FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/9 p. 3-4
  • Afaka Miaro Anao ve Ireo Ody Mahatsara Vintana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Miaro Anao ve Ireo Ody Mahatsara Vintana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitadiavana fiarovana
  • Ilay hery mampisalasala ananan’ireo ody atao fiaro
  • Mety Hisy ve ny Tena Fiarovana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Vintana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mety hitarika amin’ny loza ny finoanoampoana
    Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra
  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/9 p. 3-4

Afaka Miaro Anao ve Ireo Ody Mahatsara Vintana?

SILAKA vato kristaly iray any am-paosina lehilahy brezilianina. Vola madinika iray mahatsara vintana an’ny mpanao fanatanjahan-tena amerikana iray. Lakroa an’i Masindahy Brigid mihantona eo an-doham-pandriana ao an-tranona fianakaviana irlanday. Olona an-tapitrisany maro no mampiasa zavatra toy izany ho toy ny ody na ody atao fiaro mahatsara vintana.a Mino izy ireo fa ny fananana ireny ody ireny dia afaka misakana loza ary mahatsara vintana azy.

Raiso, ohatra, i Brezila. Araka ilay gazetiboky hoe Veja, dia misy Brezilianina maro mitondra “silaka vato sy vatosoa izay lazaina fa manana hery misintona vintana sy misintona hery ara-batana sy ara-tsaina mankamin’ilay manana azy”. Matahotra ny hanao tsinontsinona ny herin’ny maizina ny olon-kafa ao amin’io tany io, ka mametraka famantarana na soratra ara-pivavahana eo amin’ny rindrin-tranony. Misy aza mampiasa mihitsy ny Baiboly ho ody masina; arantirantiny eo ambony latabatra izy io, misokatra eo amin’ny Salamo faha-91 amin’ny fomba raikitra.

Any amin’ireo faritra atsimon’i Afrika, ny muti, na fanafody nentim-paharazana, dia ampiasaina toy izany koa, tsy noho ny fahafahany manasitrana fotsiny, fa ho toy ny fiarovana amin’ny vintan-dratsy koa. Ny aretina, ny fahafatesana, ny fahavoazana ara-bola, ary na dia ny faharavan’ny fifankatiavan’olon-droa aza dia matetika eritreretina ho vokatry ny mosavy nataon’ny fahavalo na vokatry ny tsy fampitonena razana efa maty. Mazàna ny muti dia azo avy amin’ny lehilahy iray mpanao fanafody any ambanivohitra, izay manamboatra tambavy avy amin’ny zavamaniry, hazo na tapany amin’ny biby. Mahaliana anefa fa ny muti dia tsy voafetra velively ho an’ny tambanivohitra; miely hatraiza hatraiza any amin’ireo tanàn-dehibe any Afrika Atsimo ilay fanao. Misy mpandraharaha sy olona nahazo diplaoman’ny oniversite anisan’ireo izay miantehitra amin’ny muti.

Mahazatra any amin’ireo tany eoropeana koa ny fitadiavana vintana tsara. Mampahafantatra antsika ilay boky hoe Studies in Folklife Presented to Emyr Estyn Evans fa: “Faran’izay vitsy ny paroasy na tanàna any Irlandy mety tsy hahitana vy fanao amin’ny kitron-tsoavaly mifantsika amin’ny varavarana na eo amboniny, any amin’ny fonenana sasany na amin’ireo zavatra naorina ivelan’ny trano.” Mbola mahazatra kokoa any amin’io tany io aza ny lakroa vita rary amin’ny harefo, mihantona eo an-doham-pandriana sy eo amin’ny tataom-baravarana mba hanambina. Milaza ny mpandinika fa, etỳ ivelany, dia toa tsy mandray an’ireny finoanoam-poana ireny ho zava-dehibe ny Irlanday maro. Kanefa dia vitsy no tsy miraharaha azy ireny tanteraka.

Ny fitadiavana fiarovana

Inona no manintona eo amin’ireny zavatra inoana miorina amin’ny finoanoam-poana ireny? Izy io dia toa natao mba hamenoana ilay filana fiarovana amin’ny loza, dia filana fototra eo amin’ny olona. Firy marina tokoa moa ny olona izay mahatsiaro tena ho voaro amin’ny loza ao an-tranony, ary mbola latsaka izany amin’ny fandehanana eny amin’ny arabe amin’ny alina? Fanampin’izany ny fikelezana aina amin’ny fivelomana sy ny fikarakarana zanaka. Eny, isika dia miaina ao amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “fotoam-pahoriana”. (2 Timoty 3:1, The New English Bible). Koa voajanahary fotsiny ny fananan’ny olona faniriana mafy ny hahazo fiarovana.

Mety ho marina indrindra izany any amin’ireo kolontsaina itiavan’ny olona ireo endriky ny spiritisma sy ny majika samihafa. Ny tahotra an’ireo heverina fa fanahin’ny maty na ny tahotra sao hahita faisana amin’ny fanozonan’ny fahavalo dia afaka mahatonga an’ilay lazaina fa fiarovana avy amin’ny ody na ody atao fiaro ho toa tsy maintsy ilaina. Na ahoana na ahoana, dia manamarika toy izao ny The World Book Encyclopedia: “Ny ankamaroan’ny olona dia manan-tahotra izay mahatonga azy ireo tsy hatoky tena. Ireo finoanoam-poana dia manampy mba handresy izany tahotra izany amin’ny fanomezana tsy fananana ahiahy. Omen’izy ireny toky ny olona fa hahazo izay iriny ary tsy hiharan-java-manahirana.”

Ilay hery mampisalasala ananan’ireo ody atao fiaro

Noho izany, ireo ody misy karazany sy bikany samihafa dia iambozonana, entina, ary arantirantin’ny olona manerana izao tontolo izao. Azon’ny saina ekena ve anefa ny finoana fa ny ody iray namboarin’olombelona dia afaka manolotra fiarovana tena izy? Maro amin’ireo zavatra fampiasan’ny olona ho ody no entam-barotra vokarina tambabe. Moa ve tsy manohitra ny fandrindran-kevitra sy ny fisainan’ny olon-tsotra ny finoana fa ny zavatra iray natambatambatra tany amin’ny ozinina dia mety hanana hery ara-majika? Ary na dia ny tambavy manokana iray nomanin’ny mpanao fanafody any ambanivohitra aza dia tsy inona fa fifangaroan-javatra misy fangarony mahazatra — fakan-javamaniry, ahitra, ary ny toy izany. Nahoana ny fikambanan-javatra toy izany no hanana heriny ara-majika? Ankoatra izany, moa ve tena misy porofo fa ny olona mampiasa ody atao fiaro dia ela velona kokoa — na sambatra kokoa — noho ireo izay tsy manao izany? Moa ve ny tenan’ireo izay nanamboatra ireny ody ara-majika ireny tsy voan’ny aretina sy ny fahafatesana?

Tsy manome velively ho an’ny olona tena fiarovana marina sy tena fahaizana mifehy ny fiainany marina ny fampiasana amim-pinoanoam-poana ody atao fiaro sy ody, fa raha ny marina, dia manakivy ny olona kosa tsy hiatrika amim-pahakingan-tsaina ny zava-manahirana azy, ary mampirisika azy ireo hitodika any amin’ny vintana ho fanafodin’ny zava-drehetra. Ny fitokiana amin’ny herin’ny ody atao fiaro koa dia afaka manome an’ilay mpampiasa azy fahatsapana tsy fananana ahiahy sandoka. Ny lehilahy iray eo ambanin’ny herin’ny alkaola dia mety hihambo fa tsy misy fahasimbana ny fihetsiny mandeha ho azy sy ireo fahaizany, kanefa raha manandrana mamily fiarakodia izy, dia azo inoana fa hitondra fahavoazana ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa. Izay mametraka ny fitokiany amin’ny herin’ny ody atao fiaro dia mety hanimba ny tenany toy izany koa. Noho izy manana ilay fiheverana sandoka hoe voaro, dia mety hirona hisetra loza amin-kadalana izy na hanao fanapahan-kevitra tsy mampiseho fahendrena.

Ny finoana ny herin’ny ody atao fiaro dia mametraka fisetrana loza lehibe hafa koa, izay mitoetra ho miafina amin’ireo olona an-tapitrisany maro mampiasa azy ireny. Inona avy izany loza izany, ary moa ve misy fomba mety azo isorohana ny fahavoazana? Hivaofy ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary dia mamaritra ny atao hoe ody atao fiaro ho “ody (toy ny ravaka madinika) matetika misy teny na famantarana ara-majika voasoratra raikitra mba hiarovana an’ilay manana azy amin’ny ratsy (toy ny aretina na mosavy), na mba hamonjy azy”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara