FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 30 p. 186-p. 189 feh. 4
  • Fiheverana ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiheverana ny Hafa
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika haneho fiheverana manokana ny hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Manàna fiheverana manokana ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fiezahana Hanohina ny Fo
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 30 p. 186-p. 189 feh. 4

LESONA 30

Fiheverana ny Hafa

Inona no ilainao hatao?

Mampiseho fa miahy ny amin’izay heverin’ny hafa sy izay hahasoa azy.

Nahoana izany no tena ilaina?

Fomba iray anahafana ny fitiavan’i Jehovah izany, ary mety hanampy antsika hanohina ny fon’ny olona.

TSY fahalalana ara-tsaina fotsiny no omentsika ny hafa rehefa milaza aminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, fa tsy maintsy manohina ny fony koa isika. Manao izany isika, rehefa tena mihevitra azy manokana tokoa. Fomba isan-karazany no azontsika anehoana izany.

Hevero ny fomba fihevitry ny mpihaino. Nihevitra ny toe-piainana niavian’ny mpihaino azy sy ny fomba fisainany, ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna; tamin’izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.” (1 Kor. 9:20-23) Ahoana no ataontsika mba ‘ho tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’?

Mety hahafanta-javatra momba ny olona iray, na izay mahaliana azy ianao, raha afaka mandinika azy alohan’ny hitenenanao, na dia vetivety fotsiny aza. Misy zavatra amantaranao ny asany ve? Na ny fivavahany? Na ny fianakaviany? Azonao ovana hifanaraka amin’izay hitanao ve ny fitorianao mba hanintona kokoa ny mpihaino anao?

Mila mieritreritra mialoha ny fomba hanatonanao ny olona eo amin’ny faritaninao ianao, mba hahatonga ny fitorianao hanintona azy. Any amin’ny toerana sasany, dia ilaina hoeritreretina koa ireo vahiny avy any an-tany hafa. Raha misy vahiny ao amin’ny faritaninao, moa ve ianao efa nahita ny fomba mandaitra hitoriana aminy? Ataovy manintona an’izay rehetra hitanao ny hafatra momba ilay Fanjakana satria tian’Andriamanitra ‘hovonjena ny olona rehetra, ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’—1 Tim. 2:4.

Mihainoa tsara. Mbola mihaino ny hafa ihany i Jehovah na dia efa fantany aza ny zava-drehetra. Nahita an’i Jehovah nampirisika ireo anjely samy hilaza ny heviny momba ny raharaha iray, i Mikaia mpaminany, tao amin’ny fahitana iray. Navelan’Andriamanitra hanatanteraka ny soso-keviny, avy eo, ny anjely iray. (1 Mpanj. 22:19-22) Navelan’i Jehovah hiteny koa i Abrahama rehefa nilaza ny fanahiany momba ny fampiharana didim-pitsarana tamin’i Sodoma. (Gen. 18:23-33) Ahoana no hanahafantsika izany ohatr’i Jehovah izany eo amin’ny fanompoantsika?

Ampirisiho ny hafa hilaza ny heviny. Mametraha fanontaniana mety tsara, ary andraso izy hamaly, ka henoy. Tsy hisalasala hiteny izy, rehefa mahita ny fiheveranao azy toy izany. Raha tsikaritrao izay mahaliana azy, dia mametraha fanontaniana hafa amim-pahaiza-mandanjalanja. Miezaha hahalala azy bebe kokoa, nefa aza mitady hiditra amin’ny fiainany manokana. Derao amim-pahatsorana izy noho ny heviny, raha mety. Ary raha tsy mitovy hevitra aminy ianao, dia isaory amin-katsaram-panahy ihany izy noho ny teniny.—Kol. 4:6.

Mila mitandrina anefa isika, sao mihoatra ny tokony ho izy ny fahalianantsika amin’ny olon-kafa. Tsy manome lalana antsika hitsofoka amin’ny fiainany manokana ny fiahiantsika azy. (1 Pet. 4:15) Mila mitandrina koa isika sao diso fandray ny hatsaram-panahy asehontsika ilay lehilahy iresahantsika, raha vehivavy isika, na ilay vehivavy iresahantsika, raha lehilahy isika. Mila mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety isika rehefa mihevitra ny hafa, satria tsy mitovy izany, arakaraka ny tany, na arakaraka ny olona mihitsy aza.—Lioka 6:31.

Hanampy antsika hahay hihaino ny fanaovana fanomanana. Rehefa mazava ao an-tsaintsika tokoa ny hafatra entintsika, dia ho tony isika ka hihaino tsara izay lazain’ny hafa. Hahatonga azy tsy ho saikatsaikatra sy ho vonona hiresaka kokoa izany.

Manome voninahitra ny hafa isika, rehefa mihaino azy. (Rom. 12:10) Asehontsika amin’izany koa fa ankasitrahantsika ny heviny sy ny fihetseham-pony. Mety hahatonga azy ireo hihaino kokoa izay holazaintsika mihitsy aza izany. Rariny àry, raha manoro hevitra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba “halady hihaino, ho malai-miteny.”—Jak. 1:19.

Ampio ny hafa handroso. Mieritreritra an’ireo olona liana koa isika, ka miverina mitsidika azy ireo, mba hilazana aminy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay mahakasika azy mivantana. Alohan’ny hiverenana any aminy, dia eritrereto indray izay efa fantatrao momba azy avy tamin’ny fitsidihana teo aloha. Manomàna zavatra momba ny foto-kevitra iray mahaliana azy. Asongadino fa misy vokany tsara ilay izy rehefa ampiharina, ka ho hitany amin’izay ny soa ho azony avy amin’izay ianarany.—Isaia 48:17.

Raha lazain’ilay olona aminao ny zava-manahirana mampanahy azy mafy, dia hararaoty izany mba hanambarana aminy ny vaovao tsara. Araho ny ohatr’i Jesosy, izay vonona foana hampionona ny ory. (Marka 6:31-34) Aza maika hanome vahaolana, na torohevitra ambangovangony, satria mety hihevitra ilay olona fa tsy tena miahy azy ianao. Asehoy kosa fa miara-ory aminy ianao. (1 Pet. 3:8) Avy eo dia manaova fikarohana, ary omeo fanazavana mampahery miorina amin’ny Baiboly ilay olona, mba hamahany ilay olana. Raha miahy sy manam-pitiavana azy ianao, dia tsy hilazalaza amin’ny hafa ny tsiambaratelo naborany taminao, raha tsy hoe misy antony tsara hanaovana izany angaha.—Ohab. 25:9.

Ireo ampianarintsika ny Baiboly indrindra no tokony hoheverintsika manokana. Lazao ao amin’ny vavaka ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay, ka tadidio izany rehefa manomana ilay fianarana ianao. Manontania tena hoe: ‘Inona no ilainy hatao manaraka, mba handrosoany ara-panahy?’ Ampio amim-pitiavana izy hahatakatra izay lazain’ny Baiboly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ momba ilay raharaha. (Matio 24:45) Mety ho tsy ampy anefa indraindray ny manome fanazavana fotsiny. Asehoy aminy ny fomba fampiharana ny toro lalana ara-baiboly iray, ka tena miaraha manao ilay izy aminy mihitsy.—Jaona 13:1-15.

Mahaiza mandanjalanja sy mitsara zavatra, rehefa manampy ny hafa hampifanaraka ny fiainany amin’ny zavatra takin’i Jehovah. Samy hafa ny toe-piainana niavian’ny olona sy ny fahaizany ary ny hafainganan’ny fandrosoana ataony. Aza manantena zavatra tafahoatra avy amin’ny hafa. (Fil. 4:5) Aza terena koa izy hanova ny fiainany. Aoka ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny no hanosika azy. Tian’i Jehovah hanompo azy an-tsitrapo ny olona, fa tsy an-tery. (Sal. 110:3) Aza milaza ny hevitrao manokana rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy ataony, ary aza manapa-kevitra eo amin’ny toerany, na dia angatahiny hanao izany aza ianao.—Gal. 6:5.

Manaova zavatra mba hanampiana ilay olona. Izay hahasoa ara-panahy an’ireo nihaino azy no tena nahin’i Jesosy, nefa hitany koa ireo zavatra hafa nilain’izy ireo. (Matio 15:32) Misy fomba maro azontsika anampiana ny hafa na dia tsy manam-bola aza isika.

Ho be fiheverana isika rehefa liana amin’ny hafa. Raha ratsy, ohatra, ny andro ka voahelingelina ilay iresahanao, dia mifindrà toerana any amin’izay ahafahana miresaka tsara kokoa, na mifanaova fotoana hafa. Raha tsy mety amin’ilay olona ny fotoana itsidihanao, dia lazao fa hiverina amin’ny fotoana hafa ianao. Raha marary na any amin’ny hopitaly ny mpifanila trano aminao na ny olona liana iray, dia vangio izy, na andefaso taratasy kely. Manaova sakafo tsotra ho azy, raha mety, na manaova zavatra hafa amin-katsaram-panahy.

Rehefa mihamandroso ny mpianatra ny Baiboly, dia mety hahatsiaro tena ho irery izy, satria tsy dia miaraka amin’ny namany taloha intsony. Ataovy namanao izy. Makà fotoana hiresahana aminy, aorian’ny fianarana Baiboly na amin’ny fotoana hafa. Ampirisiho izy hanana namana tsara. (Ohab. 13:20) Ampio izy hanatrika ny fivoriana kristianina. Miaraha mipetraka aminy rehefa any, ary ampio izy hikarakara ny zanany, mba samy handray soa amin’ny fandaharana ny rehetra.

Manehoa fiheverana amim-pahatsorana. Tsy ny fanarahana fitsipika aman-dalàna akory no ahaizana maneho fiheverana ny hafa, fa ny fananana toetra tsara ao am-po. Miseho amin’ny fomba maro ny halalin’ny fiheverantsika ny hafa. Ahitana azy io ny fomba fihainontsika sy ny teny lazaintsika. Hita koa izy io rehefa tsara fanahy sy be fiheverana ny hafa isika. Na tsy miteny sy tsy manao na inona na inona aza isika, dia miseho eo amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika izy io. Ho hitan’ny hafa foana raha tena miahy azy tokoa isika.

Ny hanahaka ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Raintsika any an-danitra no antony lehibe indrindra iheverantsika amim-pahatsorana ny hafa. Manintona ny mpihaino ho amin’i Jehovah sy ny hafatra asainy aelintsika izany. Miezaha àry ‘tsy hihevitra ny anao ihany, fa ny an’ny namanao koa’ rehefa mampiely ny vaovao tsara.—Fil. 2:4.

NY FOMBA ANEHOANA FIHEVERANA AVY AMIN’NY FO

  • Henoy ilay olona rehefa miteny. Isaory izy fa nilaza ny heviny sy ny fihetseham-pony. Mametraha fanontaniana mba hazava kokoa aminao ny fomba fisainany.

  • Eritrereto ilay olona, aorian’ny nifampiresahanareo. Tsidiho haingana izy.

  • Zavatra avy ao amin’ny Baiboly mahakasika azy mivantana resahina.

  • Manaova zavatra mba hanampiana azy. Hevero izay ilainy izao sy any aoriana.

FANAZARAN-TENA: 1) Alohan’ny fivoriana: Anehoy fiheverana manokana ny olona iray efa tonga. Aza mianina amin’ny fiarahabana azy fotsiny. Fantaro tsara kokoa izy, ary asehoy fa mihevitra azy ianao. Ataovy tsy tapaka izany. 2) Eny am-pitoriana: Anehoy fiheverana manokana ny olona iray hitanao. Aza mianina amin’ny fitoriana aminy fotsiny. Fantaro ilay olona. Ampifanaraho amin’izay fantatrao momba azy ny teninao sy ny ataonao. Mitadiava fahafahana hanao izany imbetsaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara