Nahoana Andriamanitra no Maneho Faharetana Aoka Izany Hatramin’izao?
JEREO ny endrika kivin’ny zaza iray maty mosary. Jereo ny tenany kaozatra sy ny kibony mibontsina. Hevero ny filany sakafo amim-pamoizam-po, ary diniho ilay lovia baolina foana eny aminy. Angamba ny reniny mijery amin’ny masony lalina, ny endriny mampiseho fahakiviana. Avy eo dia miezaha mifehy ny alahelonao ary tazony ny ranomasonao.
Izany fisehoan-javatra izany dia miverimberina intapitrisany maro ao amin’ilay faritra mirefy 6 tapitrisa kilaometatra tora-droa asian’ny mosary, fantatra amin’ny anarana hoe Sahel. Miitatra hatrany amin’ny 4 800 kilaometatra mamakivaky ny faritra atsimon’ny efitr’i Sahara atsy Afrika izy io, avy eo Sénégal eo amin’ny morontsiraka Atlantika ka hatrany Etiopia manamorona ny Ranomasina Mena. Mazava ho azy fa mandrahona olona sesehena koa ny mosary any amin’ny tany hafa. Manao tatitra ny OMS fa olona eo amin’ny 1, 1 arivo tapitrisa eo ho eo manerana ny tany no marary mafy na ratsy sakafo.
Mazava ho azy fa ny hanoanana dia endriny iray monja amin’ny fijalian’olombelona. Mandoto ny tany ny olona, ary samy voakasika isika rehetra. Mankasitraka ny tsy rariny sy ny ady izay mitondra fahoriana sy fahafatesana ho an’ny maro ny rafitra ara-politika. Nahoana Andriamanitra no mamela ny hisian’ny zavatra toy izany? Miahy antsika ve izy?
Miahy antsika tokoa Andriamanitra!
Miahy antsika tokoa ny Mpamorona antsika. Misy porofo betsaka ny amin’izany sy ny fahaizany manao izay hampandeha miaraka ny zavatra mba hitondra soa ho antsika sy mba hisian’ny firindrana eo amin’ny zavatra noforoniny rehetra. Ohatra, jereo ilay sary mampiseho tantely mizaha voninkazo eo amin’ny hazo fihinamboa iray. Miankina amin’ny voninkazo ilay tantely mba hahazoana maminy ilainy hatao sakafo. Ilay hazo kosa indray dia miankina amin’ny vovobony manaraka ny vatan’ilay tantely avy tamin’ny hazo iray karazana aminy. Amin’izany fomba izany dia mandray vovobony ny voninkazo mba hisian’ny voankazo. Tsy ny hazo fihinamboa rehetra akory no mandray vovobony amin’izany fomba izany, nefa azo antoka fa nanao fandaharana Andriamanitra mba hisian’ny farimbonasa tsy mahazatra eo amin’izany lafiny izany. Ary ny hatsaram-pony dia mahatonga ny voankazo izay mety hohanintsika amim-pahafinaretana sy hahasoa.
Ilay tantely mihitsy dia anisan’ny andiany iray voalamina tsara voaforona tantely 30 000. Ny sasany miambina ny tranony raha mbola manadio na mampidi-drivotra ao ny hafa. Ny sasany mbola manangona mamy sy vovobony na mamahana “larve” na mitady fangalana mamy vaovao. Andriamanitra mihitsy no nandamina ny toe-javatra mba handraisantsika soa rehefa mamokatra tantely mamy sy mahavelona ankafizin’ny lelantsika, ny tantely miasa be toy izany.
Ny fahagagana momba ny farimbonasa eo amin’ny tantely sy ny zavamaniry sy eo amin’ireo voan̈a (bibikely) mihitsy, dia iray monja amin’ireo porofo maro be fa mahay tanteraka ny Mpamorona eo amin’ny fanaovana izay hiarahan’ny zavaboary velona miasa eo amin’izy samy izy. Momba izany, “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana [fikorontanana, MN], fa tompon’ny fiadanana.” (1 Korintiana 14:33). Nahoana àry izy no namela ny taranak’olombelona hiaina ao anatin’ny fikorontanana toy izao, miaraka amin’ny fahantrana aterany ho an’ny olona maro be aoka izany? Raha miahy antsika Andriamanitra, nahoana izy no miandry ela loatra toy izao mba hanitsiana ny tarehin-javatra? Nahoana tokoa Andriamanitra no maneho faharetana aoka izany hatramin’izao?
Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia mamaly ny fanontaniana toy izany. Milaza amintsika io boky miavaka io fa nahari-po i Jehovah Andriamanitra noho ny antony tsara. Inona izany antony izany? Ary mbola haharitra mandra-pahoviana ny faharetan’Andriamanitra?