Ny fandriampahalemana — toy ny “areti-mifindra” ve?
“NY FANDRIAMPAHALEMANA — toy ny areti-mifindra.” “Endrey izany fiadanana eran’izao tontolo izao.” “Mipongatra hatraiza hatraiza ny fiadanana”. Izany no lohatenin’ny gazety izay nanaitra ny mpamaky tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao. Maneran-tany, dia nahatalanjona ny fiovana avy teo amin’ny tsy fahitana fanantenana ho amin’ny fiheverana ny zavatra rehetra ho tsara hita teo amin’ny vaovao. Inona no nitranga?
Mahagaga tokoa fa, tsy ela akory izay, dia fifanoherana lehibe maromaro no niara-nitsahatra na nihena ny hamafiny tao anatin’ny volana vitsivitsy monja. Tatsy Afrika, dia ‘nipoaka’ ny fandriampahalemana tao Angola. Tany Azia afovoany, ny Firaisana Sovietika dia nanaisotra ny tafiny hiala avy tao Afghanistan. Tany Amerika afovoany, dia nihatony ny ady nifanaovan’ny fitondram-panjakana any Nicaragua sy ny mpikomy. Tany Azia Atsimo Atsinanana, ireo Vietnamiana dia nanaiky ny hiala ao Kampuchéa. Voan’ny “areti-mifindran’ny fandriampahalemana” mihitsy koa aza ny Atsinanana Afovoany rehefa nitsahatra ny ady feno ra nandriaka nifanaovan’i Iran sy Iraq.
Ny tena manintona ny saina indrindra aza angamba dia ny rivo-piainana vaovao misy eo amin’ireo herim-panjakana roa lehibe indrindra. Taorian’ny ady mangatsiaka naharitra efapolo taona, dia sarotra ny nino ireo fihetsika mampiseho fihavanana, ireo fitenenana mitory fifampiheverana ary ireo dingana ho amin’ny fandriampahalemana tena tsapa nataon’ny Firaisana Sovietika sy i Etazonia. Ambonin’izany, araka ny The Economist, i Eoropa izao dia nahamarika ny vanim-potoana tsy nisian’ny ady lava indrindra teo amin’ny tantarany rehetra. Marina tokoa fa tena lohatenin’ny vaovao ny fandriampahalemana.
Inona no dikan’izany? Moa ve ireo mpanao politika madiva hitondra “fandriampahalemana ho an’ny androntsika”? 51 taona lasa izay, dia ilay praiministra britanika natao hoe Neville Chamberlain, no nanonona ireo teny ireo. Niharihary ho feno fanesoana izy ireo rehefa nipoaka ny ady lehibe faharoa, fotoana fohy taorian’izay. Ho tanteraka amin’izay ve izy ireo ankehitriny?