hampisehoantsika fiheverana manokana ny hafa?

MANANA antony tsara maro tokony hananana fiheverana manokana ny hafa isika. Tokony hahaliana antsika, ohatra, ireo mpiara-belona amintsika satria samy hafa daholo isika. Misy ny drafitry ny toetra nolovantsika tsirairay avy ny “gènes” ao anatin’ny selan’ny tenantsika. Miavaka aoka izany ireny “gènes” ireny, hany ka ampiasain’ireo birao mpitady ny mpanao heloka bevava ireo “dian-tanana” “génétiques” ho anisan’ireo fomba manampy azy eo amin’ny fikarohany.

2 Misy antony maro hafa maha-samy hafa antsika sy mahatonga antsika tsirairay ho mahaliana. Raha vao torontoronina isika dia efa nisy heriny teo amintsika ny manodidina antsika. Porofo maro no mampiseho fa mahare izay mitranga any ivelan’ny tranon-jaza ireo zaza any am-bohoka. Atỳ aoriana, rehefa tonga eto an-tany isika amin’ny maha-mpiaina na fanahy tsy miankina amin’ny hafa intsony antsika, ny fihetsik’ireo ray aman-drenintsika sy ny fomba fanaovany zavatra dia manan-kery eo amintsika. Raha mihalehibe isika, dia mety ho zaza tokana hatrany na mety hampian’ny zandry lahy na zandry vavy izay mety hokarakaraintsika kely eny. Izany fiarahana izany na ny tsy fisiany dia hanan-kery eo amin’ny fitomboantsika. Izay vakintsika, izay ampianarina antsika any an-tsekoly sy izay jerentsika ao amin’ny televiziona dia samy manan-kery eo amin’ny fomba fisainantsika sy ny ataontsika koa.

3. Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Filipiana 2:4, fiheverana amin’ny lafiny inona indrindra no tokony hananantsika ho an’ny hafa?

3 Noho izany àry, ny fahasamihafana misy eo amintsika dia mahatonga ny hafa ho liana ny amintsika. Antony ambony kokoa noho izany anefa no tao an-tsain’ny apostoly Paoly rehefa nilaza izy fa tokony hanana fiheverana ny hafa isika. Namporisika ireo kristiana namany tokoa izy mba ‘tsy samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa’. (Filipiana 2:4.) Aoka isika tsy hitady ny tombontsoan’ny tenantsika manokana fa ny hahasoa ny hafa eo amin’ny ara-panahy kosa no tokony hahaliana antsika. Inona avy àry ireo fomba hampisehoantsika fiheverana manokana ny hafa toy izany?

Ny fananana fiheverana ara-panahy sy ireo tsy fitovian-toetra

4. Araka ny Efesiana 4:22-24, fiovana inona avy moa no hampitombo ny fiheverantsika ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy?

4 Mihamitombo ny fiheverantsika ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy rehefa mampihatra ny fahalalana ny fahamarinan’ny Soratra Masina ny tenantsika manokana ka mianatra mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny ohatr’i Jesosy Kristy (1 Pierre 2:21). Amin’ny maha-kristiana marina antsika, dia ‘nialantsika ny toetrantsika taloha araka ny fitondrantenantsika fahiny’ ary manao fiezahana isika mba hanoloana azy amin’ny “toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. (Efesiana 4:22-24.) Amin’izany fomba izany no anoloan’ny fiheverana feno hatsaram-po sy hatsaram-panahy ny hafa tsikelikely ny toetra feno fitiavan-tena ao amintsika. — Isaia 65:25.

5. Nahoana moa no misy toetra maro samy hafa ao amin’ny kongregasiona kristiana, ary fanontaniana inona no aterak’izany?

5 Na dia mahavariana aza ireo fiovan-toetra hita eo amin’ny vahoakan’i Jehovah, dia mbola eo ihany ireo fironana hanota. Na i Paoly aza dia niaiky toy izao: “Raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy” (Romana 7:21). Marina aloha fa eo koa ireo toetra nolovana sy azo tatỳ aoriana, ary ireo no maha-isika antsika. Manan-talenta momba ny zava-kanto ny olona sasany, fa ny hafa kosa manan-tsaina mahay mandinika ny foto-javatra. Misy olona sasany mipetrapetraka sy tsy be teny, ny hafa anefa tia sy mitady ny fiarahana amin’ny olon-kafa. Amin’ny fomba ahoana àry no ahafahana mihazona ny firaisan-tsainan’ny kongregasiona kristiana raha lehibe toy izany ny fahasamihafan’ny toetra misy ao aminy?

6. Amin’ny fomba ahoana no tokony handraisantsika ny fahasamihafan’ny toetra, ary ohatra inona no hanazavanao izany?

6 Mba hahafahantsika mampiseho fiheverana ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy ka mihazona ny firaisan-tsaina kristiana, dia tsy maintsy mahay mijery ny zavatra tena misy isika ary mahay mahatakatra ny fihevitry ny hafa. Koa satria Andriamanitra tsy mitaky ny haha-tanteraka antsika, dia tsy tokony hitaky izany amin’ireo namantsika kristiana isika. Ambonin’izany, dia tsy manampo ny hitovian’ireo mpanompony rehetra tanteraka i Jehovah. Ao amin’ny kongregasiona kristiana dia samy manana ny toerantsika avokoa isika rehetra ary afaka mampiasa ireo fahaizana nolovana nomen’Andriamanitra antsika mba hampandrosoana ny asany (1 Korintiana 12:12-26). Raha miasa hatrany eo ambaniny fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Lohan’ny kongregasiona, isika, dia tsy hanam-potoana hijerena ny hafa mba hanakiana azy (1 Korintiana 4:1-4). Toy ny efa fantatry ny mpanao asa tanana, ny fiasana tsirairay avy dia namboarina mba hanao asa manokana iray. Afaka manao ireo lavaka kely vitan’ny fiasana enti-mandoaka ve ny tantanana? Ho vitan’ny vankona ve ny mampiditra saikirò ao amin’ny hazo izay hainy erỳ ny mampahalama azy? Tsia, satria samy manana ny asany avy ny fiasana tsirairay avy.

7. Raha mbola miara-mandray anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana isika, inona no tokony homentsika ny toerana lehibe indrindra ao an-tsaintsika?

7 Endrey ny fahamarinan’ny tonon’ilay hiran’ny Fanjakana mitondra ny lohateny hoe “Ilay fanompoana mahafaly”! Mamporisika toy izao izy io: “Mifalifalia manompo ny Tompo, Ento aminy ny vokatry ny fo.” Marina fa mety tsy hanana fahaizana miavaka be isika. Kanefa omentsika ny toerana lehibe indrindra ao an-tsaintsika ilay asa nanendrena antsika hatao amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika ary manolo-tena amin’ny fo rehetra mba hanao izany isika. Manampy toy izao ilay hira: “Na dia kely aza no vitantsika, aoka mba hatao amim-pitiavana.” — Mihira sy mikalo ao am-ponareo, hira faha 34.

Hevero ho ambony noho ianao ny hafa

8. Amin’ny ahoana moa no hampitomboan’ny fampiharana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Filipiana 2:1-3 ny firaisan-tsaina?

8 Mampitombo ny firaisan-tsaina koa ny fiheverana ny hafa ho ambony noho ny tena. Nanoratra toy izao i Paoly: “Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra.” Mariho fa nanampy toy izao ilay apostoly: “Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” — Filipiana 2:1-3.

9. Inona no dikan’ny hoe tia mifaninana sy ny hoe be hambo ary ahoana no azontsika analavirana ireo fironana ireo?

9 Koa satria tsy mihevitra ny hafa ho ambony noho izy ny olona tia mifaninana, dia manana fomba ratsy ny hila ady sy hifandona amin’ny hafa foana. Mety hiseho amin’ny “fiadian-teny” izany fironana izany. (1 Timoty 6:4.) Marina tokoa fa ny saina ao ambadik’ireo teny ampiasaina sy ny heviny no lehibe indrindra. Koa aoka àry isika tsy ho sarotsarotiny izaitsizy momba izay teny rentsika na vakintsika. Ary raha hevitra samy hafa momba ny zavatra inoana no atolotra antsika? Dia aoka isika hifikitra amim-pahatokiana amin’ireo fampianarana omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45-47.) Raha ny marina dia tamin’izany fomba izany no nianarantsika ny fahamarinana tamin’ny voalohany. Raha manaiky izany isika dia tsy ho be hambo, izany hoe tsy hihevi-tena ho zavatra loatra.

Mianara hanana fiheverana manokana ny hafa

10. Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiharana ny Filipiana 2:4 ao amin’ny kongregasiona?

10 Tsarovy fa namporisika antsika mba ‘tsy samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa’ i Paoly. (Filipiana 2:4.) Inona no dikan’izany? Toy ny mety hanampian’ny fahaiza-mandinika antsika eny amin’ny saha fitoriana, dia toy izany koa fa raha manam-piheverana izay hahasoa ny hafa ao amin’ny kongregasiona isika dia hanome antsika fahafahana hanamafy ny fatoram-pitiavana izay mampiray antsika izany. Ireo loholona indrindra indrindra no manana andraikitra hampiseho fiahiana ireo mpiray finoana aminy, araka ny ambaran’ny ohabolana iray hoe: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao.” (Ohabolana 27:23). Marina aloha fa isika rehetra no afaka sy tokony ho malina amin’ny fandinihana izay ilain’ireo namantsika. — 1 Petera 2:17.

11. Nahoana isika no tokony hihaino amim-pitandremana rehefa miresaka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy?

11 Ny fomba iray hafa koa mety hanamafy ny firaisan-tsaina sy hanatsara ny fananana fiheverana ny hafa dia ny fakàna fotoana hiresahana tsara amin’ireo rahalahinao sy ny anabavinao ara-panahy. Ataovy izay hahafantarana ny ao an-tsainy. Afaka manao izany ianao rehefa mitsidika azy any an-tranony, aloha sy aorian’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ary mandritra ireo fiatoana any amin’ny fivoriambe. Ary henoy amim-pitandremana izay lazainy. Mety hilaza izany fa tsy maintsy hahare ireo fahasahiranana manjo azy ianao, kanefa amin’izany ianao dia mety ho afaka hanampy azy hitondra izay mahavesatra azy ary hahatanteraka ny lalàn’i Kristy amin’izany (Galatiana 6:2). Kanefa, zavatra hafa ambonin’ny firesahana fotsiny amin’ireo rahalahintsika no ilaina mba hiarovana ny firaisan-tsain’ny kongregasiona. Inona moa izany?

Mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa

12. Nahoana isika no tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa?

12 Manatsara ny firaisan-tsaina kristiana koa ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Noho ireo fanerena eo amin’ny fiainana tsy mitsaha-mitombo, dia mila ny mampiseho io toetra io isika rehetra. Aoka isika tsy hieritreritra be loatra izay ao an-tsaintsika ka hanadino ny hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa. Indro misy ohatra iray: Vao tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny rahalahy iray handray anjara amin’ny fivoriana momba ny asa no nanatona azy haingana ny loholona iray hiresaka momba ny fampandrenesana iray tokony hambara. Gaga sady menatra ilay loholona raha nijery azy ilay rahalahy ka nitsiky sy nanao hoe: “Manao ahoana aloha ianao, rahalahy!” Niresaka ny amin’ilay fampandrenesana izy mirahalahy rehefa avy nifampiarahaba tamim-pisakaizana ary rehefa tsy sadaikatra intsony ilay rahalahy hanana anjara. Fianarana toy inona moa no noraisin’ilay loholona tamin’izay! Aza maika loatra àry ka hanadino ny fahalalam-pomba izay mahatonga ny fifaneraserantsika amin’ny hafa hahafinaritra.

13. Hanosika ireo loholona hanao inona moa ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa rehefa mifandray amin’ireo namany kristiana izy ireo?

13 Raha mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ireo loholona dia hahay haneho famindrampo sy toetra tsara hafa. Indraindray izy ireo dia tsy maintsy ho malefaka, “tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany”. (1 Tesaloniana 2:7.) Mitaky faharetana be sy fanohanana feno fitiavana ny fanampiana olona sasany. Ireo izay ‘niala tamin’ny fitiavany voalohany’ dia mety hila ny hamporisihina handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana ary mety hila fanampiana mba hahatsapa fa antomotra ny andro (Apokalypsy 2:4; 2 Timoty 4:2; Hebreo 6:11, 12). Tahaka an’i Paoly, ireo loholona dia manana “fitiavana amim-piraiketam-po” ireo namany kristiana ka mamporisika sy mampionona azy ‘mba handehanany hatrany amin’ny fomba mendrika an’Andriamanitra’. — 1 Tesaloniana 2:8, 11, 12, MN.

14. Porofo inona moa no nomen’i Paoly fa nahay nipetraka teo amin’ny toeran’ny hafa izy?

14 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo loholona i Paoly ny amin’ny fomba fampisehoana fiahiana feno fitiavana ny hahasoa ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. Hoy ny nosoratany: “Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.” Noho izy nanana izany fiahiana izany no nahafahany nanontany toy izao: “Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?” Raha loholona ianao, mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa toy izany ve ianao? — 2 Korintiana 11:28, 29.

Ataovy izay hahazoana ny rahalahinao

15. Rehefa misy zava-manahirana lehibe mitranga eo amin’ny samy kristiana, torohevitr’i Jesosy inona ao amin’ny Matio 18:15 no tokony harahina, ary inona no tokony ho zava-kendrena amin’izany?

15 Mampitombo ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny mpanompon’i Jehovah ny fahaizan’izy ireo mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Amin’ny toe-javatra maningana anefa dia misy tsy fifanarahana mitranga eo amin’izy ireo. Rehefa lehibe ilay raharaha, ireo kristiana dia manaraka ny torohevitr’i Jesosy voatatitra ao amin’ny Matio 18:15-17. Mariho ny dingana voalohany. Tokony hiresaka manokana amin’ny rahalahinao ianao mba ‘hampisehoana azy ny fahadisoany.’ Inona no tokony ho zava-kendrenao amin’izany? Tsy inona fa ny ‘hahazo ny rahalahinao’! Hoy tokoa i Jesosy: “Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.” Mahafinaritra fa amin’ny ankapobeny dia fifampiresahana manokana fotsiny dia ampy mba hampiverenana ny fiadanana eo aminao sy ilay mpanompon’i Jehovah hafa namanao.

16. Inona moa no tokony hataonao raha hitanao fa manana alahelo aminao ny rahalahinao?

16 Raha mahamarika ianao fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia araho ny torohevitr’i Jesosy ka “ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao”. (Matio 5:24.) Resaho amin’ny fomba milamina sy feno hatsaram-panahy ilay zava-manahirana, ka samia miezaka hahatakatra ny fomba fijerin’ilay iray. Amin’izany fomba izany, matetika ilay raharaha dia azo alamina ary azo hazonina ny fiadanan’ny kongregasiona.

Ataovy izay hahazoana ireo tsy mino

17, 18. Torohevitra inona moa no nomen’i Petera ireo vehivavy kristiana manambady miaina ao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana?

17 Ny iray amin’ireo tarehin-javatra izay maha-sarotra indrindra ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana. Kristiana maro no manao fiezahana mafy amim-pahatokiana na dia eo aza ireo fanerena sy fahasahiranana ateraky ny tsy fisian’ny firaisan-tsaina ara-panahy ao amin’ny fianakaviany. Ahoana no azo anampiana azy ireny?

18 Koa satria ireo loholona mampiseho fiheverana manokana ny hafa, dia faly izy ireo manome fanampiana ara-panahy an’ireo miaina ao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana. Afaka misarika indray ny sain’ireo vehivavy kristiana miaina ao amin’ny toe-javatra toy izany izy, ohatra, ho amin’ny torohevitra nomen’i Petera azy ireo. Nilaza izy fa tokony hanaiky ny vadiny izy ireo, na dia tsy mino sy “tsy manaiky ny teny” aza izy. Nahoana izy ireo no tokony hanaiky ny vadiny? “Mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy”. (1 Petera 3:1.) Misy vokany ve anefa ny fampiharana io torohevitra io?

19. Manomeza ohatra mampiseho fa mahasoa ny fampiharana ny 1 Petera 3:1.

19 Ny vehivavy kristiana iray atao hoe Vera dia niaiky fa tamin’ny fotoana nahatongavany ho kristiana, dia tsy nitsahatra niresaka ny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny vadiny izy, hany ka leo io tamin’ny farany. “Nanaraka ny torohevitra ara-baiboly nomen’ny loholona iray aho,” hoy ny nanampiny, “ary nanapa-kevitra fa tsaratsara kokoa ny mampiseho fahaiza-mandanjalanja ka miandry ny fisehoan’ny tarehin-javatra mety.” Tamin’ny ankapobeny i Vera dia nampihatra ny 1 Petera 3:1, na dia nanao dingana sasany aza izy mba hampiresahana an’i Barry vadiny, momba ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Nilaza toy izao ny vadiny tatỳ aoriana: “Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nahita Réveillez-vous! (gazety naman’ny Ny Tilikambo Fiambenana) tamin’ny toerana tsy nahazatra eran’ny trano aho. Nisy lahatsoratra azo ampiharina ary indraindray talohan’ny nisehoan’izany tamin’ny fampielezam-baovao, tao amin’izy ireny.” Ho vokatr’izany, taorian’ireo 20 taona nisian’ny tsy fifanarahana teo amin’izy roa, i Barry sy Vera izao dia sambatra fa tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

20. Fanampiana inona moa no azon’ireo loholona omena ireo lehilahy kristiana manambady ao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana?

20 Mety hiatrika fahasahiranana lehibe tokoa ny lehilahy mino iray raha manohitra ny kristianisma marina ny vadiny ka mitaona ny zanany tsy hanaraka azy. Ho fiheverana manokana izany lehilahy izany, ireo loholona dia afaka manintona ny sainy ho amin’ny fotopoto-pitsipika mahasoa ao amin’ny Baiboly. Afaka mampahatsiahy azy izy ireo, ohatra, fa na dia manohitra aza ny vadiny, dia izy no loham-pianakaviana ary tokony hanome fampianarana ara-baiboly ireo zanany izy (Efesiana 6:4). Afaka mamporisika azy izy ireo mba hitoetra hiaraka amin’ny vadiny “araka ny fahalalana”, ka hiseho ho liana ny amin’izay zavatra ataony ary hanampy azy amin’ny raharaha ao an-trano sy ny fikarakarana ny ankizy (1 Petera 3:7, MN ). Ambonin’ny zavatra rehetra ny lehilahy mino manambady sady raim-pianakaviana dia tokony hamporisihina mba hihazona ny fifampiresahana ho malalaka mba hahafantarany izay ao am-pon’ny tsirairay avy ao amin’ny fianakaviany. Afaka mamporisika azy koa ireo loholona mba hiezaka hanampy ny vadiny amin’ny alalan’ny teny “mamy sira”, amin’ny firesahana ny amin’ny fahamarinana amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ny fotoana mety. — Kolosiana 4:6.

21. Amin’ny fomba ahoana moa no mety hanampiana ny vady tsy minon’ny lehilahy kristiana iray mba ho liana amin’ny fahamarinana?

21 Ny fampisehoana fiheverana amin’ny mpianakavin’ireo kristiana ao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana matetika dia miteraka fahalianana ho amin’ny hafatr’ilay Fanjakana. Indro misy ohatra: Kivy ny lehilahy kristiana iray satria nanohitra azy mafy ny vadiny nandritra ny taona maromaro. Nanolo-kevitra ny hitsidika azy sy hanampy azy amin’ny fandinihana ny Baiboly ny loholona iray. Rehefa tonga tany aminy ilay loholona dia niarahaba ny vadiny tsy nisy fihafahafana ka nanontany azy hoe: “Ho tianao ve ny hiaraka aminay eto?” Nanohina ny fon’ilay ramatoa tokoa izany fanasana natao tamim-pisakaizana izany ka faly izy nanaiky hifampiresaka tamin’izy ireo. Tsy ela izy dia nanaiky ny fahamarinana ary nanomboka nitory tamin’ny hafa.

22. Nahoana isika no tokony hifampiseho fiheverana manokana ny hafa?

22 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika àry dia aoka isika “hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara”. (1 Korintiana 9:23, MN.) Eny tokoa, “araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. (Galatiana 6:10.) Enga anie isika ka hifampiseho fiheverana manokana mba hiroboroboan’ny fitiavana ao amin’ny fianakaviana iraisam-pirenena misy antsika.

Inona no havalinao?

Noho ny antony inona indrindra no tokony hananantsika fiheverana ny hafa?

Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mianatra mampiseho fiheverana manokana ireo mpiray finoana amintsika?

Inona no azon’ireo loholona atao mba hahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa?

Inona no mety ho vokatry ny fampisehoantsika fiheverana manokana ireo tsy mino?

[Sary, pejy 16, 17]

Toy ny fiasana tsirairay namboarina mba hanao asa manokana iray, dia toy izany koa fa ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana dia afaka mampiasa ny fahaizany nomen’Andriamanitra azy mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.

[Sary, pejy 17]

Mba hahafahana mampitombo ny firaisan-tsaina kristiana, dia aoka isika hampiseho fiheverana manokana ny hafa.

[Sary, pejy 18]

Namela ohatra tsara ho an’ireo loholona i Paoly ny amin’ny fanehoana fiahiana feno fitiavana ireo mpino namany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara