FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/3 p. 28-30
  • Nianika ny tendrombohitra tsara indrindra aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nianika ny tendrombohitra tsara indrindra aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Sady kivy aho no diso fanantenana
  • Fianarana Baiboly
  • Fanaovana fanambarana amin’ny hafa
  • Tendrombohitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • ‘Be Voninahitra Noho ny Tendrombohitra Ianao’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nanome hery ahy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nasandratra ny Tranon’i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/3 p. 28-30

Nianika ny tendrombohitra tsara indrindra aho

TERAKA sy lehibe tao amin’ny tanàna kely iray any amin’ireo tendrombohitr’i Eoropa atsinanana aho. Katolika romana ireo ray aman-dreniko, nefa tsy mba nitondra ahy ho any am-piangonana izy ireo, ary na tao an-trano aza dia tsy mba niaraka nivavaka izahay na niresaka momba ny fivavahana. Tahaka ireo zatovo maro hafa àry dia nandany ny fotoanako sy ny heriko tamin’ny fanatanjahan-tena, fianarana ary fitsangantsanganana aho.

Tao an-tanànanay dia nisy antokona mpianika tendrombohitra tena narisika notarihin’ny lehilahy iray be hatsaram-po sy ampy fanandraman-javatra izay nahalala betsaka momba ny tendrombohitra. Izy no nahatonga ahy ho tena kinga tamin’ny fianihana tendrombohitra. 18 taona aho tamin’izay, ary vetivety dia nahatsapa fa tia ny hakanton’ny faritra taza-maso avy eny an-tampon’ny tendrombohitra avo, ny fahatairana amin’ny fiatrehana sy ny fialana amin’ny toe-javatra mampidi-doza, ary ny fisakaizana amin’ny hafa izay nifanampy tamin’ny loza toy izany.

Tsaroako ny fotoana iray taorian’ny niarahako tamin’io antoko io nandritra ny dimy taona. Teo am-pianihana ny tendrombohitra iray mora iakarana aho, ary nampihena ny fitandremako tamin’ny fotoana nahatrarako ny tampony indrindra. Rehefa nanakaiky ny tendron’ilay harambato aho dia nanomboka nisaratsaraka ilay izy. Afaka nitsambikina teo akaiky teo aho ary niantso mba hampitandremana ny mpianika iray nanaraka ahy. Notapahin’ny vato iray nianjera ny tady nampifandray anay, ary nianjera aho. Soa ihany fa voasakan’ny lemaka kely misy ahi-maitso teo amin’ny 4 metatra tetỳ ambany ny fianjerako. Tsy miafara tsara tahaka izany foana anefa ny zavatra rehetra amin’io fanatanjahan-tena iray io!

Teo amin’ny faha-24 taonako aho no nahazo ny diplaomako avy amin’ny oniversite ary niandraikitra ny fitarihana an’io antokona mpianika tendrombohitra kely io tao an-tanànanay. Tsy ela taorian’izay dia nahangom-bola izahay mba hividianana fiara fitaterana kely ho azonay andehanana sy itondrana ny fitaovanay any amin’ireo tendrombohitra lavitra kokoa. Ratsy be anefa ilay fiara ary nandany telo volana aho hanamboarana azy andro aman’alina. Rehefa tomombana izany dia nitady asa nampidi-doza izay tsara karama teny amin’ny manodidina izahay rehetra, toy ny asa fanorenana eny amin’ny toerana ambony, ary tamin’izany fomba izany tamin’ny farany no nahangonanay vola ampy mba handehanana any Iran. Tany, tamin’ny 1974, no niakaranay tendrombohitra misy volkano iray 5671 metatra, antsoina hoe Damavand. Raha nanomboka mora ny fianihana ka tonga teo an-tampony izahay dia nisetra orampanala matevina, tsy fahampian-drivotra noho ny haavon’ny toerana ary ny setroka manempotra avy tamin’ny fidonaky ny volkano.

Teny an-dalana hody, tao anaty fiara, dia nikasa ny hianika ny Tendrombohitra Ararata izahay saingy nofoananay izany noho ny fihenjanana ara-politika. Nandeha nanao “ski” tany Alpa aotrisiana izahay tamin’ny 1975, ary tamin’io fotoana io ihany no namoronanay fifaninanam-pirenena iray momba ny sary, izay nampitondrainay anarana hoe “Ny olona sy ny tendrombohitra.” Mbola atao isan-taona izany fifaninanana izany. Tsapanay rehetra fa feno sady nahafa-po ny fiainanay.

Sady kivy aho no diso fanantenana

Rehefa feno 30 taona anefa aho dia nanomboka ho leon’ny fianihana tendrombohitra ary nanao hoe: ‘Izao marina ve no atao hoe miaina?’ Nampirisika ahy hanambady ny sasany, saingy nanana namana manambady aho, ary toa tsy tena sambatra izy ireo. Na dia ireo mpivady nanorina ny fitiavany tao amin’ny loza sy ny fahatairana amin’ny fianihana tendrombohitra aza dia toa namoy ny fahasambaran’izy ireo rehefa niatrika ny zava-misy andavanandro. Tsy fantatro ny antony tsy nahasambatra ny fanambadian’izy ireo, nefa na dia ta-hanambady aza aho dia tsy tiako ny tsy ho sambatra toa azy ireo.

Ambonin’izany, dia nahamarika fiovana teo amin’ireo zatovo nandeha nianika tendrombohitra aho. Teo aloha dia teo foana ny toe-tsaina tia lalàm-pifehezana, fiaraha-miasa ary fisakaizana rehefa tany amin’ny toby natao ho an’ny mpianika ny tendrombohitra tany Alpa. Ankehitriny ireo tanora sy zatovolahy tsy mbola ampy fanandraman-javatra dia tsy manara-dalàna ary tsy afa-po amin’ny fanaovana fandrosoana miandalana. Tia ny nisehoseho izy ireo ary nanao fianihana sarotra loatra sy nampidi-doza loatra ho azy. Nihakivy hatrany aho ka nanao fifanakalozan-kevitra lalina sy naharitra tamin’i Bonjo sakaizako. Tamin’ny farany izy dia nanoro hevitra ahy hiresaka tamin’ny mpianika namanay iray, dia i Henry.

Nampindrana boky iray, Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, ahy i Henry, ary teo am-pamakiana izany dia talanjona aho nahita ny fomba nanazavany ireo fanontaniana noeritreretiko tao am-poko. Hay i Henry io niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary dia nanontaniako izy raha azoko natao ny nandray anjara tamin’izany. Nanaiky izy ary nilofo tamin’ny fianarana lalina ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly sasany izay azoko nananana aho, nandritra ny roa taona.

Fianarana Baiboly

Nahatsapa fifaliana nitombo aho rehefa nihalalina ny fahalalako. Fahalalana ankapobeny fotsiny momba ny fivavahana katolika romana no nananako, nefa dia gaga aho tamin’ny fahitana fa hay ny kristianisma ao amin’ny Baiboly dia tsy mitoky amin’ireo fombafombam-pivavahana, lovantsofina ary finoanoam-poana. Izy io kosa dia mirakitra fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ambony momba ny fomba fiainan’ny kristiana manontolo. Ambonin’izany, dia gaga aho raha nahita fa tena araka ny fandrindran-kevitra ny Baiboly ary tsy mifanipaka amin’ireo foto-kevitry ny siansa marim-pototra.

Tsy nanery anay hanova ny fomba fiheveranay na ny fomba fiainanay ilay Vavolombelona niara-nanao fifanakalozan-kevitra taminay sy Henry. Nohazavainy tsara fotsiny izay nambaran’ny Baiboly. Noho izany dia nanohy nanao fianihana tendrombohitra ihany aho nandritra an’io roa taona voalohany nianarako Baiboly io. Rehefa nihanitombo anefa ny fahalalako dia nanjary tsapako fa nitovy tamin’ny fahazaran-dratsy mampiasa zavatra mahadomelina no fiheverako ny fianihana tendrombohitra. Ilay loza tamin’ny fianjeran’ny vato àry dia nampahatsiahy ahy ity tenin’i Jesosy tamin’i Satana ity, fony satana nihaika azy mba hianjera avy eny an-tampon’ny tempoly: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Matio 4:5-7). Tsapako fa io asa io dia mampiseho tsy fanajana ny aina izay nomen’i Jehovah ahy.

Nafindrako tamin’ny mpianika ampy fanandraman-javatra hafa iray àry ny fiandraiketana ilay antokona mpianika nisy anay ary tsapako fa tsy sarotra ny niala tamin’ny fianihana tendrombohitra ho amin’ny kristianisma. Rehefa nizara na nivarotra ny fitaovako rehetra aho — “ski”, vy fampiasa amin’ny fianihana, basy fohy, fantanana, faraingo, ary famakiana ranomandry — dia afaka milaza amim-pahatsorana izay nolazain’ny apostoly Paoly, fa ankehitriny ireny amiko dia tena “taimboraka” (Filipiana 3:8). Nahatsapa fifaliana lalina aho rehefa afaka nanao ny asa lehibe atao ho fiderana ny anaran’Andriamanitra ampahibemaso. Tamin’ny 1977, izahay sy i Henry dia niara-nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano.

Fanaovana fanambarana amin’ny hafa

Tamin’izany fotoana izany dia nisy mpikambana tao amin’ny antokon’ny mpianika tendrombohitra teo amin’ny 15 tao an-tanànanay, ary nitory tsikelikely tamin’izy rehetra izahay sy i Henry. Toy inona moa ny hafaliana rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly ny rahalahiko, mpikambana tao koa, niaraka tamin’ny vadiny, ary vita batisa tamin’ny 1981! Tsy ela taorian’izay dia nanampy anay i Bonjo ary ny namana iray hafa koa, izay tonga ny fahadimy izao avy tao amin’ny fikambanan’ny mpianika nisy anay. Tsy nila ny hianika tendrombohitra avo intsony izahay. Ny fahafinaretanay lehibe indrindra dia ny nitsidika mponina any amin’ny lohasaha izay tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Noraisin’ny reniko tamim-pifaliana tokoa izany fiovana izany, satria natahotra be foana izy nahare anay mirahalahy handeha hianika tendrombohitra. Tatỳ aoriana koa izy dia nanaraka anay ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah.

Tsy maimaika intsony izao ny faniriako hanambady. Noho ny Tenin’Andriamanitra dia nahalala ireo fotopoto-pitsipika izay afaka nanampy ahy hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadiana aho, nefa sambatra aho izao tamin’ny naha-mpitovo ka afaka nanompo an’i Jehovah tsy nivezivezy saina. Hoy ny nambaran’i Solomona: “Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah.” (Ohabolana 18:22; 19:14). Noho izany dia tapa-kevitra aho ny hiandry amim-paharetana an’i Jehovah mba hanolotra ho ahy an’io fanomezana io, ary ny hiaina amin’ny fomba hahatonga ho vady mendrika rehefa tonga izany. Tamin’ny 1982 no nanomezan’i Jehovah ahy ilay fanomezana tsara dia tsara, dia vady tsara.

Mbola monina any an-tendrombohitra ihany izahay mivady, ary mbola izany ihany aho. Ny zava-dehibe indrindra aminay anefa izao dia ny hanampy olona hianika tendrombohitra hafa iray. Tendrombohitra inona izany? Dia ilay voasoratra toy izao ao amin’ny faminanian’Isaia: “Ary izao no ho tonga any am-parany: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” (Isaia 2:2, 3). Endrey ny hafaliana afaka miakatra amin’izany, dia ny tendrombohitra tsara indrindra! — Avy amin’ny iray amin’ireo mpamaky.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara