Afaka ny ho sambatra ve ianao raha manan-javatra be dia be tsy maintsy atao?
NY ANKAMAROANY amintsika dia manana fiainana feno zavatra atao loatra, ary mazàna tsy milamina. Ny fanerena tsy mifaditrovan’ny fiainana amin’ny andro ankehitriny dia mitaky ny hanaovantsika fiezahana mitohy mba haharaka fotsiny ny dia. Tsy maintsy miatrika adidy feno fanerena amin’ny fianakaviany sy ny mpampiasa azy ary ny hafa ireo lehilahy vady sy raim-pianakaviana. Ireo vehivavy vady sy renim-pianakaviana indray tsy maintsy mikarakara izay ilain’ny ankohonany ary matetika voatery miasa any ivelan’ny tokantrano. Eo ambanin’ny fanerena hisahana adidy ara-pianakaviana sasany koa ireo tanora raha mbola mandray fanabeazana izay hanomana azy ho amin’ny andraikitra hahitam-bokatra ao amin’ny fiaraha-monina.
Nefa, ahoana ny amin’ireo anisantsika izay nanolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah Andriamanitra sy Vavolombelony vita batisa? Ambonin’ny zavatra hafa rehetra takina amintsika, dia nahazo ity fananaran’ny apostoly Paoly ity isika: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1 Korintiana 15:58). Eny, andraikitra fanampiny maro be no anisan’ny zavatra takin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ahoana no ahafahantsika manatanteraka izany adidy rehetra izany sady hanana fiadanan-tsaina sy fomba fijery mitondra fahasambarana?
Mitondra fahasambarana ny fanatanterahan-javatra
Ny fahasambarana, izany hoe ny fahatsapana fiadanana na hafaliana, dia mifamatotra akaiky amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiantsorohana ireo andraikitra eo amin’ny fiainana. Raha toa isika ka mahay miatrika ireo adidintsika isan’andro amin’ny fomba mandaitra tsara, manao izay hahavitan’ireo zavatra atao ara-potoana sy amin’ny fomba milamina, dia manana fahatsapana fahatanterahan-javatra sy fahafahampo isika. Izany no fomba tokony hanaovana azy, ary ny vokany dia mitondra fahasambarana ho antsika.
Tsy nikasa na oviana na oviana i Jehovah Andriamanitra hoe tokony ho enta-mavesatra iray hampijaly antsika ny fiantsorohantsika ireo andraikitsika. Ny faniriany kosa mandrakariva dia ny hahatonga antsika ho ‘faly sy ho finaritra amin’ny fisasarantsika rehetra’. (Mpitoriteny 3:12, 13). Rehefa sambatra amin’ny asantsika isika, dia mahita vokatra mandrakariva. Mora mandray toromarika isika ary ho tsara fihavanana amin’ny hafa. Etsy an-danin’izany, raha tsy sambatra isika, dia manjary mavesatra ny asantsika, tonga zavatra mahamonamonaina, mahasorena, mampisy enta-mavesatra ara-pihetsehampo mihitsy aza. Izany dia mitarika ho amin’ny fahazarana manao asa tsy misy vokany sy toe-tsaina tsy manorina. Manjary ady atao isan’andro ny fiainana arakaraka ny hiezahantsika hiatrika ireo zavatra takina amintsika rehetra. Kanefa, raha afaka mahita fomba iray hitoerana ho sambatra amin’izay ataontsika isika, dia azo antenaina kokoa fa hahita fomba fiaina iray hahazoana valisoa sy fahafahampo.
Aoka ianao hahay handanjalanja
Raha tokony ho sambatra isika na dia manan-javatra be dia be tsy maintsy atao aza, dia ilaintsika ny hahay handanjalanja. Inona moa ny hoe fandanjalanjana? Izany dia “fiorenana ara-tsaina sy ara-pihetsehampo”. Ny olona iray mahay mandanjalanja dia miezaka mafy mba hilamina amin’ny asa ataony. Manao drafitrasa mialoha izy, fadiny ny mangataka andro, ary zatra ny mahalala onony izy. Maneho fifehezan-tena izy eo amin’ny sakafo, fisotro, fialan-tsasatra, fanalana andro tiana, ary fialam-boly. Raha ny marina, dia maneho “fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra” izy! — 1 Korintiana 9:24-27, NW; ampitahao amin’ny Titosy 2:2.
Ny vavaka dia manana anjara toerana iray lehibe dia lehibe eo amin’ny fitanana fandanjalanjana kristiana. Azon’ny mpanompon’i Jehovah iray atao ny mangataka ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny fanampian’ny Rainy any an-danitra eo amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fifehezan-tena. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23, MN). Tokony hiantehitra amin’Andriamanitra amin’ny vavaka indrindra ny kristiana iray rehefa iharan’ireo fitsapana izay mandrahona ny hanakorontana ny fandanjalanjany. “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka”, hoy i Davida mpanao salamo. (Salamo 37:5). Mety hilaintsika indraindray ny mivavaka toy nataon’i Davida rehefa nitaraina toy izao izy: “Faingàna hankaty amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela Jehovah ô.” (Salamo 70:5). Aza hadinoina na oviana na oviana fa noho ny vavaka dia azo atao ny mitana fandanjalanjana sy mahazo ‘ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fontsika sy ny saintsika.’ — Filipiana 4:6, 7.
Noho izy miankina amin’i Jehovah sy mahazo ny fiadanan’Andriamanitra, ny kristiana mahay mandanjalanja iray dia salama saina. (Titosy 2:11, 12). Izany dia avy amin’ny fananana fahatakarana tsara ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy avy amin’ny fampiharana azy ireny eo amin’ny fiainana. Ny olona toy izany dia tsy mihatsaravelatsihy na maimaika amin’ny fitsarana zavatra. Ny fahalalana ny antonony dia mahatonga azy tsy ho be tohika na ho kirìna. Mihazona fomba fijery ny tenany sy ny fahaizany tsy misy fieboeboana izy, ary izany dia mahatonga azy hahay hiara-miasa amin’ny hafa. (Mika 6:8). Mahaliana fa, ireo toetoetra manampy ny olona iray hahay handanjalanja dia anisan’ireo toetra takina amin’ireo izay tendrena hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana koa. — 1 Timoty 3:2, 3.
Afaka manampy betsaka ny fahasambarantsika isika amin’ny fiezahana mafy mba hahay handanjalanja eo amin’ny asa fanaontsika isan’andro. Amin’ny fanehoana ireo toetra mifandray amin’ny fandanjalanjana tsara, dia afaka mahavita ireo zavatra ilaina, tsy mahita fihenjanana ara-batana na ara-pihetsehampo, isika. Hahitana taratry ny fahatoniana bebe kokoa ny fomba fiainantsika, ary hahavita zavatra betsaka kokoa isika. Hahita fifaliana mitombo ny hafa amin’ny fiaraha-miasa amintsika, ary hahatsapa fahafahampo sy fifaliana bebe kokoa isika. Nefa inona avy ireo fomba sasany hitanana fandanjalanjana?
Ireo fomba azo ampiharina hitanana fandanjalanjana
Mba hitanana fandanjalanjana, dia tokony hiezaka isika mba ho mailaka sy hilamina eo amin’ny fikarakarana ireo raharahantsika manokana. Ilaintsika ny manao fandaharana mialoha, mikarakara raharaha amin’ny fomba milamina sy voalahatra tsara. Ireo tsy ampy fandaharan-javatra tsara sady manana fironana hangataka andro, dia manasarotra ny fiainany ampian’ny fitomboan’ny fihenjanana sy ny fanahiana. Ny fahombiazana eo amin’io lafiny iray amin’ny fiainana io dia hanampy antsika hahatsapa fa mahafehy tena isika fa tsy hoe hahatsapa fa tsy afa-manoatra eo ambany faneren’ny toe-javatra.
Tsy tokony hiezaka hanao samirery ny zavatra rehetra isika. Ireo izay tsy mazoto hanaiky fanampiana avy amin’ny hafa mazàna dia mahita faisana amin’ny harerahana sy ny tsy fahafahampo. Misy raharaha maro samihafa izay azon’ny hafa sahanina. Noho izany, dia fahendrena ny manararaotra ny fahaizan’ireo izay maniry hanolotra fanampiana. Ankoatra ny fanamaivanana ny entantsika, dia mety hampahery ireo izay maniry ho akaiky antsika izany.
Tsy fahendrena ny mampitaha ny tenantsika amin’ireo izay mety ho afaka hanao betsaka kokoa. Ny fiezahana hanahaka ireo toa mahavita betsaka noho isika dia mety hanakivy sy hanao izay hahatsapantsika ho ambany sy tsy mendrika. Ny fiheverana toy izany dia manimba, mandrava ny fahavononantsika sy ny fatokiantsika ny tenantsika. “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. (Galatiana 6:4). Tadidio fa ny mpiasa mendrika indrindra dia izay manaraka toromarika, miorina tsara sy azo itokiana, ary manao asa tsara. Raha toy izany isika, dia hankasitrahana sy hirina ny asa ataontsika. — Ohabolana 22:29.
Ilaintsika ny mikarakara tsara ny fahasalamantsika. Anisan’ireo fananantsika sarobidy indrindra izany, satria raha tsy eo izany dia mety tsy ho afaka hanao afa-tsy faran’izay kely isika. Noho izany, dia tokony hiezaka isika mba hanana fahazarana ara-tsakafo mahasalama amin’ny fihinanana sakafo mahavelona. Tokony haka izay fialan-tsasatra ilaintsika isika, handeha hatory amin’ny ora ara-dalàna amin’ny alina. Rehefa vizana mafy isika na sendra mahatsapa tsy metimety, dia tsy tokony hikiry hanery tena; mety hovidintsika lafo izany.
Zava-dehibe ny hitandremana tsy hampitombo toe-tsaina tia mitaraina. Raha mamela ny hevitra tsy manorina hanjaka isika, dia mety hahita tsy mety saika amin’ny zavatra rehetra na amin’ny olona rehetra. Izany dia fomba iray azo antoka fa hanaisotra ny fifaliantsika sy ny an’ny hafa. Toy izay hanao resadresa-poana na hitaraina ny amin’izay tsapantsika ho tsy rariny, dia tokony hampahafantatra izany amin’ireo tompon’andraikitra isika mba hikarakarana ilay raharaha ary hanankina amin’izy ireo ny fanitsiana zavatra. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 1:10-12.) Maneho fahendrena isika amin’ny fitanana fomba fijery manorina, ka mikatsaka sy manantena mandrakariva ny hahita fahatsarana eo amin’ny hafa sy amin’ireo fisehoan-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika. — Ampitahao amin’ny Joda 3, 4, 16.
Amin’ny fandaharana mialoha ireo zavatra ataontsika, dia tokony hotadidintsika fa mety hahavitana ny tsara indrindra ny hafainganana tafahoatra, nefa mahalana no ho afaka ny hisy maharitra izany. Ny fiezahana tafahoatra mitohy dia tsy vitan’ny hoe mitarika harerahana fotsiny fa mety hitondra fahakiviana koa sy mety handrava ny fahavononantsika hanohy. Noho izany, aoka isika hametra hafainganana azontsika tazonina tsy misy fetra. Ohatra, tsara ny manao fandaharam-potoana azo ampiharina iray ho an’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana isan-trano sy ireo lafin-javatra hafa amin’ny fanompoana kristiana. Ilaintsika ny mamela fotoana ho an’ny fialan-tsasatra sy fialam-boly manorina. Ary ho hitantsika fa mahasoa ny miresaka amin’ny olona be taona kokoa izay manana am-polony taona maro nahitana fanandraman-javatra, satria nety ho nianatra ny fomba hanaovana izay hahavitana ireo zavatra tena ilaina, tsy misy fandrerahan-tena ara-batana sy ara-pihetsehampo, izy ireny.
Mampiasà fahaiza-mitsara zavatra
Mety ny hahatsapana adidy sy faniriana hanatanteraka ireo andraikitra rehetra nanendrena antsika, anisan’izany ireo ao anatin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah. Mahafaly an’i Jehovah ny mpiasa marisika sy azo itokiana. (Ampitahao amin’ny Matio 25:21; Titosy 2:11-14, MN.) Nefa mampirisika toy izao ny Soratra masina: “Raketo ny tena fahendrena [azo ampiharina, MN] sy ny fisainana mazava”. (Ohabolana 3:21). Hahasoa antsika ny fampiharana ny fahendrena ao amin’ny Baiboly ary ilaintsika ny mampiasa fahaiza-manao zavatra araka ny antonony sy fahaiza-mitsara zavatra, ary manao drafitrasa amim-pitandremana sy mitandrina mandrakariva tsy hihoatra ny fetran’ny herintsika.
Ny fampirisihana ny amin’ny hananan-javatra feno hatao eo amin’ny asan’ny Tompo dia tsy maintsy mifandanja amin’ny fampitandremana mialoha voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 9:4. Izao no vakintsika: “Ny amboa velona no tsara noho ny liona maty”. Eny, ny amboa velona, na dia ataon’ny sasany tsinontsinona aza, dia metimety kokoa noho ny liona maty, biby iray heverin’ny maro ho mpanjakan’ny biby. Raha maneho fandanjalanjana isika ary mikarakara araka ny tokony ho izy ny fahasalamantsika, dia ho velona sy ho afaka hanohy hanao zavatra. Tsy mandray anjara amin’ny asa na inona na inona intsony ny maty. Ny fahaiza-mitsara zavatra dia afaka manampy antsika hahita fandanjalanjana araka ny tokony ho izy izay mamela antsika hanatanteraka ireo zavatra ilaina, tsy misy famoizana ny fifaliantsika.
Noho izany àry, ny fananana zavatra be dia be tsy maintsy atao dia tsy midika fa tsy afaka ny ho sambatra isika. Ny olona be asa atao indrindra dia afaka ny ho anisan’ny sambatra indrindra raha toa izy ireny ka mahalala ny antonony, mitana fomba fijery tsara dia tsara, ary mampiasa fahaiza-mitsara zavatra mba hitoerana hahay handanjalanja tsara. Azontsika atao ny manandrana ny fahasambarana lehibe indrindra araka izay azo atao raha toa isika ka maneho fahendrena sy manatontosa asa tsara ary manankina ny fanantenantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. — 1 Timoty 6:17-19.