FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/8 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampiomanina mba Hitory na Misy Fanenjehana Aza
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Voaomana mba hiaritra fanenjehana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fampiomanana mba hiatrika fanenjehana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nitory Tany Galilia sy Nampiofana ny Apostoly Izy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/8 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ao amin’ny Matio 10:21, moa ve i Jesosy mampitandrina antsika fa rahalahy maro be ao amin’ny kongregasiona no hivadika amin’ireo rahalahiny ara-panahy?

Tsia, tsy izany no vontoatin’ny fampitandreman’i Jesosy, izay vakintsika toy izao: “Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.” — Matio 10:21.

Asehon’ny teny manodidina fa nilaza io teny io tamin’ireo apostoly 12 i Jesosy fony izy nandefa azy ireo ho amin’ny fitetezam-paritra ho fitoriana teo amin’ny Isiraely. Maro tamin’ireo zavatra noteneniny no nisy heviny lehibe ho an’ireo apostoly. Ohatra, nilaza izy fa homena hery izy ireo hanao fanasitranana mahagaga, hamoaka demonia, ary hanangana amin’ny maty koa aza. (Matio 10:1, 8; 11:1). Hamarinin’ny tantara fa tsy ny kristiana rehetra no nandray hery mahagaga toy izany, ka hamafisiny fa tamin’ny olona voafetra teto no niresahan’i Jesosy, dia ny apostoliny.

Kanefa, ny sasantsasany tamin’izay notenenin’i Jesosy dia niitatra ivelan’ny fitoriana nataon’ireo apostoly. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ary mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; (...) ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.” (Matio 10:17, 18). Tamin’izany fitetezam-paritra izany, dia azo inoana fa niatrika fanoherana izy 12 lahy, nefa tsy misy porofo fa nentina teo “anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka” izy ireo mba hanao fanambarana amin’ny “jentilisa”.a Tao anatin’ireo taona tatỳ aoriana, dia niseho teo anatrehan’ny mpanapaka toa an-dry Heroda Agripa voalohany sy faharoa mpanjaka, Sergio Paolo, Galio, ary ny emperora Néron koa aza, ireo apostoly. (Asan’ny apostoly 12:1, 2; 13:6,7; 18:12; 25:8-12, 21; 26:1-3). Noho izany, dia nihatra ny tenin’i Jesosy tatỳ aoriana kokoa.

Nitohy tamin’ny fampitandremana toy izao ny torohevitr’i Jesosy: “Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty.” Tsy nanisy firesahana ny amin’ireo rahalahy ara-panahy velively izy, na ny ray na koa ny zanaka ara-panahy amin’ireto teniny ao amin’ny andininy faha-21 ireto: “Ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.” Te hilaza i Jesosy fa afaka nanampo fankahalana na fanoherana ireo apostoly na dia avy tamin’ny havana aza. — Matio 10:35, 36.

Nila fiaretana ireo apostoly tamin’izany fitetezam-paritra ho fitoriana izany. Nanohy toy izao i Jesosy: “Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 10:22.

Ny sasany tamin’izay nolazain’i Jesosy tamin’io fotoana io dia misy heviny ho antsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Ny vontoatin-kevitry ny fitoriantsika dia ilay Fanjakana. Manatanteraka ny fitoriantsika maimaimpoana isika ary mitady ireo olona liana amin’ny hafatra na mendrika hahazo izany. Mety ny fitandremana mialoha. Maro be ireo mpanenjika. Indraindray ireo havana na mpiara-monina na mpiara-miasa dia mitondra olana lehibe, indrindra fa ho an’ireo tso-po vao manomboka manaraka ny lalan’ny kristianisma marina. Namerina fampitandremana iray momba ny fanoherana toy izany i Jesosy rehefa nilazalaza ny “famantarana” ny fanatrehany. (Matio 24:3, 9, 10; Lioka 21:16, 17). Namerina nanambara ny ilàntsika ‘haharitra [hiaritra, MN] hatramin’ny farany mba hovonjena’ koa izy. Eny, ilaintsika ny miaritra hatramin’ny faran’ny fiainantsika ankehitriny na mandra-pifaran’ity fandehan-javatra ity, ary dia ho afaka hiditra ao amin’ny tontolo vaovao isika. — Matio 24:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny fandikan-teny hafa dia mandika azy io hoe “ny mpanompo sampy” (Ny Baibolin’i Jerosalema), “ny Jentilisa” (Ny Dikan-teny Iraisam-pirenena Vaovao sy ny dikan-teny nataon’i Moffat sy Lamsa), ary “ny tsy mpino” (The New English Bible).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara