Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ny kristiana iray tokony hifady kafe na dite, satria ireo zava-pisotro ireo misy zavatra mahery miteraka fahazaran-dratsy atao hoe “caféine”?
Tsy miresaka ny amin’ny kafe na dite ny Baiboly. Izay lazainy anefa dia mety hanampy ny kristiana iray hanapa-kevitra raha hisotro na tsy hisotro kafe na dite izy.
Ny “caféine” dia zavatra mahery izay mety hisy heriny eo amin’ny saina sy ny vatana. Kafe sy dite an-tapitrisany kaopy maro no sotroina isan’andro, ka izany no nahatonga ny dokotera Melvin Konner hilaza hoe: “ny “caféine” angamba no zava-mahadomelina ampiasaina miely indrindra maneran-tany.” Mety hampitombo ny hery izy io, hampiakatra ny fatran’ny adirenalinina, ary hanafaingana ny fitepon’ny fo sy ny “métabolisme” (fomba fiovan’ny sakafo ao amin’ny tena). Ny maha-zava-mahery ny “caféine” anefa tsy mitaky ny hifadian’ny kristiana izay zavatra misy azy rehetra, na zava-pisotro izany (kafe, dite, zava-pisotro vita tamin’ny “cola”, “maté”), na sakafo (toy ny “chocolat”).
Zavatra mety hisy heriny eo amin’ny saina sy ny vatana koa ny alikaola, nefa inona no ambaran’ny Baiboly momba azy io? Ampahafantarin’ny Baiboly fa ny divay (na ny zava-pisotro hafa misy alikaola) dia mety ‘hampifaly ny fon’ny olombelona’ na hampahatanjaka ny saina ketraka. (Salamo 104:15, MN; Ohabolana 31:6, 7) Tsy milaza anefa ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hifady izay zava-pisotro rehetra misy alikaola ny mpanaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Ny fampiasana mihoa-pampana ny alikaola no melohiny, dia ny fimamoana izany. — Deoteronomia 21:18-21; Ohabolana 20:1; Hosea 4:11; 1 Korintiana 5:11-13; 1 Petera 4:3.
Ahoana anefa ny amin’ny filazana fa mety hanjary hila “caféine” hatrany ny olona iray? Maro amin’ireo izay zatra misotro kafe na dite na “maté” no mampitombo hery ny filany, na dia tsy mbola fantatra aza raha filana ara-pahasalamana marina izany. Fara fahakeliny, izy dia mahatsapa fisehoana tsy fahampiana toy ny aretina andoha na maloiloy rehefa tsy mahazo ny fatrana “caféine” mahazatra azy. Eto koa dia aoka hotadidintsika izay lazain’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alikaola. Na dia olona maro aza no nanjary mpidoroka, dia tsy voarara ny kristiana raha misotro amim-pahalalana onony. Nisotro divay i Jesosy, ary nanamboatra divay tamin’ny fomba mahagaga aza izy tamin’ny fampakaram-bady anankiray. — Matio 26:29; Jaona 2:3-11.
Mety tsy ho tian’ny kristiana iray anefa ny hanao izay hahatonga azy ho mpila “caféine”. Raha toa izy ka mora tezitra noho ny tsy fahazoana fatrana “caféine” mahazatra azy, dia tokony hihevitra ny fifadiana izany ho toy ny fanehoana “fifehezan-tena” izy. (Galatiana 5:22, 23, MN ) Koa satria ny Baiboly tsy mitaky ny hifadiana zava-pisotro misy “caféine”, dia anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha hisotro kafe na dite izy na tsia. Mety ny hahalalana onony raha misotro ny anankiray amin’ireo ny kristiana iray. — Ampitahao amin’ny Titosy 2:2.
Zava-dehibe koa ny hahalalana onony mba tsy ho tojo fahavoazana ara-pahasalamana. Maro be ireo fahavoazana noho ny fihinanana fatrana “caféine” be loatra tsy tapaka (amin’ny alalan’ny kafe, dite, zava-pisotro natao tamin’ny cola, zava-pisotro na sakafo hafa). Amin’ny fandinihana tsirairay atao momba ny fahavoazana ara-pahasalamana lazaina fa avy amin’ny “caféine” anefa, dia toa mampiseho izay mifanohitra amin’izany ny fandinihana hafa.
Ny maha-araka ny fandrindran-kevitra ny fahalalana onony dia voamarik’izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny tantely. Voajanahary ny tantely, ary voajanahary koa ny fihinanana azy noho izy sakafo manome hery (tsy toy izany ny fifohana setroka ao amin’ny havokavoka). (1 Samoela 14:26, 27; Matio 3:4). Mety hampaharary anefa ny fihinanana be loatra amin’izany. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Mahita tantely va hianao? Hano izay antonona anao, fandrao voky loatra hianao ka handoa azy.” — Ohabolana 25:16, 17.
Tsy afaka mihinana tantely mihitsy ny olona sasany. Toy izany koa, fa tokony hifady alikaola na “caféine” na zavatra vita amin’ny ronono na sakafo sy zava-pisotro hafa ny sasany, noho ny antony ara-pahasalamana. Ny hafa indray mifady ny zavatra toy izany noho ny safidy manokana na mba tsy hanafintohinana olona, noho ny fomba fiheveran’ny manodidina an’ireny zavatra ireny. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto izany: “Raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.” — 1 Korintiana 8:13.
Noho izany, aoka ny tsirairay hanao araka izay mety aminy, ka tsy hihevitra fa tokony hampiharina amin’ny hafa ny fanapahan-keviny. Izao no nosoratan’i Paoly: “Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy. Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa?” — Romana 14:3, 4.