Mitandrema Tena Amin’ireo Mpaminany Sandoka!
EFA tao am-pandriana hatory amin’ny alina ny mpivady breziliana iray no nandre mpangalatra niditra an-keriny tao an-tranony. Afaka nandositra avy teo amin’ny varavarankelin’ny efitrano fandriana ireo mpivady raiki-tahotra ary niantso ny pôlisy. Kanefa nihorohoro aoka izany noho ilay zava-nitranga niainany ilay ramatoa taorian’izay, hany ka tsy afaka natory tao amin’ilay trano ary tsy maintsy nandeha tany amin-dreniny.
Na iza na iza efa nanana trano novakin’olona na voaroba tamin’ny fomba hafa dia hiara-ory aminy. Mety hahaketraka ny fanandraman-javatra toy izany, ary mampalahelo fa olona mihamitombo isa hatrany no mijaly amin’io lafiny io. Misy anefa endri-pangalarana iray izay misy fiantraikany ratsy lavitra kokoa.
Inona io endri-pangalarana ratsy kokoa io, ary iza ireo mpangalatra? Nanome antsika fanazavana momba izany i Jesosy rehefa niteny toy izao izy ny amin’ny androntsika: “Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.” (Matio 24:11). Ireo mpaminany sandoka no mpangalatra. Amin’ny fomba ahoana moa? Inona no angalarin’izy ireo? Mifamatotra amin’ny faminanian’izy ireo ny halatra ataony. Noho izany, mba hahatakarana amin’ny fomba feno ilay raharaha, dia ilaintsika aloha ny mahafantatra ny amin’izay atao hoe faminaniana, ao amin’ny Baiboly.
Ny hevitry ny hoe maminany
Rehefa mieritreritra ny amin’ny hoe faminaniana ianao, ny zavatra voalohany tonga ao an-tsainao angamba dia ny fanambarana mialoha ny hoavy. Endrika iray tamin’ny asa nataon’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahiny tokoa izany, kanefa dia tsy ny asa lehibe indrindra nataony akory. Ohatra, rehefa nilazana ny mpaminany Ezekiela tao amin’ny fahitana iray mba ‘haminany amin’ny fofonaina’, dia tsy maintsy nampiely fotsiny baiko iray avy tamin’Andriamanitra izy. (Ezekiela 37:9, 10). Fony notsaraina teo anatrehan’ireo mpisorona i Jesosy, dia nororana sy nasiana tehamaina, ary niteny tamim-panarabiana toy izao ireo mpanenjika azy: “Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?” Tsy nangataka an’i Jesosy mba hanambara mialoha ny hoavy izy ireo. Nihantsy azy izy mba hamantatra izay namely azy amin’ny fampiasana herin’Andriamanitra. — Matio 26:67, 68.
Raha ny marina, ny hevi-dehibe ampitain’ny teny nandikana ny hoe ‘faminaniana’ amin’ny fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-piandohana dia ilazana mialoha indrindra, ny hevitr’Andriamanitra ny amin’ny raharaha iray, na toy ny nandikan’ny bokin’ny Asan’ny apostoly azy, entina ilazana “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra.” (Asa 2:11). Amin’io heviny io no naha-voaroban’ny mpaminany sandoka ny olona maro.
Iza anefa ireo mpaminany sandoka, ary inona no angalarin’izy ireo? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia aoka isika hitodika ny lasa ka hijery indray ny tantaran’ny firenen’Isiraely tamin’ny andron’i Jeremia.