Nitaiza zanaka valo tao amin’ny lalàm-pifehezan’i Jehovah izahay
NOTANTARAIN’I OVERLAC MENEZES
“Tonga tamin’ny bisikilety nisy fipetrahana roa izy ireo.” Izany no nanombohan’ny gazety Jornal de Resende ny fitantarany pejy iray manontolo momba ny fianakavianay tamin’ny 1988, rehefa nandao an’i Resende mba ho atỳ Lages, atsimon’i Brezila, izahay.
NANOHY toy izao ilay fitantarana: “Tsy isalasalana fa ireo olona efa be taona kokoa dia hahatadidy ilay mpivady izay nanintona ny sain’i Resende noho ilay fomba fitaterana tsy nahazatra sy hafahafa nampiasainy: bisikilety iray nivelatra be sady nisy fipetrahana roa. Teo anoloana, nitondra, ilay ‘mpamily’, dia i Overlac Menezes; teo amin’ilay seza faharoa, ny vadiny, i Maria José. Ny taona nitrangan’izany: 1956.”
Ny mpanoratra io lahatsoratra io dia nantsoina hoe Arisio Maciel, ary talen’ilay foiben’ny fandefasam-peo teo an-toerana koa izy. Tany amin’ny 1956 no nahitany anay voalohany rehefa nanana anjara tao amin’ny fandaharan’ny fandefasam-peo nalamin’ny Fikambanana Watch Tower isan-kerinandro hoe Zavatra izay ao an-tsain’ny olona izahay mivady. Tao amin’ilay lahatsoratra izy dia nanonona ahy nilaza fa nandritra ny nipetrahanay tao dia “voatsidika avokoa ny trano rehetra teto Resende, isaky ny lalana tsirairay.”
Ho tianao ve ny hahafantatra ny nampahalaza be anay toy izany tany Resende? Ary ahoana, raha mbola tany izahay, no nahafahanay nitaiza ankizy valo ‘tao amin’ny lalàm-pifehezan’i Jehovah’ sady nanampy tamin’ny fitsidihana ny trano rehetra tany Resende tamin’ny alalan’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? — Efesiana 6:4, MN.
Nianatra ny lalan’i Jehovah aho
Tamin’ny Janoary 1950, i Maria Minc, iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Adeilde anabaviko tany São Paulo. 16 taona aho tamin’izay ary efa vita batisa tao amin’ny fivavahana katolika. Kanefa nijanona tsy nankany am-piangonana intsony aho efa fotoana elaela. Na dia izany aza anefa, dia mbola nino an’Andriamanitra aho ary naniry ny hanompo azy. Indray alina àry, dia nankany an-tranon’i Adeilde aho mba hahafantatra momba io fivavahana vaovao nianarany io. Nasain’i Maria Minc nandray anjara tamin’ilay fianarana aho, ary vao voalohany teo amin’ny fiainako aho vao nahita Baiboly iray. Nandritra ireo fianarana nanaraka izay aho dia talanjona nahafantatra tao amin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra, fa tsy ho ela dia ho tonga paradisa ny tany, fa tsy misy ny afobe sy ny afo fandiovana, ary koa fa tsy manana fanahy (âme) tsy mety maty ny olona. Nilaza tamiko ny havako hoe: “Hahalasa adala anao ny famakiana ny Baiboly betsaka tahaka izao!”
Nandroso tsara aho teo amin’ny fianarako ny Baiboly ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana nivorian’ny kongregasionan’i Belém, tany São Paulo. Nanampo ny tsy hahita afa-tsy olon-dehibe nanatrika tao aho, ka faly sady gaga raha nahita tanora nitovy taona tamiko maro be. Tamin’ny 5 febroary 1950 aho no nandray anjara voalohany tamin’ny asa fitoriana, ary tamin’ny 4 novambra tamin’io taona io ihany no nampiseho ny fanolorako ny tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa tamin’ny rano.
Fotoana fohy taorian’izay aho dia voatendry ho mpandaha-teny ampahibemaso. Tamin’izany fotoana izany, ny dikan’izany dia hoe nanao lahateny teny amin’ny arabe sy ny zaridainam-bahoakan’ny tanàna, tamin’ny fampiasana fanamafisam-peo natao teo amin’ny “pare-choc”-n’ny fiara iray. Ny asa hafa iray nataoko dia ny fizarana gazety. Tamin’izany andro izany dia nijoro teo amin’ny kihon-dalana niaraka tamin’ny kitaponay nisy gazety izahay ary nikiakiaka hoe: “Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! manambara ny Fanjakan’Andriamanitra!” Tsy nahapetraka gazety betsaka aho, kanefa nahazo herimpo tokoa mba hiresahana ampahibemaso.
Ny fanompoana manontolo andro no zava-kendreko
Tsy ela ny saiko dia voasariky ny maha-zava-dehibe ny asan’ny mpitory maharitra, na koa hoe asa fitoriana manontolo andro. Ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aprily 1950 (anglisy) dia nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Mihabetsaka ny mpitory maharitra ny vaovao tsara.” Izao no nambaran’izy io: “Ny fikatsahana ny Fanjakana voalohany indrindra dia midika fa hataon’ny olona iray ho zava-dehibe indrindra ao an-tsainy amin’ny fotoana rehetra ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ny olona toy izany dia hitady fahafahana mba hanao zavatra ho an’ilay Fanjakana, fa tsy hikatsaka voalohany foana ny zavatra ilainy ara-nofo ary hanangona zavatra eo amin’izao tontolo izao mba hiarovana ny hoaviny.” Nanoritra mafy ny toe-tsain’ny mpitory maharitra tao am-poko ireo teny ireo.
Tsy ela dia nanova ny fiainako tamin’ny fomba niavaka ny tovovavy tsara tarehy iray nantsoina hoe Maria José Precerutti. Nandroso tsara izy teo amin’ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ny mpivady vavolombelona nantsoina hoe José sy Dília Paschoal. Tamin’ny 2 janoary 1954 izy dia tonga vady sady mpiara-miasa ary namana sy mpanampy malala ho ahy. Ny ho mpitory maharitra koa no zava-nokendreny. Koa noho ny ohatra nampaherin’ny misionera toa an-dry Harry Black, Edmundo Moreira, ary Richard Mucha, dia nanao fangatahana mba hanao ny asan’ny mpitory maharitra izahay. Alao sary an-tsaina ny fifalianay — sy ny fanahianay koa — rehefa naharay ny valinteny izahay hoe: “Nekena ny fanendrena anao ho mpiandraikitra ny fizaran-tany”!
Rehefa naharay ny fanendrena ahy voalohany teo amin’ny fizaran-tany aho dia natahotra tsy nisy toy izany. Kongregasiona folo tao Rio de Janeiro, renivohitr’i Brezila tamin’izay, ilay fizaran-taniko voalohany, ary ny sasany taminy teo akaikin’ny Betela. Tao amin’ilay kongregasiona voalohany notendrena hotsidihiko dia nisy tranona misionera nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekolin’i Gileada, fianarana Baiboly alamin’ny Watchtower. 22 taona aho ary nahatsiaro tena ho tsy hahavita izany ka hoy aho tamin’ny rahalahy Mucha, izay tompon’andraikitra tamin’ny asa teto Brezila tamin’izay: “Inona no mbola azoko ampianarina ireo olona ireo?” Hoy ny navaliny: “Izao fotsiny, ry rahalahy, ampiharo ny torohevitry ny Baiboly sy ny fandaminana.” Torohevitra tsara dia tsara tokoa izany!
Herintaona taorian’izay dia bevohoka i Maria José, ary voatery nandao ny asan’ny fizaran-tany izahay. Nahafaly anefa fa nijanona tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay. Ho valin’ny fangatahan’ny fianakaviana finlanday roa, dia ry Edvik sy ry Leiniö, dia notendren’ny Fikambanana ho mpitory maharitra manokana tany Resende izahay, faritany iray saiky tsy voakasika nisy mponina 35 000. Ry Leiniö no nanome anay ilay bisikilety nisy fipetrahana roa voalaza tao amin’ilay gazety Jornal de Resende. Noho ny fampiasana azy io dia afaka namafy voan’ny fahamarinana maro tao amin’io faritany nahavokatra io izahay, ary nanohy niasa tao nandritra ny volana vitsivitsy mandra-pahaterak’i Alice zanakay vavy tamin’ny 1956. Rehefa niala tao izahay dia anabavy roa, i Anita Ribeiro sy i Marian Weiler, no tonga nanondraka ny voa ary ‘Andriamanitra nanohy nampitombo azy’. Amin’izao andro izao, dia misy kongregasiona sivy ao Resende ary mpitory 700 mahery. — 1 Korintiana 3:7, MN.
Iray tamin’ireo olona hitako voalohany tany Resende i Manoel Queiroz. Teo am-piandrasana fitateram-bahoaka aho dia nametraka boky roa taminy teo amin’ny toeram-piasany. Nandroso tsara izy, ary avy eo i Piedade vadiny, ary natao batisa izy mivady. Voatendry ho loholona tao amin’ilay kongregasiona i Manoel ary nahatoky hatrany foana hatramin’ny fahafatesany. Niara-nianatra tamin’i Álvaro Soares koa aho. Gaga izy tsy nahita afa-tsy mpanatrika enina monja tao amin’ilay fivoriana voalohany natrehiny, kanefa izao izy dia mpiandraikitra ny tanànan’i Resende izay ahitana olona maherin’ny arivo manatrika ireo fivoriana any amin’ireo kongregasiona samihafa ao. Tamin’ny 1978, dia nanambady an’i Alice zanakay vavy i Carlos, zanak’i Álvaro. Ankehitriny dia mpikambana maherin’ny 60 ao amin’ny fianakaviana Soares no Vavolombelona.
Ny nialanay tao Resende dia nidika fa nosoloana andraikitra kristiana hafa iray ny fanompoanay manontolo andro, dia ny ‘famelomana ny ankohonanay’. (1 Timoty 5:8) Kanefa niezaka mafy ny hihazona ny toe-tsain’ny mpitory maharitra izahay tamin’ny fihazonana izany ho zava-kendrenay. Nahazo asa tao amin’ny fikambanam-barotra iray tao São Paulo aho, nandritra ny herintaona aho dia nanao ny dia nisy 300 km isaky ny faran’ny herinandro nankany Resende mba hanampy ilay antokona mpitory 15 tany. Avy eo, tamin’ny 1960, izahay dia nifindra nankany Resende indray.
Ny fitaizana zanaka — Tombontsoa fanampiny iray
Tsy dia tena nikasa ny hanan-janaka be dia be toy izany akory izahay, kanefa tonga ihany izy ireo, an-kisesy. Taorian’i Alice dia nisy an’i Léo, avy eo dia i Márcia, i Maércio, i Plínio, i André, ary farany, tamin’ny 1976, dia ireo kambana, i Sônia sy i Sofia. Noraisina tamim-pifaliana ho toy ny “lova avy amin’i Jehovah” ny tsirairay tamin’izy ireo. (Salamo 127:3) Ary notezaina tao amin’ny “lalàm-pifehezan’i Jehovah” noho ny fanampiany, ny tsirairay avy taminy. — Efesiana 6:4, MN.
Tsy asa mora anefa izany. Nisy fotoana nitomanianay noho ireo zava-nanahirana. Kanefa nitondra valisoa izany. Inona no nataonay mba hitaizana azy ireo? Ny fianaram-pianakaviana, ny fitondrana azy niaraka taminay tany amin’ny fivoriana sy teny amin’ny saha fitoriana hatramin’ny fahazazany, ny fiarahana nanao zavatra taminy, ny fanaovana izay hahazoana antoka fa tsara ny fifaneraserany, ny fanomezana fifehezana hentitra, ary ny fanomezan’ny tenanay ohatra tsara.
Taona vitsivitsy lasa izay, tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tany Cruzeiro, any São Paulo, dia nadinadinin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izahay. Rehefa avy niresaka ny amin’ny fianaram-pianakavianay ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanontany ahy hoe: “Inona no anjara asa notanan’ny vadinao tamin’izany?” Tadidiko fa feno ranomaso ny masoko tamin’izay, ary feno aoka izany ny foko, hany ka tsy nahavaly aho. Fa nahoana? Satria nankasitrahako tokoa ny anjara asa lehibe notanan’i Maria José tamin’ny fitanana ny fianakavianay ho teokratika. Raha tsy nisy ny fanohanany tamim-pahatokiana, dia ho sarotra tokoa ny nanao izany!
Nanomboka tamin’ny fifamofoanay avy hatrany izahay sy Maria José dia niara-nianatra ny Baiboly. Rehefa tonga ireo ankizy, dia nanjary nitaky fiezahana marina tokoa ny fanohizana ilay fianarana tamin’ny fomba tsy tapaka. Mba hahafahana hanao izany, dia nomarihiko teo amin’ny varavaran’ny vata fampangatsiahana isan-kerinandro ny fotoana hanaovana ny fianarana ny herinandro nanaraka ary koa izay hodinihina tamin’izany. Nanome fanendrena manokana koa aho arakaraka ny nilana izany. Ohatra, indray andro dia niady i Márcia sy i Plínio teo am-pisakafoana. Koa ny ampitson’iny àry, dia nahita ny fanendrena momba ny hoe “Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao mifanaraka amin’ny rahalahinao sy ny anabavinao” teo amin’ny vata fampangatsiahana izy ireo. Tamin’ny fianarana nanaraka dia samy afaka niteny izy mianadahy ary nandamina ny tsy fifanarahany.
Ny zava-nanahirana hafa iray dia ny alahady maraina rehefa niteny mazàna ny ankizilahy fa narary loatra, hono, izy ka tsy afaka ny hivoaka ho any amin’ny saha fitoriana. I Léo sy i Plínio no nanana fahaizana manokana ny amin’ny famoronana vavony marary sy faharariana hafa mba tsy hiarahana aminay amin’ny asa fitoriana. Isaky ny tsy nino ny naha-tena narary azy ireo aho dia nilaza zavatra mitovitovy amin’izao: ‘Raha marary loatra ianao izao ka tsy afaka mandeha any am-pitoriana, dia mazava ho azy fa tsy ho salama ihany koa mba hilalaovana baolina rehefa avy eo.’ Mazàna dia tonga haingana dia haingana ny fahasitranany.
Nisy fotoana izay nilanay nikarakara ny tarehin-javatra sasany tamim-pitandremana. Teo amin’ny faha-11 taonany i Léo dia niara-nandeha nitsangantsangana tamin’ny Vavolombelona hafa maromaro, ary nividy nofom-pen-kisoa (jambon) iray kilao hohanina tany tsy nahazo lalana taminay. Tatỳ aoriana, rehefa nahazo ny taratasy fitakiana ny vidiny izahay, dia nanontany an’i Léo i Maria José hoe: “Hadinonao angaha fa nividy nofom-pen-kisoa ianao?” “An, an”, hoy ny navaliny tamim-pahatsorana. “Tsy nividy an’izany aho.” “Eny àry”, hoy ny vadiko, “andao isika hiaraka ho any amin’ny tompon’ilay fivarotana.” Teny an-dalana ho any, dia nisava ny tsy fitadidian’i Léo. “Izao vao tadidiko”, hoy ny fiekeny, “fa tsy ampy ny volako, dia nataoko trosa ilay izy ary avy eo dia hadinoko ny nandoa azy.” Naloako ilay vola ary nangataka tamin’ilay tompon’ilay fivarotana aho mba hanakarama an’i Léo ka hamela azy hiasa mandra-pahafahany mamerina ilay vola tatỳ amiko. Izany no saziny. Isa-maraina tamin’ny efatra dia i Léo no tonga voalohany tany am-piasana, ary tao anatin’ny iray volana dia voaveriny ilay vola manontolo.
Feno mpitory maharitra, mpiandraikitra mpitety faritany, misionera ary mpiasan’ny Betela foana ny tranonay. Ny ankamaroan’ny fotoana dia tsy nisy fahita lavitra tao aminay, ka izany dia nanampy anay hamboly fahazarana tsara ho amin’ny fianarana sy fomba fihetsika kristiana. Tao anatin’ny rivo-piainana toy izany no nitaizanay ny zanakay. Ny taratasy sasany nalefan’izy ireo tatỳ aminay rehefa lehibe izy ireo dia manamafy fa nisy vokatra tsara izany. — Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-30.
Mpitory maharitra indray!
Rehefa lehibe ny ankamaroan’ny zanakay, dia tsaroako ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 martsa 1955 nitondra ny lohateny hoe “Natao ho anao ve ny fanompoana manontolo andro?” Izao no nolazain’ny tapany iray tamin’izy io: “Mety hirona ho amin’ny fiheverana ny sasany fa toe-javatra maningana ny fanompoana monontolo andro. Diso hevitra anefa izy ireo, satria noho ny voady nataony tamin’ny fanoloran-tenany, ny kristiana tsirairay avy dia manana adidy hanompo manontolo andro, raha tsy hoe mahatonga izany ho tsy azo atao ny tarehin-javatra tsy azony ovana.”
Indray alina aho dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hanokatra ho ahy indray ny fahafahana hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Niara-niasa tamiko ny fianakaviako, ary nampirisika ahy ireo namanay. Gaga dia gaga aho raha nanaiky ny hamela ahy hiasa tapak’andro ny talen’ilay fikambanam-barotra niasako nandritra ny 26 taona mba hahafahako ho mpitory maharitra mandavantaona. Koa tamim-pifaliana àry no nanaovako ilay asa voatery navelako taona maro dia maro lasa izay. Ary nanaraka ny ohatro ny telo tamin’ireo zanako.
Nanompo nandritra ny roa taona tao Itatiaia izay naha-loholona ahy nandritra ny 15 taona izahay, ary avy eo dia nanapa-kevitra ny hifindra toerana mba hanompo tany amin’izay nilana fanampiana bebe kokoa. Izany dia nidika fa tsy maintsy nivelona tamin’ny karama kely, ampahefatry ny karama tsara, izahay. Na dia izany aza, dia natoky ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 izahay, ka nanoratra tany amin’ny Fikambanana momba ny fikasanay. Herinandro taorian’izay, dia saiky nitsambikina noho ny hafaliana izahay raha naharay ny valiny nanao hoe: “Toa mety ny hanoloranay hevitra anareo mba hifindra ho any amin’ny tanànan’i Lages. Na dia maherin’ny 200 000 aza ny mponina ao, dia tsy misy afa-tsy mpitory 100 ao amin’ny kongregasiona kely telo any. Hitondra fanampiana be ho an’io faritany io ianareo.”
Nifindra izahay tamin’ny febroary 1988. Ary mbola eto ihany izahay izao, 1 000 km ny elanelan-tany misy eo aminay sy ny zanakay sy namanay. Vao avy nandia ny ririnina mafy indrindra hatramin’ny 20 taona izahay. Izaho irery no loholona ao amin’ny kongregasionanay, ary be dia be ny zavatra tsy maintsy atao. Kanefa mahazo fitahiana be dia be izahay. Ny faritany indrindra indrindra no tena mahafinaritra. Rehefa mandondòna eo am-baravarany izahay, dia milaza hoe: “Mandrosoa, tompoko!” ny olona. Mora ny manomboka fampianarana Baiboly. Manaiky entana samihafa ataon’olona fanomezana izahay rehefa tsy misy loatra ny vola, ary rehefa mody izahay dia mitondra savony, fanalana fofona, hareza, akanjon-jazakely (ho an’ny zafikelinay), voamadinika, anambazaha, voankazo, “yaourt”, divay, ary na dia ranomandry mamy aza. Indray mandeha aza izahay dia nanakalo gazety tamin’ny seza hazo!
Vokatra mitondra valisoa manana amby ampy
Ankehitriny aho, eo amin’ny faha-56 taonako, dia faly aoka izany isaky ny mieritreritra ny fianakaviako. Tsy teraka “tao amin’ny fahamarinana” ny zanakay. Teraka tao amin’ny tokantrano kristiana iray izy ireo, ary ny fahamarinana dia tsy maintsy nampidirina tao amin’ny sainy sy ny fony tanora. Ireo izay nanambady dia nanambady “tao amin’ny Tompo.” (1 Korintiana 7:39; Deoteronomia 6:6, 7) Marina fa nanao fahadisoana sy tsy fahaiza-mitsara izahay. Nampiseho tsy rariny izahay indraindray. Nisy fotoana tsy nampisehoako ohatra tsara na nanaovako tsirambina ny andraikitro tamin’ny naha-ray sy vady ahy. Rehefa tsapako izay nataoko, dia nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah sy tamin’ny vadiko na ny zanako aho, ary niezaka mafy mba hanitsy ilay zavatra tsy nety.
Na dia teo aza ny tsy fahatanterahanay, ao amin’ny fianakavianay — izay nitombo isa noho ireo vinantolahy sy vinantovavy ary zafikely — dia misy mpanompo manontolo andro enina, loholona efatra ary mpikarakara momba ny asa iray. Vita batisa avokoa ny rehetra afa-tsy ireo zafikely. Ny zanakay telo tsy ampy taona mbola miaraka aminay dia mikasa ny hanao ny fanompoana manontolo andro ho asa antom-piainany. Valisoa lehibe noho izany inona no mbola antenaina? Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny nitarihany anay tamin’ny fitaizana ny zanakay tao amin’ny lalàm-pifehezany. Faly aoka izany izahay mahita fa mbola manaraka ny fampianarany ihany izy ireo. Ary mivavaka aho mba tsy hivadihanay, sy izy ireo koa, na oviana na oviana amin’ny lalan’ny fiainana.
[Efajoro, pejy 30]
Rehefa lehibe ny zanakay, indraindray dia naneho an-taratasy ny fankasitrahany noho ny fomba nitaizanay azy ireo. Ireto misy fanamarihana sasantsasany avy aminy:
“Dada a, matokia fa nanao izay rehetra azonareo natao ho anay ianao sy i Neny, na dia nety ho nanao fahadisoana aza ianareo — zavatra izay mitranga imbetsaka aminay sy Carlos izao eo am-pitaizana an’i Fabrício zanakay.”
Alice, zanakay vavy, 33 taona, manan-janaka roa lahy kely.
“Tsy maintsy miaiky izahay fa nampiray ny fiezahanareo ianareo tamin’ny fitaizana anay tao amin’ny fananaran’i Jehovah. Ary endrey ny soa azonay avy amin’izany ankehitriny!”
Márcia, zanakay vavy, 27 taona, sy ny vadiny izay mpiandraikitra ny fizaran-tany.
“Tsapako fa tsy ho nahazo izao tombontsoako izao aho raha tsy teo ny fanampiana nomenareo mivady ahy mba hampiorina ahy teo amin’ny fototra ara-panahy mafy sy ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fanompoany.”
Maércio, zanakay lahy, 23 taona, mpitory maharitra manokana.
“André a, manararaota amin’ny fomba feno ny fiarahana amin’i Dada sy ny fanandraman-javatra ananany. Aza odian-tsy hita ny toroheviny. Ho afaka ny hifanampy ianareo. Sambatra kokoa noho ny hatramin’izay aho izao.”
Plínio, zanakay lahy, 20 taona, any amin’ny Betela.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Foto: MOURA
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
Foto: CALINO