FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/8 p. 31
  • Fivoriambe Fanao Isan-taona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriambe Fanao Isan-taona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriambe Fanao Isan-taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fivoriambe Fanao Isan-taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fivoriambe Fanao Isan-taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/8 p. 31

Fivoriambe Fanao Isan-taona—3 Oktobra 1992

NY FIVORIAMBE ISAN-TAONA fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 3 Oktobra 1992, ao amin’ny Efitrano Fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah Fivoriambe, 2932 Kennedy Boulevard, any Jersey City, any amin’ny Fanjakan’i New Jersey. Ny fivoriambe mialoha hataon’ireo anisan’ny Fikambanana ihany dia hatao amin’ny 9 ora sy sasany maraina, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny 10 ora maraina.

Tokony hampandre ny Biraon’ny Mpitantsoratra dieny izao ny amin’izay fiovan’ny adiresiny tao anatin’ny taona lasa ireo anisan’ny Fikambanana, mba ho voarain’izy ireo ny fiantsoana sy fanomezam-pahefana, aoriana kelin’ny 1 Aogositra.

Ireo fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo anisan’ny Fikambanana miaraka amin’ny fiantsoana azy hanatrika ny fivoriambe fanao isan-taona, dia tsy maintsy haverina, ary ho tonga any amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra ny 15 Aogositra raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay avy dia tokony hameno ny fanomezam-pahefana sy hamerina izany haingana amin’ny filazana amin’ny fomba hentitra raha ho tonga hanatrika ny fivoriambe ny tenany na tsia. Tokony ho raikitra ireo filazana homena ao amin’ny fanomezam-pahefana tsirairay momba io lafin-javatra io, satria hampiasaina izany hamantarana ny isan’ny mpikambana ho tonga.

Kendrena ho vita amin’ny 1 ora antoandro, na aoriana kelin’izay ny fandaharana manontolo, ao anatin’izany ilay fivoriana sy ireo tatitra momba ireo raharaha ara-barotra. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy hisy fandaharana hatao mba hampifandraisana mivantana an-telefaonina io fivoriambe fanao isan-taona io amin’ny efitrano fivoriana hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara