Aoka isika haneho fiheverana manokana ny hafa
1 Miharihary ny halehiben’ny fiheveran’i Jehovah ny hafa. Moa ve izy tsy nanome tamin-pahalalahan-tanana ireo zavatra ara-nofo ilain’ny zavaboariny? (Gen.1:29, 30; 2:16, 17; Matio 5:45; ampitahao amin’ny Lioka 6:35.) Mbola zava-dehibe kokoa, moa ve izy tsy naneho fiheverana manokana antsika tamin’ny fanaovana izay hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana? — Jaona 3:16.
2 Fony tety an-tany i Jesosy, dia nanahaka ny ohatra tonga lafatry ny Rainy izy, tamin’ny fanehoana fiheverana manokana ny hafa. (Matio 11:28-30; 1 Pet. 2:21) Rehefa nilaza tamin’i Jesosy ny lehilahy iray feno habokana hoe: “Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” dia namaly i Jesosy hoe: “Mety Aho” ary dia nositraniny ilay lehilahy. (Matio 8:2, 3) Rehefa mby teo akaikin’ny tanànan’i Naina i Jesosy, dia nifanena tamin’ny laharana mpandevina nilanja zazalahy iray, zanaka lahitokan’ny reny mpitondratena iray; nohetsehin’ny fangoraham-po i Jesosy ka namerina ilay zatovo tamin’ny fiainana. (Lioka 7:11-15) Tsy niandry fiangaviana i Jesosy fa naneho fiheverana manokana ny hafa. Na dia ny ankizy kely aza dia noheveriny ho mendrika ny handaniany ny fotoanany sy ny fiheverany, ary tsy sahirana loatra mihitsy izy mba hampionona sy hampahery ny hafa. — Matio 20:31-34; Marka 10:13-16.
FIANAKAVIANA SY IREO NAMANA
3 Tokony hiezaka hanahaka an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy isika amin’ny fitadiavana ireo fomba hanehoana fiheverana manokana ny hafa. Noho izany, aoka isika handinika toe-javatra sasantsasany hahafahana hanatanteraka izany.
4 Iray amin’ireo zava-dehibe indrindra ilaina, ho an’ireo rahalahy, dia ny manolotra fiheverana manokana marina ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviany ary tsy manao tsirambina ny fiainana ara-panahin’ny fianakaviana. Tafiditra amin’izany ny fiaraha-mianatra tsy tapaka amin’ny fianakaviana. Eo amin’ny fianaram-pianakavianao, moa ve ianao mihevitra ny zavatra ilaina amin’ny fomba toy izany, izay tena mahaliana sy azo ampiharina? Moa ve ianao manaraka tanteraka izany koa amin’ny fiasana tsy tapaka eny amin’ny saha fitoriana miaraka amin’ny tsirairay avy amin’ny ankohonanao? Rehefa manao izany ianao, dia fotoam-pifaliana tokoa ve izany? Moa ve ianao mamboly ao amin’ireo zanakao ny faniriana hanampy ny olon-kafa, toy ny fanehoana fitiavana kristiana amin’ny mpifanolobodirindrina? Raha manambady ianao ary tsy misy ankizy ao an-trano, moa ve ianao na dia izany aza manana fianaram-pianakaviana?
5 Hirintsika ny hanolotra fanampiana ara-panahy ho an’ny olona rehetra araka izay azontsika atao. Kanefa noho ny fahabetsahan’ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana, moa ve hadinontsika ny maneho fiheverana manokana an’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izay manan-javatra tena ilaina manokana? (Ohab. 3:27; Gal. 6:10) Ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia misy ireo zaza tsy manan-dray, olona be taona, mpitondratena, sembana ara-batana, ketraka, malemy, ary olona hafa izay mila fanampiana manokana. Amin’ny fanahafana an’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy, isika dia tsy tokony hanao tsirambina ny fanehoana fiheverana manokana an’ireo rahalahy sy anabavintsika rehetra. — 1 Kor. 10:24; Fil. 2:4; Heb. 13:16.
OLONA TOY NY ONDRY ENY AM-PITORIANA
6 Ahoana no azontsika anehoana fiheverana manokana ireo olona efa manana fampianarana Baiboly any an-trano? Maro amin’izy ireo no hita fa mila manapaka ny fifandraisana amin’ireo olon’izao tontolo izao. Na dia sahirana aza isika, moa ve isika maneho fiheverana manokana ny mpianatra toy izany ary manao izay hahatsapan’ireo nanao fiovana fifaliana amin’ny maha-namantsika vaovao azy? Moa ve isika loharanom-pampaherezana ho azy ireo na dia tsy isika aza no olona miara-mianatra amin’izy ireo? — Ampitahao amin’ny Marka 10:28-30.
7 Azonao atao ve ny mandray anjara lehibe kokoa amin’ny fanehoana fiheverana manokana amim-pahatsorana ireo olona izay maniry ny hihaino ny vaovao tsara? Moa ve ianao hiezaka mba hanampy azy ireo hahazo ireo zavatra ilainy ara-panahy? Ny tenanao manokana, inona no azonao atao mba handraisana anjara lehibe kokoa eny amin’ny saha fitoriana? Aza mangataka andro raha toa ianao amin’izao fotoana izao ka afaka mandray anjara amin’ny fomba feno kokoa. — Lioka 9:60-62.
8 Tsy maintsy manahaka an’i Jehovah sy i Jesosy isika amin’ny fanehoana fiheverana manokana ny hafa. Ilaintsika ny ho be fangoraham-po sy hanolotra fanampiana, toy ny nataon’i Jesosy tamin’ilay lehilahy feno habokana. Eny, tsy maintsy mailaka mandrakariva isika mba hahitana ny fomba hahazoantsika maneho fiheverana manokana ny hafa.