Nahoana Ianao no Tokony Hanatrika?
HAHAZO andro fianarana ara-panahy efatra hahafa-po ianao amin’ilay Fivoriamben’ny Distrika hoe “Fampianaran’Andriamanitra”, izay eo am-panaovana azy amin’ity lohataona ity any amin’ny tanàn-dehibe maro manerana izao tontolo izao. Any Etazonia fotsiny, dia maherin’ny 150 amin’izany fivoriana izany no hatao mandritra ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra. Amin’ny ankapobeny, dia hanomboka ny alakamisy amin’ny 1.20 tolakandro ny fandaharana, ary hifarana ny alahady amin’ny 4.15 tolakandro. Ho hevi-dehibe hisongadina amin’ny fivoriambe sasany ny tatitra hataon’ireo misionera izay nampiana mba hiverina any amin’ny tany niaviany amin’io fisehoan-javatra mahafaly io.
Na antitra ianao na tanora — lehilahy na vehivavy manambady, ray, na reny, na tanora, na ankizy — dia hahazo fampianarana haseho mazava tsara sy amin’ny fomba mahafinaritra izay hitondra soa ho anao. Maro amin’izao andro izao, ohatra, no manontany hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainana? Ny zoma maraina ianao dia hankafy ny fihainoana io fanontaniana io hodinihina ary ho faly ianao amin’izay horaisinao mba hanampiana ny hafa hahatakatra io foto-kevitra io.
Ny zoma tolakandro, ny fandaharana dia hampisongadina ireo fizarana hoe “Fanaovana ny Fanambadiana ho Fifamatorana Maharitra”, “Miezaha Mafy ho Famonjena ny Ankohonanao” ary “Ry Ray Aman-dreny — Mila Fiheverana Mampiseho Fahaizana Manokana Ireo Zanakareo”. Manaraka ireo avy hatrany, dia hisy fiheverana manokana hafantoka amin’ireo zava-manahirana atrehin’ny tanora sy ny fomba azon’izy ireo isetrana izany. Tokony hahazo fampaherezana izy ireo amin’ilay fampisehoana tantara maoderina mitondra ny lohateny hoe Tanora Izay Mahatsiaro ny Mpamorona Azy Amin’ny Andro Fahatanorany.
Ny asabotsy, ny fandaharana dia hampisongadina ilay faminanian’i Jesosy mikasika ny andro farany, ary indrindra ireo teniny hoe: “Raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina”. (Matio 24:29). Ho tianao ny hihaino ilay dinidinika mikasika ny fotoana hitrangan’io fahoriana io. Ny fandaharana ny asabotsy dia hijery indray koa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina ary hampiseho izay notanterahin’izy ireo.
Ny alahady, dia hisy fampisehoana tantara hafa iray mitondra ny lohateny hoe Aza Mety Hofitahina na Mamazivazy An’Andriamanitra izay hivaofy ny amin’ireo fihaikana ny tsy fivadihana kristiana ananan’ny tena noho ireo vidéos sy mozika be mpitia. Ny lahateny ampahibemaso ny tolakandro dia hampisongadina ny loha hevitra hoe “Fampianarana Mahasoa ho An’ny Fotoan-tsarotra Misy Antsika”. Hifarana amin’ilay fananarana hoe “Aza Mitsahatra Mihazona Mafy ny Fampianaran’Andriamanitra” ny fandaharana.
Azo antoka fa handray soa ianao raha tonga amin’ireo andro rehetra efatra! Asaina amim-pitiavana ianao mba hanatrika. Mba hahitana ny toerana akaiky indrindra ny tranonao, dia mifandraisa amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana na manorata any amin’ireo mpamoaka ity gazety ity na jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1993 izay mirakitra ny toerana hanaovana ireo fivoriambe rehetra eto Madagasikara.