Ny Baiboly — Tena masina tokoa ve izy io?
MBA firy moa amin’izao andro izao ny olona mihevitra ny Baiboly ho masina sy ho Tenin’Andriamanitra? Amin’izao vanim-potoan’ny fisalasalana izao, dia maro be no mihevitra azy io ho lany andro sy tsy azo ampiharina, ary misalasala raha tena masina izy io. Na dia ny sasany amin’ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana aza dia mampianatra fa vonton’ny angano sy ny arira ny Baiboly. Manontany izy ireny ‘raha anisan’ny azon’ny olona mahira-tsaina iray ekena ny filazana ny hevitry ny Baiboly ara-tantara.’ — The Interpreter’s Dictionary of the Bible, Boky faha-2, pejy faha-611.
Ireo mpivaofy teny malaza dia mamafy voan’ny fisalasalana raha ny amin’ny maha-mety ny iantsoana ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra. Nisy iray nilaza fa “raha maniry hampiasa ny karazam-pitenenana hoe Tenin’Andriamanitra ny olona iray, ny teny mifanentana tokony hiantsoana ny Baiboly dia ny hoe Tenin’ny Isiraely, Tenin’ny kristiana voalohany sasany nandray fitarihana.” (The Bible in the Modern World, nosoratan’i James Barr). Ahoana ny hevitrao? Moa ve Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? Tena masina tokoa ve izy io?
Iza no nanoratra ny Baiboly?
Ny fanoratana ny Genesisy, ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, dia voalazan’ny lovantsofina fa nataon’i Mosesy, Hebreo iray niaina tany amin’ny 3 500 taona lasa izay. Araka ny voalazan’ny Baiboly mihitsy, dia lehilahy teo amin’ny 40 avy tamin’ny saranga samy hafa no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny sisa amin’ny Soratra masina, ka nahaforona fitambarana boky 66, na ireo fizarana maromaro ao amin’ny Baiboly, izany. Kanefa, ireo lehilahy ireo dia tsy nihevi-tena ho ny tena mpanao ny Baiboly. Hoy ny mpanoratra azy iray: “Ny Soratra rehetra dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16, MN). Nilaza toy izao momba ireo mpanoratra ny Baiboly ny iray hafa: “Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Petera 1:21.
Izany dia mametraka ireo mpanoratra ho eo amin’ny sokajin’ny mpanora-dalàna na mpitantsoratra, teo ambany fanaraha-maso na fitarihan’Andriamanitra. Araka ny voalazan’ny Baiboly, ny mpanoratra mazàna dia navela hifantina ny fomba fiteniny manokana rehefa nanambara ny filazalazana avy amin’Andriamanitra. (Habakoka 2:2, MN). Izany no antony isian’ny fomba fanoratra maro be ao anatin’ny Baiboly. Nefa notarihin’Andriamanitra mandrakariva ny fanoratana azy.
Ekena aloha fa ny filazan’ireo mpanoratra ireo azy io ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia tsy porofo ao amin’ny tenany ihany fa hafatra avy amin’ny Mpamorona ho an’ny taranak’olombelona ny Baiboly. Kanefa, ny maha-Mpanao ny Baiboly na tsia ilay Avo Indrindra, dia tokony ho hita miharihary amin’ny fandinihana amim-pitandremana sy amin’ny saina tsy miangatra ilay boky mihitsy. Moa ve ny Baiboly manome porofo ny amin’ny maha-mpanao azy an’Andriamanitra? Raha ny marina, afaka milaza amim-patokiana ve isika fa masina ny Baiboly?