Nitahy ny fahavononako i Jehovah
NOTANTARAIN’I RICHARD WUTTKE
“Rehefa afaka telo volana dia ho faty ianao!” “Inona no dikan’izany?” “Izany no nolazain’ilay dokotera nizaha anao tany Assis tamiko”, hoy ny navalin’i William rahalahiko.
NANIRY ny hiaina anefa aho fa tsy ny ho faty. Vao voalohany aho tamin’izay no nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampiany ahy. Faly aho afaka milaza, 46 taona atỳ aoriana, fa, na dia tsy nolazain’ilay dokotera aza izay nahazo ahy, dia diso ny fanatsoahan-keviny. Ny tahotra anefa dia nahatonga ahy hieritreritra momba ny zava-kendren’ny fiainana sy ny ilàna ny hanompoana an’Andriamanitra.
Nivezivezy foana ny fianakavianay
Fony aho teraka tamin’ny 11 novambra 1921, dia nonina tany Grosen, tanàna kely iray any Alemaina atsinanana, ny ray aman-dreniko. Ray aman-dreny mpifindra monina alemanina no niteraka azy ireo tany Rosia. Rehefa nampiditra ny komionisma anefa ny fikomiana fanonganam-panjakana bolsevika tamin’ny 1917, dia navoaka avy tao amin’ilay tany izy ireo niaraka tamin’ny maro hafa avy tany Alemaina, ary namoy ny fananany rehetra. Rehefa nanao dia lava tamin’ny fiarandalamby mpitatitra entana ny ray aman-dreniko sy ireo zanany kely dia tonga teo amin’ny sisin-tanin’i Alemaina. Tsy navela hiditra anefa izy ireo ary voatery nanao ny dia niverina nankany Rosia. Teo indray izy dia tsy navela hiditra koa, ka voatery niverina nankany Alemaina. Rehefa avy niaritra zava-tsarotra nandritra ny volana maro izy ireo, rehefa ela ny ela dia nahazo lalana hiditra tao amin’ilay tany.
Fony aho folo taona, dia maty ny raiko. Roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1933, dia nahazo ny fahefana i Hitler, ary noterena hiditra tao amin’ny antokon’ny Tanora nazia aho. Nandritra ny fitondran’i Hitler dia niharan-java-nanahirana ireo Alemanina teraka tany an-tany hafa, ary niharihary fa niomana ho amin’ny ady hafa iray i Alemaina. Nanapa-kevitra ny hifindra honina any Brezila àry izahay, noho ny fampirisihan’ny hafa izay efa nifindra nankany. Tonga tany Santos, eto Brezila, tamin’ny may 1936 izahay.
Rehefa avy niasa nandritra ny volana vitsivitsy tao amin’ny fambolena kafe iray izahay dia nividy toeram-pambolena sy fiompiana kely iray teo amin’ny faritra nahavokatra iray teo akaikin’i Maracaí ao amin’ny faritanin’i São Paulo. Raha mbola nanamboatra ny tranonay izahay dia afaka nipetraka tao an-tranon’ilay pastera loterana. Nampirisihiny hiangona tany aminy izahay, kanefa rehefa nanomboka niresaka momba ny politika tao amin’ny toriteniny izy sy ilay mpandimby azy tatỳ aoriana, dia nandao ilay fiangonana izahay.
Fifampikasohana voalohany tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Tany amin’io fotoana io no nilazan’ny rahalahiko tamiko ilay fanatsoahan-kevitra mahatahotr’ilay dokotera. Nankany São Paulo àry aho mba hahazo ny fomba fihevitry ny dokotera hafa. Raha mbola tany aho, ilay fianakaviana nipetrahako dia notsidihin’i Otto Erbert naman’izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary nanomboka nanao fanambarana taminay. Tsy nankasitrahan’ilay fianakaviana anefa izay nolazainy, ary nifandimby nandao ilay efitrano izy rehetra, ka navelany irery niaraka tamin’ilay mpitsidika azy aho.
Niresaka tamiko nandritra ny adiny roa teo ho eo i Otto momba ny afoben’ny helo, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, momba an’i Jehovah ilay Andriamanitra marina, ny Fanjakany ary ny fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. Hoavy mamirapiratra toy inona moa no nasehony! Endrey ny fahasamihafan’izany tamin’izay nianarako tao amin’ny Fiangonana loterana! Nony farany dia nanontany ahy i Otto hoe: “Ny fampianaran-dison’ny fivavahana lazaina fa kristiana no inoanao sa ny Baiboly?”
“Ny Baiboly”, hoy ny navaliko.
“Ianaro àry izy io!” hoy ny fampirisihany, sady nanampy izy hoe: “Raha tianao ny handre betsaka kokoa momba izany, dia tongava any amiko.” Koa satria tiako izay reko tamin’izay, indrindra fa ny amin’ny hoe hiaina mandrakizay eto an-tany, dia nankany aminy aho ny ampitson’iny. Io fifanakalozan-kevitra faharoa io dia nahatonga ahy hino fa nahita ny ‘marina izay mahafaka tsy ho andevo’ aho. (Jaona 8:32) Rehefa niala teo aho dia nomeny bokikely iray hoe Health and Life (Fahasalamana sy Fiainana), sy fanasana hanatrika fampianarana Baiboly amin’ny fiteny alemanina.
Tanteraka ny faniriako lalina indrindra
Nandritra izany fotoana izany aho dia nahazo ny fitsaboana nilaiko ary afaka nody. Nentiko niaraka tamiko i Otto Erbert mba hiala sasatra tany aminay. Faly be ny reniko noho izaho nianatra Baiboly, dia ilay boky izay teo ambony latabatray foana nefa tsy nisy namaky mihitsy. Rehefa niverina nankany São Paulo i Otto Erbert, dia nitarika fampianarana Baiboly niaraka tamin’ny fianakaviako saika isan’alina aho, araka izay fahaizako. Faly aoka izany aho rehefa samy nanaiky ny hafatry ny fahamarinana avokoa ny reniko, i Robert rahalahiko ary i Olga anabaviko. Toerana fifaneraseran’ny teo an-toerana lalandava ny tokantranonay, nefa roa volana taorian’ny nanaovanay fanambarana, dia nanjary nila tsy hisy olona izy io. Hoy ny iray tamin’ireo izay mpankao aminay fahiny: “Raha manohy an’io ianareo, dia hifarana any amin’ny trano fitsaboana ny adala!”
Nanohy nitombo anefa ny faniriako hanompo an’i Jehovah. Nahazo zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa aho, ary namaky azy ireo hatramin’ny alina be. Tamin’ny fiteny alemanina avokoa anefa ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra, ary takatro fa raha hampianatra ny hafa aho, dia tsy maintsy nianatra ny fiteny portioge. Tamin’ny 1945 àry aho dia nifindra nonina tany São Paulo mba hianatra ny teny portioge. Niara-nipetraka tamin’i Otto Erbert, izay nanambady an’i Olga anabaviko tatỳ aoriana, aho.
Niaraka tamin’ny olona 50 hafa aho, nanomboka nanatrika ireo fivoriana natao tao amin’ilay hany Efitrano Fanjakana tany São Paulo. Nitombo io kongregasiona io hany ka misy kongregasiona 510 mahery izao any São Paulo izay nanjary lehibe kokoa misy mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 50 000. Tamin’ny 6 janoary 1946 aho dia natao batisa ho fanehoana ny fanolorako ny tenako hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tamin’io taona io ihany aho dia nanatrika ny Fivoriambe teokratika hoe “Ireo firenena falifaly” tany São Paulo, ny fivoriambe lehibe voalohany natrehiko. Fientanam-po toy inona moa ny nahita olona 1 700 nanatrika ny alahady! Tamin’io fivoriambe io aho no nahita an’i Otto Estelmann izay nampirisika ahy tamin’ny filazana hoe: “Tanora ianao, ry Richard; salama tsara ianao; manaova àry ny asan’ny mpitory maharitra.”
Efa nihevitra ny fanompoana manontolo andro ihany aho teo aloha, fa izao aho dia vao mainka nanao izany tamim-pitandremana kokoa. Niaraka tamin’ny rahalahy roa hafa aho, dia nametra ny fotoana hanombohanay ho afaka enim-bolana taorian’izay. Rehefa tonga ilay fotoana, dia nanontany aho hoe: “Vonona ve ianareo?” Samy tsy nisy vonona izy ireo. Nilazako àry izy ireo fa hanomboka ihany aho na dia izany aza. “Hahita zava-manahirana anie ianao e”, hoy ny fampitandreman’izy ireo. Nifikitra tamin’ny fanapahan-kevitro anefa aho. Tamin’ny 24 may 1947 aho dia naharay ny fanendreko ho mpitory maharitra mandavantaona.
Nisokatra ny varavarana hafa ho amin’ny fanompoana
Goavana ny faritaniko, nahatafiditra ireo faritra onenan’ireo mpanan-karena sy ireo faritra misy raharaham-barotra tao São Paulo. Nahapetraka boky sy bokikely an-jatony maro isam-bolana aho. Indray maraina aho dia niditra tao amin’ny efitrano lehibe iray nisy lehilahy maromaro niasa. Nanatona ilay lehilahy voalohany aho ary natolotro azy ilay boky hoe “The Truth Shall Make You Free. (Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.)
“Firy ny boky ao anatin’ny kitaponao ao?” hoy izy nanontany.
“Eo amin’ny 20 eo”, hoy aho namaly. Nalainy avokoa izy rehetra ary nomeny boky iray ny tsirairay avy tamin’ireo lehilahy teo. Hay ny lapan’ny tanàna ilay izy!
Kanefa, ny fifaliako lehibe indrindra dia teo amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly any antokantrano. Tao anatin’ny efa-taona, noho ny fitahian’i Jehovah, dia natao batisa ny 38 tamin’ireo nampianariko. Nirotsaka tao amin’ny fanompoana manontolo andro ny maromaro tamin’izy ireo. Anisan’izany i Afonso Grigalhunas, izay nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy nandritra ny folo taona mahery, hatreo amin’ny nahafatesany tamin’ny 1988 — ary ny tongony iray dia tongotra hazo. Eo koa ny fianakaviana Ciuffa. I Francisco, iray amin’ireo zanakalahy, dia nanompo teo amin’ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maro, ary i Ângela anabaviny izao dia mbola mpitory maharitra.
Tamin’ny 1951 aho dia nasaina ho tonga mpiandraikitra mpitety faritany. Nahafaoka faritra lehibe dia lehibe tao amin’ny faritanin’i Rio Grande do Sul sy ny an’i Santa Catarina ny toerana nanendrena ahy. Nisy olona nanana firazanana eoropeana an’arivony maro nonina tany atsimon’i Brezila. Olona sy antokon’olona nitokana no tena notsidihiko satria vitsy ireo kongregasiona tamin’izany fotoana izany. Nisy renirano maro, nefa vitsy ireo tetezana, ka izany dia nidika fa rehefa nita ireo renirano kely kokoa aho dia nibaby ny valiziko ary nivimbina ny milina fanoratako sy ny kitapoko. Tsy nisy rarivato sady feno lavaka ireo lalana. Mba hiarovana ny akanjoko tamin’ny vovoka, dia nanao bolozy maivana aho. Izany dia nahatonga ny sasany hihevitra ahy ho toy ny momperany vaovao, ka nanandrana ny hanoroka ny tanako izy ireo.
Ny fiarovana ny tombontsoan’ilay Fanjakana
Raha nanandrana ny handray ireo zava-nanahirana araka ny tena izy aho, dia nanaraka izao fitsipika izao: Raha vitan’ny hafa ny niaina lavitra be ny tanàna, nandeha an-tongotra tamin’ireny lalan-kely ireny ary nita ireny renirano ireny, dia nahoana aho no tsy ho afaka ny hanao izany, indrindra fa satria aho nanana hafatra lehibe aoka izany hoentina?
Karazan-java-nanahirana hafa no nitranga tany amin’ireny tanàna kely ireny. Ohatra, indray mandeha izahay dia nanao fandaharana mba hanao fivoriana tao amin’ny sekoly iray teo an-toerana teo akaikin’ny zaridaina iray. Nisy trano fisotroantoaka kely iray sy fiangonana katolika iray terỳ amin’ny ilan’ilay zaridaina. Rehefa tsy tonga mba hamoha ny sekoly ilay mpampianatra, dia nanapa-kevitra ny hanao ilay lahateny tao amin’ilay zaridaina aho. Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ilay lahateny, dia nisy lehilahy teo amin’ny enina teo ho eo nivoaka avy tao amin’ilay trano fisotroan-toaka ka nanomboka nikiakiaka sy nihetsiketsika be. Renay tatỳ aoriana fa nokaramain’ilay mompera izy ireo mba hanao izany.
Nanomboka niteny mafy kokoa aho ary niresaka tamin’izy ireo nivantana. Nijanona izy ireo ka hoy ny iray taminy hoe: “Miresaka momba an’Andriamanitra izy. Nahoana ilay mompera no niteny fa avy amin’ny Devoly izy?” Rehefa hitan’ilay mompera fa tsy hampitsahatra ilay fivoriana ireo lehilahy ireo, dia niditra tao anaty “jeep”-ny izy ary nanodidina ilay zaridaina tamin’ny fikiakiahana hoe: “Na iza na iza katolika dia tsy tokony hanatrika io fivoriana io!” Tsy nisy na dia iray aza nihetsika, ary nitohy tamim-pilaminana ilay fivoriana.
Tany Mirante do Paranapanema, any São Paulo, aho dia nitsidika ny filohan’ny pôlisy mba hanazava taminy ny asanay ary mba hangataka ny hampiasa ny efitra iray natao ho an’ny besinimaro. Nandamina ny hahafahanay hampiasa ny efitra fanaovana lanonana iray izy. Nolazainay taminy fa hanomana taratasy fanasana koa izahay mba hampahafantarana ny olona momba ilay lahateny. “Faritra aiza eto amin’ny tanàna no hizaranareo azy ireo?” hoy izy nanontany. Rehefa avy nambaranay azy, dia nangataka taratasy fanasana sasantsasany izy mba hozaraina tany amin’ny faritra hafa amin’ny tanàna. Ny alahady izy dia tonga tamin’ny lahateny, nitondra pôlisy roa lahy, “mba hihazonana ny filaminana”, hoy izy.
“Tianao ve ny hampidirako ny lahateninao?” hoy izy nanontany.
“Raha tianao”, hoy ny navaliko, “fa aoka aloha hasehoko anao ny fomba fampidiranay ireo mpandahateny eo aminay. Rehefa avy nampiditra ahy izy, dia nipetraka teo amin’ny lampihazo mba hihaino. Minoa ahy fa mpanatrika nitondra tena tsara no tao. Tsy nahita fahasahiranana velively izahay, satria nisy pôlisy roa lahy teo am-baravarana ary ny filohany nipetraka teo amin’ny lampihazo!
Tamin’ny martsa 1956 aho dia notendrena ho mpiandraikitra ny distrika ary nikarakara fivoriambe nanerana an’i Brezila. Lavitra ireo dia natao. Indray mandeha dia nila telo andro ny fandehanana avy teo amin’ny fivoriambe iray nankany amin’ilay fivoriambe nanaraka. Tany amin’ny faritra avaratry ny tany, indraindray dia natao tamina fiara fitaterana tranainy ny dia. Tsy nisy varavarankely izy ireny, ka noho izany dia nisy rivotra tsara, ary hevitra tsara izany satria nisy akoho sy kisoa anisan’ireo mpandeha!
Nanamafy ny fahavononako ny Sekolin’i Gileada
Fientanam-po toy inona ho ahy moa ny nanatrika ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’i Watchtower tamin’ny 1958! Nahazo ny diplaomanay ny kilasinay tamin’ny fahavaratr’io taona io ihany nandritra ny fivoriambe natao tany amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds izay nahitana mpanatrika 253 922 avy tany amin’ny tany 123 samy hafa, tamin’ny lahateny ampahibemaso. Fisehoan-javatra re izany! Avy eo aho dia niverina nankatỳ Brezila, vonona kokoa noho ny hatramin’izay ny tsy hitsahatra ny hanambara ny Fanjakan’i Jehovah.
Tamin’ny 1962 aho dia nanambady an’i Ruth Honemann, izay efa nanao ny asa misionera teto Brezila nandritra ny enin-taona mahery. Hatramin’ny nivadianay dia nanohy nahazo tombontsoam-panompoana fanampiny aho, toy ny fitarihana ny Sekolin’ny Fanompoana ilay Fanjakana sy ny Sekolin’ny fanompoan’ny mpitory maharitra, ary koa ny fandraisana fanapahan-kevitra teo amin’ny fandaminana fivoriambem-pirenena sy iraisam-pirenena sy teo amin’ny fanorenana ny Efitrano fanaovana fivoriambe voalohany tao São Paulo.
Amin’izao fotoana izao izahay dia mankafỳ ny tombontsoa lehibe indrindra teo amin’ny asanay teokratika amin’ny maha-anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brezila anay. Raha mijery ireo 40 taona mahery laniko teo amin’ny fanompoana manontolo andro ka ny 35 tamin’izany teo amin’ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, aho dia afaka milaza fa feno asa nahafinaritra sy nitondra valisoa izany. (Ohabolana 10:22) Nianatra zavatra maro momba ny fandaminan’i Jehovah aho, anisan’izany ny ilàna hanehoana fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ho namana fa tsy ho filoha ary tsy ho sahirana loatra mba hikarakarana izay ilain’ny hafa. Ho famaranana dia tiako ny milaza, indrindra fa amin’ireo tanora, ilay nolazain’ny rahalahy Estelmann tamiko taona maro lasa izay: “Tanora ianao; salama ianao; manaova àry ny asan’ny mpitory maharitra!”
[Sary, pejy 29]
Ny tokantranonay ankehitriny, ny Betelan’i Brezila