Mitaintaina Mafy ny Eglizy any Amerika Latina — Nahoana no An-tapitrisany Maro no Miala?
HATRANY amin’ny sisiny avaratra amin’i Meksika ka hatrany amin’ny tendrony atsimo amin’i Chili, dia tsy misy tanàna na vohitra any Amerika Latina tsy manana Eglizy Katolika Romana eo amin’ny kianjany lehibe indrindra. Misy anefa “fiovana goavana mitranga any Amerika Latina”, hoy ny fieken’i Joseph E. Davis, talen’ny fandaharana ao amin’ny fikambanana iray mampandroso ireo asa ataon’ny Katolika. Niaiky koa izy fa i Amerika Latina, izay faritra iray teo ambanin’ny hery fitaoman’ny Eglizy Katolika Romana nandritra ny taonjato telo mahery, dia eo amoron’ny fiovana lehibe iray izao.
Tsy hoe tsiambaratelo akory ny fihenana haingana eo amin’ny fanapahan’ny Eglizy Katolika. Tsy ela izay, ny isan’ireo Katolika mpiangona dia notombanana ho 15 isan-jato monja amin’ny isan’ny mponina rehetra any Amerika Latina. Nanao izao tatitra izao ny 1991 Britannica Book of the Year: “Ireo Eveka katolika sy ny tenan’ny papa mihitsy dia nampiseho tahotra fa i Amerika Latina izay Katolika araka ny tantara dia eo am-piodinana amin’ilay finoana taloha amin’ny fomba mampidi-doza.” Nahoana no mitranga izany? Nahoana no misy olona maro be aoka izany mandao ny valan’ondry katolika? Inona no nitranga tamin’ireo izay nivily lalana?
Ny fitadiavana fanazavana
Manilika ny zava-manahirana azy amin’ny fahamaroan’ireo “antokom-pivavahana” ireo mpitarika katolika. Nitaraina toy izao ny pretra eoropeana iray miasa any Bolivia: “Ny eglizy dia toy ny hazo iray izay sintonin’ireo antokom-pivavahana toy ny ahidratsy ny heriny.”
Any Arzantina, dia lazaina fa misy fivavahana vaovao 140 isan-taona, ka izany dia mety hanazava ny fihenan’ny mpikambana ao amin’ny Eglizy Katolika teo amin’ny 90 isan-jato ho eo amin’ny 60 na 70 isan-jato hatramin’ny antenatenan’ireo taona 1970. Any Tijuana, Meksika, dia 10 isan-jaton’ny mponina roa tapitrisa no niova finoana nankany amin’ireo fivavahana tsy katolika 327 misy any. Nanao tatitra toy izao ny gazetiboky Time: “Manaitra fa, saiky azo antoka hoe bebe kokoa ireo Brezilianina protestanta any am-piangonana ny alahady noho ireo Katolika.” Tsy isalasalana fa, araka ny filazan’ny gazety iray, rehefa “nihaona tamin’ny papa tany Vatican ireo kardinaly tany Amerika Latina mba hidinika ny amin’ny foto-kevitra roa tena iankinan’ny aina ho an’ny eglizy amin’izao andro izao”, ny iray amin’izany dia ny “zava-manahirana momba ireo antokom-pivavahana”.
Tamin’ny fivoriana iray niarahana tamin’ireo evekan’i Meksika, ny papa dia nilaza fa ny fahombiazan’ny fivavahana vaovao maro “dia vokatry ny tsy fisian’ny fiekena mafy sy ny tsy firaikan’ireo zanaky ny eglizy izay tsy mifanaraka amin’ny fanirahana azy ho evanjelisitra”. Nahoana “ireo zanaky ny eglizy” no tsy miraika amin’ny fanomezana fahafaham-po izay ilain’ny mponina any Amerika Latina ara-panahy kanefa dia maro amin’izy ireo no manaja ny Baiboly? Nanazava toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny Última Hora, any La Paz, Bolivia: “Lasa lavitra aoka izany ny eglizy tamin’ny fitsofohany tao amin’izao tontolo izao, hany ka isan’andro izy io dia toa mandao lavitra kokoa ihany ny faritra misy azy. Tsy tokony hahagaga antsika ny mahita, araka izay tena mitranga tokoa, fa ireo pretra dia sosiology kokoa, ekonomista kokoa, mpanao gazety kokoa, na mpanao politika kokoa fa tsy mpitondra fivavahana.”
Mpanao politika kokoa hoe fa tsy mpitoriteny?
Ny fitsabahan’ny eglizy tamin’ny politika nandritra ireo taona 1970 sy 1980 dia tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ilay rikoriko tsapan’ny mponina maro any Amerika Latina amin’izao fotoana izao mikasika ny fivavahana katolika. Nanao izao fanamarihana manaraka izao ny fandinihana iray nivoaka tamin’ny 1985 mikasika ny Maryknoll, ilay Fikambanan’ny Misiona Vahiny Katolika any Amerika, miaraka amin’ireo misionany maro any Amerika Latina: “Nitondra tamim-pahombiazana ny hafatra Marksista sy Leninista momba ny fikomiana feno herisetra tao amin’ny zavatra eken’ny besinimaro ny Maryknoll satria navela hiasa ho toy ny fiadiana ho an’ny Eglizy Katolika indrindra izy io. Ny hafatra nentiny dia nahatratra, tsy ireo mpiangona antonontonony ihany, fa ireo mpitondra manao tetik’asa koa.”
Hevero koa ilay antsoina hoe ady maloto, izay nahatalanjona fa nisy Arzantinina teo amin’ny 10 000 ka hatramin’ny 30 000 nalaina an-keriny ary novonoina tsy nisy fitsarana tamin’ny fifaranan’ireo taona 1970. Nilaza toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny National Catholic Reporter, teo ambanin’ilay lohateny hoe “Nandoto ny Eglizy any Arzantina ny Ra”: “Ny fanandraman-javatra hitan’i Arzantina dia mitovy akaiky amin’ny zava-bitan’ny eglizy katolika tany Alemaina Nazia, izy io dia mampipoitra indray ilay fanontaniana hoe ny fahefana ve no lehibe kokoa ho an’ny eglizy sa ny fitakian’ny Filazantsara ny ho vavolombelona ho an’ny fahamarinana.”
Ny fanirian’ny eglizy fahefana eo amin’ireo fitondram-panjakan’izao tontolo izao dia manamarika azy mazava ho tsy sakaizan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.” (Jakoba 4:4, Fandikan-teny Katolika). Tsy mahagaga àry raha misy olona maro tsy mitodika intsony any amin’ny Eglizy Katolika mba hitadiavana fitarihana ara-panahy. Inona anefa no nitranga tamin’ireo olona izay nandao ny valan’ondry katolika?
Ondry tsy misy mpiandry
Izy ireo dia be itoviana amin’ilay vahoaka izay tsy nokarakarain’ireo mpitarika ara-panahy tao amin’ny Jodaisma tamin’ny taonjato voalohany. Milaza ny Baiboly fa “onena [i Jesosy] nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36, Kat.). Maro no nandao ny Eglizy Katolika ka nifindra tany amin’ireo fivavahana lazaina fa ara-pilazantsara. Moa ve izy ireny nikarakara tsaratsara kokoa ireo ondry nivily lalana? Moa ve ny Protestanta mirona kokoa hitovy amin’izay nolazain’i Jesosy mikasika ireo tena mpanara-dia azy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao”? — Jaona 17:14.
Fivavahana tsy katolika maro no miezaka miseho ho mpankato ny Baiboly fa tsy ho mpanaraka ireo lovantsofina ara-pivavahana. Matetika izany dia ankosotra fotsiny. Ireo fampianarana fototra ao amin’ireo fandaminana protestanta dia mitovy aoka izany amin’ireo an’ny Eglizy Katolika, hany ka mpandinika maro no afaka mampiasa mora foana ilay fitenenana avy any Andes hoe: “Es la misma cholita con otra pollera” (ilay vehivavy kely indiana ihany io fa nanao zipo hafa).
Ohatra, saika ireo antokom-pivavahana protestanta rehetra dia mampianatra fa Trinite Andriamanitra, na dia tsy ao amin’ny Baiboly aza izany. Miaiky toy izao ny The Encyclopedia of Religion: “Ireo mpanome fanazavana sy ireo teolojiana amin’izao andro izao dia mifanaraka fa ny Baiboly Hebreo dia tsy mirakitra fampianarana ny amin’ny Trinite (...) Ny Testamenta Vaovao koa dia tsy mirakitra fampianarana mazava tsara ny amin’ny Trinite.”a
Ny Protestanta dia mifamatotra mazava tsara amin’izao tontolo izao sy ny politikany mitovy amin’ny Katolika. Hoy ny Encyclopedia of Latin America: “Ny fivavahana protestanta any Amerika Latina koa dia nifanaraka (...) tamin’ny politikam-pifidianana solontenam-bahoaka. Matetika ireo pastora tera-tany dia manjary mpiankin-doha amin’ireo mpanampy ara-politika ka manome vatom-pifidianana ho setrin’ny tombontsoa omen’ny fitondrana ho an’ny fiangonany.” Hoy ny Latin American Research Review: “Nivady tamin’ny politika tao Goatemala ny fivavahana protestanta hatramin’ny nahatongavany voalohany tao amin’ilay tany”, ary nampiany hoe izy io “dia sady fitaovana fampitana fitondran-tena ara-politika sy ara-tsosialy no endri-pivavahana iray.”
Ny fandraisan’ny Protestanta anjara amin’ny politika dia matetika nitarika ho amin’ny fandraisan’ny Protestanta anjara tamin’ny ady. Niaiky toy izao i Harry Emerson Fosdick, efa nody mandry, ary heverina ho iray amin’ny mpitondra fivavahana protestanta nanan-kery indrindra teo amin’ny tantaran’i Amerika: “Ny tantarantsika Tandrefana dia ady nisesy. Niteraka lehilahy ho amin’ny ady isika, nampiofana lehilahy ho amin’ny ady; nankalaza ny ady isika; nanao ireo mpiady ho olo-malaza isika ary na dia tao amin’ireo fiangonantsika aza dia nametrahantsika sainan’ny ady (...) Tamin’ny sisiny iray amin’ny vavantsika dia nidera ilay Andrian’ny Fiadanana isika ary tamin’ny sisiny hafa dia nankalaza ny ady.”
Inona no tokony hataontsika?
Rehefa avy nilazalaza ny fivavahan-diso ho toy ny vehivavy janga ara-panoharana iray mijangajanga amin’ny fitondram-panjakana amin’ny tany ny Apokalypsy, boky iray ao amin’ny Baiboly, dia nilaza hoe: “Mihataha aminy hianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy”. — Apokalypsy 18:4, Kat.
Maro no mahatakatra fa misy faharatsiana be dia be ao amin’ny fiangonana, kanefa dia misalasala ny hiala izy ireo satria ny Eglizy Romana dia manana tantara tranainy aoka izany. Tsarovy anefa, fa ny fandaharam-pivavahana jiosy dia tena tranainy; ary anefa dia nolavin’Andriamanitra tsy ho vahoaka voafidiny ireo Jiosy rehefa nivadika tamin’ny fampianarany marina. Nandao ny Jodaisma ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky rehefa takany fa nampiasa ny kongregasiona kristiana ho solony izao Andriamanitra. Ahoana no ahafahantsika mamantatra ny kongregasiona kristiana marina amin’izao andro izao?
Mponina any Amerika Latina efa ho iray tapitrisa no tonga Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ireo roapolo taona farany. Nahoana izy ireo no nanao io fiovana io? Nandinika io fanontaniana io ny gazety iray ao Martínez de la Torre, any Veracruz, Meksika. Hoy izy io: “Ireo mpianatra ny Baiboly ireo dia voaforon’ny efa ho 100 isan-jato amin’ireo mpanao fihetsiketsehana taloha tao amin’ny fivavahana samy hafa, indrindra fa ny Katolika, izay nahamarika ny fironan’ny fivavahana ho amin’ny politika sy ny fanekeny ireo fanao tsy ara-baiboly toy ny fanakambanam-pinoana sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny herisetra. Loharanom-pahafaham-po ho azy ireo ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Soratra Masina, tsy misy fampiasana fanompoan-tsampy na lovantsofina manam-piaviana maizimaizina. Izany dia nanome azy ireo firaisana mendri-piderana eo amin’ny finoana, izay toa mampiavaka azy ireo na aiza na aiza ahitana azy ireo.”
Milaza izany toy izao ny gazety hafa iray any Amerika Latina: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona miasa mafy, manao ny marina, matahotra an’Andriamanitra. Tsy tia fanovana izy ireo, tia ireo fampianarana natolotra, ary ny fivavahan’izy ireo dia miorina amin’ireo fampianaran’ny Baiboly.” Manasa anao hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay na aiza na aiza misy anao. Hianaranao fa ny fanantenany sy ny fomba fiainany manontolo dia miorina amin’ny Baiboly. Eny, hianaranao ny fomba fivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:23, 24.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Tabilao, pejy 22]
VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ANY AMIN’NY TANY SASANY ANY AMERIKA LATINA
1971 1992
Tany Mpitory Mpitory
Arzantina 20 750 96 780
Bolivia 1 276 8 868
Brezila 72 269 335 039
Chili 8 231 44 067
Kolombia 8 275 55 215
Costa Rica 3 271 14 018
Rep. Dominikanina 4 106 15 418
Ekoatera 3 323 22 763
El Salvador 2 181 20 374
Guadeloupe 1 705 6 830
Goatemala 2 604 13 479
Honduras 1 432 6 583
Meksika 54 384 354 023
Panama 2 013 7 732
Paragoay 901 4 115
Peroa 5 384 43 429
Porto Rico 8 511 25 315
Uruguay 3 370 8 683
Venezoela 8 170 60 444
TONTALINY 212 156 1 143 175