Fampihanjahanjana “ilay lehilahin’ota”
“Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” − APOKALYPSY 18:4.
1, 2. a) Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mahafantatra ilay lehilahin’ota? b) Inona moa no fihevitr’Andriamanitra momba ireo mihambo ho manompo azy nefa meloka ho nandatsa-dra (Matio 7:21-23)?
NAMINANY ny amin’ny fahatongavan’ny “lehilahin’ota” iray ny Tenin’Andriamanitra. Naminany koa izy fa io tsy mpankatò lalàna io dia ‘holevonin’ilay mpanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra any an-danitra, dia i Kristy Jesosy, ary hofoanany’. (2 Tesaloniana 2:3-8). Araka ny nasehon’ireo lahatsoratra teo aloha, io lehilahin’ota io dia ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ela be izay, dia navelany ireo fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ary noraisiny ny fampianaran’ny mpanompo sampy, toy ny Trinite, ny afobe, ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Ho fanampin’izany, izy ireo dia nanao asa nifanipaka tamin’ny lalàn’Andriamanitra. Tahaka ireo izay nampitandreman’i Paoly an’i Titosy, izy ireo dia “manaiky fa mahalala an’Andriamanitra (...), nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” — Titosy 1:16.
2 Hoy i Jesosy hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy.” Ny mpaminany sandoka dia mamoa “voa ratsy”. (Matio 7:15-17.) Porofon’ny voa ratsy entin’ny klerjy ny fandatsahan-dra be dia be nataony. Nandritra ny taonjato maro izy dia nanohana ireo kroazada, ireo “inquisitions”, ary ireo ady izay nandatsahana ran’olona an-tapitrisany maro. Nivavaka ho an’ny andaniny sy ny ankilany teo amin’ny ady nifamonoan’ny mpiray finoana izy ireo ary nitsodrano izany. Mifanohitra amin’izany kosa, ny apostoly Paoly dia afaka niteny hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho.” (Asan’ny apostoly 20:26, MN ). Tsy mba toy izany anefa ny klerjy. Izao no lazain’Andriamanitra aminy: “Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.” — Isaia 1:15.
3. Toe-javatra hitranga maneran-tany inona avy no mihamanakaiky?
3 Mihamanatona haingana dia haingana ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ilay lehilahin’ota. Tsy ho ela, araka ny faminanian’i Jesosy, dia “hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21.) Io fotoam-pahoriana tsy mbola hisy toa azy io dia hanomboka amin’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay mahafaoka ireo finoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny fandehan-javatra ara-politika dia “hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Apokalypsy 7:16.) Ny fahoriana lehibe dia hifarana amin’ny fandringanana ny sisa amin’ny fandehan-javatr’i Satana ao Haramagedona, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21.
Manana adidy ny ho tia ny namantsika isika
4. Inona no tsy maintsy tadidin’ireo izay manompo an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”?
4 Koa satria hitranga tsy ho ela amin’ny tany onenana manontolo ireo toe-javatra lehibe dia lehibe ireo, dia inona moa no adidin’ireo “manompo ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana (Jaona 4:23, MN )? Voalohany indrindra aloha, dia tsy maintsy tadidiny ao an-tsaina izao nolazain’i Jesosy izao: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany. (...) Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” — Jaona 15:10-14; 1 Jaona 5:3.
5, 6. a) Didy inona no nomen’i Jesosy ny mpianany mba hahafahana mahafantatra azy ireo? b) Amin’ny ahoana no maha-vaovao io didy io?
5 Ny kristiana marina àry izany dia manana adidy ny ho tia ny hafa, indrindra fa ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana avy amin’ny tany rehetra (Asan’ny apostoly 10:34; Galatiana 6:10; 1 Jaona 4:20, 21). Eny tokoa, ny kristiana dia tsy maintsy ‘mifankatia fatratra’. (1 Petera 4:8, MN ) Izany karazam-pitiavana izany, izay asehony maneran-tany, dia mampahafantatra azy ho kristiana marina, satria hoy i Jesosy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35.
6 Inona no naha-vaovao io didy io? Moa ve ireo Jiosy teo ambany Lalàn’i Mosesy tsy efa nomena ny baiko hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”? (Levitikosy 19:18.) Izany tokoa, kanefa nanampy zavatra hafa i Jesosy tamin’ny filazana hoe “tahaka ny nitiavako anareo”. Nahafaoka ny fanolorany ny ainy ho an’ny hafa ny fitiavany, ary ny mpianany dia tsy maintsy vonona ny hanao izany koa (Jaona 15:13). Fari-pitiavana ambony izany, satria ny Lalàn’i Mosesy dia tsy nitaky ny hanaovana sorona ny tena toy izany.
7. Fivavahana inona no nankatò ny lalàn’ny fitiavana amin’izao taonjato faha-20 izao?
7 Amin’izao taonjato misy antsika izao, fivavahana inona no nankatò io lalàn’ny fitiavana io? Tsy ireo finoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana velively, izay nifamono tamin’ireo ady lehibe roa sy ny ady maro izay naka ain’olona am-polo tapitrisany maro. Ny Vavolombelon’i Jehovah no nankatò ny lalàn’ny fitiavana maneran-tany. Nitana fialanalanana tanteraka izy teo amin’ny adin’ireo firenena, satria nilaza i Jesosy fa ireo mpanaraka azy dia “tsy naman’izao tontolo izao”. (Jaona 17:16.) Izany no ahafahany milaza toa an’i Paoly hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho”. Raiso ho ohatra ny fiandohan’ny fanapahan-kevitra neken’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny fivoriambe nataony tany Washington, D. C., tamin’ny 27 novambra 1921:
“Amin’ny maha-kristiana miezaka amim-pahatsorana hanaraka ireo fampianaran’i Kristy Jesosy Tomponay sy ireo Apostoliny anay, izahay dia mino mafy fa: Ny ady dia fanao noraisina avy amin’ireo barbariana, mamono ny fitondrantena tsara, ary manala baraka ny kristiana; fa ireo fitsipika nampianarin’i Jesosy Kristy Tompo dia misakana ny fandraisan’ireo kristiana nanolo-tena anjara amin’ny ady, ny fandatsahan-dra na ny karazana herisetra rehetra.”
8. Inona no lazain’ny Tantara momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Ady Lehibe faharoa?
8 Nanao ahoana ny fampiharana izany fomba fihevitra izany tamin’ny Ady Lehibe faharoa? Tamin’io ady nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona io, dia olona 50 tapitrisa no maty. Nefa tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza novonoina Vavolombelon’i Jehovah! Saiky ny klerjy tany Alemaina rehetra, ohatra, no nanohana ny nazisma, na tamin’ny alalan’ny asa na tamin’ny tsy fanaovana na inona na inona. Mifanohitra amin’izany kosa, ireo Vavolombelon’i Jehovah teo ambany fanapahana nazia dia nitana ny fialanalanany tanteraka ary nanda ny hitsaoka an’i Hitler, na ho anisan’ny fandaharany ara-tafika. Noho izany no tsy namonoany tamin’io ady io na dia iray aza tamin’ireo rahalahiny ara-panahy avy tany amin’ny tany hafa, na olon-kafa koa aza. Nitana ny fialanalanany toy izany koa ireo Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany hafa rehetra.
9. Inona no nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina sy Aotrisy teo ambany fanapahana nazia?
9 Vavolombelon’i Jehovah maro be no nankatò ny lalàn’ny fitiavana ka nanome ny ainy hamonjena ny sakaizany. Ny famintinana iray an’ilay boky hoe Kirchenkampf in Deutschland (Ny ady nifanaovan’ireo fiangonana tany Alemaina), nataon’i Friedrich Zipfel, dia nilaza toy izao momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ny fito amby sivifolo isan-jaton’ireo mpikambana amin’io antokom-pivavahana kely io dia nenjehin’ny “national-socialisme” [Nazia]. Ny ampahatelon’izy ireo dia maty, na tamin’ny famonoana azy nivantana, na tamin’ny alalan’ny fanaovan-javatra hafa feno herisetra, na noho ny hanoanana, ny aretina na ny asa an-terivozona. Tsy mbola nisy toa azy ny hamafin’io fanerena azy ireo io izay vokatry ny finoana tsy nilefitra izay tsy nety nifanaraka tamin’ny filamatry ny “National-socialisme””. Tany Aotrisy, dia ny 25 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah no novonoina, nokapohina ho faty, na maty noho ny aretina na ny hatrotrahana tany amin’ireo toby nazia.
10. Natoky ny amin’inona moa ireo izay maty noho ny fankatoavany ny lalàn’ny fitiavana?
10 Ireo izay tonga martiora noho ny fankatoavany ny lalàn’ny fitiavana dia natoky fa ‘Andriamanitra dia tsy mba tsy marina hanadino ny asany sy ny fitiavana izay nasehony ho voninahitry ny anarany’. (Hebreo 6:10.) Fantany fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (1 Jaona 2:17.) Nanana ny fanantenana azo antoka ny hatsangana amin’ny maty izy ireo. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny apostoly 24:15.
11. Inona no maha-hafa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary faminaniana inona no tanteraka aminy?
11 Ireo mpanompon’i Jehovah ihany no hany mankatò ilay fitsipika notononin’i Petera sy apostoly hafa teo anoloan’ny fitsarana ambony iray hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny apostoly 5:29). Noho izy ireo manaraka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahazo ny fanohanan’ny “Fanahy Masina (...), Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy”. (Asan’ny apostoly 5:32.) Izany no hery manampy azy hanatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4. Ireo andalan-teny ireo dia manambara fa amin’ny androntsika izao dia haorina indray ny fanompoam-pivavahana marina ary hirohotra ho any ny olona avy amin’ny firenena rehetra sy fivavahana rehetra. Izao no vokatra iray ho azo avy amin’izany: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony”. Noho izy ireo miomana ny hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao feno fiadanana, ny mpanompon’i Jehovah dia tsy mianatra ady intsony. Ny lalàn’ny fitiavana kosa no ianarany. — Jaona 13:34, 35.
12. Inona no tsy maintsy ataon’ireo mankatò ny lalàn’ny fitiavana ho an’ny hafa?
12 Koa satria mahafaoka ny ‘fitiavana ny namana tahaka ny tena’ ny fitiavana kristiana, dia tsy afaka ny ho tia tena raha ny amin’ny zavatra fantany ny mpanompon’Andriamanitra (Matio 22:39). Mbola maro be ireo izay maniry hanompo an’Andriamanitra ka hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenainy. Raha mbola misy ny fotoana, izy ireo dia mila ny mianatra ny amin’ny lalàn’ny fitiavana sy ny fahamarinana maro be hafa mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Tsy maintsy ampianarina izy ireo fa i Jehovah irery ihany no mendrika ny hotompointsika, ary atoro ny fomba tokony hanompoana azy (Matio 4:10; Apokalypsy 4:11). Ireo izay mahafantatra izany zavatra izany dia manana adidy ny hilaza izany amin’ny hafa mba hahafahan’ireo koa hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. — Ezekiela 33:7-9, 14-16.
Fampihanjahanjana ilay lehilahin’ota
13. Amin’ny fanaovantsika ny asa fanambarana maneran-tany, inona no tsy maintsy ampahafantarintsika, ary nahoana?
13 Nilaza i Jesosy fa “hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Amin’ny fanaovana io asa fanambarana maneran-tany io, ny mpanompon’Andriamanitra dia manana adidy hampahafantatra ny didim-pitsarany ny amin’ny fivavahan-diso, indrindra fa ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Eo imason’Andriamanitra, izy ireo dia mendrika ny fanamelohana kokoa satria milaza tena ho kristiana. Tsy maintsy ahanjahanja izy ireo mba hahafahan’ireo maniry hanompo an’Andriamanitra hiala amin’ny hery mitaonany ary hanao ny dingana mety mba ho tafita velona. Araka ny filazan’i Jesosy: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.
14. Hafatra mazava inona no tsy maintsy ambara momba ny fivavahan-diso?
14 Noho izany àry, dia tsy maintsy mampahafantatra ity hafatra avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra momba ny fivavahan-diso ity ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. (...) Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 18:4-8.
15. Inona no anjara noraisin’ny taona 1914 tao amin’ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra, ary inona no nitranga taorian’ny Ady Lehibe voalohany?
15 Ireo faminanian’ny Baiboly dia mampiseho fa nanomboka tamin’ny 1914, taona fanapahan-javatra, “ny andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ity (2 Timoty 3:1-5, 13; Matio 24:3-13). Hatramin’io taona io dia miaina ao amin’ny “andro farany” isika. (Daniela 12:4.) Taorian’ny Ady Lehibe voalohany indrindra, ary nifanaraka tamin’ny fandaharam-potoanan’i Jehovah, ireo mpanompony dia nanomboka nampitombo tamim-pahavitrihana ny fanambarany ny Fanjakan’Andriamanitra araka ny nambara mialoha tao amin’ny Matio 24:14. Nanomboka nampihanjahanjainy tamin-kery kokoa koa ihany ny fivavahan-diso, indrindra fa ny kilasin’ny klerjy tsy mpankatò lalàna ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana.
16. Tamin’ny ahoana no nihanitombo hery ny fampihanjahanjana ilay lehilahin’ota tao anatin’ny 70 taona mahery?
16 Nandritra ny 70 taona mahery izao, ary tamin-kery nitombo hatrany ihany, ireo mpanompon’Andriamanitra dia nampitandrina ny olona ny amin’ny asa mamitak’ilay lehilahin’ota. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah an’arivony vitsivitsy monja no nanao izany taorian’ny Ady Lehibe voalohany. Ankehitriny anefa izy ireo dia tonga “firenena mahery” misy mpikambana marisika maherin’ny telo tapitrisa sy sasany, izay voalamina ao amin’ny kongregasiona maherin’ny 60 000 maneran-tany (Isaia 60:22). Mihamitombo hatrany ny asan’ny mpanompon’Andriamanitra izay manambara amin-jotom-po fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona ary mampihanjahanja koa miaraka amin’izany ny klerjy sy ny tena maha-izy azy, dia lehilahin’ota mpamitaka.
Nahoana no amin-kery toy izao?
17. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nampihanjahanja ilay lehilahin’ota tamin-kery?
17 Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no nampihanjahanja tamin-kery toy izao, nandritra izay taona maro be izay, ilay lehilahin’ota? Satria tsy maintsy arovana amin’ny izao tontolo izaon’i Satana sy ny fivavahan-disony ireo ondrin’i Jehovah an-tapitrisany maro mahaforona ny vahoaka betsaka izay efa eo amin’ny lalana mitondra ho amin’ny famonjena (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9-14). Ambonin’izany koa, raha tsy ampihanjahanjaina ny klerjy, dia tsy ho fantatr’ireo olona tso-po izay mbola tsy anisan’ny andian’ondrin’Andriamanitra ny fomba hialana amin’ny lalan-diso. Tsy maintsy ampahafantarina azy ireny àry izany, dia tahaka ny nampahafantaran’i Jesosy ny olona ny amin’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny toy izao: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” — Matio 15:14; jereo koa 2 Korintiana 4:4; 11:13-15.
18. Inona no tsy maintsy fantatr’ireo mitady ny fahamarinana?
18 Anisan’izao tontolo izaon’i Satana ny klerjy (Jaona 8:44). Izy io anefa dia izao tontolo izao iray izay hofoanan’Andriamanitra tsy ho ela (2 Petera 3:11-13; 1 Jaona 2:15-17). Mampitandrina toy izao àry ny Tenin’Andriamanitra: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Tsy miraharaha izany fampitandremana izany ny klerjy fa mbola manohy mitsabaka amin’ny raharaha ara-politika ihany. Milaza amin’ny mpanaraka azy izy fa ho avy noho ny ezaka ataon’ireo mpanao politika ny izao tontolo izao tsara kokoa iray. Fampanantenana diso anefa izany, satria ity izao tontolo izao eo ambany fahefan’ny Devoly ity dia efa hifarana. Voafitaka àry ireo olona izay mametraka ny fanantenany amin’ity izao tontolo izao ity. Mila ny hilazana ny fahamarinana ny amin’izay hiafaran’izao tontolo izao sy izay hisolo azy izy ireny. — Ohabolana 14:12; 19:21; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:4, 5.
19. Tamin’ny fomba ahoana no nampihanjahanjan’ny fampahalalam-baovao ny maha-anisan’izao tontolo izao ny klerjy sasany tato ho ato?
19 Nahanjahanja tao amin’ny fampahalalam-baovao mihitsy aza tato ho ato ny maha-anisan’izao tontolo izao ny klerjy sasany, toy ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fomba fiaina manaram-po amin’ny zava-tsoan’ny sasany arahin’ireo anisan’ny klerjy mpiseho ao amin’ny televiziona, ohatra. Nanoratra hira mitondra ny lohateny hoe: “Ho nanao [famantaranandro] Rolex [15 000 000 FMG ny vidiny] ve i Jesosy rehefa hiseho ao amin’ny televiziona?” ny mpanoratra hira ankehitriny iray. Nanohy toy izao io hira io: “Ho nandray anjara tamin’ny raharaha ara-politika ve i Jesosy raha niverina teto an-tany indray, ho nanana trano fonenana faharoa any Palm Springs [tanàna manaram-po amin’ny zava-tsoa] ve izy, ary ho nanandrana ny hanafina ny habetsahan’ny harenany?” Ambonin’izany dia mihamaro ny isan’ireo anisan’ny klerjy tsy manameloka ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na manao izany mihitsy. Ary amin’izao fotoana izao mihitsy aza, ny Eglizy katolika any Etazonia dia mandoa vola an-tapitrisany dôlara maro ho onitra noho ny nanaovan’ny pretra sasany an-keriny ankizikely. — Romana 1:24-27; 1 Korintiana 6:9, 10.
20. Nahoana ireo mpanompon’Andriamanitra no tsy maintsy manohy mampihanjahanja ilay lehilahin’ota?
20 Ny fanaovan-dratsy toy izany dia tsy azon’ny mpanompon’Andriamanitra odian-tsy hita fa tsy maintsy ahanjahanja hahafahan’ny hafa mandray soa. Ny vahoaka betsaka anisan’ny ondry hafa dia tsy maintsy arovana amin’ireo mitady hitarika azy handika ireo lalàn’Andriamanitra. Ary ireo izay “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” dia mila ny hotadiavina sy hangonina mba hahazoany ny fitarihana sy fiarovan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpiandry Lehibe, sy ny an’i Kristy Jesosy, ilay mpiandry tsara. — Ezekiela 9:4; Jaona 10:11; Ohabolana 18:10.
21. Tsy maintsy manohy manambara inona ny Vavolombelon’i Jehovah?
21 Noho izany àry, dia tsy hiahotrahotra ny mpanompon’Andriamanitra hanambara ny famaliany an’izao tontolo izaon’i Satana manontolo, anisan’izany ny lehilahin’ota, dia ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Hampiharihary amin-kery izao hafatra ao amin’ny Apokalypsy 14:7 izao izy: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany.” Ary hampidiriny amin’izany fampiharihariana izany ny fampitandremana maika dia maika ao amin’ny Apokalypsy 18:4 momba ny fivavahan-diso manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”
Fanontaniana famerenana
◻ Inona no hanjo ilay lehilahin’ota, ary nahoana?
◻ Inona no adidin’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny hafa?
◻ Tamin’ny ahoana no naha-afaka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny ran’ny olona rehetra?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika raha ny amin’i Babylona Lehibe?
◻ Nahoana isika no hanohy hanambara amin-kery ny hafatra momba ilay lehilahin’ota?
[Sary, pejy 23]
Nilaza toy izao tamin’ny fitsarana ambony iray ireo apostoly: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”
[Sary, pejy 24]
Mila mahafantatra izay hiafaran’izao tontolo izao sy ireo fivavahany ny olona tso-po.