Tsy ho ela dia tsy hisy aretina na fahafatesana intsony!
TSY misy izay tsy faly rehefa salama, ary tsy misy olombelona maniry ny ho faty. Manantitrantitra toy izao ny profesora iray momba ny sôsiôlôjia ara-pitsaboana: “Ny fitadiavana fahavelomana maharitra kokoa dia toa saika nanerana izao rehetra izao nandritra ny tantara ary hita teo amin’ny ankabeazan’ny fitambaran’olona. Izany dia nifandray tamin’ny fiezahana fototra ho amin’ny fitsimbinan-tena (...) I Ponce de Leon no hany malaza indrindra tamin’ny taranak’olombelona nandany ny fiainany tamin’ny fitadiavana fahavelomana maharitra kokoa. Ny ankamaroan’ny siansa ara-pitsaboana dia natokana ho amin’ny fiarovana fahavelomana maharitra kokoa amin’ny alalan’ny fiadiana amin’ny aretina sy ny fahafatesana.”
Manimba ny toetra voajanahary ao amintsika ny fahafatesana, hany ka rehefa mihatra amin’ny namana na mpikambana ao amin’ny fianakaviana izy io dia saika miezaka avy hatrany isika manalefaka ny fiantraikany. Manao fanamarihana toy izao ilay boky hoe Funeral Customs the World Over: “Tsy misy antokon’olona, na ny barbariana etsy an-daniny na ny olo-mandroso etsy an-kilany, izay tsy namela malalaka tao aminy sy teo anivony ny fisian’ny fombafomba fanao tamin’ny fisarahana tamin’ny fatin’ny mpikambana tao aminy. (...) Manome fahafahampo ny faniriana lalin’ny rehetra izy io. Toa ‘ara-drariny’ ny fandavorariana izany, ary ny tsy fandavorariana izany, indrindra ho an’ireo izay mifandray akaiky noho ny maha-mpihavana, ny fihetsehampo, ny fiaraha-miaina, ny zava-manjo iombonana, na fatorana hafa, dia toa ‘tsy rariny’, fanadinoana tsy araka ny natiora, zavatra tokony hialan-tsiny na hahamenatra. (...) [Ny olombelona] dia fisiana velona iray izay mandevina ny maty ao aminy amin’ny fombafomba.”
Ny niandohan’ny aretina sy ny fahafatesana
Ny hevitra ny amin’ny hahafoana ny aretina sy ny fahafatesana indray andro any àry dia manana fitaomana mahery, nefa moa ve misy fototra ho an’ ny finoana toy izany? Tena misy tokoa, ary izany dia sady ara-drariny no azo antoka, no tsy mety diso koa. Izany dia ny Teny ara-tsindrimandrin’ilay Mpamorona antsika, ny Baiboly masina.
Io boky io dia manazava miharihary ny niandohan’ny fahorian’ny olombelona. Mitantara amintsika izy io fa i Adama, ilay olombelona voalohany, dia noforonin’Andriamanitra ary napetrany tao amin’ ny fonenana saha paradisa iray tany amin’ny faritra iray tany Atsinanana Afovoany. Noforonina lavorary i Adama, ary tsy mba fantany izay aretina sy fahafatesana. Tsy ela izy dia nampian’ny vady lavorary iray sahaza azy, ary niara-nanana fanantenana fiainana mandrakizay teto an-tany izy ireo. — Genesisy 2:15-17, 21-24.
Tsy naharitra izany toe-piainana nampihetsi-po izany. Nahoana? Satria i Adama nifidy tamim-pitiavan-tena fomba fiaina iray tsy niankina tamin’ Andriamanitra. Asa mafy, fanaintainana, aretina, ary tamin’ny farany dia fahafatesana no vokany. (Genesisy 3:17-19) Nandova izany karazam-piainana mampahory nofidin’i Adama izany ny taranany. Manazava toy izao ny Romana 5:12: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Manampy ny Romana 8:22 hoe: “Fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny.”
Eto an-tany sa any an-danitra?
Na dia izany aza, ny Baiboly dia manome antoka antsika fa tsy ho ela Andriamanitra dia hamerina ny olombelona mankato ho amin’ny toe-piainana sambatra izay narian’i Adama sy Eva. Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4 hoe: “Ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy. (...) Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Nisy mpaminany fahiny iray koa nahita mialoha ny fotoana izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.’ — Isaia 33:24.
Moa ve ianao afaka maka sary an-tsaina tontolo iray tsy hisy hôpitaly sy tranom-paty ary fasana? Moa ve ianao afaka mahita an’eritreritra fahavelomana maharitra hatrany, tsy hahitana na dia ny fandrahonan’ny fijaliana sy ny fahafatesana aza? Eny, ny fampanantenan’Andriamanitra dia manohina ny fihetsehampo lalina ao amintsika rehetra. Kanefa, ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa natao ho an’ny planeta tanintsika izany fahatsinjovan-javatra mahatalanjona izany, fa tsy ho an’ny lanitra? Mariho ny teny manodidina an’ireo andinin-tenin’ny Soratra masina voalaza eo aloha. Ny andininy voalohany amin’ny Apokalypsy toko faha-21 dia miresaka ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Ny fanambarana mazava dia milaza fa ho eo amin’ny olombelona Andriamanitra, ary ho vahoakany izy ireo. Ny fampanantenana ao amin’ny bokin’i Isaia milaza fa tsy hisy hilaza hoe marary, dia arahin’ny firesahana ny amin’ny “olona izay mitoetra ao [amin’ny tany, MN]” izay efa “voavela heloka”.
Miresaka ny amin’ny fiainana eto an-tany ary izany ireo fampanantenana mampahery ireo! Ary izany dia mifanaraka amin’ilay vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny Rainy manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.
Nahoana no hoe tsy ho ela?
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy olona an-tapitrisany maro ho tonga tamin’ny fahatakarana fa ho tanteraka amin’ny hoavy akaiky ireo fampanantenana ireo. Mifototra amin’inona anefa no ahatsapan’izy ireo fahazoana antoka ny amin’izany? Mifototra amin’ny porofo mahery fa isika dia miaina amin’ny “andro farany” ho an’ity fandehanjavatra na fandaharan-javatra ankehitriny eto an-tany ity. (2 Timoty 3:1-5, MN). Nangataka famantarana ny mpianatr’i Jesosy ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Ho valiny, i Jesosy dia nanambara mialoha tamin’ny antsipiriany ireo fisehoan-javatra miitatra maneran-tany izay nitranga nanomboka tamin’ny fipoahan’ny Ady lehibe voalohany tamin’ny 1914.a Avy eo izy dia nanampy hoe: “Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo ambaravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.” Noho izany, ny sasany amin’ny taranaka velona tamin’ny 1914 dia mbola ho velona ka hahita ny faran’ny fandehan-javatra eto an-tany ankehitriny. — Matio 24:33, 34.
Amin’io fotoana io i Jehovah Andriamanitra dia haniraka ny Zanany, Kristy Jesosy, handroso ka handringana izay antony rehetra mahatonga fijaliana sy fahoriana manerana ity planeta tany kanto ity. Ny Baiboly dia miresaka ny fanafoanana ny faharatsiana ho toy ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Haramagedona. — Apokalypsy 16:14, 16.
Hisy olombelona sesehena matahotra an’Andriamanitra ho tafita velona amin’io fitrangan-javatra mahatahotra io ary ho velona mba hahita ny fanombohan’ny fanjakam-piadanan’i Kristy Jesosy. (Apokalypsy 7:9, 14; 20:4) Na dia ho avy any an-danitra aza ny fanapahany, ny vokatra mahasoa hoentiny kosa dia ho azon’izay rehetra miaina eto an-tany, voaforon’ ireo ho tafita velona amin’ny adin’i Haramagedona sy ireo an-tapitrisa tapitrisany maro hatsangana amin’ ny maty aorian’izay. Hanjary tena zavatra hisy ary ilay fampanantenana hoe: “Tsy maintsy manjaka Izy [Kristy], mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” — 1 Korintiana 15:25, 26.
Afaka mihiaka amin-toky toy izao isika, araka izany: “Tsy ho ela dia tsy hisy aretina na fahafatesana intsony!” Tsy fanantenana poakaty na faniriana fotsiny izany. Izany dia fampanantenana azo antoka omen’i Jehovah Andriamanitra, “tsy mahay mandainga”. Moa ve ianao hatoky io fanantenana io? Afaka hitondra soa ho anao mandrakizay izany! — Titosy 1:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana porofo fanampiny fa miaina amin’ny andro farany ny taranak’olombelona, dia jereo ny toko faha-18 amin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 7]
Tsy ho ela ny aretina sy ny fahafatesana dia hosoloan’ny fahavitrihana sy ny fiainana mandrakizay