Ampy fitaovana ho amin’ny asa misionera amin’ireo taona 1990
MANOMBOKA ny vanim-potoana manokana iray ho an’ny asa misionera. Mivoha eo amin’ny lafiny vaovao maro ny varavarana ho an’ny fahafahana hanao zavatra, ka maniry mafy ny handroso hanao asa bebe kokoa ihany ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky rehetra.
Koa, tamim-panantenana lehibe àry no nanatrehan’ireo mpianatra 24 tamin’ny kilasy faha-89 amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower ny fandaharana natao handraisany ny diplaomany tamin’ny 9 Septambra 1990. Nisy mpanatrika naherin’ny 5 000 voaforon’ireo olo-nasaina sy ireo mpianakavin’ny Betela niara-nivory ho amin’ny fanomezana diplaoma an’ireo misionera vaovao ireo, izay efa notendrena ho any amin’ny tany folo. Natao tao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe any Jersey City, any New Jersey, ilay fandaharana manontolo, fa ren’ireo nivory tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, tany amin’ny Watchtower Farms ary tany amin’ny Toeram-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, any New York, koa.
Tamin’ny folo maraina marina, i Theodore Jaracz, mpikambana ao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sady mpitari-draharaha tamin’io andro io, dia nangataka ny hihirana hira fanokafana iray. Nanaraka izany, dia nisy vavaka natolotr’i Arthur Worsley anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn. Avy eo ny mpitari-draharaha dia nanisy fitenenana ny amin’ny Asan’ny apostoly 10:33 nilazan’ilay kapiteny romana atao hoe Kornelio tamin’i Petera nanao hoe: “Izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ny Tompo anao.” Nomarihina fa ireo zava-niseho ara-tantara nitranga tamin’ny andron’i Petera dia natao hamoha ny lalana ho an’ny fanambarana ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra.
I Philip D. Wilcox, avy any amin’ny Watchtower Farms, dia nanao ny voalohany tamin’ireo lahateny fito nandrisika. Nandray ny hevitra ao amin’ny Filipiana 4:7 izy ka naka ny lohahevitra hoe “Aoka ny fiadanan’Andriamanitra hanampy anareo any amin’ny asa nanendrena anareo”. Hoy izy hoe: “Jehovah Andriamanitra no loharanon’ny tena fiadanana. Manana fiadanana amin’ny heviny feno na tanteraka izy ary tsy iharan’ny ahiahy mahaketraka, ny fanahiana na ny tebiteby ara-tsaina. Ho vokatr’izany dia misy fahatoniana sy fiadanana manodidina ny fanatrehana mamirapiratr’i Jehovah eo amin’ny seza fiandrianany, araka ny asehon’ilay avana nitarehin’emeralda hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana. (Apokalypsy 4:2,3). Mankany amin’izay rehetra mamela izany hanampy azy koa ny fiadanany fa tsy mijanona eo aminy. Hamela izany ve ianareo?” Namelabelatra ny amin’ny fanampiana roa tena ilaina ny rahalahy Wilcox, dia ny vavaka sy ny fahavononana hiandry an’i Jehovah. (Mika 7:7; Filipiana 4:6). Tsy misy na inona na inona amin’izay avelan’Andriamanitra hitranga hitondra fahavoazana maharitra ho antsika, hoy ny fanamarihana nataony.
I Lloyd Barry, mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe, dia nanohy tamin’ny lohahevitra hoe “Aza mitsahatra ny mitsiky”. Nanomboka izy tamin’ny filazana hoe: “Fanafody tsara ny fihomehezana.” Nahatsiaro io fitenenana io izy satria tany amin’ny 1955 dia izany no fotokevitra teo amin’ny fonon’ny nomerao voalohany tamin’ny gazety Mifohaza! niseho tamin’ny fiteny japone. Karazana fihomehezana inona anefa? Tsy ilay “fihomehezan’ny adala” mitabataba be sy tsy misy heviny akory. (Mpitoriteny 7:6). Tsia, fa ny fihomehezana falifaly sy tonin’ireo misionera sy ny hafa izay manaiky ny fanasan’i Davida mba ‘hifaly amin’i Jehovah’ mandrakariva kosa izany. (Salamo 32:11). Nanamarika ny rahalahy Barry fa, na dia teo aza ireo fitsapana mafy nahazo an’i Joba, dia afaka tsy nitsahatra ny nitsiky izy, satria fantany fa nihazona ny tsy fivadihany teo anatrehan’Andriamanitra izy. Ireo misionera izay mijoro ho mahatoky na dia eo aza ireo zava-mihatra mitondra fitsapana toy ny an’i Joba dia handray fitahiana betsaka kokoa noho ny azy aza amin’ny farany. (Joba 29:24, MN; 42:12). Namarana toy izao ilay mpandahateny: “Aza mitsahatra ny manao zavatra, aza mitsahatra ny mitsiky, dia hijinja ny tsikim-pankasitrahan’i Jehovah mandrakizay koa ianao.”
Ny mpandahateny nanaraka dia i Richard E. Abrahamson, izay nifidy ny lohahevitra hoe “Aoka ho fantatry ny olona rehetra fa mora alahatra ianao”, niorina tamin’ny Filipiana 4:5 (MN). Araka ny teny grika fototra, ny teny hoe “mora alahatra” dia mety hanana heviny hoe “mandefitra”. Nahita zava-nanahirana ny misionera sasany noho ny fitiavan-javatra manokana fotsiny. Ny iray, ohatra, dia taitra mafy nahita ny fomba nanapahan’ny misionera hafa iray “fromage” teo am-pisakafoana. Rehefa avy nandany 22 taona teo amin’ny asa misionera ilay misionera taitra mafy dia nanamarika fa ny ankamaroan’ireo fahasahiranana dia mipoitra noho ny raharaha tsy dia manao ahoana loatra toy ny fomba fanapahana “fromage”. Nanoro hevitra toy izao ilay mpandahateny: “Mahaiza mifanaraka amin’ny toe-javatra, toy ny hazo iray ao anaty tafiotra. Misy vokatsoa maro azo avy amin’ny fahaiza-mandefitra, toy ny fihatsaran’ny fahaizana miaritra fitsapana sy mifikitra amin’ny nanendrena ny tena amim-piadanan-tsaina.”
I Milton G. Henschel, anisan’ny Kolejy foibe, dia namelabelatra ny lohahevitra hoe ‘Mivoha ny varavarana lehibe iray hahazoana miasa’. Nanamarika ny rahalahy Henschel fa tia olona i Jesosy, onena azy ary nampianatra azy zavatra maro. Avy tany Efesosy, dia nanoratra ho an’ny Korintiana toy izao ny apostoly Paoly: “Varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.” (1 Korintiana 16:8, 9). Na dia teo aza izany fanoherana izany, dia nampianatra tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano nandritra ny roa taona i Paoly, hany ka nanjary fantatra eran’ny distrikan’i Jodia ny hafatr’ilay Fanjakana. (Asan’ny apostoly 19:9, 10). Nitondra fahombiazana teo amin’ny fitoriany io varavarana nivoha io. Mbola teo am-piasana ihany ny kongregasionan’i Efesosy tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. — Apokalypsy 2:1-7.
I Jack D. Redford, mpampianatra iray ao Gileada, dia niresaka momba ny lohahevitra hoe “Aza mitsahatra ny mizaha toetra ny tenanareo”. (2 Korintiana 13:5, MN). Nanokatra faritany vaovao maro ireo misionera avy ao Gileada ary nampahatanjaka kongregasiona efa niforona, niaritra zavatra maro ary nahatohitra ny jono aroson’ny Devoly mba hampivily lalana azy ireo. Ary tsy mitsahatra misy vaovao milatsaka ho anisan’ny misionera. Nitantara fanandraman-javatra roa mazava tsara ilay mpampianatra mba hampisehoana ny maha-tena ilaina ny hizahana toetra ny finoan’ny tena. Namoy ny tombontsoany ny misionera iray rehefa avy tsy niraharaha tamim-pieboeboana ny torohevitra nisy fampitandremana nomena azy momba ny lalan-diso narahiny. Tetsy an-daniny kosa, dia nijanona tamim-pifaliana teo amin’ny nanendrena azy ny misionera hafa iray, na dia, tao anatin’ireo telo volana voalohany aza, dia nanjary nahia kaozatra izy noho ny aretina izay nampamoy azy koa ny volony sy ny fandrenesany. Mbola any foana izao io anabavy io 42 taona atỳ aoriana, ary, tamin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly, dia nanampy olona 156 ho tonga amin’ny batisa. Namarana toy izao ny rahalahy Redford: “Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy. Aza maka na oviana na oviana ny jonony. Aza mitsahatra ny mandinika ny toetranareo. I Jehovah dia hiahy anareo.”
Nanaraka izany, i Ulysses V. Glass, mpampianatra hafa iray, dia niresaka momba ny lohahevitra hoe “Ao amin’ny manetry tena [mihevi-tena araka ny izy, MN] no misy fahendrena”. (Ohabolana 11:2). Nampiasa famantaranandro fitondra eny amin’ny sandry mandeha amin’ny vatoaratra (pile) mahazo hery avy amin’ny masoandro izy mba hampisehoana fa afaka mihazona antsika ho “feno hery” hatrany ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra. “Kanefa”, hoy ny nasehony, “ny fahalalana fotsiny dia tsy manome fahendrena. Takin’Andriamanitra koa ny fiheveran-tena araka ny izy.” (Mika 6:8, MN). Hitarika antsika hatahotra an’Andriamanitra ny fiheveran-tena araka ny izy, ary “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (Ohabolana 9:10). Marina fa tsy maintsy misy fanajan-tena ihany ao amintsika satria mety hanimba ny fanamelohan-tena. Nanome fahaizana manokana ny sasany i Jehovah, toy ny nataony nandritra ny fanorenana ny tabernakely, nefa tsy maintsy aseho ny fahatokiana miaraka amin’ny fiheveran-tena araka ny izy. “Nandritra ny fe-potoana nianaranareo teto”, hoy ny rahalahy Glass tamin’ilay kilasy, “dia nanome porofo ianareo fa azo ianteherana sy hajaina. Manehoa fahatokiana sahala amin’izany ihany any amin’ny nanendrena anareo, dia hitahy anareo Andriamanitra.”
I Albert D. Schroeder, anisan’ny Kolejy foibe, dia nanao ny lahateny fototra nitondra ny lohateny hoe “Ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa misionera amin’ireo taona 1990”. Nanomboka toy izao izy: “Nanomboka tamin’ny tabataba be sahady ireo taona 1990. Nihorohoro ny tany maro any Eoropa atsinanana. Nosokafana ny Rindrin’i Berlin volana maromaro lasa izay. Nitondra ny lohateny hoe ‘Aogositra 1990, ilay volana nampihozongozona izao tontolo izao’ ny gazety The New York Times. Ianareo vao nahazo diplaoma àry dia miaina amin’ny fotoana fihozongozonana. Nanomana anareo ho amin’izany ve ireo dimy volana nianaranareo? Izany dia izany tokoa!” Avy eo izy dia nanonona ny toetra sasantsasany mitondra fanampiana hita ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao — misy fakàn-teny (anglisy) ary ny fomba nahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho velona noho ny fianarana azy io. Ny fiasana mahery hafa iray izay nahatonga ireo mpianatra ho ampy fitaovana dia ny boky hoe “Toute écriture est inspirée de Dieu et utile”, vao nohavaozina tamin’ny 1990 amin’ny teny anglisy. Ilay boky vao navoaka hoe L’humanité à la recherche de Dieu dia tokony ho fanampiana mahery koa ho an’ireo misionera. Namarana toy izao ny rahalahy Schroeder: “Noho izany àry, ry rahalahy, misaora an’i Jehovah noho ny fampianarana mahatalanjona, tsy azo vidim-bola azonareo — fampianarana izay mafy orina ka tsy azo hozongozonina. Mandrosoa hatrany noho ny fitahian’i Jehovah ary manàna fitokiana feno azy sy ny Mpitarika antsika mahatalanjona, i Jesosy Kristy. Azo tamin’ny tsindrimandry tokoa ireo teny hitantsika ao amin’ny Soratra masina ka hanoro lalana sy hitarika anareo eo amin’ny asa misionera.”
Nisy fiarahabana avy tany amin’ny tany 11 novakina. Nandray ny diplaomany ireo mpianatra, ary namaky taratasy iray vokatry ny fony ho an’ny Kolejy foibe sy ny mpianakavin’ny Betela ny iray tamin’izy ireo.
Ny fotoam-pivoriana tolakandro dia nisy fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina notarihin’i David L. Walker, mpikambana ao amin’ny komitin’ny Watchtower Farms. Avy eo ireo mpianatra dia naka ny lohahevitra manosika hanao zavatra hoe “Ny herin’ny vavaka eo amin’ny asa fitoriana” tamin’ny filalaovana an-tsehatra zavatra hitany teny am-pitoriana. Ny kongregasiona iray teo an-toerana dia nanolotra fampisehoana tantara nandrisika nitondra ny lohateny hoe Nafahana mba hampandroso ny Fanompoam-pivavahana marina, niorina tamin’ny fiverenan’i Ezra tany Jerosalema mba hampandroso ny fanompoam-pivavahana marina. Ny rahalahy Frederick W. Franz, prezidàn’ny Sekolin’i Gileada, dia namarana tamin’ny vavaka nampihetsi-po.
[Sary, pejy 24]
Ny kilasy faha-89 nahazo diplaoma avy tao amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana. 1) Ahr, K.; Johnston, L.; Ng Ying Kin, V.; Sukkau, A.; Rodriguez, A.; Myklebust, N. 2) Ahr, H.; Verbeek, P.; Verbeek, K.; DeBolt, S.; DeBolt, S. 3) Sukkau, W.; Ayala, L.; Ayala, S.; Jenson, R.; Ng Ying Kin, J.; Myklebust, T. 4) Rodriguez, C.; Ferlisi, G.; Ferlisi, L.; Tank, J.; Jenson, K.; Tank, J.; Johnston, P.