Fivavahana — Nahoana no tsy liana amin’izany ny olona?
“MITOVY amin’ny trano tsy misy varavarankely ny olona tsy manana fivavahana.” Izany no fomba nilazan’ny lehilahy japone iray tamin’i Mitsuo, zanany lahy, ny ilàna fahazavana ara-pivavahana. Tsy nandray ny tenin-drainy ho zava-dehibe anefa i Mitsuo. Ary misy olona mitombo isa hatrany any Japana, toy ny any an-toeran-kafa, toa mahatsapa fihetseham-po mitovy amin’izany. Mianina amin’ny maha-‘trano tsy misy varavarankely’ azy izy ka tsy liana firy ny amin’ny famelana fahazavana ara-pivavahana hamiratra eo amin’ny fiainany.
Noho izany, rehefa nanao famakafakana ny toetry ny olona manerana ilay firenena i Japana, dia nanambara ny 69 isan-jaton’ny olom-pireneny fa tsy nihevitra ny tenany ho mpivavaka izy ireo. Mbola avo kokoa aza ny ampahany eo amin’ny tanora. Mitovy amin’izany, any Thaïlande, ilay tany bodista tia fivavahana be taloha, dia tsy mankany amin’ny tempoly bodista intsony ny 75 isan-jaton’ireo izay mipetraka any an-tanàn-dehibe. Any Angletera, nandritra ireo 30 taona lasa, dia saika ny ampahavalon’ireo fiangonana anglikana no nakatona satria tsy nampiasaina.
Any Japana anefa, dia mbola miharihary be ireo fisehoana ivelany marevaka ara-pivavahana. Kanefa, toy ireo zavatra vita amin’ny bakoly lafo vidy, izy ireo dia tsy avoaka raha tsy amin’ny fisehoan-javatra indraindray mahalana — toy ny amin’ny fampakaram-bady sy fandevenana. Heverina ho zava-dehibe ny fivavahana noho izy io mampaharitra ny kolontsaina eo an-toerana sy ny lovam-pianakaviana fa tsy noho ny fanazavana ara-panahy entiny. Misy olona maro mihevitra ny fivavahana ho toy ny fanafody fampandriana adrisa fotsiny ho an’ireo osa sy sahiran-kevitra; tsy mahita soa hafa azo tsapain-tanana raisina avy amin’izy io izy ireo. ‘Tsara ny fivavahana raha manana fotoana ho amin’izany na mahatsiaro ho mila izany ianao’, hoy ny sasany, ‘kanefa dia tsy maintsy miantehitra amin’ny tenanao ianao mba hivelomana sy handoavana ny trosanao’.
Inona no fonosin’io tsy firaikana io? Misy antony maro azo omena. Voalohany, dia eo ny manodidina ara-tsôsialy. Tsy nahazo afa-tsy fampianarana ara-pivavahana kely na tsy nahazo mihitsy ny tanora maro. Tsy mahagaga loatra àry raha maro amin’ireo miaina eo anivon’ny fitambaran’olona mihevitra ho ambony vidy ny fikatsahana zavatra ara-nofo no mitombo ka lasa olon-dehibe tia fatratra zavatra ara-nofo.
Any amin’ny tany sasany, ny fihetsika mahamenatra nasehon’ireo mpitoriteny ao amin’ny televiziona sy mpitondra fivavahana malaza hafa feno faniriana mihoa-pampana sy maloto fitondrantena dia nampiala olona tamin’ny fivavahana koa. Mitovy amin’izany koa ny nataon’ny fitsabahan’ny fivavahana amin’ny raharaha ara-politika sy ny ezaka atao amin’ny ady. Hazavain’izay nitranga tamin’ny fivavahana Shinto tany Japana izany. “Noho ny ady [Ady Lehibe faharoa] nifarana tamin’ny faharesena tamin’ny Aogositra 1945, dia niatrika fotoan-tsarotra ireo toerana fanasinana shintoista”, hoy ny Firaketana momba ireo fivavahana japone. “Nandiso fanantenana ny vahoaka ny fivavahana Shinto izay nanentana ny firehetana ho amin’ny ady sy nampanantena fandresena. Niely haingana ny filôzôfia milaza fa tsy misy Andriamanitra na Bouddha.
Kanefa, moa ve isika tokony hianina tokoa amin’ny fananana fomba fijery tia tena sy tsy mahita lavitra — dia ny eto sy ny anio ihany? Ny ankamaroan’ny olombelona dia manana saina tia karokaroka. Ho tian’izy ireo ny hahafantatra hoe avy aiza izy ireo ary ho aiza; nahoana izy ireo no velona ary ahoana no fomba hitondrany ny fiainany. Miankina amin’ny fanantenana ny fahombiazan’izy ireo. Tsy mahafa-po ny fanilihana ireo fanontaniana mikasika ny fiainana, na ny fanakanana azy ireny tsy hipoitra amin’ny hevitra hoe “tsy azo fantarina izany zavatra izany”. Na dia ilay olona tsy nino an’Andriamanitra atao hoe Bertrand Russel aza dia niresaka ny amin’ny fananany “alahelo mafy toa hafahafa — fitadiavana zavatra ankoatr’izay raketin’izao tontolo izao”. Ho afaka namarana izany fitadiavana izany ny fivavahana marina iray. Ahoana anefa? Inona no porofo fa misy fivavahana mendrika ny hoheverina ho zava-dehibe toy izany?