FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/10 p. 20-23
  • Ry Loholona — Manankìna Asa Amin’ny Hafa!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry Loholona — Manankìna Asa Amin’ny Hafa!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hasarobidin’ny fampiofanana ny hafa
  • Inona no dikan’ny hoe manankina asa amin’ny hafa?
  • Fomba fanankinana asa amin’ny hafa
  • Mizara Andraikitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mampiofana sy Mizara Andraikitra ny Olona Manetry Tena
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mampiofana Olon-kafa ny Anti-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/10 p. 20-23

Ry Loholona — Manankìna Asa Amin’ny Hafa!

LEHILAHY naharitra sy nanetry tena izy, nanana fahatsapana lalina ny rariny izay voalanjalanja noho ny fanandraman-javatra hitany teo amin’ny fiainana. Noho izany, dia nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny telo tapitrisa nitady torohevitra tany aminy tamim-patokiana. Niezaka ny tsy handiso fanantenana azy ireo izy. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nihaino ny zava-nanahirana azy ireo izy, ary tamim-paharetana, dia nanampy azy ireo hahita ny fomba niharan’ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny toe-javatra nisy azy ireo. Eny, nandritra ny fotoana fohy, efa ho 3 500 taona lasa izay, ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely dia notsarain’olon-tokana izay niasa irery — dia i Mosesy.

Nanahy anefa i Jetro rafozan’i Mosesy. Ahoana no hahafahan’i Mosesy hanantena ny hanohy toy izany maharitra? Koa nanambara toy izao i Jetro: “Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na hianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.” (Eksodosy 18:17, 18). Inona no ala olana? Nanoro hevitra an’i Mosesy mba hanankina ny andraikiny sasany tamin’ny hafa i Jetro. (Eksodosy 18:19-23). Torohevitra tsara tokoa izany!

Ao anatin’ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao, dia misy loholona maro izay miezaka, sahala amin’i Mosesy, mikarakara zavatra betsaka kokoa noho izay mety ho vitany samy irery. Sady mandamina ireo fivoriana izy ireo no manomana sy manao anjara amin’ny fandaharana koa, amin’ny fomba milamina sy mandaitra. (1 Korintiana 14:26, 33, 40; 1 Timoty 4:13). Mikarakara izay ilain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona koa izy ireo. (Galatiana 6:1; 1 Tesaloniana 5:14; Jakoba 5:14). Mandray ny fitarihana izy ireo eo amin’ilay asa tena lehibe ho fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14, NW; Hebreo 13:7, NW ). Manao fandaharana koa izy ireo mba hisian’ny tahirin-javatra vita an-tsoratra ho azon’ny kongregasiona raisina mba hozarainy amin’ny olona.

Fanampin’izany, dia misy loholona sasany omena anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny fivoriamben’ny distrika. Mandray anjara amin’ny fandaminana fivoriambe izy ireo, ary anisan’ny komity mifandray amin’ny hopitaly. Ny sasany dia manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ary mbola manampy izany rehetra izany ny andraikiny ara-pianakaviana sy ny ilàny hamahan-tena ara-panahy. (Ampitahao amin’ny Josoa 1:8; Salamo 110:3; 1 Timoty 3:4, 5; 4:15, 16.) Ahoana no ataon’ireo lehilahy kristiana ireo mba hahavitana izany rehetra izany? Sahala amin’i Mosesy, dia tsy maintsy manana fanampiana izy ireo. Tsy maintsy mianatra ny manankina asa amin’ny hafa izy ireo. Tsy azo lavina fa ny olona iray izay tsy manankina asa amin’ny hafa dia olona tsy mahay mandamin-javatra.

Ny hasarobidin’ny fampiofanana ny hafa

Misy antony maro fanampiny tokony hanankinana andraikitra amin’ny hafa. Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ny talenta, dia niantso ny mpanompony ilay tompo talohan’ny niaingany hanao dia lavitra, ary nanankina tamin’izy ireo ambaratongan’andraikitra samihafa izy. (Matio 25:14, 15). Tamin’ny fanaovana toy izany, dia afaka nahatratra zava-kendrena maromaro ilay tompo. Voalohany, nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy, ireo mpanompony dia nisolo toerana azy, ary tsy nihanitsahatra tsikelikely ny asa tena nilaina fony izy tsy teo. Faharoa, koa satria ny toky fitaka fa ny atao no hita, dia afaka nandinika ny fahaizana sy ny fahatokian’ireo mpanompony ilay tompo. Fahatelo, dia nanome fahafahana an’ireo mpanompony mba hahazo fanandraman-javatra tena nilaina ilay tompo.

Misy heviny ho antsika amin’izao andro izao io fanoharana io. Rehefa nandao ny tany i Jesosy, dia nanankina andraikitra tamin’ireo mpianany voahosotra izy. Ny sisa amin’izy ireo dia mbola tompon’andraikitra amin’ny tombontsoa maneran-tanin’ilay Fanjakana ihany. (Lioka 12:42). Mandritra ny fitandreman-draharaha ataon’ny voahosotra amin’izao andro maoderina izao, dia hita miharihary eo amin’ny fandaminany ny fitahian’i Jehovah. Ho vokatr’izany, dia nitombo tamin’ny fomba nahatalanjona izy io. Tao anatin’ireo dimy taona faramparany monja, dia nisy olona vaovao maherin’ny iray tapitrisa nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa anaty rano! Izany dia niteraka kongregasiona vaovao an’arivony maro sy fizaran-tany vaovao an-jatony maro.

Sahala amin’i Jesosy Kristy nanankina andraikitra tamin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izy ireo indray kosa dia nanankina andraikitra momba ny kongregasiona tamin’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa anisan’ny “ondry hafa”. (Matio 24:45-47, NW; Jaona 10:16). Na dia izany aza, dia mbola bebe kokoa ihany ny lehilahy vita fanoloran-tena ilaina mba hikarakara ilay fitomboana goavana. Ho avy aiza izy ireo? Tsy maintsy mampiofana azy ireo ny loholona. Ahoana anefa no ahafahan’ny loholona mampiofana ny lehilahy toy izany, raha tsy manankina andraikitra mety, amin’ny olona izay hita fa mahay, izy ireo? Ahoana koa no ahafahan’ireo loholona mandinika ny fahaizana sy ny fahatokian’ireo lehilahy tanora kokoa?

Inona no dikan’ny hoe manankina asa amin’ny hafa?

Ho an’ny sasany, ny hoe “manankina asa amin’ny hafa” dia midika ho famindrana amin’ny hafa, fanalavirana, fanaovana tsirambina, na fialana amin’ny andraikiny. Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy anefa ny “fanankinana asa amin’ny hafa”, dia tena fomba iray hanatontosana andraikitra. Ny hoe “manankina asa amin’ny hafa” dia midika hoe “manendry olona ho solontenan’ny tena; manome andraikitra na fahefana”. Na dia izany aza, dia mitoetra ho tompon’andraikitra farany amin’izay zavatra atao ilay olona manankina asa amin’ny hafa.

Mety hiahotra ny hanankina asa amin’ny hafa ny sasany noho izy ireo matahotra sao hamoy ny fahefana. Kanefa tsy midika ho famoizana ny fahefana akory ny fanankinana asa amin’ny hafa. Na dia tsy hita maso sy manapaka avy any an-danitra aza i Kristy Jesosy, dia tena manam-pahefana tsara eo amin’ny kongregasiona kristiana. Izy indray kosa, dia nanolotra ny kongregasiona hokarakarain’ny lehilahy ampy ­fanandraman-javatra. — Efesiana 5:23-27; Kolosiana 1:13.

Ny hafa dia mety tsy haniry hanankina asa amin’ny hafa noho izy ireo mihevitra fa afaka manao ilay asa haingana kokoa ny tenany. Kanefa i Jesosy dia nahita ny hasarobidin’ny fampiofanana ny hafa. Tsy nisy olona teto an-tany nampianatra tamin’ny fomba nandaitra kokoa noho i Jesosy. (Jaona 7:46). Kanefa, rehefa avy nanome toromarika ny 70 tamin’ireo mpianany izy, dia nandefa azy ireo haingana tany amin’ny asa fitoriana. Na dia tsy afaka ny hitovy tamin’i Jesosy teo amin’ny fahaiza-mampianatra aza izy ireo, dia niverina dibo-kafaliana noho ny fahombiazany. Niara-nifaly tamin’izy ireo i Jesosy ary nanao teny fiderana azy, satria fantany fa hanohy ilay asa izy ireo, ela be aorian’ny hahalasanany, ary hanatanteraka zavatra betsaka kokoa noho izay nety ho vitany tamin’ny fiasana irery. — Lioka 10:1-24; Jaona 14:12.

Ny hoe manankina asa amin’ny hafa dia midika koa hoe mitady fanampiana amin’ireo tsipirian-javatra tena ilaina. Ny andro nialoha ny hahafatesany, i Jesosy dia nanendry an’i Petera sy i Jaona mba hanao ny fikarakarana nilaina ho amin’ny sakafon’ny Paska farany natrehiny. (Lioka 22:7-13). Tsy nila ny nanahy ny amin’ny fividianana zanak’ondry, divay, mofo tsy nisy masirasira, ary anana mangidy i Jesosy, na nanangona ireo fitaovana nilaina tao an-dakozia sy ny kitay, ary ny zavatra toy izany. Nikarakara ireo tsipirian-javatra ireo i Petera sy i Jaona.

Afaka mandray soa toy izany ny loholona amin’izao andro izao raha manahaka ny ohatr’i Jesosy izy ireo. Ilay mikarakara ny boky, ohatra, dia azo angatahina mba hanafatra izay ilain’ny mpitory amin’ny zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny volana manaraka. Azo ampianarina hamakafaka ny tahirin-taratasiny izy mba hamaritany ny fomba nampiasana ny zavatra vita an-tsoratra toy izany tamin’ny fanolorana azy tamin’ny lasa. Azony atao koa ny manisy fiheverana ny toetra mampiavaka ny faritanin’ny ­kongregasiona alohan’ny hanomanany ilay taratasy fanafarana mifanentana. Avy eo dia hampiseho ilay taratasy nofenoiny amin’ny mpitantsoratry ny kongregasiona izy mba hohamarininy. Raha vantany vao nianatra ny asany ilay mpikarakara ny boky, dia tsy tokony hilain’ny mpitantsoratra ny hanamarina fanindroany ireo tahirin-taratasy teo aloha raha mbola azo ekena koa ny tontaliny eo amin’ilay taratasy fanafarana. Mazava fa io fanankinana asa amin’ny hafa io fotsiny dia hahatonga ny fanaovana fanafarana boky ho mora kokoa sy ho tsotra kokoa ho an’izay rehetra voakasik’izany.

Noho izany soa azo inoana fa ho azo izany, ahoana no ahafahana manankina asa amin’ny hafa amin’ny fomba mandaitra?

Fomba fanankinana asa amin’ny hafa

Farito ilay asa atao. Voalohany indrindra, dia ataovy mazava izay vokany antenaina. “Mandratoa mandra-pihaviko” hoy ilay “andriandahy” tao amin’ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ireo talenta tamin’ireo mpanompony folo. (Lioka 19:12, 13). Nanantena ilay tompo fa hampiasa ny talentany avy mba hanaovana varotra mahomby ireo mpanompo, ary avy eo dia hanao tatitra ny amin’ny tombony azony rehefa tafaverina izy. Nahafantatra izay tokony hataony izy ireo. Ahoana no hampiharana io fotopoto-pitsipika io amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana amin’izao andro izao? Ohatra, ilay rahalahy voatendry hanamboatra ny tafo dia hilazana mazàna ny amin’ireo fitaovana hampiasaina, ny toerana hahitana izany, ary ny fotoana hanombohana ilay asa, raha mamela hanao izany ny toetr’andro. Ny torolalana voafaritra tsara toy izany dia miteraka fandaminan-javatra tsara.

Zava-dehibe ny hamaritana tsara, tsy izay tafiditra ao amin’ilay asa hatao ihany fa izay fanapahan-kevitra avela hataon’ny olona iray koa, ary izay raharaha tokony hanontaniany olon-kafa. Nilaza tamin’ireo olona notendreny i Mosesy fa tsy maintsy nitsara ny raharaha madinika izy ireo, fa ireo raharaha sarotra kosa dia tsy maintsy nalefa tany aminy. — Eksodosy 18:22.

Rehefa mizara andraikitra, dia mitandrema mba tsy hanome asa iray ihany ho an’ny olona roa. Rehefa mihoatra ny iray ny olona voatendry hanao asa iray ihany, dia fisafotofotoana no vokany. Alao sary an-tsaina izay mety hitranga, amin’ny fivoriambe lehibe iray ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha samy omena andraikitra hanadio ny trano heva fizarana sakafo ny Sampan-draharahan’ny Fanadiovana sy ny Sampan-draharaha momba ny Sakafo, na, raha samy tendrena hitarika ireo mpitazana mandritra ny fanaovana batisa ny Sampan-draharahan’ny Mpikarakara ny Mpanatrika sy ny Sampan-draharahan’ny Batisa.

Mifantena lehilahy mahay. Nanoro hevitra an’i Mosesy toy izao i Jetro: “Ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano (...) hitondra azy ireo”. (Eksodosy 18:21, Baiboly Katolika). Miharihary fa ny lehilahy iray dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra ara-panahy aloha. Mba hamantarana raha “mahay” manao ilay asa ny olona iray, dia tsy maintsy asiana fiheverana ny zavatra toy ny lafin-toetran’ilay rahalahy, ny fanandraman-javatra sy ny fiofanana ananany, ary ny talentany. Araka izany, dia azo inoana fa hanao asa tsara, na eo amin’ny latabatra fizarana gazety, na amin’ny maha-mpikarakara ny mpanatrika, ny Kristiana iray miavaka noho izy tsara fanahy sy mahafinaritra ary tia manampy. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, rehefa mifantina olona hanampy ny mpitantsoratry ny kongregasiona, dia araka ny fandrindran-kevitra ny hiheverana raha milamina izy. Mijery tsara ny tsipirian-javatra ve izy, azo ianteherana ve izy, ary afaka mitana tsiambaratelo ve izy? (Lioka 16:10). Ny fanisiana fiheverana izany zavatra izany, ankoatra an’ireo fepetra ara-panahy tena ilaina, dia hanampy mba hifidianana ilay lehilahy mety amin’ny asa iray.

Manomeza zavatra azo ampiasaina ampy. Ilay manompo dia hila eo am-pelatanany zavatra azony ampiasaina sasany mba hamitana ny asa iray nanendrena azy. Angamba hila fitaovana izy, vola, na fanampiana. Manomeza zavatra azo ampiasaina ampy. Mety hangatahina hanao fanamboarana ilaina sasany ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra, ny rahalahy iray. Mazava ho azy fa holazaina aminy izay ilaina hatao, kanefa dia mety hila lelavola izy mba hividianana fitaovana mety hilaina tampoka. Angamba hila fanampiana izy. Koa ny loholona àry dia afaka manontany ny hafa mba hanampy azy na hanao fampandrenesana amin’ny kongregasiona mba hilazana fa ‘Rahalahy Ranona dia hanao asa toy izao sy toy izao ao amin’ny efitrano, ary mety hanatona ny sasany aminareo izy mba hangataka fanampiana.’ Ny fitsinjovan-javatra mialoha toy izany dia hisakana ny fanendrena hanao asa iray tsy misy fanomezana zavatra azo ampiasaina ampy. “Aza manankina asa amin’ny hafa amin’ny fomba tsy feno”, hoy ny filazan’ny mpanolo-tsaina manokana iray momba ny fitantanan-draharaha.

Rehefa mizara andraikitra, dia ilazao ny hafa fa ilay olona dia manao zavatra eo amin’ny toeranao. Ny fahefana hanao zavatra eo amin’ny toeranao dia zavatra azo ampiasaina koa. Voatendry ho ny mpitarika vaovao ny Isiraely teo anatrehan’ny “fiangonana rehetra” i Josoa. Nomena toromarika i Mosesy mba ‘hanome azy ny sasany amin’ny voninahiny’. (Nomery 27:18-23, NW ). Ao amin’ny faritry ny kongregasiona, dia azo tanterahina ny toy izany amin’ny fametahana fotsiny eo amin’ny peta-drindrina fanaovana fanambarana ny lisitr’ireo izay nomena andraikitra.

Tohano ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Izao dia afaka miroso amin’ilay asa ilay voatendry. Tsarovy anefa fa afaka ny ho tena loharanom-pampaherezana ho azy ianao raha manohana ny fanapahan-kevitra tsara ataony. Amin’ny maha-loholona anao, ohatra, dia mety hanana izay tianao manokana ianao eo amin’ny fomba fametrahana ny microphone sy ireo entana eo amin’ny lampihazon’ny Efitrano Fanjakana, angamba somary hafa kokoa noho izay anaovan’ilay rahalahy voatendry azy. Kanefa, raha avela hanana fahalalahana sasany eo amin’ny asany ilay rahalahy mikarakara ny lampihazo, dia azo inoana fa hahazo fatokian-tena sy fanandraman-javatra izy. Ankoatra izany, dia mety hanatsara zavatra mihitsy aza izy. Nilaza toy izao ny mpanolo-tsaina manokana momba ny raharaham-barotra: “Ankino amin’ny hafa ilay asa, fa tsy ny fomba anaovana azy. (...) Mazàna dia miseho ny fahaizana mamoron-javatra.”

Ankoatra izany, ilay rahalahy tena manao ilay asa dia mazàna no akaiky kokoa ilay tarehin-javatra ka mety hahatakatra tsara kokoa ireo zava-manahirana mifandray amin’izany. Azo inoana fa handamina ireo zava-manahirana amin’ny alalan’ny ala olana izay tena mandaitra izy. Mety hifandray amin-javatra izay tsy miharihary amin’ny mpitazana koa izy. Noho izany, dia nisy mpiandraikitra kristiana iray niteny toy izao ny amin’ny rahalahy ampy fanandraman-javatra iray nanampy azy: “Raha milaza izy hoe misy zava-manahirana sasany, dia mino izay lazainy aho.”

Eny, zavatra azo ampiasaina sarobidy indrindra ho an’ny loholona kristiana ireo lehilahy sy vehivavy be fandavan-tena izay vonona sady afaka manampy eo amin’izay rehetra itarihana azy. Ry loholona, hararaoty io fanampiana tsara dia tsara eo am-pelatananareo io! Mariky ny fanekena ny fetran’ny tena ny fanankinana asa amin’ny hafa, ary afaka mampihena ho faran’izay kely ny fihenjanana sy ny fahakiviana izany. Tsy vitan’ny hoe ho afaka hanao zavatra bebe kokoa ianao amin’izay, fa hanome fahafahana hahazo fanandraman-javatra ilaina ho an’ny hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara